Seminera
Matio 7:1–5


Matio 7:1–5

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hitsara amim-pahamarinana

Sary
Jesus Christ sitting on a rock on the shores of the sea of Galilee. Numerous people are gathered around Him. The people are listening to Christ preach. (Mark 4:1) (Luke 5:1)

Tao anatin’ny Toriteny teny an-Tendrombohitra nataony i Jesoa Kristy dianampianatra ny mpianany hitsara amim-pahamarinana. Amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hianatra mahakasika ny fitsarana amim-pahamarinana.

Read the following scenarios, thinking about what kind of judgments someone might make in each situation.

  • Nasain’olona iray ianao hamonjy fety izay hisy ka tanora maro hampiasa zavatra mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena.

  • Misy olona iray izay manana fitsipika hafa amin’ny anao maniry ny ho lasa namanao akaiky.

  • Misy mpikambana iray ao amin’ny paroasinao manao zavatra isan-karazany amin’ny Sabata izay samy hafa amin’ny ataon’ny fianakavianao.

  • Nahatsikaritra ianao fa ny namanao iray dia manana fahazarana mijery pôrnôgrafia.

Amin’ity lesona ity ianao dia hianatra mahakasika ny fitsarana amim-pahamarinana. Hanana fahafahana ianao hamerina indray ny eritreritrao mahakasika ireo toe-javatra mety hitranga ireo ary hampihatra ireo zavatra izay nianaranao.

  • Inona no fanontaniana manitikitika anao momba ny fitsarana?

Eo am-pandalinanao ny lesona androany dia saintsaino ny zavatra izay tsapanao mahakasika ny fitsarana, ary henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Raketo ireo fahatsapana izay mampitombo ny fahatakaranao momba ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy momba ny fitsarana.Vakio ny Matio 7:1 . Matetika dia disoin’ny olona ny hevitra tian’ity andinin-tsoratra masina ity ambara ka heverina fa nampianatra ny Mpamonjy hoe tsy tokony hitsara mihitsy isika. Vakio indray izao ny dikantenin’i Joseph Smith an’ity andinin-tsoratra masina ity (ao amin’ny Matio 7:1 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

  • Ahoana no ahafahan’ny Dikantenin’i Joseph Smith mampitombony fahatakaranao izay nampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitsarana?

  • Inona aminao no dikan’ny hoe mitsara araka ny fitsarana marina?

Vakio ity teny nambara manaraka ity:

Judgment is an important use of our agency and requires great care, especially when we make judgments about other people. All our judgments must be guided by righteous standards. Only God, who knows each individual’s heart, can make final judgments of individuals.

Sometimes people feel that it is wrong to judge others in any way. While it is true that we should not condemn others or judge them unrighteously, we will need to make judgments of ideas, situations, and people throughout our lives. …

… As much as we can, we should judge people’s situations rather than judging the people themselves. Whenever possible, we should refrain from making judgments until we have an adequate knowledge of the facts. And we should always be sensitive to the Holy Spirit, who can guide our decisions.

(Gospel Topics, “Judging Others,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
Hand holding mustard seed.
  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’io teny nambara io izay afaka manampy anao hahatakatra ny fitsarana amim-pahamarinana?

Sary
An old hewn oak beam or post photographed against a white background. (vert)

Vakio ny Matio 7:2–5 hitadiavana fampianarana hafa momba ny fitsaratsarana. Ao amin’ny andininy 3 ny Mpamonjy dia niantso tapa-kazo kely hoe sombin-kazo ary tapa-kazo lehibe hoe andry.

  • Nahoana no ho sarotra ho an’ny olona iray manana andry ao amin’ny masony ny manala ny sombin-kazo hiala amin’ny mason’ny olona iray hafa?

  • Araka ny hevitrao, inona ny zavatra tian’ny Mpamonjy hampianarina amin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny sombin-kazo sy ny andry?

Mety hahita ny sasantsasany amin’ireto fitsipika manaraka ireto ireo mpianatra:

Ny fomba fitsarantsika ny hafa dia hisy fiantraikany amin’ny fomba hitsaran’ny Mpamonjy antsika.

Raha mifantoka amin’ny fijerena ny fahotantsika sy ny fibebahana amin’izany isika, dia azo inoana fa tsy hitsaratsara ny hafa amin’ny tsy ara-drariny.

Rehefa avy nibebaka tamin’ny fahotantsika isika dia afaka manampy ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa.

Rehefa manonona ireo fitsipika ireo na fitsipika hafa ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany amin’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra ihany.

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatadidy ireo fampianarana ireo?

  • Inona no zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo fampianarana ireo?

Mba hahitana fanehoana hafa momba ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy dia jereo ny “Looking through Windows” (2:19), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny miaina araka ireo fampianaran’i Kristy momba ny fitsarana?

  • Ahoana no ahafahanao manasa ny Rainao any An-danitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanampy anao hampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao?

Misafidiana iray amin’ireo toe-javatra mety hitranga teny am-piandohan’ny lesona, na mieritrereta toe-javatra mitovitovy amin’izy ireny.

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

There are two kinds of judging: final judgments, which we are forbidden to make, and intermediate judgments, which we are directed to make, but upon righteous principles. …

… Let us consider some principles or ingredients that lead to a “righteous judgment.”

First, a righteous judgment must, by definition, be intermediate. It will refrain from declaring that a person has been assured of exaltation or from dismissing a person as being irrevocably bound for hellfire. …

Second, a righteous judgment will be guided by the Spirit of the Lord, not by anger, revenge, jealousy, or self-interest. …

Third, to be righteous, an intermediate judgment must be within our stewardship. We should not presume to exercise and act upon judgments that are outside our personal responsibilities. …

Fourth, we should, if possible, refrain from judging until we have adequate knowledge of the facts. …

A fifth principle of a righteous intermediate judgment is that whenever possible we will refrain from judging people and only judge situations.

(Dallin H. Oaks, “‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, Aug. 1999, 7, 9–11)

  • Iza amin’ireo toe-javatra mety hitranga ireo no nofidinao?

  • Inona avy ireo fitsarana marina tokony hataonao raha ity toe-javatra ity no resahana?

  • Inona avy ireo karazam-pitsaratsarana izay tokony hitandremanao mba tsy hanao izany?

  • Araka ny fampianaran’ny Mpamonjy, ahoana no ahafahanao mitsara sady amim-pahamarinana no amim-pamindram-po?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana ny fahotanao sy ny fahalemenao ao anatin’ny toe-javatra toy izany?

Asao ireo izay mazoto hizara ny hevitr’izy ireo. Henoy tsara ny valin-tenin’ny mpianatra mba hanombantombanana hoe hatraiza ny zavatra nianaran’izy ireo.

Indraindray, dia heverin’ny olona fa ny fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 7:1–5 dia midika hoe tsy tokony hitsara mihitsy isika. Nitondra fanazavana ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa misy ireo karazam-pitsarana izay amporisihana antsika ny hanao azy:

2.

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao:

  • Fitsarana tahaka ny ahoana no tokony hataoko, ary inona avy ireo zavatra tokony hitandremako tsy hatao?

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ity lesona momba ny fitsarana marina? Ahoana no nahafahan’ireo zavatra izay nianaranao ireo nanampy anao hahita kokoa ny hafa sy ny tenanao araka ny fahitan’ny Mpamonjy ny hafa sy ny tenanao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no namaliana ny fanontanianao mikasika ny fitsarana? Raha toa ka manana fanontaniana tsy voavaly ianao dia manolora tena hanohy fandalinana ary hikaroka valiny avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Inona no zavatra afaka manampy anao mba tsy hitsaratsara firy ny hafa eo amin’ny fiainanao?

Hevero ny hijoroana ho vavolombelona momba ny fitsarana marina.

Sary
Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

To be Christlike, a person loves mercy. People who love mercy are not judgmental; they manifest compassion for others, especially for those who are less fortunate; they are gracious, kind, and honorable. These individuals treat everyone with love and understanding, regardless of characteristics such as race, gender, religious affiliation, sexual orientation, socioeconomic status, and tribal, clan, or national differences. These are superseded by Christlike love.

(Dale G. Renlund, “Do Justly, Love Mercy, and Walk Humbly with God,” Ensign or Liahona, Nov. 2020, 111)

Hamoaka printy