Seminera
Matio 6:19–34


Matio 6:19–34

“Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra”

Sary
Christ teaches that all things shall be added unto those who seek the kingdom of God.

Tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra i Jesoa Kristy dia nampianatra ny mpianany “[hikatsaka] … aloha [ny hanorina] ny fanjakan’ Andriamanitra” (Matio 6:33). Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hisaintsaina sy hizara ny maha-zava-dehibe ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainanao.

Vakio ireto toe-javatra mety hitranga amin’ny fiainana manaraka ireto:

  • Manan-talenta amin’ny fanaovana surf ny tovolahy iray any Californie, Etazonia, saingy nitontona tamin’ny fotoan’ny seminera ny fanazaran-tenan’izy ireo ao amin’ny ekipan’ny surf ao amin’ny liseany.

  • Nasaina hanana toerana manan-kaja ny tovovavy iray any Birezila tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny namany, saingy mitaky ny hanaovany akanjo tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahiny anefa izany.

  • Mpilalao baolina lavalava manan-talenta miandry ny tolotra ho mpilalao matihanina ny tovolahy iray any Nouvelle Zélande, saingy tao anatin’ny taona hanaovana asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno anefa izy.

Ireo no ohatrana toe-javatra izay azon’ny zatovo isafidianana ny hametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany, na dia tsy ho mora aza izany.

  • Inona avy ireo fanontaniana na ahiahy metyananan’ireo tanora amin’ireo toe-javatra ireo momba ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainany?

  • Inona avy ireo fanontaniana na ahiahy mety anananao sy ny namanao momba ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mangataha amin’ny Tompo hanampy anao hamaha ny ahiahinao sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana Azy ho lohalaharana.Halalino ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina ireto. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hanampy anao hahita sy hahatakatra ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao.

Azon’ny mpianatra atao ny misafidy ny andian-tsoratra ho alalininy, na azo omena azy ireo ny Safidy A na Safidy B. Mety hanampy ny fampisehoana ireto safidy manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

Safidy A: Matio 6:19–24. Ao amin’ireo andininy ireo, ny Mpamonjy dia mampiasa ny teny hoe harena mba hilazana ny zavatra omentsika lanja betsaka, ary ny maso hanehoana ny vinantsika na izay ifantohantsika eo amin’ny fiainana. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny zavatra nampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 22 hoe: “Koa raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masonao, dia ho feno hazavana ny tenanao rehetra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:22 [ao amin’ny Matio 6:22 , Torolalana ho an’ny Soratra Masina]; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67). Mety hanampy ihany koa ny manamarika fa ny teny hoe mamôna dia manondro ny zavatr’izao tontolo izao na ny harena (jereo ny Matio 6:24).

Safidy B: Matio 6:25–34. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ireo andininy ireo dia manazava fa niresaka tamin’ny Apôstôliny ny Tompo momba ny andraikitr’izy ireo amin’ny “fandehanana … any amin’izao tontolo izao … hampianatra ny olona” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:25–26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Natokana manokana ho an’ny Apôstôly Roambinifolo ny torolalan’ny Tompo tamin’izany fotoana izany, saingy mihatra amintsika ihany koa ny fitsipika nampianariny. Jereo ny ohatra amin’ny fomba hikarakaran’ Andriamanitra ny zava-boariny, anisan’izany isika. Rehefa mandalina ianao dia mariho manokana ny andininy 33: ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ity andininy ity dia manomboka amin’ny hoe: “Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:38 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).

  • Rehefa namaky ny tenin’ny Mpamonjy ianao ka nanasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia inona no hitanao fa manan-danja aminao? Nahoana izany no manan-danja?

Ny Mpamonjy dia nampianatra fitsipika marina ao amin’ireo andininy ireo, ao anatin’izany ny hoe tsy afaka sady manompo an’ Andriamanitra isika no manompo an’i mamôna (na ny zavatr’izao tontolo izao) sy ny hoe raha katsahintsika aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra dia hitahy antsika Izy amin’izay zavatra fantany fa ilaintsika.

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manosika anao hametraka Azy Ireo ho lohalaharana amin’ny fiainanao?

Raha azo atao dia jereo ny iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto izay ahitana zatovo mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana. Mifanandrify amin’ireo toe-javatra tany am-piandohan’ny lesona ireo horonan-tsary ireo. (Ny horonan-tsary rehetra dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

No Regrets” (5:38): ilay tovolahy nilalao surf.

Virtuous Young Women” (3:50): ilay zatovovavy nangatahana hanao akanjo tsy maotina.

Your Day for a Mission” (3:31): ilay tovolahy izay nilalao baolina lavalava.

2. Complete the following activity in your study journal.

  • Inona no tianao tamin’ilay horonan-tsary? Inona no nianaranao momba ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana?

  • Oviana ianao no nametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao?

  • Inona avy ireo fitahiana hitanao vokatry ny fanapahan-kevitrao?

Makà fotoana kely hieritreretana ny fomba hampiharanao ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao. Tohizo ny fikatsahana aingam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamita ity lesona ity ianao.

Alao sary an-tsaina hoe ny fiadidian’ny tsatòka na distrika dia nanasa ny kôlejinao na ny kilasinao hanao horonan-tsary hanampiana ny zatovo ao amin’ny vondromparitra misy anao hahatsapa fahazotoana hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fiadidiana dia mikasa ny hampiseho ilay horonan-tsary mandritra ny hetsika iray ho an’ny tanora.

2. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity.

Mamoròna drafitra amin’ny antsipiriany ho an’ny horonan-tsarinao. (Tsy mila manao an’ilay horonan-tsary ianao fa drafitra fotsiny ihany.) Ampidiro ao anatin’ny drafitrao ity manaraka ity:

  • Fahamarinana iray farafahakeliny izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6 sy ny fanazavana ny fomba hanampian’izany ny zatovo hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany.

  • Ohatra iray amin’ny andro ankehitriny momba ny olona iray mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainany. Ity ohatra ity dia mety ho zavatra niainanao manokana na niainan’ny olona iray fantatrao. Manorata famintinana tsotra momba ilay ohatra.

Ampidiro ao anatin’ny drafitrao ihany koa ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto:

  • Teny avy amin’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana

  • Sary fanehoana na sary natao azonao ampidirina sy ny fotoana hampidiranao azy ireo

  • Ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao

Azonao zaraina amin’ny fianakavianao sy ny namanao ny drafitrao ny hanaovana horonan-tsary. Ny fotoana mety hanaovana izany dia rehefa eo am-piresahana momba io lohahevitra io miaraka amin’ny fianakavianao amin’ny fandalinanareo ny Avia, hanaraka Ahy.

Raha manana ny fahaiza-manao hanatontosana izany ianao dia hevero ny hanatontosana ny horonan-tsarinao sy ny hizarana izany amin’ny hafa.

Tsindrio ny bokotra Handefa ny asa fampiharana na ny Fandefasana valiny ampidiranao ny drafitrao.

Hamoaka printy