Seminera
Ataovy tombana ireo zavatra nianaranao 2


Ataovy tombana ireo zavatra nianaranao 2

Matio 3–7; Lioka 3–6; Marka 1; Jaona 2–4

Sary
Jesus is in the background with the group sitting in the foreground.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny fanaovana tombana ireo tanjona izay napetrakao, ireo zavatra izay nianaranao, sy ny fivoarana manokana izay niainanao nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity.

Ny zavatra rehetra izay nianaranao tao amin’ny Testamenta Vaovao nandritra ny seminera dia natao hanampiana anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho tonga mpianany, na mpanara-dia Azy. Manaova iray amin’ireto sahanasa telo manaraka ireto, hitadiavana ireo fitahiana izay ho avy rehefa manaraka ny Mpamonjy isika amin’ny fanatanterahana ireo fampianarany. Avy eo dia valio ireo fanontaniana roa manaraka izany.

  1. Hirao na henoy ilay hiran’ny Kilonga manao hoe “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny ankizy, 132), dia vakio ny Matio 7:24–27 .

  2. Manaova kisarisary tsotsotra amin’ny taratasy kely na ao amin’ny diary fandalinanao, mba hanehoana ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:24–27 .

  3. Mampiasa vato na kaopy hanamboarana trano na rafitra iray tsotsotra eo ambonina fototra mafy tsara, tahaka ny gorodona na birao na latabatra. Avy eo dia manangàna rafitra tsotsotra iray hafa eo ambony fototra tsy dia tena mafy, tahaka ny fandriana, lamba firakotra mivalona, na ondana ohatra. Tsindrio amin’ny tananao eo ambonin’ireo fototra eo akaikin’ireo rafitra tsirairay, dia jereo ny zavatra mitranga. Vakio ny Matio 7:24–27 , mba hahitanao ireo fitoviana misy eo amin’ity sahanasa ity sy ny fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy.

  • Inona no nianaranao avy amin’io sahanasa io?

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika raisina rehefa manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy isika?

Saintsaino ny momba ireo fitomboana izay niainanao rehefa avy nianatra sy niezaka nampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity. Valio ny iray na mihoatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy izay nianaranao ka tena nisy lanjany teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no nahatonga anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy teo am-pianaranao ny teniny?

  • Inona avy ireo fampianarana izay nianaranao nandritra ity taona ity ka azonao nampiharina teo amin’ny fiainanao? Inona avy ireo fitahiana izay niainanao vokatr’izany?

Ity lesona ity dia hanampy anao amin’ny fanaovana tombana ireo fomba nanorenanao ny fiainanao teo ambonin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy mba hahafahanao mahatohitra ireo fanamby izay mety hitranga.

Hevero ny hanasana ireo mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity ka izany dia hatao amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra tsiroaroa na mitambatambatra vitsivitsy.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao handrefy hoe hatraiza ny fahatakaranao sy ny fahaizanao manazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy momba ny fibebahana, sy nybatisa, ary ny fandraisana ho mpikambana. Diniho ireto teny nambara roa manaraka ireto, ary raketo an-tsoratra ny valin’ny tsirairay amin’izany mba hahafahana mamaha ilay olana voalaza. Mampiasà farafahakeliny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nianaranao vao haingana. Ireto andinin-tsoratra masina izay hita ao anaty fononteny ireto dia mety hanampy. Aza misalasala mampiditra ireo zavatra izay niainanao manokana na ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Sary
Christ standing on a rocky ledge as He rebukes Satan who appears below Him. The painting depicts the event wherein Satan tried to tempt Christ after Christ’s forty day fast in the wilderness. Christ is commanding Satan to depart from His presence.
  1. Olona tena tsara aho. Nahoana aho no tokony hanahy ny amin’ny fibebahana raha tsy nanao fahotana goavana? (Jereo ny Matio 3:1–8 ; Lioka 3:7–14 .)

  2. Mino an’i Jesoa Kristy aho, saingy tsy mieritreritra aho fa tokony hatao batisa na horaisina ho mpikambana vao ho afaka hiverina hiaina miaraka amin’ Andriamanitra. (Jereo ny Marka 1:1–9 ; Jaona 3:5 ; 2 Nefia 31:5–12, 17–18 .)

2. Complete the following in your study journal:

Hamoaka printy