Seminera
2 Korintiana 1; 4


2 Korintiana 1; 4

“Ampiononin’ Andriamanitra”

Sary
Two young women sit together on a bench. One of the young women appears to be distraught, sad, or concerned about something. The other young woman is showing concern and appears to be trying to comfort the other.

Isika rehetra dia samy mahatsapa alahelo sy fahoriana, fihemorana sy sakantsakana ary fahasorenana sy aretina. Rehefa niaina zava-tsarotra ny vahoakan’i Korinto dia nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany i Paoly mba hanome fanohanana sy torohevitra tsy tapaka. Nijoro ho vavolombelona momba ny fampiononana sy fiadanana azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy (jereo ny 2 Korintiana 1:3–4). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny sasany amin’ireo fomba anomezan’ Andriamanitra fampiononana ho an’ireo zanany sy hamantarana ireo fomba ahafahanao mizara ny fampiononany amin’ny hafa.

Mampiasa zavatra azo tsapain-tanana sy sary. Mety ho sarotra takarina ny foto-kevitry ny filazantsara sasany. Ny fampiasana zavatra azo tsapain-tanana sy sary dia fomba mahomby hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika ara-panahy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fomba samihafa hahazoany fampiononana rehefa misy zavatra tsy mety eo amin’ny fiainany. Raha azo atao dia amporisiho izy ireo hitondra sary na zavatra iray izay maneho loharanon’ny fampiononana ho azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no mampionona anao?

Raha toa ka nangatahina hanao ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra ny mpianatra dia asao izy ireo hampiseho amin’ny iray kilasy ny zavatra nentin’izy ireo ary hanazava ny fomba hitondran’izany fampiononana ho azy ireo.

  • Amin’inona na iza no itodihanao hahazoana fampiononana mandritra ny fotoan-tsarotra?

  • Inona na iza no mampionona anao indrindra? Nahoana?

Manaova lisitr’ireo toe-javatra eo amin’ny fiainana ankehitriny na amin’ny hoavy izay mety hilanao fanampiana sy fampiononana ny fandalovana izany.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ianao no afaka matoky fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hampionona anao amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina mandritra ireo fotoana ireo?

  • Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahafantarana sy ny fandraisana ny fampiononana omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no ahafahanao mizara amin’ny hafa ny fampiononana omen’Izy Ireo?

Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana teo aloha rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

Naniry ny hampionona ny Olomasina Korintiana tao anatin’ny fitsapana mahazo azy ireo i Paoly

Raha tany Makedonia i Paoly dia nandre avy tamin’ny mpianatra iray nantsoina hoe Titosy izy fa noraisin’ny Olomasina tany Korinto tsara ny taratasiny teo aloha (jereo ny 2 Korintiana 2:13 ; 7:5). Nahafantatra momba ireo fisedrana maharitra niainan’ireo Olomasina ireo koa i Paoly ka nanoratra taratasy iray hafa (2 Korintiana) mba hampiononana azy ireo sy hamahana ny olany.

  • Inona no tadidinao momba an’i Korinto sy ny fahasahiranan’ny Olomasina tany?

Raha sahirana mamaly ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa i Korinto dia tanàna lehibe sy manankarena ary nalaza tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena. Niady mafy ny Olomasina tao mba hitoetra hiray saina, hanaiky ny fahendren’ Andriamanitra manoloana ny fampianaran-diso, ary hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Vakio ny 2 Korintiana 1:1–4 , ary diniho tsara ny fomba nanokafan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho an’ny Olomasina Korintiana.

Asao ny mpianatra hamantatra ireo anarana nampiasain’i Paoly hilazana ny Ray any An-danitra ary hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo anarana ireo avy eo.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny teny fiarahabana nataon’i Paoly tamin’ireo Olomasina?

  • Inona no anarana na anaram-boninahitra nampiasain’i Paoly ho an’ny Ray any An-danitra izay nanaitra anao?

  • Inona no ampianarin’ireo anarana na anaram-boninahitra ireo anao momba ny Ray any An-danitra?

  • Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 4 ?

Mandray fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra sy manampy ny hafa hahazo izany

Mety ho hitanao ny fahamarinana toy izao manaraka izao ao amin’ny andininy 4 : Rehefa mandray ny fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra isika mandritra ireo fitsapana mahazo antsika, dia afaka manampy bebe kokoa ny hafa handray izany koa isika.

Rehefa fantatr’ireo mpianatra ny fahamarinana ao amin’ny 2 Korintiana 1:4 , dia asao izy ireo hampitaha io andininy io amin’ny Môsià 18:8–10 ary hikaroka ny fitovizana misy.

Zarao ny teny nataon’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny faran’ny lesona ary mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mampionona azy ireo amin’ny fahoriana rehetra”? ( andininy 4).

  • Inona araka ny eritreritrao no antony anantenana izany amin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahazo fanampiana sy fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra nandritra ny fitsapana iray?

  • Inona no nianaranao na nianaran’izy ireo avy tamin’izany zavatra niainana izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no azonao atao mba handraisana bebe kokoa ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra rehefa mila izany ianao?

Raha tsy manokana loatra ny valintenin’ny mpianatra dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra niainany. Mety hanampy ny mpianatra ny fandrenesana fomba maro entin’ny Ray any An-danitra hampiononana antsika. Eritrereto ny hanampy fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana sy traikefa an’ny tena manokana ihany koa.

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ity.

Sary
Portrait painting of President Spencer W. Kimball.

Tena mandinika antsika Andriamanitra ary miambina antsika Izy. Saingy matetika avy amin’ny alalan’ny olona iray hafa no hanomezany izay ilaintsika. Noho izany dia zava-dehibe ny fifanompoantsika ato amin’ny fanjakana.

(Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 82)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mampiasa antsika matetika ny Ray any An-danitra hanampy ny hafa mandritra ny fitsapana mahazo azy ireo mba hahatsapany ny fitiavany sy ny fampiononany?

Mieritrereta olona iray fantatrao izay miatrika zava-tsarotra amin’izao fotoana izao. Eritrereto amim-bavaka ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatsapa ny fampiononana omen’ny Ray any An-danitra eo am-panaovanao izao manaraka izao:

A. Eritrereto ny zavatra nianaranao tao amin’ny 2 Korintiana 1:1–4 izay mety hanampy io olona io.

B. Vakio ny roa na maromaro amin’ireto andian’andin-tsoratra masina manaraka ireto, izay mirakitra ireo fampianarana fanampiny nataon’i Paoly ho an’ny Korintiana momba ny fitsapana. Mitadiava andian-teny na andininy iray izay tsapanao fa manan-danja ho an’ilay olona nofidinao.

D. Manaova zavatra izao mba hanampiana io olona io hahatsapa ny fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto ny hivavaka ho azy ireo tahaka ireo Olomasina Korintiana nivavaka ho an’i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 1:11). Ankoatra izany, azonao atao ny manoratra hafatra mampahery ho an’ity olona ity tahaka ny nataon’i Paoly tamin’ny Korintiana, na dia mety ho hafatra, mailaka, na naoty kely aza ny hafatrao fa tsy taratasy. (Ampidiro ao ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity avy tao amin’ny 2 Korintiana 1; 4 ary koa ny zavatra niainana manokana izay mety hanampy.)

E. Manaova drafitra fanampiny hanampiana io olona io. Mety hanosika anao hanao zavatra fanampiny ny Ray any An-danitra, toy ny fitsidihana azy ireo na ny fanompoana azy ireo amin’ny fomba sasany. Aza hadino ny manoratra izay drafitra eritreretinao ao amin’ny toerana iray ahafahanao manaraka azy, toy ny ao amin’ny kalandrienao, na ao amin’ny findainao, na amin’ny taratasy kely izay hojerenao any aoriana.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay kasainy hatao hanampiana ilay olona noeritreretiny. Na dia mety ho an’ny mpianatra aza ny mizara momba ilay sedra amin’ny ankapobeny na ny toe-javatra iainan’ilay olona, dia ampahatsiahivo azy ireo ny tsy hizara hoe iza ilay olona na hilaza zavatra manokana ka ho mora foana ho an’ny mpianatra hafa ny haminavina hoe iza ilay olona.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika ampianarina ato amin’ity lesona ity ary amporisiho ny mpianatra hanaraka ny drafitr’izy ireo amin’ny fampionona ny olona hafa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

2 Korintiana 1:4 . Nahoana ny Tompo no manantena ahy hanolo-tanana sy hampionona ny olona izay mila izany?

Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Manomboka amin’ny fotoana ivoahantsika avy ao amin’ny ranon’ny batisa no hanomezana andraikitra antsika hanao io asa io. Manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika satria izany no nodidian’ny Mpamonjy hataontsika. … Isak’izay hoe ao anatin’ny fahoriana ara-nofo na ara-panahy ny manodidina antsika dia mihazakazaka manampy azy ireo isika. Mifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay isika mba hanamaivana izany. Miara-malahelo amin’izay malahelo isika. Mampionona ireo izay mila fampiononana. Miandry izany avy amintsika amim-pitiavana ny Tompo. Ary ho avy ny fotoana izay hitanana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ataontsika rehefa manompo ny andian’ondriny.

(Gary E. Stevenson, “Mitarika ireo fanahy,” Liahona, nôv. 2018, 111)

2 Korintiana 4:17 . Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nolazainy fa “fahoriana maivana” ireo olan’ny fiainana an-tany?

Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Elder Paul V. Johnson of the Quorum of the Seventy takes an official portrait, 2021.

Eo anivon’ireo olana dia saika tsy ho vita ny mahita fa ireo fitahiana ho avy dia lehibe lavitra noho ny fanaintainana na ny fahafaham-baraka na ny ratram-po izay mety lalovantsika amin’izao. … Ny apôstôly Paoly dia nampianatra hoe: “Fa ny fahorianay maivana izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay” [ 2 Korintiana 4:17 ]. Mahaliana ny ampiasan’i Paoly ny teny hoe “fahoriana maivana.” Izany teny izany dia avy amin’ny olona izay nokapohina, notoraham-bato, rendrika an-tsambo, notanana an-tranomaizina, ary nandalo fisedrana maro hafa. Tsy mino aho fa maro amintsika no hiantso ny fahoriantsika hoe maivana. Kanefa raha ampitahaina amin’ireo fitahiana sy fivoarana izay azontsika any am-parany, eto amin’ity fiainan’ity sy any amin’ny mandrakizay dia tena maivana tokoa ny fahoriantsika. …

Indraindray dia te-hivoatra tsy misy fanamby isika sy te-hatanjaka tsy mila miatrika olana. Saingy tsy azo amin’ny fandehanana amin’ny làlana mora ny fivoarana. Fantatsika tsara fa ny mpanao fanatanjahan-tena izay mandà ny fanazaran-tena mafy dia tsy ho tonga mpanao fanatanjahan-tena avo lenta na oviana na oviana. Tokony hitandrina isika mba tsy hankahala ireo zavatra izay manampy antsika indrindra hitafy ny toetra araka an’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana fanampiny

2 Korintiana 1:3 . “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”

Asao ireo mpianatra hitady tantara hafa ao amin’ny soratra masina na avy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay mampiseho fa afaka manome fampiononana ny Ray any An-danitra. Ohatra, ny mpianatra dia afaka mamintina ny tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nanamaivana ny enta-mavesatry ny vahoakan’i Almà ny Tompo fony izy ireo tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita (jereo ny Môsià 24), na afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba nampiononan’ny Tompo an’i Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121). Omeo fotoana ny mpianatra hikarohana ny soratra masina sy ireo loharanom-pahalalana hafa alohan’ny hizarany.

Fampiononana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Rehefa avy nanontaniana ireo mpianatra ny antony ahatsapan’izy ireo fa matetika ny Ray any An-danitra no mampiasa antsika mba hampionona ny hafa, dia vakio miaraka amin’izy ireo ny 2 Korintiana 1:5–7 ary asao izy ireo hikaroka ireo andinin-tsoratra masina ireo ahitana loharano hafa izay ahitana fampiononana omen’ny Ray any An-danitra: i Jesoa Kristy Mpamonjy. Anontanio ny mpianatra ny antony ahatsapan’izy ireo fa loharanon’ny fampiononana mahery vaika i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana izy ireo. Asao ny mpianatra hampitaha ireo andininy ireo amin’ny Almà 7:11–13 .

Hamoaka printy