Seminera
2 Korintiana 1–7


2 Korintiana 1–7

Topimaso ankapobeny

Rehefa niaina zava-tsarotra ny olona tao Korinto, dia nanoratra tsy tapaka ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao i Paoly mba ho fanohanana sy fanolorana torohevitra tsy tapaka ho azy ireo. Nasainy izy ireo mba hifamela heloka, mba ho tombontsoan’ny olona izay voavela heloka sy ho azy ireo ihany koa. Nampianariny fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy, dia afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotana izy ireo ary ho tafaverina amin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Tamin-kafaliana sy fahafaham-po tanteraka no nandraisany ny teny izay nilaza fa tena niaina fibebahana marina ireo Olomasina Korintiana.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Korintiana 1; 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo fomba izay anomezan’ Andriamanitra fampiononana ho an’ireo zanany sy hamantatra ny fomba izay ahafahan’izy ireo mizara ny fampaherezana avy Aminy amin’ny hafa.  

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fomba samihafa ahafahana mahazo fampiononana rehefa misy tsy mety eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha toa ka azo atao, dia amporisiho izy ireo mba hitondra sary na zavatra anankiray izay maneho loharanom-piononana amin’izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa angatahina mba hieritreritra zavatra izay afaka mitondra fampiononana azy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hampiseho zavatra na sary avy any an-trano izay mampahery anao manokana. Ny fanehoana ireo zavatra ireo eo amin’ny efijery sy ny fanazavana ny maha-zava-dehibe azy ireo dia afaka manampy mampihena ny elanelana misy sy mamorona tontolo fianarana mampahazo aina.

2 Korintiana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fanirian’izy ireo mba hamela heloka ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga hianatra amim-pahavononana hizara ohatra-na olona iray izay fantany fa naneho famelan-keloka tahaka izay nataon’i Kristy tamin’olona iray hafa.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny 2 Korintiana 2:5–11 , ampiasao ny solaitra fotsy mba hamoronana tsanganana roa. Asio soratra eo amin’ny tsanganana iray hoe “Ahoana ny fomba tokony hitondrantsika olona iray nanao izay nampalahelo antsika?” ary ny hoe “Nahoana no tokony ho toy izany no hitondrantsika olona?” eo amin’ilay tsanganana iray hafa. Rehefa avy eo, dia azo asaina ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny ary ianao kosa manoratra izany, na koa izy ireo no manoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana fanoratana.

2 Korintiana 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy mba ho tonga ilay olona tiany hahatongavan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fotoana izay nahatsapan’izy ireo ho akaiky kokoa an’Andriamanitra sy ny fotoana izay nahatsapany fa nanalavitra Azy ary mba ho tonga amim-pahavononana ao an-dakilasy hanao sary miainga avy tamin’ireo zavatra niainana ireo.

  • Votoatin-javatra aseho: Ireo fanontaniana telo izay tokony hodinihin’ireo mpianatra eo am-pandalinany ny 2 Korintiana 5:17–21 , ary koa ireo hevitra efatra izay tokony hosaintsainin’izy ireo aorian’ny lesona (manomboka amin’ny hoe “Mety ho ohatra ny ahoana sy toy ny ahoana izany hoe mihavana amin’ Andriamanitra mandrakizay izany?”)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Eo am-panombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra mba hizara ao amin’ny “chat” ireo rafi-tantara sasantsasany izay tena nisy marina ka mety hitovy amin’ireo izay hita ao anatin’ny lesona. Azo atao ny manasa azy ireo mba hieritreritra ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay hita anatin’ity lesona ity manampy ao anatin’ireo rafi-tantara ireo.

2 Korintiana 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra singa iray manan-danja amin’ny tena fibebahana marina ary hanampy azy ireo hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mahafantatra raha toa ka efa avy niaina fibebahana marina izy ireo. Azo atao ihany koa ny manasa azy ireo handalina ny fizarana “Ny Alahelo araka an’Andriamanitra dia mitondra amin’ny fibebahana” ao amin’ny rindran-damina Avia, hanaraka Ahy tamin’ny (“Septambra 11–17. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny Fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hamorona tabilao ahitana tsanganana anankiray izay misy ny soratra hoe “Alahelo araka an’ Andriamanitra” sy tsanganana anankiray misy ny soratra hoe “Alahelo araka izao tontolo izao.” Rehefa avy eo dia zarao ny efijerinao ary fenoy amin’ny hevi-baovao izay aroson’ny mpianatra momba ireo karazana alahelo roa ireo ireo tsanganana. Na koa, azon’ireo mpianatra atao ny mikaroka sary avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izay maneho na alahelo araka an’ Andriamanitra na alahelo araka izao tontolo izao. Azon’ireo mpianatra atao ny manampy izany ao amin’ny tabilao itambarana mba hahafahan’izy rehetra mahita izany. Asao ireo mpianatra mba hanazava ny fomba ahafahan’ireo sary izay nozarainy ireo maneho alahelo araka an’ Andriamanitra na araka izao tontolo izao.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Omeo ny tahadikan’ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra, ary asao izy ireo mba hitadidy betsaka araka izay azony atao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dimy. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine. Raha tsy izany, dia afaka ny miezaka mitadidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray manontolo ireo mpianatra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ampiasao ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dimy avy ao anatin’ny lesona na koa ireo izay mety ho andinin-tsoratra masina dimy izay tokony hanaovan’ireo mpianatra famerenana, ary rehefa avy eo dia asao izy ireo mba hanoratra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina anaty tapa-taratasy dimy samihafa. Tazomy ambony ary asehoy eo amin’ny efijery ny anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina, ary asao ireo mpianatra mba hampiseho ny andian-teny manan-danja marina aorian’ny fanisana telo rehefa avy eo. Tohizo ity sahanasa ity mandra-pahavita ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina rehetra ireo ka afaka matoky tena tsara ireo mpianatra fa mahay mampifanaraka ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo.

Hamoaka printy