Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 19


Famerenana fifehezana fotopampianarana 19

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fahamarinana izay ampianarina ao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. 

Fiomanan’ny mpianatra: Omeo ny taha-dikan’ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina etsy ambany ireo mpianatra, ary asao izy ireo mba hitadidy farany betsaka indrindra araka izay azony atao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja miisa dimy ao amin’ny soratra masina. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny application Maîtrise des Écritures. Raha tsy izany, dia afaka ny miezaka mitadidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray manontolo ireo mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Ataovy tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay nampiasan’ny Mpamonjy ny soratra masina nandritra ny fiainany teto an-tany?

Rehefa nalain’i Satana fanahy ny Mpamonjy, dia nampiasa fahamarinana avy tamin’ny soratra masina Izy mba hanampy Azy handresy ireo fakam-panahy ireo (jereo ny Matio 4:1–11). Nampiasa soratra masina matetika ihany koa Izy tamin’ ny fampianarana izay nataony (jereo ny Lioka 4:17–27 ; Matio 19:4–5 ; Matio 24:37–40 ; Marka 12:26). Rehefa mitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy anao sy ny hafa. Raha sendra ka mbola tsy nanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ireo ao amin’ny soratra masinao ianao dia hevero ny hanao izany.

Raha azo atao, dia soloy an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay vao avy nianaran’ireo mpianatra vao haingana ireto andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manaraka ireto.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Hebreo 12:9

Andriamanitra no “Rain’ny fanahy.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalipsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ilay tabilao teo aloha. Ny fanononana amin’ny feo mafy ny teny rehefa manoratra azy ireny ianao dia mety hanampy amin’ny fitadidiana azy ireny. Avereno mafy im-betsaka ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina rehefa voasoratra.

Saintsaino hoe inona amin’ireto safidy manaraka ireto no tsara indrindra ho an’ireo mpianatra.

Manaova sahanasa anankiroa avy amin’ireto manaraka ireto farafahakeliny:

a. Manokàna minitra vitsy hiezahana mba hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia takomy ireo andinin-tsoratra masina ary miezaha milaza ireo andinin-teny amin’ny alalan’ny fijerena ireo andian-teny manan-danja fotsiny ihany. Avy eo dia takomy indray ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary miezaha miteny azy ireo amin’ny alalan’ny fijerena ireo andinin-tsoratra masina fotsiny ihany.

b. Miaraha miasa amin’ny namana ka asaivo milaza andinin-tsoratra masina anankiray ny iray ary ny iray hafa kosa miteny mafy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay mifanandrify amin’izany. Avereno im-betsaka amin’ny andian-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja tsirairay izany, ary ezaho tadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny ireo. Avy eo dia miezaha manao izany tsy an-kijery an’ilay tabilao. Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra.

Ny sahanasa natao teo aloha dia azo amboarina amin’ny alalan’ny fampiezahana ireo vodron’ny mpianatra hamita ny famerimberenana izay ataon’izy ireo ao anatin’ny fotoana voafetra (20 segaondra, ohatra). Na koa afaka mitana anjara andraikitra anankiray ny mpampianatra ary anjara andraikitra anankiray hafa koa ny iray kilasy.

d. Rehefa avy nandany minitra vitsivitsy tamin’ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, dia ezaho fenoana ny banga ao amin’ireto andinin-tsoratra masina sy teny manan-danja ao amin’ny soratra masina misy banga manaraka ireto. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny application Maîtrise des Écritures mba hanazaran-tena amin’ny famenoana ny banga.

Hevero ny hanoratra ireto andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra misy banga manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe na omano anatina taratasy kely izany mba hiarahan’ny vondron’ny mpianatra mameno.

  • Hebreo ___:9. Andriamanitra__ no _____ ny _______.

  • __________ 1:5–6. Ary ___ misy ____ tsy _______, Aoka ___ hangataka __ Andriamanitra.

  • Jakoba 2:___–____. Ny finoana, __ tsy ____ asa, _____ maty ____.

  • 1 Petera ___:6. Fa noho ______ [no] ________ ny __ tamin’ ____ izay ____.

  • ________________ 20:12. Ary ___ maty ____ notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … _________ ny _____.

e. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ezaho tadidiana ny toko na andininy iray manontolo.

f. Manorata avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dimy sy andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina araka izay fitadidinao.

Mandiniha

Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray na roa avy amin’izay niasanao androany ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina. Saintsaino ny antony maha-mendrika ny hotadidiana an’io andinin-tsoratra masina io.

  • Inona amin’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dimy ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahafahan’ny fahalalana ireo fahamarinana ireo manome anao fahafahana hanampy ny hafa?

  • Inona no zavatra azonao atao hitadidiavana sy hampiharana tsaratsara kokoa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo?

Hamoaka printy