Seminera
2 Korintiana 2


2 Korintiana 2

“Tokony hamela heloka ianareo”

Sary
Young woman comforting another young woman

Tena mety ho sarotra tokoa ny mamela ny hafa. Nanoratra ho an’ny Olomasina Korintiana momba ny famelana heloka ny mpandika lalàna iray tao amin’ny fiarahamonina nisy azy ireo i Paoly. Nanasa azy ireo i Paoly mba hamela heloka, mba ho tombontsoan’ilay olona voavela heloka sady ho tombontsoan’ny tenan’izy ireo ihany koa. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny hampitombo ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fanirianao hamela ny hafa.

Mamporisika ny fandalinana soratra masina isan’andro. Amporisiho ny mpianatra hanana fahazarana mandalina soratra masina isan’andro. Zavatra vitsivitsy ihany no hanana fitaomana mahery vaika sy fitarihana ho amin’ny tsara maharitra kokoa eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra mihoatra ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina azy ireo isan’andro.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga sady vonona hizara ohatra iray momba ny olona iray fantatr’izy ireo fa nanolotra famelan-keloka tahaka ny an’i Kristy tamin’ny olona iray hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy ireo mpianatra hisaintsaina ny anjara asan’ny famelan-keloka eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho an’ny tena manokana loatra ho an’ny mpianatra sasany ny lohahevitra mikasika ny famelan-keloka. Mivonòna hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina hampianarana ireo fitsipika ireo amim-pitiavana sy amim-pahatakarana.

Inona no fihetsika hasehonao?

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fihetsikao sy ny hafa manodidina anao amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Mihanalaza fa nanao fahotana lehibe, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ny mpikambana iray tao amin’ny paroasy na sampana misy anao.

  • Misy olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anao manohitra ampahibemaso ireo mpitarika ny Fiangonana.

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Na dia nihaona tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana aza ireo olona ao anatin’ireo toe-javatra ireo ary niezaka ny hibebaka, dia ahoana no mety hiresahan’ny hafa momba azy ireo sy ny ataony amin’izy ireo?

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny mitondra azy ireo amim-pitiavana sy amim-pamelana?

Ao amin’ny 2 Korintiana 2 , i Paoly dia nanoratra momba ny toe-javatra mitovy amin’izany tany Korinto rehefa nisy olona nandika lalàna ka nofaizin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Saintsaino ny fomba hitondranao ireo manodidina anao izay mety nandika lalàna. Diniho ireto fanontaniana manaraka napetraky ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Misy olona mila famelan-keloka ve eo amin’ny fiainanao? Moa ve misy olona ao an-tokantranonao, olona ao amin’ny fianakavianao, olona eo amin’ny manodidina anao, nanao zavatra tsy ara-drariny na tamin-karatsiam-panahy na tsy mendrika ny maha-Kristiana? Samy meloka amin’ny fandikan-dalàna toy izany avokoa isika rehetra, koa azo antoka fa mbola misy olona any mila ny famelan-keloka avy aminao.

(Jeffrey R. Holland, “I Stand All Amazed,” Ensign, Aug. 1986, 72)

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ny fanampian’ny Fanahy Masina hampitomboana ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka tahaka ny an’i Kristy sy ny fomba ahafahanao mamela heloka ny hafa.

Nampianatra momba ny famelan-keloka i Paoly

Afaka manao ity sahanasa manaraka ity ao anatin’ny vondrona kely, na tsiroaroa, na samirery ireo mpianatra.

Vakio ny 2 Korintiana 2:5–11 , ary jereo hoe inona no fahamarinana azonao fantarina ao amin’ireto sokajy manaraka ireto:

Ahoana no tokony hitondrantsika ny olona iray izay nampaory antsika?

Nahoana no amin’izany fomba izany no tokony hitondrantsika ny olona?

  • Inona no zavatra nianaranao tamin’ny fandalinana io andalan-tsoratra masina io?

Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izay fahamarinana rehetra lazain’izy ireo.

Fitsipika roa mety ho hitanao ny hoe: amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia afaka mamela heloka sy manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika sy ny hoe raha tsy mamela ny hafa isika dia hanana tombony amintsika i Satana.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fomba ahafahanao mamela heloka, na mampionona, na manamafy ny fitiavanao ny olona iray izay nandika lalàna na naneho haratsiam-panahy?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, nahoana no tiany hifamela heloka sy hifaneho fitiavana isika? Ahoana no fomba hanampiany antsika hanao izany?

Nampianatra ny Loholona Massimo De Feo ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Massimo De Feo Photographed March 2017.

Tia mamela heloka ny tena mpianatra. Fantany fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mandrakotra ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra ataontsika tsirairay. Fantany fa ny sarany izay nefainy dia “sarany mahafaoka ny rehetra.” Tafiditra ao avokoa ny hetra, ny sarany, ny fandaniana ary ny trosa mifandray amin’ny fahotana sy ny fahadisoana ary ny zavatra ratsy natao. Ny tena mpianatra dia mailaka ny hamela heloka sady mailaka ny mangataka famelan-keloka.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, raha sahirana amin’ny fahitana ny hery hamelana heloka ianareo dia aza eritreretina ny zavatra nataon’ny hafa taminareo, fa diniho kosa ny zavatra efa nataon’ny Mpamonjy taminareo, dia hahita fiadanana ao amin’ireo fitahiana manavotry ny Sorompanavotany ianareo.

Raha nanao ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra ireo mpianatra, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao izy ireo hizara ny zavatra nomaniny. Ampahatsiahivo mba tsy hizara zavatra niainana an’ny tena manokana loatra ny mpianatra.

  • Oviana ianao no nahita ohatra momba ny olona iray namela heloka ny hafa ary avy eo nanolo-tanana an’io olona io tamim-pitiavana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahazo “tombony … [amin]tsika i Satana” noho ny tsy famelana heloka? ( 2 Korintiana 2:11).

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny fitahiana izay ho azon’ilay mamela heloka sy ilay voavela amin’ny alalan’ny fanatanterahana ity asa ampanaovina manaraka ity.

Asehoy ireto torolalana manaraka ho an’ny asa ampanaovina ireto na koa ataovy amin’ny endrika taratasy zaraina ho an’ny mpianatra izany.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Alaivo sary an-tsaina fa, tahaka ny Korintiana, ny olona ao amin’ny paroasy misy anao dia mila mampitombo ny fitiavany sy ny famelany ny helok’ireo izay nanota. Noho izany dia manasa anao ny evekanao hizara ny hevitrao fohifohy momba ny famelan-keloka any am-piandohan’ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Makà minitra vitsivitsy ary mamorona famintinana ny zavatra azonao lazaina. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  1. Farafahakeliny, andininy na andian-teny iray avy ao amin’ny 2 Korintiana 2:7–11 .

  2. Soratra masina iray hafa na teny nataon’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. (Azonao atao ny mampiasa ny teny nataon’ny Loholona Kevin R. Duncan etsy ambany, ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina resahiny, na ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina manaraka ny teniny.)

  3. Ny eritreritrao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny fanomezana fitiavana sy famelan-keloka ny hafa sy ny fomba ahafahan’izany manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Fampianarana momba ny famelan-keloka

Ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Kevin R. Duncan. Photographed in March 2017.

Resy lahatra aho fa ny ankamaroantsika dia te hamela heloka, kanefa hitantsika fa sarotra ny manao izany. Rehefa niharan’ny tsy rariny isika, dia mety halaky hiteny hoe: “Nanao ny tsy mety io olona io. Mendrika fanasaziana izy. Aiza ny fahamarinana?” Mieritreritra am-pahadisoana isika hoe raha mamela heloka isika, dia tsy ho tontosa ny rariny amin’ny lafiny iray ary tsy hihatra ny sazy.

Tsy izay tsotra izao no izy. Hanome sazy ara-drariny ho an’ny rehetra Andriamanitra, satria ny famindram-po dia tsy afaka mandroba ny fahamarinana (jereo ny Almà 42:25). Manome toky ho ahy sy ho anao Andriamanitra hoe: “Aoka ho Ahy irery ny fitsarana, fa Ahy izany ary Izaho no hamaly. [Ho] aminareo kosa anie ny fiadanana” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:23 ].

(Kevin R. Duncan, “Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 33–34)

Mamelà ireo mpianatra hizara ny drafiny tsiroadroa na ao anatina vondrona kely.

  • Inona no nianaranao ka afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao hahatakatra bebe kokoa ny famelan-keloka sy hamela heloka?

  • Ahoana no ahafahan’ny famelana ny heloky ny hafa mitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Saintsaino ny fomba fihetsikao amin’ireo nandika lalàna.Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra mikasika ny zavatra azonao atao mba “hamela heloka … ary … hanamafy ny fitiavanao” azy ireo ( 2 Korintiana 2:7–8). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahatsapanao sy ny eritreritrao, ao anatin’izany ny fihetsika rehetra tsapanao fa tokony hataonao.

Amporisiho ny mpianatra hanao zavatra araka ny fahatsapana nananany nandritra ny lesona. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahian’ny famelan-keloka sy ny fomba ahafahan’ny famelan-keloka mitondra ny mpamela heloka sy ny voavela heloka hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny famelan-keloka mitahy anao manokana?

Ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Last official portrait of President James E. Faust, Second Counselor in the First Presidency, 2001. Died 10 August 2007.

Raha toa ka tonga ao am-pontsika ny famelan-keloka an’ireo izay nandratra sy nanindrona antsika, dia hiakatra ho amin’ny fahatsiarovan-tena sy ny fahasambarana ambony kokoa isika.

(James E. Faust, “The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, May 2007, 68)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Last official portrait of President James E. Faust, Second Counselor in the First Presidency, 2001. Died 10 August 2007.

Amin’ny alalan’ilay fahefana nomen’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao an’ireo Apôstôly no ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fiadanan’ny fanahy izay hoentin’ny famitranam-pihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika raha malemy fanahy sy be herim-po tokoa isika amin’ny fanaovana izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)

Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao hamela heloka?

Ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Kevin R. Duncan. Photographed in March 2017.

Ny famelan-keloka no tena antony nandefasan’ Andriamanitra ny Zananilahy, koa aoka isika hifaly amin’ny fanatitra nataony mba hanasitranana antsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy natao fotsiny ho an’ireo izay mila mibebaka; fa natao ihany koa ho an’ireo izay mila mamela heloka. Raha manana fahasahiranana ianao amin’ny famelàna ny heloky ny hafa na ny an’ny tenanao aza dia angataho Andriamanitra mba hanampy anao. Fitsipika feno voninahitra sy manasitrana ny famelan-keloka. Tsy voatery ho voa indroa isika. Afaka mamela heloka isika.

(Kevin R. Duncan, “Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 35)

Jereo ilay horonan-tsary “Principles of Peace: Forgiveness,” 1:49, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay mampiseho ohatra iray amin’ny fomba nahafahan’ny vehivavy iray namela ny rainy, noho i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahatakarako kokoa ny atao hoe famelan-keloka?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Kevin R. Duncan. Photographed in March 2017.

Tsy nilaza i [Jesoa Kristy] hoe: “Tsy mahazo mahatsapa fahoriam-be na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.” Tsy nilaza koa Izy hoe: “Mba hamelana heloka tanteraka dia tsy maintsy manohy fifandraisana mandratra fo na miverina miaina toe-javatra feno fanararaotana sy manimba ianareo.” Kanefa na dia eo aza ny fanafintohinana faran’izay mahatsiravina mety hitranga amintsika, dia tsy afaka mandresy ny fahoriantsika isika raha tsy rehefa mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fahasitranana marina ihany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)

Sahanasa fianarana fanampiny

Famaizana am-pitiavana

Tamin’ny taratasy teo aloha nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana, dia nananatra azy ireo izy noho ny tsy fankatoavany sy ny tsy finoan’izy ireo. Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Korintiana 2:1–4 ary hitady ny zavatra nantenain’i Paoly mba ho takatr’izy ireo mikasika ny antony nananarany azy ireo. Ahoana no mety ho porofom-pitiavan’ny mpitarika na ray aman-dreny ho anao ny famaizana na fanitsiana?

Voasoratra ao am-po

Satria tsy ampianarina amin’ny fandaharam-pianarana ny lesona ao amin’ny 2 Korintiana 3 , dia manolotra hevitra enti-mampianatra an’io toko io ity manaraka ity.

Hazavao fa nandritra ny tsy naha-tao Korinto an’i Paoly dia nisy mpampianatra sandoka sasany nanomboka nanohitra ny fampianaran’i Paoly ary niezaka nanaratsy an’i Paoly tamin’ny filazana tamin’ireo niova fo fa mbola mila manaraka ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Fintino ny 2 Korintiana 3:1 amin’ny fanazavana fa mba hamaliana ireo izay niezaka nanaratsy azy dia nanontany an’ireo mpikambana tao Korinto tsy nanantena valiny i Paoly raha nila nanome azy ireo “[epistily] filazan-tsoa” izy, izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny toetrany sy ny maha-tena Apôstôlin’i Jesoa Kristy tena ara-dalàna azy.

Afaka mamaky ny 2 Korintiana 3:2–3 , ny mpianatra mba hitady hoe inona no lasa toy ny taratasy filazan-tsoa avy amin’i Paoly (nanova ny fiainan’ireo Olomasina). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny tenin’i Kristy dia nosoratana “tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo”? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mamela ny filazantsara ho ao am-pony? Ahoana no ahafahantsika miaina tsara kokoa ny filazantsara avy ao am-pontsika?

Hamoaka printy