Seminera
2 Korintiana 5


2 Korintiana 5

“Ny fanompoana fampihavanana”

Sary
Jesus embraces the man who was born blind when the man finds him again after Jesus healed him.

Efa nahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra ve ianao? Misy olon-kafa fantatrao efa nahatsapa toy izany ve? Nampahatsiahy ny Olomasina tao Korinto momba ny famindram-po nasehon’i Jesoa Kristy azy ireo i Paoly. Nampianatra ny olona i Paoly fa ny fahotana no nampisaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra. Soa ihany, fa noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka nifandray tsara tamin’ Andriamanitra indray izy ireo ary nandray ny fahamarinan’i Kristy (jereo ny 2 Korintiana 5:16–21). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ho lasa ilay tiany hahatongavanao.

Mamporisika ny mpianatra ho tonga efa niomana ho amin’ny fotoam-pianarana. Rehefa tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana ny mpianatra dia manasa ny Fanahy Masina hampianatra azy izy ireo ary vonona kokoa hanampy ireo mpianatra hafa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fotoana nahatsapany ho akaiky an’ Andriamanitra sy ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho lavitra Azy, ary ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara ireo traikefa ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra

Avereno jerena ireto rafi-tantara manaraka ireto. Eritrereto ny fitoviana na ny fahasamihafan’ny toe-javatra misy anao manokana amin’ireo rafi-tantara ireo.

Asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto na asao ny mpianatra hamorona rafi-tantara azy manokana izay ahitana zatovo iray mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra.

Raha tsy izany, dia atombohy amin’ny fampiasana ny sahanasa “Mandray ny fahamarinan’i Kristy” ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ny lesona ny lesona. Ity sahanasa ity dia ahitana ny tantaran’i Jean Valjean tao amin’ny Les Misérables izay nampihavanina tamin’ Andriamanitra.

  1. Mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy i Vero. Maro ny namana no mihevitra azy ho fakan-tahaka. Kanefa, rehefa manao fahadisoana izy dia kivy ary miahiahy ny amin’ny hoe ho afaka hiverina any amin’ny Ray any An-danitra indray ve izy indray andro any.

  2. Manana fahazarana izay fantany fa tsy tsara i Nary, ary sarotra aminy ny mahita ny fomba ahafahany ho voavela heloka sy miova. Manontany tena izy raha mbola hahatsapa ho akaiky an’ Andriamanitra, ary tsy azony antoka raha mendrika ny hanaovana ezaka izany. Tsy te hiresaka amin’ny ray aman-dreniny na ny evekany momba ny olany izy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiomanany ho amin’ny fotoam-pianarana rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity.

Eritrereto ny fifandraisanao manokana amin’ny Ray any An-danitra. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra iainanao manokana sy ny fifandraisanao Aminy. Azonao atao ny mampiditra ny fotoana nahatsapanao ho akaiky sy ny nahatsapanao ho lavitra Azy ary koa ny fanirianao hifandray Aminy amin’ny hoavy.

Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy anao hahatakatra ireo fitahiana avy amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahanao manatona Azy.

Fihavanana

Ao amin’ny 2 Korintiana 5 dia nanoratra i Paoly fa raha mbola miaina ety an-tany isika dia “mitaraina” sy mahatsapa “vesatra,” maniry ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra (jereo 2 Korintiana 5:1–5). Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao zavatra tahaka ilay nofaritan’i Paoly.

Vakio ny 2 Korintiana 5:17–20 , ka tadiavo ireo fahamarinana azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao rehefa mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra ianao. Mariho fa ao amin’ireo andininy ireo, ny hoe mampihavana sy fampihavanana dia midika hoe miverina ho amin’ny firaisankina sy fankasitrahana avy amin’ Andriamanitra rehefa avy tafasaraka taminy.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ho hitan’ny mpianatra eo am-pandalinan’izy ireo.

  • Inona no teny sy andian-teny ato amin’ireto andininy ireto ( 2 Korintiana 5:17–20) izay mamaritra tsara indrindra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Inona no anjara asan’ny Ray any An-danitra amin’ny fanampiana anao hiverina Aminy? (Jereo ny 2 Korintiana 5:18–19 .)

  • Inona no fitahiana azontsika rehefa miezaka miaina “ao amin’i Kristy” isika? ( 2 Korintiana 5:17.)

Fahamarinana iray ampianarina ao amin’ny 2 Korintiana 5:17–20 ny hoe afaka mihavana amin’ Andriamanitra sy ho tonga olom-baovao isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ihany koa i Paoly momba ny hoe nahoana isika no afaka ho lasa olom-baovao ary hoe inona no ny dikan’izany.

Vakio ny 2 Korintiana 5:21 ka tadiavo ireo andinin-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary momba anao.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Raha ilaina dia hazavao fa ny natao“ny” ao amin’ny andininy 21 dia entina ilazana ny Ray any An-danitra, fa ny “aminy” kosa dia manondro an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’io andininy io?

Ampio ny mpianatra hahatakatra io andininy io. Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ary eritrereto ny fomba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io foto-kevitra io. Miomàna hizara ireo hevitra ireo amin’ny teninao manokana.

Ao amin’ny 2 Korintiana 5:21 i Paoly dia mampianatra fa na dia tsy meloka tamin’ny fahotana mihitsy aza i Jesoa, dia tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary no nitondrany teo Aminy ny vesatry ny fahotantsika, sy ny lanjany ary ny vokany. Rehefa mikatsaka fatratra ny hahazo famelan-keloka sy ho tonga “olom-baovao” isika, dia manaiky ny fanoloran’i Jesoa Kristy fa raha manam-pinoana Azy isika sy mibebaka amin’ny fahotantsika dia hanala ny fahotantsika Izy ary afaka mahazo ny fahamarinany isika. Amin’izany no hahatonga antsika ho madio tsy misy hafa Aminy (jereo koa ny Kolosiana 2:13–14 ; 1 Petera 2:24).

Kendreo ny hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny dingana hahatongavana ho madio tahaka an’i Jesoa Kristy dia mitaky ezaka mandritra ny androm-piainana.

  • Ahoana no ahafahan’ny fampianarana ao amin’ny 2 Korintiana 5:21 manampy anao hahatakatra kokoa ny antony ahafahantsika ho tonga olom-baovao ao amin’i Kristy sy ny tena dikan’izany?

  • Inona no eritreritra sy fihetseham-po mety niainan’ilay Zanak’ Andriamanitra tsy nanam-pahotana rehefa nitondra an-tsitrapo ny fahotanao teo Aminy Izy mba hahafahanao mihavana amin’ Andriamanitra sy hiova? (Vakio ny Isaia 49:16 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 alohan’ny hamaliana io fanontaniana io.)

Omeo ohatra maoderina mikasika ny fomba ahafahantsika mihavana amin’ Andriamanitra ny mpianatra. Mizarà zavatra niainana manokana. Raha tsy izany dia manehoa horonan-tsary toy ity manaraka ity.

Mba hahitana ohatra maoderina momba ny olona iray mihavana amin’ Andriamanitra sy lasa “olom-baovao” amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia jereo ny “I Know His Grace Is There When I Fall (Fantatro fa eo ny fahasoavany rehefa lavo aho)” (6:24). Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org io horanantsary io.

Saintsaino ny fomba niainanao, na niainan’ny olona iray fantatrao, ilay fanasitranana sy ilay fampihavanana izay natolotry ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Asao ny mpianatra hizara izay eritreritra na fahatsapana ananany (ampahatsiahivo izy ireo mba tsy hizara zavatra makasika ny tena manokana loatra na tsiambaratelo). Raha mizara traikefa izy ireo dia mametraha fanontaniana fanaraha-maso toy ny hoe “Inona no nampianarin’io traikefa io anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?” na “Inona no fihetsika nataon’io olona io ka nahafahany hihavana tamin’ Andriamanitra? Nahoana ireo fihetsika ireo no nitondra fiovana?”

Ny fisaintsainana ireo fitsipiky ny filazantsara dia afaka manampy antsika hahatakatra sy hahatsapa kokoa ny maha-zava-dehibe azy ireny. Avereno vakiana ny famaritana ny toe-javatra iainanao ankehitriny sy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra izay nosoratanao tany am-piandohan’ny lesona. Makà minitra vitsy hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

Asehoy ireto hevitra manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra. Ampio hevitrao manokana na asao ny mpianatra hizara ny eritreriny mikasika ireo zavatra azony saintsainina mifototra amin’ny zavatra nianarany tao amin’ity lesona ity.

  • Mety ho tahaka ny ahoana ny fisehony sy ny fahatsapana ny hoe mihavana amin’ Andriamanitra mandrakizay?

  • Ahoana no fomba tianao hahatongavana ho olom-baovao amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra niainanao teo amin’ny fiainana ka mampiseho ny fahavononan’i Jesoa Kristy hanampy anao hiova?

  • Inona no fanampiana nentin’ny fisaintsainana?

  • Inona no nianaranao tato amin’ity lesona ity momba ny fihetseham-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba anao sy ny faniriany ho anao?

Mianatra, mahatsapa ary manao zavatra

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka nanan-danja indrindra taminao ary ny anton’izany. Soraty ny zavatra tsapanao fa anentanan’ny Fanahy anao mba hataonao ka afaka manampy anao hihavana amin’ Andriamanitra sy ho tonga “olom-baovao” ao amin’i Kristy. Inona no fiovana tianao ho hita amin’ny tenanao (ao anatin’ny herintaona, na roa taona, na dimy taona) amin’ny maha olona tena niova marina anao ao amin’i Kristy?

Asao ireo mpianatra izay mazoto hanao izany mba hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany. Hevero ihany koa ny hizarana ny fahatsapana anananao manokana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’izany manampy ahy hiaina ny filazantsaran’i Kristy sy ho tonga “olom-baovao” ao Aminy?

Nanazava ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Izany fitomboana finoana sy fiovampo izany dia hanampy antsika hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, izay hampatanjaka ny faniriantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy ary hitarika fiovana ara-panahy tena izy ao amintsika, izay lazaina ihany koa hoe lasa olom-baovao, araka ny nampianarin’i Paoly Apôstôly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Korintiana ( 2 Korintiana 5:17). Izany fiovana izany dia hanome antsika fiainana sambatra sy mamokatra, ary mahasoa kokoa ary hanampy antsika hanana fomba fijery mifantoka amin’ny mandrakizay hatrany.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?Liahona, mey 2019, 6)

2 Korintiana 5:17–21 . Ahoana no ahafahako mahatakatra kokoa ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo?

Ity fanazavana manaraka ity dia mety hanampy anao hahatakatra ireo teny sy andian-teny sasany ao amin’ireo andininy ireo:

Ny hoe tonga “olom-baovao” dia midika fa “[hiova] ny fontsika sy ny tarehintsika ary ny toetrantsika ka ho tonga tahaka ny Mpamonjy” (Benjamin M. Z. Tai, “Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po,” Liahona, mey 2020, 47).

Ny hoe Kristy “tsy nanisa ny fahadisoany” dia midika fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra isika dia tsy isaina amintsika ny fahotantsika noho izay nataon’i Kristy ho antsika.

Sahanasa fianarana fanampiny

2 Korintiana 5:14–21 . Ny takalon’ny fahotantsika ho an’ny fahamarinan’i Kristy

Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 5:14–21 ireo mpianatra dia jereo ny “Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra” (15:18) manomboka amin’ny mari-potoana 10:30 ka hatramin’ny 12:10 na “Ny Sorompanavotana: Ny Fanantenantsika Lehibe Indrindra” (20:21) manomboka amin’ny mari-potoana 3:36 ka hatramin’ny 6:30, izay samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra hampitaha ireo tantara ireo amin’ny 2 Korintiana 5:14–21 . Ireo tantara ireo dia afaka manampy azy ireo hahita ny fomba nitondran’i Jesoa Kristy ny fahotantsika teo Aminy mba hahafahantsika mandray ny fahamarinany.

2 Korintiana 5:14–21 . Mandray ny fahamarinan’i Kristy

Jereo ny “Fanavotana” (15:21) manomboka amin’ny mari-potoana 6:48 ka hatramin’ny 8:43, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay ahitana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mamariparitra ny tantara iray avy ao amin’ny boky Les Misérables. Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba itovizan’ny Eveka Bienvenu, izay namonjy an’i Jean Valjean mba hahatonga azy ho tsaratsara kokoa, amin’ny Mpamonjy sy ny fomba itovizantsika amin’i Jean Valjean. Asao izy ireo handalina ny 2 Korintiana 5:14–21 sy hijery ny fomba mampitovy ny tantara nolazain’ny Loholona Christofferson amin’ny zavatra ampianarin’i Paoly momba ny fahatongavana ho olom-baovao ao amin’i Kristy sy ny fanekena ny fahamarinany.

2 Korintiana 5:1–5 . Ny fanomezana ny “santatry ny Fanahy”

Afaka mandray soa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanomezana ny Fanahy Masina ny mpianatra. Asao izy ireo hamaky ny 2 Korintiana 5:1–5 . Avy eo dia asao izy ireo hahatakatra bebe kokoa ny andian-teny hoe “ny santatry ny Fanahy” amin’ny famakiana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Santatra .”

Afaka nandalina ny 2 Korintiana 1:19–22 ; 5:5 ; Efesiana 1:13–14 izy ireo avy eo; ary ity teny manaraka nataon’ny Filoha Henry ity B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana.

(Henry B. Eyring, “Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, jona 2007, 23)

Asao ireo mpianatra hamaly ireo fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no fiantraikan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fatokisanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay?” sy ny hoe “Ahoana no anomezan’ireo zavatra iainantsika miaraka amin’ny Fanahy Masina ankehitriny tsirin-kevitra momba ny hoe toy ny ahoana izany fankafizana ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra izany?”

Hamoaka printy