Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 11


Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Takaro ary ampiharo

Sary
Painting of Christ reading to people from a scroll in a synagogue.

Ity lesona ity dia hanampy anao hamerina hijery ireo fahamarinana hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana ireo ao anatin’ny toe-javatra samihafa.

Mampandray anjara ireo mpianatra amin’ny fianarana. Ireo mpianatra izay mandray anjara amim-pahavitrihana ao amin’ny traikefa amin’ny fianarana dia mety hahatsiaro kokoa ny zavatra nianaran’izy ireo. Asao ireo mpianatra mba handray anjara amin’ny sahanasa izay ahitana ny fihetsika ara-batana sy ny fifandraisana amin’ny olona sy ny zavatra manodidina azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina hita ato amin’ity lesona ity ny mpianatra. Asao izy ireo hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja. Asao ihany koa izy ireo hieritreritra toe-javatra izay mety hanampian’ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Makà fotoana fohy hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Inona avy ireo hainao tsara? Inona avy ireo tsy dia hainao loatra?

  • Inona avy ireo fahamarinana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tena manan-danja indrindra aminao?

Raha mahazo tombontsoa avy amin’ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ny mpianatra dia hevero ny hanao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto na izy rehetra:

Fanamarihana: Mety hanampy tokoa ny manasa ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa mandritra ny sahanasa toy izany. Hevero ny hampiara-miasa ireo mpianatra izay mila fanampiana amin’ireo mpianatra izay vonona sy afaka manampy azy ireo.

1. Asehoy eo amin’ny lafy ilany amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja, izay voatanisa tsy araka ny filaharany, eo amin’ilay iray hafa. Asao ny mpianatra mba hijery hoe firy ny isan’ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja izay azon’izy ampifandraisina araka ny tokony ho izy. Asao izy ireo hampiasa ny soratra masin’izy ireo mba hanamarinana ny asan’izy ireo.

2. Asehoy ny ampahany amin’ny andian-teny manan-danja iray, ary asao ny mpianatra hameno izany sy hanome ny toko sy andininy.

3. Atombohy ny famakiana tsimoramora ny andian-teny manan-danja iray, teny iray isaky ny mandeha. Rehefa mieritreritra ny mpianatra fa fantatr’izy ireo hoe iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no resahina, dia afaka manokatra izany andinin-tsoratra masina izany ao amin’ny soratra masiny izy ireo.

Sary
Doctrinal Master - Matthew - John

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona te hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Ny fomba iray hitadidiana ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ny mampifandray azy ireny amin’ny zavatra fahita isan’andro. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa, ary avereno jerena ireo andian-teny manan-danja mifandray amin’ny tsirairay amin’izany. Avy eo dia ataovy amin’ny tsirairay amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto izao manaraka izao:

Sary
Christmas lit white lightbulbs
  • Manaova sary na makà sary iray ana-zavatra izay tsapanao fa mifandray amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. (Ohatra, ho an’ny Matio 5:14–16 , dia azonao atao ny manao sary na maka ny sarina hazavana).

  • Manorata fanazavana fohy momba ny fomba ifandraisan’ilay zavatra amin’ny fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Mampifandray ireo fahamarinana amin’ny fiainantsika

Ny loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Nampianatra izy fa ny fitsipiky ny filazantsara dia “[manolotra] ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra samihafa, ireo olana, ireo fanapahan-kevitra, ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika” (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123–24). Ireo fitsipika hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba hiatrehana ireo toe-javatra maro izay mety hitranga eo amin’ny fiainantsika.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ilay toe-javatra eo amin’ny lafy anoloan’ny taratasy iray ary ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fanazavana momba izany ao ambadika.

Fariparito ny toe-javatra iray izay ahafahan’ny olona iray mampihatra ny fahamarinana iray avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray nofanteninao. Hazavao ny fomba ahafahan’ny fampiharana io fahamarinana io hanampy ilay olona hahazo ny fanampian’ny Mpamonjy.

Azonao atao ny manangona ny rafi-tantara noforonin’ny mpianatra sy mamaky izany amin’ny iray kilasy. Izany dia hanome fahafahana ny mpianatra hihaino ny hevitry ny mpiara-mianatra aminy ary hahita fa maro ireo fahamarinana isan-karazany izay afaka mihatra amin’ny toe-javatra iray monja.

Mety ho fomba iray mba hampitomboana ny fandraisan’ny mpianatra anjara ny mamaky rafi-tantara iray ary manasa ireo mpianatra (tsirairay na ao amin’ny vondrona kely) mba hanoratra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja izay heverin’izy ireo fa afaka manampy ilay olona ao anatin’ilay rafi-tantara. Raha toa ka misy mpianatra na vondrona iray mahita fahamarinana iray hafa noho ilay iray izay nosoratan’ilay mpianatra voalohany dia asao izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’izany fahamarinana izany manampy ihany koa.

Misaintsaina momba ireo fahamarinan’ny Mpamonjy

Saintsaino ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja izay ampianarina mandritra ny tapany voalohany amin’ny taona (jereo ny tabilao izay hita tany amin’ny voalohandohan’ny lesona).

Manorata taratasy fohy ho an’ny olona iray izay hanomboka hanatrika seminera tsy ho ela ary tsy mahafantatra momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hazavao azy ireo ny fomba hanampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo azy ireo hahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy sy hanome azy ireo ny valin’ireo fanontaniana sy olana izay mety hitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Hevero ny hizara ohatra momba ny fotoana nitahiana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny alalan’ny fahafantarana sy ny fahatsiarovana ireo fahamarinan’ny Mpamonjy izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Sahanasa fianarana fanampiny

Milalaova toe-javatra an-tsehatra

Ny Filoha Joy D. Jones, izay Filohan’ny Kilonga Maneran-tany teo aloha, dia nilaza fa ny filalaovana an-tsehatra “dia afaka manamafy ny zanaka ho vonona amin’ny toe-javatra sarotra” (“Fifanakalozan-kevitra manan-danja,” Liahona, mey 2021, 13). Azo asaina ireo mpianatra hamantatra toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahamarinana iray avy amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina iray manampy. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny milalao an-tsehatra ny fomba iatrehana ilay toe-javatra amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fahamarinana avy ao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hamoaka printy