Seminera
Jaona 18:33–40; Lioka 23:8–11


Jaona 18:33–40; Lioka 23:8–11

Notsaraina sy nokaravasiana i Jesoa

Sary
Ecce Homo, by Antonio Ciseri.

Rehefa avy nosamborina sy notsaraina tsy ara-drariny teo anoloan’ireo mpitarika Jiosy i Jesoa dia nalefa mba hotsaraina teo anatrehan’i Pilato Izy, izay nanam-pahefana tamin’ny fiari-piadidiana Romana. Nanaiky tamin-kalemem-panahy ny Romana ny Mpamonjy ka nolakasirina tamin’ny karavasy ary nelohina ho faty. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hianatra bebe kokoa momba ny fitiavan’ny Mpamonjy ny olona rehetra sy ny toetra tonga lafatra nananany ary ny fomba ahafahanao manaraka tsaratsara kokoa ny ohatra nasehony.

Manome safidy ny mpianatra. Mety hanampy ny manome fahafahana ny mpianatra hisafidy ny zavatra tian’izy ireo hohalalinina. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanomezana tantara mitovitovy maro mba hohalalinina, na fanontaniana mba hovaliana, na sahanasa azo isafidianana.

Fanomanana ny mpianatra: Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny toetran’ny olona iray dia ahitana ireo toetra ara-pitondrantena izay mamolavola sy ny mampiavaka azy amin’ny mahaolona azy. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny toetran’i Jesoa Kristy sy hieritreritra ny hoe inona amin’ireo toetrany no tiany hananana bebe kokoa. Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hizara farafahakeliny ny iray amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy sy ny antony hahatsapan’izy ireo fa toetra iray tsara ananana izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mahatsapa tena ho ampijaliana

Asao ny mpianatra haneho hevitra ny amin’izay mety ho valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo toe-javatra mahazatra sasantsasany izay mety hahatonga ny zatovo iray ho esoina, na ampangaina tsy ara-drariny, na ampijaliana?

  • Inona avy ireo fomba mety hasetrin’ny zatovo ny fomba fitondrana toy izany?

Ity sahanasa ity dia natao mba hanolorana fahafahana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fanesoana, sy fiampangana tsy ara-drariny, na fampijaliana mahazatra. Raha miresaka momba-na herisetra ara-batana na ara-nofo ny mpianatra, dia ataovy mazava tsara fa tsy azo ekena ny herisetra ary tsy tokony hanaiky izany isika fa tokony hikatsaka fanampiana avy hatrany amin’ireo olon-dehibe azo itokisana. Raha milaza zavatra niainana manokana izay nampiharana herisetra ara-batana na ara-nofo taminy ny mpianatra, dia miresaha amin’izy ireo aorian’ny fotoam-pianarana ary resaho avy hatrany ireo mpitarika azy ao amin’ny Fiangonana.

Afaka miaraka amintsika ny Tompo ary manampy antsika hivoatra avy amin’ireo zava-tsarotra iainana. Afaka manampy antsika izy hiatrika ny zava-tsarotra sy ny fanoherana amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy. Eritrereto ny zavatra niainanao manokana mikasika ny hoe nesoina, na voampanga tsy ara-drariny, na nampijaliana, tafiditra ao anatin’izany ny fomba nasetrinao izany sy ny antony nanaovanao toy izany.

Rehefa nanantomotra ireo zava-nitranga farany teo amin’ny fiainany i Jesoa Kristy dia nesoina, sy nampangaina tsy ara-drariny, ary nampijaliana Izy. Rehefa mandalina ireo zava-nitranga farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ireo ianao dia tadiavo ireo toetra izay nanampy Azy haharitra amim-pahatokiana sy hamita ny asa nanirahana Azy. Diniho amim-bavaka ihany koa ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony.

Notsaraina tsy ara-dalàna sy nelohina ho faty i Jesoa

Asehoy, na fintino, na zarao fohifohy ity fampahalalana manaraka ity:

Taorian’ny nijalian’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia nosamborina Izy, ary notsarain’ireo mpitarika Jiosy (ny Synedriona) nogadraina tsy ara-dalàna ary nelohiny ho faty Izy. Kanefa noho Isiraely teo ambanin’ny lalàna Romana dia ny Romana ihany no nanam-pahefana ny amin’ny famonoana. Noho io antony io dia nalefan’ireo Jiosy tany amin’i Pilato, ilay mpitarika Romana teo amin’i Jodia, i Jesoa ary niampanga Azy ho nikomy tamin’ny governemanta Romana ny amin’ny nanambarany ny Tenany ho “Mpanjakan’ny Jiosy” (jereo ny Marka 15:2). Nalefan’i Pilato tany amin’i Heroda Antipasy, izay tany Jerosalema noho ny Fetin’ny Paska, i Jesoa, nanantena fa hotsarain’i Heroda any Galilia Izy, saingy nalefan’i Heroda niverina tany amin’i Pilato i Jesoa.

Hevero ny hanome ireo mpianatra tantara mba hovakiana hahazoana antoka fa voavaky ireo tantara rehetra.

Vakio ny roa na mihoatra amin’ireto tantara manaraka ireto, izay mitantara ny fomba niampangana tsy ara-dalàna an’i Jesoa sy nanamelohana Azy ho faty nony farany. Eo am-pamakianao izany dia tadiavo ny zavatra navalin’i Jesoa tao anatin’ireo toe-javatra tsirairay ireo. Tsarovy fa nanana ny hery hanafaka ny Tenany amin’ireo toe-javatra ireo Izy (jereo ny Matio 26:52–54).

1. Nofotorin’ny Synedriona i Jesoa. Vakio ny Matio 26:57– 68 , na jereo ilay horonan-tsary “Jésus est jugé par Caïphe, Pierre nie le connaître” manomboka amin’ny minitra 0:00 ka hatramin’ny 1:39. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2. Nofotorin’i Pilato i Jesoa. Vakio ny Jaona 18:33–40, na jereo ny “Jésus est condamné devant Pilate” (3:19), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana hoe ohatra ny ahoana ilay fitsarana teo anoloan’i Pilato.

Horonan-tsary iray fanampiny azo isafidianana ho an’io tranga io ny “Voici pourquoi je suis né,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org Araho manomboka amin’ny minitra 0:00 ka hatramin’ny 4:03.

3. Niseho teo anatrehan’i Heroda i Jesoa. Vakio ny Lioka 5:4–11 .

4. Nokaravasian’ny miaramila Romana i Jesoa ary avy eo dia nofotorin’i Pilato fanindroany. Vakio ny Jaona 19:1–16 , “Le Sauveur est flagellé et crucifié” manomboka amin’ny minitra 0:00 to 2:03, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny karavasy dia fikapohana iray izay matetika no nahitana zavatra maranitra (toy ny poti-bato, na vy, na taolana) voarary ao anatin’ny maro amin’ireo kofehy. Olona maro no tsy tafavoaka velona tamin’ny fikaravasiana vokatry ny takaitra ara-batana mahery vaika navelan’izany.

Rehefa mizara ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia miezaha mampiditra valinteny avy amin’ireo mpianatra izay namaky tantara samy hafa.

  • Inona no nasetrin’ny Mpamponjy tao anatin’ireo toe-javatra ireo?

  • Araka ny hevitrao, nahoana ny Mpamonjy no mety namaly toy izany?

Toetran’i Jesoa Kristy

Vakio ny 1 Nefia 19:9 sy ireto teny manaraka ireto, ka tadiavo ireo hevi-baovao momba ny toetran’ny Mpamonjy.

Nizara izao manaraka izao ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Official portrait of Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve Apostles, 2003

Ny famaliana araka ny fomban’i Kristy dia tsy noforonina mialoha na nifototra tamina raki-pohy. Ny Mpamonjy dia namaly tamin’ny fomba samy hafa teo anatrehan’ny toe-javatra tsirairay avy. Rehefa nifanehitra tamin’i Heroda izay mpanjaka ratsy Izy dia nijanona tao anatin’ny fahanginana. Rehefa nijoro teo anoloan’i Pilato Izy dia nanao fijoroana ho vavolombelona tsotra sy nahery vaika mikasika ny mahaAndriamanitra Azy sy ny tanjony. ..

Misy ny olona sasany diso eritreritra hoe ny fihetsika toy ny fahanginana, ny fahalemem-panahy, ny famelana heloka sy ny fijoroana ho vavolombelona amim-panetrentena dia fanarahan-driaka na fahalemena. Kanefa ny mitia ny fahavalontsika, mitsodrano ireo izay manozona antsika, manao soa ireo izay mankahala antsika, ary mivavaka ho an’ireo izay maniratsira antsika, sy manenjika antsika ( Matio 5:44) dia mitaky finoana sy hery ary indrindra indrindra fahasahian’ny Kristiana.

(Robert D. Hales, “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nov. 2008, 72)

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Eritrereto ihany koa ny fomba niampangana sy nanamelohana an’ilay Mpampianatra teo anoloan’i Pilato mba homboana. [jereo ny Matio 27:2 , 11–26 ]. … Ny halemem-panahin’ny Mpamonjy dia voaporofo tamin’ny fihetsika feno fifehezana sy ny fitandremana lalina ary ny tsy finiavany hampiasa ny fahefana tsy misy fetra ananany ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana.

(David A. Bednar, “Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 33)

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny fomba famaliny nandritra ireo toe-java-tsarotra ireo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny fihetsiky ny Mpamonjy “ny fitiavany … amin’ny zanak’olombelona”? ( 1 Nefia 19:9).

  • Mety hanampy anao hitia sy hatoky Azy kokoa amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia manana ireo toetra ireo?

Zava-dehibe ny manamarika fa tamin ny fotoana maro no nihazona tamin’ny fomba hentitra ny hafa ho tompon’andraikitra tamin’ny zavatra nataon’izy ireo (jereo ny Marka 11:15–17 , Jaona 2:13–16 , Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:48–51). Amin’ny mahampanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia te hamaly ny fanesoesoana sy ny fiampangana tsy ara-drariny, na ny fampijaliana amin’ny fitiavana sy ny herim-po ary ny fahalemem-panahy isika. Tsy midika kosa anefa izany fa tokony hamela ny hafa hanao herisetra na hanao ratsy antsika isika. “Manameloka ny fihetsika feno herisetra amin’ny endriny rehetra ny Tompo— tafiditra ao anatin’izany ny tsy firaharahiana sy ny herisetra ara-batana, na ara-nofo, na ara-pitenenana” (taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Preventing and Responding to Abuse [Misoroka sy mandray an-tanana ny herisetra],” Mar. 26, 2018). Raha toa isika ka efa niharan’ny herisetra, dia zava-dehibe ny hikatsahantsika fanampiana avy amin’ny olon-dehibe azo itokisana avy hatrany.

  1. Avereno ao an-tsaina ny fotoana iray nahatsapanao ho nesoina, na nampangaina tsy ara-drariny, na nampijaliana. Katsaho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ireo fomba araka an’i Kristy izay sahaza azonao asetry io toe-javatra io. Soraty ny zavatra nataonao tamin’ny fomba tsara sy ny fomba mety tianao hatsaraina.

  2. Manorata ohatra roa tamin’ireo fotoana na toe-javatra ka nanampy anao na mety ho nanampy anao ny fahatsiarovana ny toetran’i Kristy. Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka miezaka tsy tapaka ny hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ianao?

  3. Misafidiana toetra tahaka ny an’i Kristy iray izay tianao hananana bebe kokoa. Eritrereto ireo fotoana amin’ny andronao izay ahafahanao mizatra mampiasa io toetra io.

Asao ny mpianatra izay mazoto hanao izany mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratany. Manolora fankaherezana ary hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana fa rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia hanampy azy ireo Izy hampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitan’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Jaona 18:36 . Inona ilay fanjakana noresahan’i Jesoa?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Rehefa nandika ny nofin’i Nebokadnezara Mpanjakan’i Babylona i Daniela, nampahafantatra ny mpanjaka “izay ho tonga any am-parany,” [ Daniela 2:28 ], dia nilaza izy fa “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana [hafa] rehetra […] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay” [ Daniela 2:44 ]. Ny Fiangonana izany fanjakana amin’ny andro farany voalazan’ny faminaniana izany, izay tsy noforonin’ny olona fa naorin’ Andriamanitra ka nikodiadia toy ny vato “nendahana tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana” ka nahafeno ny tany [ Daniela 2:45 ; jereo koa ny andininy 35 ].

Ny anjaran’izany Fiangonana izany dia ny hanangana an’i Ziona amin’ny fiomanana amin’ny fiverenana sy ny fanapahan’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona. Mialoha io andro io, dia tsy ho fanjakana amin’ny heviny ara-pôlitika velively izany — araka ny nolazain’ny Mpamonjy hoe: “ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao” [ Jaona 18:36 ; nampiana fanamafisana]. Fa [ao kosa] no misy ny fahefany eto an-tany, ny mpanatanterka ireo fanekempihavanany masina, ny mpikirakira ny tempoliny, ny mpiaro sy mpitory ny fahamarinany, ny toerana fiangonan’ny Isiraely izay miely patrana, ary “fiarovana sy .. fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6 ].

(D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 111)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba fandalinana iray hafa ho an’ny mpianatra

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona efatra. Omeo iray amin’ireto tantara manaraka ireto ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona: Matio 27:11–31; Marka 15:1–20; Lioka 23:1–25; na ny Jaona 18:28–40 ; 19:1–16 . Angataho ny mpianatra hitady ireo antsipirian-javatra manan-danja eo am-pamakian’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mampitaha ireo tantara ary mijery ny zavatra izay nampidirina na tsy nosoratan’ny mpanoratra tsirairay. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ireo mpanoratra ny filazantsara dia tsy nirakitra ireo trangan-javatra tamin’ny filaharany mitovy foana.) Anontanio ny momba ny fomba ahafahan’ny mpanoratra maro manome fahatakarana tsara kokoa momba ny Mpamonjy.

Mampitaha an’i Jesoa sy i Pilato

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Matio 27:11–31 ka hampitaha ny fihetsika nasetrin’i Jesoa rehefa niatrika fanoherana tamin’ny alalan’ny fihetsika nasehon’i Pilato. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy mijoro amin’ny fahamarinana.

Hamoaka printy