Matio 27:50–66; Lioka 23:55–56; Jaona 19:39–40
Manaja sy maneho fitiavana ny Mpamonjy
Rehefa maty i Jesoa dia “nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy” (Matio 27:51), saingy zavatra manan-danja kokoa no nitranaga tao amin’ny tempoly: nitriatra ny voaly taoamin’ny Fitoerana Masina indrindra. Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy dia niezaka mafy ireo mpianany mba hahazoana ny vatany ary hanomana izany amim-pitandremana ho amin’ny fandevenana. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hahatakatra sy hisaintsaina ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho anao sy ny zavatra azonao atao mba hanehoana fanajana sy fankasitrahana ho Azy.
Sahanasa fianarana azo atao
Manome voninahitra ireo izay efa nodimandry
Ny olona avy amin’ny kolontsaina samihafa dia manana fomba maro hahatsiarovana sy hanomezana voninahitra ny olona iray izay efa nodimandry. Mieritrereta olona iray tianao izay efa nodimandry, na saintsaino hoe mety ho toy ny ahoana raha toa ka maty ny olona iray akaiky anao.
-
Inona no tianao (na mety ho tianao) hotsaroana foana momba ilay olona akaiky ny fonao?
-
Inona no ataonao mba hanajana na hanehoana fitiavana ho an’ireo izay efa nodimandry?
Ireo andinin-tsoratra masina ato amin’ity lesona ity dia manoritsoritra ny fahafatesan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana sy ireo zava-nitranga avy hatrany taorian’izay. Makà fotona hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no mety ho tsapanao raha toa ka nananatri-maso ny fahafatesan’i Jesoa ianao?
-
Inona no tsapanao mikasika ny fahafatesany amin’izao fotoana izao?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety tianao hahatsiarovana sy hanajanao Azy?
Rehefa mandalina ianao androany, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba ahafahanao mahatsiaro, sy manaja, ary maneho ny fitiavana ny Mpamonjy.
Tandindon’ny voalin’ny tempoly
Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa dia nisy horohoron-tany sy trangan-javatra hafa niseho, anisan’izany ny fitriaran’ny voalin’ny tempoly. Vakio ny Matio 27:50–51 ary hevero ny hanisy marika ireo antsipirian-javatra momba ny tempoly izay noraketin’i Matio.
Ny tempoly fahiny dia nanana efitra roa izay nosarahan’ny voaly iray, na lambam-baravarana. Indray mandeha isan-taona, amin’ny Andron’ny Sorompanavotana, dia mankao amin’ny Toerana Masina ny mpisorona mandalo ny voalin’ny tempoly ary niditra ny Toerana Masina Indrindra. Io efitrano io dia maneho ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ao amin’io efitrano io, ny mpisorona avo dia namafy ny ran’ny fanatitra noho ny ota teo amin’ny alitara mba hanonerana ny fahotan’i Isiraely (jereo ny Levitikosy 16).
-
Inona no mety ho tandindon’ny fitriaran’ilay voaly mankao ao amin’ny Toerana Masina Indrindra?
Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny hevitra fonosin’io trangan-javatra io:
Ny Toerana Masina Indrindra dia misokatra ho an’ny rehetra ankehitriny, ary ny rehetra, amin’ny alalan’ny rà manavotry ny Zanakondry, dia afaka miditra ao amin’ny toerana avo sy masina indrindra amin’ny toerana rehetra ankehitriny, dia ilay fanjakana ahitana ny fiainana mandrakizay … [Ny olona rehetra] dia lasa afaka miampita ilay voaly mba ho eo anatrehan’ny Tompo mba handova ny fisandratana feno.
(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky faha-3. [1965–73], 1:830)
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zava-nitranga tao amin’ny Matio 27:51 ny hoe I Jesoa Kristy dia nanao izay hahafahantsika rehetra hiverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ho tonga tahaka Azy. I Paoly Apôstôly ihany koa dia nampianatra fa ny fitriaran’ny voaly dia nampiseho io fahamarinana io (jereo ny hebreo 10:19–20).
Saintsaino ny sarany izay naloan’ny Mpamonjy mba handrovitana ilay voaly ka hahafahanao hiverina any amin’ny fanjakan’ny Rainy.
Manorata fomba vitsivitsy izay nanampian’ny Mpamonjy anao manokana mba hitombo sy hivoatra ary ho tonga bebe kokoa tahaka ny Raianao any An-danitra mba hahafahanao miverina eo anatrehany amin’ny farany.
Manome voninahitra Azy ny mpianatr’i Jesoa
Rehefa maty i Jesoa dia nikatsaka ny hahatsiaro sy hanaja Azy ireo mpianany. Vakio ny fomba nanehoan’ny mpianatra sasany ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa.
-
Matio 27:57–60: I Josefa avy any Arimatia, izay mpianatra mpanan-karena sy mpikambana iray tao amin’ny Synedriona, izay filankevitra mpiahy Jiosy ambony indrindra
-
Jaona 19:39–40: I Nikodemosy, Fariseo iray sy mpikambana iray tao amin’ny Synedriona
-
Lioka 23:55–56: I Maria Magdalena sy ireo vehivavy hafa
Ity fampahalalana manaraka ity dia mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny zavatra nataon’ireo mpianatra ireo.
I Josefa avy any Arimatia, na dia tsy mpanara-dia akaiky an’i Kristy aza, dia naneho fangorahana sy herim-po tamin’ny alalan’ny fangatahana ny vatana mangatsiakan’i Jesoa. Ny fasana izay nomen’i Josefa ho an’ny vatana mangatsiakan’ny Mpamonjy dia nohadiana avy amin’ny vato, izay mety fandaniana be.
Ny miora dia didin-kazo manitra nohamainina mba hikarakarana ny vatan’ny ilay maty. Ny habetsahan’ny miora sy ny vahona nentin’i Nikodemosy mba hahosotra ny vatan’ny Mpamonjy dia nitovy tamin’izay nampiasaina tamin’ireny fandevenana mpanjaka ireny.
Nanomana zava-manitra sy diloilo ireo vehivavy mba hamitana ny fikarakarana ny vatan’i Jesoa satria novitaina tanaty hamehana ny fandevenana Azy.
-
Inona no asehon’ny zavatra nataon’ireo olona ireo mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo ho an’ny Mpamonjy?
Maneho ny fitiavanao ny Mpamonjy anao
Na dia tsy eo anatrehantsika ara-batana aza ny Mpamonjy dia mbola afaka mahita fomba hanehoana ny fitiavantsika Azy isika.
Asao ireo mpianatra hizara fomba hanehoana fitiavana ho an’ny Mpamonjy (mety ho nieritreritra hevitra sasany izy ireo nandritra ny fanomanana ataon’ny mpianatra). Azon’ny mpianatra soratana eny amin’ny solaitrabe ihany ny hevitr’izy ireo.
Hevero ny hizara ilay teny nolazain’ny Rahavavy Craven ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana momba ny zava-miseho” na ilay horonan-tsary ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny.”
Soraty na ataovy sary ny zavatra iray na maromaro izay tsapanao fa tokony hataonao mba hanomezana voninahitra sy hanehoana fitiavana ny Mpamonjy. Toy ny nataon’i Joseph tany Arimatia, i Nikodemosy, ary i Maria Magdalena sy ireo vehivavy hafa, dia mety mitaky fahafoizan-tena izany.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho ahy?
Ny filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namintina ny sasany amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tsirairay avy:
Tao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra no “[nahariany] ny lanitra sy ny tany” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9) mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mahazo ireo traikefa ilaina eto amin’ny fiainana an-tany mba hikatsahana ny toerana masina hiafarantsika. Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nandresy ny fahafatesana mba hanomezana antoka ny hahazoantsika tsirairay avy ny tsy fahafatesana. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome antsika tsirairay avy ny fahafahana hibebaka amin’ny fahotantsika sy hiverina madio any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ny didiny sy ny fanekempihavanany dia maneho antsika ny lalana, ary ny fisoronany dia manome ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy ilaina mba hahatongavana any amin’izany toerana izany. Ary niaina an-tsitrapo ireo fanaintainana sy rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany ny Mpamonjintsika mba hahafantarany ny fomba hampatanjahana antsika ao anatin’ny fahoriantsika.
(Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 77)
Inona avy ireo fomba ahafahako maneho ny fitiavako ny Mpamonjy?
Nampianatra Rahavavy Becky Craven ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe:
Raha tia Azy araka izay lazaintsika isika, moa ve isika tsy afaka maneho izany fitiavana izany amin’ny alalan’ny fitandremana tsara bebe kokoa amin’ny fiainana ny didiny?
Ny hoe mitandrina tsara amin’ny fiainana ny filazantsara dia tsy voatery hidika hoe miseho ho mihajahaja be na matotra be. Ny dikan’izany dia hoe mendrika ao an-tsaintsika sy amin’ny fitondrantenantsika amin’ny mahampianatr’i Jesoa Kristy. Rehefa misaintsaina ny fahasamihafana eo amin’ny hoe mitandrina tsara sy ny hoe tsy miraharaha firy eo amin’ny fiainana ny filazantsara isika, dia ireto misy hevitra mila saintsainina:
Mitandrina tsara ve isika amin’ny fitsaohana ataontsika amin’ny andro Sabata sy amin’ny fiomanantsika handray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?
Afaka mitandrina bebe kokoa ve isika ao anatin’ny vavaka ataontsika sy ny fandalinantsika soratra masina, na maneho fahavononana amim-pahavitrihana kokoa hianatra ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana?
Mitandrina tsara ve isika amin’ny fitsaohana ataontsika any amin’ny tempoly ary moa ve isika miaina amim-pitandremana tsara sy an-tsitrapo ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly? Mitandrina tsara ve isika amin’ny endritsika ety ivelany ary maotina amin’ny fitafintsika, indrindra fa ao amin’ireo toerana sy amin’ny toe-javatra masina. Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba hanaovantsika ny garmenta masin’ny tempoly? Sa ve ny lamaodin’izao tontolo izao mametraka tsindry mba hananana fitondrantena mivahavaha?
Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba hanompoantsika ny hafa sy ny fomba hanatanterahantsika ny antsontsika ao am-piangonana, sa ve isika tsy miraharaha amin’ny antso omena antsika mba hanompo?
Mitandrina tsara ve isika sa tsy miraharaha firy amin’ny zavatra vakintsika sy jerentsika amin’ny fahitalavitra sy ao amin’ny fitaovana finday ampiasaintsika? Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba fitenintsika? Sa ve isika manaiky tsy amim-piraharahiana ny zavatra kivalavala sy tsy manome haja?
Ny kiboky Ry Tanora, Maherezadia ahitana fitsipika izay, raha arahina tsara, dia hitondra fitahiana lehibe sy hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
(Jereo ny Becky Craven, “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy,” Liahona, mey 2019.)