Seminera
Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19


Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Topimaso

Rehefa avy nosamborina sy notsaraina tsy ara-dalàna teo anoloan’ireo mpitarika Jiosy i Jesoa dia nalefa mba hotsaraina teo anatrehan’i Pilato Izy. Nandritra ny fotoana niaretany fanaintainana feno habibiana vokatry ny fihantonany teo amin’ny hazo fijaliana, dia naneso Azy ny fahavalo ary nasainy nanafaka ny Tenany tamin’ny fampijaliana Izy, saingy niaritra tamim-pahamarinana Izy. Taorian’ny nahafatesany dia niezaka mafy ireo mpianany mba hahazoana ny vatany ary hanomana izany amim-pitandremana ho amin’ny fandevenana.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 18:33–40; Lioka 23:8–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hianatra bebe kokoa momba ny toetran’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehony.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny toetran’i Jesoa Kristy sy hieritreritra ny hoe inona amin’ireo toetrany no tiany hananana bebe kokoa. Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hizara farafahakeliny ny iray amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy sy ny antony hahatsapan’izy ireo fa toetra iray tsara ananana izany.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Mba hahafantarana hoe inona amin’ireo tantara momba ny fitsarana ny Mpamonjy no hovakin’ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hanangana ny iray amin’ireo rantsan-tanana efatra eo amin’ny tanany ary hampiseho ny iray kilasy. Avy eo dia asehoy ireo tantara izay nomena isa iray ka hatramin’ny efatra. Asao ny mpianatra mba hamaky ny tantara izay mifandray amin’ny isan’ireo rantsan-tanana natsangan’izy ireo.

Matio 27:24–66; Marka 15:15–38

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hankasitraka bebe kokoa ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana izay ampahany manan-danja amin’ny Sorompanavotany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Matio 27:35–50 na ny teny nolazain’ny eveka Gérald Caussé avy ato amin’ity lesona ity. Angataho izy ireo mba ho tonga ka vonona hizara ny dikan’izany hoe maty ho azy ireo manokana izany ny Mpamonjy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiseho sary sy fehezan-teny ary mampiseho horonan-tsary mba hanampiana ireo mpianatra mianatra amin’ny alalan’ny zavatra hita maso handray anjara amin’ireo fitaovana ireo. Koa mba hahatonga ny lesona hanome vahana ny zavatra hitan’ny maso, sy henon’ny sofina, dia hevero ny hisintona fihirana iray momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ary mandefa izany mandritra ny fotoana anaovan’ny mpianatra ilaysa hanasa farany.

Lioka 23:33–46; Jaona 19:26–30

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy nandritra ny fanomboana Azy sy ny fomba fiantraikan’izany amin’ny zavatra tsapan’izy ireo sy ny faniriany ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga ka vonona hizara momba ny olona iray izay fantany ka naneho fangorahana na famindram-po na dia niatrika olana sarotra aza.

  • Sary tokony haseho: Ny sarin’ireo trangan-javatra maro samihafa tamin’ny andro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy teto an-tany — toy Ny fijaliany tao Getsemane, ny fitsarana nataon’ireo mpitarika Jiosy, ny fitsarana nataon’i Pilato sy i Heroda, ny fikaravasiana, ary ny Fanomboana — raha tiana.

  • Horonan-tsary:Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika” (9:43; jereo manomboka amin’ny minitra 3:22 ka hatramin’ny 7:54)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hizara ny efijerinao ho toy ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo fahamarinana izay ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy mandritra ny lesona eo amin’ny solaitrabe. Aorian’ny lesona dia azon’izy ireo atao ihany koa ny mitanisa ireo fomba ahafahan’izy ireo hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Matio 27:50–66; Lioka 23:55–56; Jaona 19:39–40

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hisaintsaina ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanehoana fanajana sy fankasitrahana ho Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo sy hanao ny lisitr’ireo fomba ahafahan’izy ireo maneho ny fitiavany Azy.

  • Fitaovana: Sarin’ny olona akaikin’ny fo iray izay efa nodimandry na, raha azo atao, ny filazana manjo na fandaharam-potoana avy amin’ny fandevenana

  • Sary : Kisary tsotra maneho ny tempolin’i Jerosalema ao amin’ny Testamenta Vaovao eo amin’ny solaitrabe; sarina fasana, miora, ary zava-manitra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hanasa mpianatra iray na roa mba hiomana hizara ny zavatra tian’izy ireo hotsaroana mikasika ny olona akaikin’ny fo iray izay efa nodimandry sy ny fomba itiavan’izy ireo sy ny fanajantsika azy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hamerina ireo fahamarinana hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanampy azy ireo hampihatra ireo fahamarinana ireo amin’ny toe-javatra samihafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina hita ato amin’ity lesona ity ny mpianatra. Asao izy ireo hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja. Asao ihany koa izy ireo hieritreritra toe-javatra izay mety hanampian’ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo.

  • Tabilao: Ilay tabilao fifehezana fotopampianarana izay haseho eo amin’ny solaitrabe na homena

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy hanoratana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa avy nanoratra toe-javatra iray teo amin’ny taratasy iray ny mpianatra rehetra dia misafidiana mpianatra iray hampiseho ny azy ireo amin’ny iray kilasy. Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hisafidy ny affichage intervenant ao amin’ny logiciel vidéoconférence (fa tsy affichage galerie) mba hahitana mazava kokoa ny zavatra nosoratan’ilay mpianatra. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamaly amin’ny alalan’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy ny olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany. Avy eo dia afaka misafidy mpianatra iray hafa mba hampiseho ny toe-javatra niainan’izy ireo, sy ny sisa.

Hamoaka printy