Matio 27:24–66; Marka 15:15–38
Nandritra ny fotoana niaretan’ny Mpamonjy fanaintainana feno habibiana vokatry fihantonany teo amin’ny hazo fijaliana dia naneso Azy ny fahavalo ary nasainy nanafaka ny Tenany tamin’ny fampijaliana. Saingy niaritra tamim-pahamarinana Izy ary nanohy ny fijaliany ho antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hankasitraka bebe kokoa ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ho ampahany manan-danja amin’ny Sorompanavotany.
Sahanasa fianarana azo atao
Nanolotra ny ainy ho antsika i Jesoa Kristy
Ato amin’ity lesona ity ianao dia handalina momba ny fahafatesan’i Jesoa Kristy. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra fantatrao momba ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny fahatsapanao momba izany. Mino ve ianao fa maty Izy mba hamonjena anao? Raha izany no izy dia ahoana no ahafahanao maneho ny fankasitrahanao ny sorona nataony? Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo.
Ny fanomboana an’i Jesoa Kristy
Taorian’ny nitsaran’ny Jiosy ny Mpamonjy ary avy eo i Heroda sy i Pilato dia nokaravasiana tamin’ny fomba feno habibiana Izy ary nentina tany Golgota (izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Kalvary) mba hohomboana.
Hevero ny hanisy marika ilay andian-teny hoe “Ary rehefa voahombony [..] Izy” ao amin’ny Matio 27:35 . Vakio ny teny ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ambanin’ny lohateny hoe ny “Fanomboana” mba hahitana ny zavatra nateraky io fomba fanao io.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka mikasika ny Fanomboana ny Mpamonjy ireto. Asio marika ireo antsipirian-javatra izay tsapanao fa manan-danja.
-
Matio 27:27–31 . Naneso ny Mpamonjy ireo miaramila Romana.
-
Matio 27:35–44 . Nesoina ny Mpamonjy raha teo amin’ny hazo fijaliana.
-
Matio 27:45–46, 50 . Nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy. Fanamarihana: nohomboana tamin’ny hazo “tamin’ny ora fahatelo” i Jesoa (9:00 ora maraina; jereo ny Marka 15:25). “Ny ora fahenina” dia entina ilazana ny amin’ny 12:00 ora atoandro; ny “ora fahasivy” dia entina ilazana ny amin’ny 3:00 ora tolakandro.
Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina ireo zava-nitranga ireo dia azonao atao ny mijery ny “Le Sauveur est flagellé et crucifié,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra 1:04 ka hatramin’ny 4:46.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony nahatonga ny Mpamonjy nanontany hoe: “Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?” (Matio 27:46).
Jereo “None Were with Him,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 09:00 ka hatramin’ny minitra faha 12:46, na vakio ity teny nambara manaraka ity.
Mijoro ho vavolombelona omban’ny fandresen-dahatry ny fanahiko rehetra aho fa … tsy nanadino ny zanany tamin’izany ora izany ny Ray tonga lafatra. Marina tokoa fa izaho manokana dia mino fa nandritra ireo asa fanompoan’i Kristy teto an-tany ny Ray dia mety tsy ho akaiky kokoa ny Zanany na oviana na oviana raha tsy tamin’ireny fotoana farany mahory indrindra ireny. Na dia izany aza, … nesorin’ny Ray vetivety hiala teo amin’i Jesoa ny fampiononan’ny Fanahiny, dia ilay fanohanana avy amin’ny fanatrehan’ny Tenany manokana. Notakiana, ary fototry ny mahazava-dehibe ny Sorompanavotana tokoa ny tokony hahafantaran’io Zanakalahy tonga lafatra izay tsy mbola niteny ratsy na nanao zavatra tsy mety na nikasika zavatra ratsy io ny mety ho tsapantsika olombelona rehetra ambiny—isika, eny isika rehetra—rehefa manao izany fahotana izany isika. Mba hahatonga ny Sorompanavotany hanam-petra sy ho mandrakizay, dia nila nahatsapa Izy hoe manao ahoana izany hoe maty izany, tsy ara-batana ihany fa ara-panahy ihany koa, ary nila nahatsapa ny hoe manao ahoana izany hisintahan‘ny fanahin’ Andriamanitra izany, ka mamela olona iray tena hahatsiaro ho irery amin’ny fomba mahonena sy ao anatin’ny famoizam-po.
(Jeffrey R. Holland, “None Were With Him [Fa tsy nisy niaraka Taminy],” Liahona, mey 2009, 87–88)
-
Inona no nanampian’ny Loholona Holland anao mba ho takatrao bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no zavatra nanaitra anao indrindra momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo trangan-javatra ireo? Nahoana?
Andinin-tsoratra masina mifandray
Ny Mpamonjy dia nanana ny hery hanafahana ny Tenany tamin’ilay zavatra niainany izay feno fanambaniana sy herisetra teo amin’ny hazo fijaliana (jereo ny Matio 26:52–54), saingy tsy nanao izany Izy.
Vakio farafahakeliny ny telo amin’ireto soratra masina manaraka ireto mba hahitana ny anton’izany. Hevero ny hamorona tabilao iray toy ity manaraka ity mba handrindrana ny eritreritrao sy ny fahatsapanao. Azonao atao koa ny mampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo ao amin’ny Matio 27:26 na mamorona mari-pamantarana iray miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny alalan’ny lohateny iray izay nosafidianao.
Ny antony nahatonga ny Mpamonjy nanaiky ny fanomboana |
Ireo fitahiana nomena antsika noho ny nanaovany izany |
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:2
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42
-
Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?
-
Inona no zavatra nianaranao mikasika ny antony nahatonga ny Mpamonjy ho vonona ny hohomboana ho antsika?
-
Iza amin’ireo fitahiana voatanisa ao amin’ireo soratra masina ireo no tena mahafeno fankasitrahana anao? Nahoana?
Zava-dehibe ny mahatakatra fa ho isan’ny Sorompanavotana nataony, i Jesoa Kristy dia nohomboana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao. Ny fijalian’ny Mpamonjy izay nanomboka tao amin’ny sahan’i Getsemane dia tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana teo Golgota. Raha tsy maty noho ny fahotantsika ny Mpamonjy dia tsy ho afaka ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-Danitra isika.
-
Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny fomba mahaisan’ny Sorompanavotany ny Fanomboana ny Mpamonjy? Ahoana no hanazavanao ny antony mahamanan-danja izany aminao?
Ny eveka Gérald Caussé dia nanazava ny mahatena manokana ho antsika tsirairay avy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Na dia mandrakizay sy tsy manam-petra aza ny Sorompanavotana nataon’ny Tompo dia fanomezana manokana ho an’ny isam-batan’olona, natao ho antsika tsirairay avy izany. Tahaka ny nanasan’i Jesoa ny mpianatra Nefita tsirairay hitsapa ny feriny, no nahafatesany ho antsika tsirairay avy, ny isam-batan’olona, toy ny hoe izaho na ianao irery no hany olona eto an-tany. Manome fanasana manokana ho antsika Izy hanatona Azy ary hampiasa ireo fitahiana mahatalanjon’ny Sorompanavotana nataony.
(Gérald Caussé, “Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,” Liahona, mey 2020, 40)
-
Nahoana no tsapanao fa zava-dehibe ny mahafantatra ny mahamahakasika ny tena manokana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?
Mba hanampiana anao hahatsapa sy hahatsiaro ny mahamahakasika ny tena manokana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy aminao, dia manorata ao amin’ny diary. Hevero ny hampiditra izao manaraka izao:
-
Ireo fitahiana azonao raisina noho ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ho anao
-
Ny dikany manokana aminao fa hoe maty ho anao manokana Izy
-
Ny eritreritra sy ny fahatsapana voarainao avy amin’ny Fanahy Masina
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Inona no manan-danja momba ny toerana sy ny fotoan’ny Fanomboana ny Mpamonjy?
Nanazava toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny dingana faharoa tamin’ny sorompanavotana nataony dia notanterahina teo amin’ny hazo fijaliana. …
Nanolotra ny Zanakondrin’ Andriamanitra i Pilato mba hohomboana tamin’ny fotoana nifanandrify tamin’ny fanomanana ireo zanak’ondry atao sorona mandritra ny Paska. (Jereo ny Jaona 10:13–14 .)
Ny Fanomboana dia nitranga teo amin’ny havoana iray antsoina hoe Golgota (Grika) na Kalvary (Latina) izay midika hoe “ilay karandoha.” Naneho ny fahafatesana ny karandoha. Tamin’ny toerana toy izany no nanatanterahana ny sorompanavotana. Teo amin’ny hazo fijaliana, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao no nasandratra ho amin’ny fahafatesana tao anatin’ny toe-javatra faran’izay manan-danja indrindra—ny fanatanterahana sy ny fisian’ny herin’ny Tompo amin’ny fahafatesana.
(Russell M. Nelson, “Why This Holy Land?,” Ensign,Dec. 1989, 18–19)
Nahoana i Jesoa Kristy no tsy namonjy ny Tenany?
Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:
“Midìna hiala amin’ny hazo fijaliana,” hoy ireo tsy mpino naneso Azy teo Kalvaria [Matio 27:40]. Azony ho natao ny fahagagana tahaka izany. Saingy fantany hatramin’izay ny hiafaran’ny zava-drehetra, ary nikatsaka ny hahatoky amin’ny drafitry ny Rainy Izy. Tokony ho takatsika tsara io ohatra io.
(Ronald A. Rasband, “indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 111)
Miantefa amin’olona firy ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny Fanomboana Azy?
Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:
Ny Mpamonjy … [niaritra] fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. … Nataony izany ho an‘ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra.
(Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2017, 52)
Inona no mety ho niainan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana?
Ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:
Ankoatra ny fijaliana tsy nisy tahotra nitranga tamin’ny fanomboana, dia toy ny hoe niverina nitranga indray ilay fijaliana tao Getsemane, nihamafy mihoatra lavitra noho izay azon’ny herin’olombelona zakaina. Tamin’izany ora mafaitra indrindra izany dia irery, irery tao anatin’ny toe-javatra faran’izay ratsy indrindra, ilay Kristy teo ambavahoana. Mba ho hahatanteraka amin’ny fahafenoany ilay sorona faratampony nataon’ny Zanaka, dia toa nesorin’ny Ray hiala ny fanohanany tamin’ny alalan’ny fanatrehany mivantana, ka nanome ilay Mpamonjy ny zanak’olombelona ny voninahitra mba hanatanteraka ny fandresena ireo herin’ny fahotana sy ny fahafatesana.
(Jésus le Christ [1916], 661)
Nampianatra nitovitovy tamin’izany koa ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Avy eo dia niha-mainty ny lanitra. Nandrakotra ny tany nandritra ny adiny telo ny haizina, tahaka ny nitrangan’izay teo anivon’ny Nefita. Nisy oram-baratra mahery vaika, toy ireny hoe niaritra fangirifiriana ireny ilay Andriamanitry ny Natiora.
Ary marina tokoa fa tena nijaly Izy raha mbola nihantona teo amin’ny hazo fijaliana nandritra ny adiny telo manarka, nanomboka tamin’ny roa ambiny folo ora atoandro ka hatramin’ny 3:00 tolakandro.Niverina nitranga indray ireo fangirifiriana sy fanaintainana tsy mifaditrovana tao Getsemane.
(Bruce R. McConkie, “The Purifying Power of Gethsemane [Ilay hery manadion’i Getsemane],” Ensign, May 1985, 10)