Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 17


Famerenana fifehezana fotopampianarana 17

Takaro ary hazavao

Sary
Young Men reading scriptures

Anisan’ny tanjona amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ny hahafahanao manazava izany amin’ny fomba fiteninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanatevina ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hijery tsara ireo andinin-tsoratra masina, na andian-teny, na teny izay mampisafotofoto ny sain’izy ireo mandritra ny fandalinany soratra masina manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ka ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifahezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny faritra na vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana hisian’ny seminera.

Mahatakatra ny soratra masina

  • Efa namaky soratra masina ve ianao—mety ho mihoatra ny indray mandeha—ka hitanao fa very hevitra ny amin’ny dikan’izany?

  • Impiry ianao no mahatsapa fa mitranga izany rehefa mandinika ny soratra masina ianao?

  • Manao ahoana ny fihetsikao rehefa mitranga izany?

Ampio ireo mpianatra hahita fa mahazatra ny tsy fahatakarana izay rehetra voalaza ao amin’ny soratra masina. Araho ny fiomanana izay ataon’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hizara andinin-tsoratra masina, na andian-teny, na teny avy ao amin’ny soratra masina izay tsy takany tamin’ny fandalinany soratra masina teo aloha. Mety hanampy ny fitanisana azy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Raha misy fotoana any amin’ny faran’ny lesona, dia mety hahasoa ireo mpianatra ny fampidirana ireo fahaiza-manao ara-tsoratra masina izay nianarany nandritra ity lesona ity miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

Tian’ny Mpamonjy hahatakatra ny teniny isika, hanampy antsika hanao izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Mila ezaka avy aminao anefa izany. Amin’ity lesona ity dia hanana fotoana ahafahana mianatra fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina ianao izay hanampy anao hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa.

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana Soratra Masina

Avereno jerena vetivety ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Hevero ny hanolo ny andinin-tsoratra masina izay naverina novakiana na ampio andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mety ahazoan’ireo mpianatra tombontsoa ny fifantohana amin’izany.

Afaka mamerina mijery ireo andinin-tsoratra masina manokana ireo mpianatra, na atao mandeha tsiroaroa, na miaraka amin’ny iray kilasy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Efesiana 1:10

“[Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no] hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy ny Fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Zarao ho vondrona efatra ny iray kilasy ary asao ny mpianatra tsirairay hisafidy andinin-tsoratra masina izay tiany hotakarina bebe kokoa. Ataovy azo antoka fa hampiasaina ao anatin’ny vondrona tsirairay avokoa ireo andinin-tsoratra masina efatra. Izany dia mety mitaky fanendrena mpianatra sasantsasany mba hamerina hijery andinin-tsoratra masina mihoatra ny iray.

Raha te hahazo tombony avy amin’ny ohatra anankiray ireo mpianatra dia ampiasao ny 2 Timoty 3:15–17 mba hampianarana ny mpianatra ny fahaiza-manao amin’ny fanaovana lisitra.

Misafidiana anankiray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto izay tianao hotakarina bebe kokoa. Rehefa avy eo dia misafidiana anankiray na maromaro amin’ny fahaiza-manao momba ny fandalinana andinin-tsoratra masina mba hanampy anao hahatakatra bebe kokoa izany andinin-tsoratra masina izany. Miomàna hanazava ny soratra masinao amin’ny hafa.

Raha manana fotoana, dia miezaha mampiasa fahaiza-manao samihafa amin’ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina hafa ireto.

Sahanasa A: Andinin-tsoratra masina mifandray

Mampiasà loharanom-pahalalana izay misy mba hahitana ireo andinin-tsoratra masina hafa izay mety hanampy amin’ny fampitomboana ny fahatakarana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny loharanom-pahalalana toy izany dia mety hahitana fanamarihana eny ambanin’ny pejy izay misy an’ilay soratra masina, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Mariho ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ireo loharanom-pahalalana ireo, ary soraty anatin’ny diary fandalinanao soratra masina na ny application Mediathèque de l’Evangile ny fomba nanampian’izy ireo anao mba hahatakatra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidinao.

Sahanasa B: Farito ireo teny sy andian-teny

Tadiavo ireo teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy takatrao. Tadiavo ny famaritana ireo teny na andian-teny ireo avy ao amin’ny loharanom-pahalalana izay misy, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na rakibolana. Raketo ao anaty diary fandalinanao soratra masina, na eny amin’ny sisin’ny soratra masina, na ao amin’ny ny application Médiathèque de l’Evangile ny famaritana izay hitanao, miaraka amin’ireo hevi-baovao rehetra.

Sahanasa D: Manakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Vitao ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto izay mety ho afaka manampy anao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana:

  • Vakio ny momba ny epistily nahazoana ity andinin-tsoratra ity avy ao amin’ny teny iditra “ Epistin’i Paoly ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Ahoana ny fomba hanampian’ny lohatenin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina manodidina hampitombo ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

  • Iza no niresahan’ilay mpanoratra notaomim-panahy, ary nahoana?

  • Inona no hafatra fototra ampitain’ity andinin-tsoratra masina ity?

Raketo ny zavatra izay takatrao momba ilay andinin-tsoratra masina noho ny zavatra nosaintsaininao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ireo mpianatra hanazava amin’ny vondrona izay misy azy avy ny fahaiza-manao momba ny fandalinana ny soratra masina sy ny zavatra takatr’izy ireo ankehitriny momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy tamin’izany. Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy mba hanazava ny andinin-tsoratra masin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Rainy any An-danitra sy ny Mpamonjy dia hanampy azy ireo hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mety hanampy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny fikatsahana ny fanampian’ Andriamanitra rehefa manao fandalinana.

Hamoaka printy