Seminera
Romana 2–3


Romana 2–3

Fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Screenshot from the 2019 ComeUntoChrist.org Video.

Tia an’ireo Olomasina Romana i Paoly ary naniry ny hanampy azy ireo mba ho tafaray amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy izy. Ireo Jiosy sy Jentilisa niova fo dia samy nila fanampiana mba hahatakarany mikasika ny fianteherany amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba handraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny ilantsika rehetra ho voavela heloka, na hohamarinina, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Mifantoka amin’ny tsirairay. Iray amin’ireo fanamby amin’ny fampianarana ny mamaly ny hetahetan’ny mpianatra manana fiaviana, zava-mahaliana, fanantenana ary tolona samihafa. Afaka manampy anao hampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ny mpianatrao rehetra ny Fanahy Masina. Mitadiava fomba hitarihana ny mpianatra ho any amin’ny Mpamonjy, izay afaka manampy ny mpianatra tsirairay ao anatin’ny toe-javatra iainany manokana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny famaritana hita ao amin’ny lesona momba ny Romana 1–6 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Angataho izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara amin’ny teniny manokana ny famaritana ny teny toy ny hoe fanamarinana sy fahasoavana.

Sahanasa fianarana azo atao

Mila an’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra

Asao ny mpianatra hanao sary ao anatin’ny diary fandalinany (na eny amin’ny solaitrabe) ity toe-javatra manaraka ity rehefa misy mamaky mafy izany.

Alaivo sary an-tsaina hoe eo amin’ny lalana mankany amin’ny toerana irinao fatratra ianao. Rehefa mandroso anefa ianao dia mahita sakana na rindrina manakana ny lalanao. Manakana ny fandrosoanao rehetra ilay sakana ary tsy vitanao irery ny miampita izany.

Asio marika hoe Ny fanatrehan’ Andriamanitra ilay toerana haleha.

  • Nahoana no irianao ny fiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra?

Avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samihafa ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Paoly. Ny hany zavatra nitovizan’izy rehetra dia izy ireo nanota ka tsy mendrika ny hiditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Romana 2–3 ianao dia katsaho ny hahatakatra ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy ny Zanaka Malalany mba hahafahan’ny olona rehetra mandresy ilay sakana izay manakana azy ireo tsy hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Ny famaritana ny teny dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitry ny andinin-tsoratra masina. Asehoyamin’ny toerana ahafahan’ny mpianatra mahita azy ireo famaritana ireo rehefa mamaky ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Romana izy ireo. Mety hanampy ny mamaky andinin-tsoratra masina miaraka ary manolo ny famaritana ny teny ao amin’ilay andininy. Afaka mizara ny zavatra nianarany tamin’ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra koa ny mpianatra.

Mba hahatakarana bebe kokoa ny fampianaran’i Paoly ho an’ny Romana dia mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

Fanamarinana, manamarina, hamarinina: “Afahana amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny. Hamarinin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy ny olona amin’ny alalan’ny finoana Azy. Aseho amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izany finoana izany. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mamela ny olombelona hibebaka sy hohamarinina na ho voavela heloka ka tsy hiharan’ny famaizana izay tokony ho nihatra taminy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Manamarina ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Finoana: “Fahazoana antoka sy ny fitokiana an’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny olona hankatò Azy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Finoana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny lalàna: Ity teny ity dia entina ilazana ny lalàn’i Mosesy sy ireo asa ivelany mifandray amin’izany, na “asa” (jereo ny “7–13 aogositra. Romana 1–6: -Ny Herin’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena,-” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Lalàn’i Mosesy ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Fahasoavana: Ny fitahiana, ny famindram-po, ny fanampiana, ary ny tanjaka ananantsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fahasoavana ”).

Vakio ny Romana 3:10–12, 20–23, ary tadiavo ny fomba namariparitan’i Paoly ny sakana eo amintsika sy Andriamanitra.

  • Inona avy ireo andian-teny avy amin’ny fampianaran’i Paoly izay manampy antsika hahatakatra ny atao hoe sakana?

Soraty eo amin’ilay sakana amin’ny sary nataonao ireo andian-teny ireo.Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mitadiava fahatakarana fanampiny momba ny zavatra asehon’ilay sakana:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Koa satria isika rehetra samy efa “nanota, ary tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,” [Romana 3:23] ary satria koa “tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa zavatra tsy madio”[1 Nefia 15:34], dia tsy mendrika ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra isika tsirairay avy.

Na dia manompo an’ Andriamanitra amin’ny fanahintsika manontolo aza isika, dia tsy ampy izany, ary dia mbola ho “mpanompo tsy mahasoa” ihany isika” [Môsià 2:21]. Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 108)

Azon’ny mpianatra atao koa ny manampy hoe Ny fitakian’ny fahamarinana eo amin’ilay sakana ao amin’ny sariny.

Eritrereto ireo lafin-javatra izay mbola mamparefo anao na ireo fahotana izay ezahinao resena.

Mety hanampy eto ny mizara ny teny nataon’ny Loholona Uchtdorf ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Vakio ny Romana 3:24–28 (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 24, ), ary tadiavo izay nampianarin’i Paoly momba ny hany fomba hanamarinana antsika, na hamelana ny fahotantsika.

Asao ny mpianatra hizara hevi-baovao na fanontaniana mety hananany mikasika ity lohahevitra ity na ireo andininy ireo. Ohatra, mety tsy azon’ny mpianatra ny teny hoe “fampihavanana” (andininy 25). Afaka mampiasa ny fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejy izy ireo mba hanampiana amin’izany. Ampio ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana natao sora-matavy manaraka ity izay avy amin’ireo andininy ireo.

Fahamarinana iray azonao ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana an’i Jesoa Kristy, ny olombelona rehetra dia afaka ny hohamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavany.

Mety hanampy ny fampisehoana ilay horonantsary “Why We Need a Savior (Nahoana isika no mila Mpamonjy)” (2:15), izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho.” Izany dia maneho fa manampy antsika handresy ny fahotantsika sy ireo fanamby atrehantsika i Jesoa Kristy.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana anananao rehefa misaintsaina an’io fahamarinana io ianao?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manova ny fomba fijerintsika ny fahotantsika sy ny tsy fahatanterahantsika:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Ny Sorompanavotana tsisy fetra nataon’ny Mpamonjy dia manova tanteraka ny fomba fijerintsika ny fandikan-dalantsika sy ny tsy fahatanterahantsika. Afaka mianatra avy amin’izy ireny isika ka ho feno fanantenana toy izay hitanondrika ao amin’izy ireny ka hahatsapa ho tsy azo havotana na very fanantenana. Ny fanomezana manadion’ny fibebahana dia manafaka antsika hamela any amin’ny lasa ireo fahotantsika ka ho tonga olom-baovao isika.

Noho i Jesoa Kristy, ireo tsy fahombiazantsika dia tsy voatery hamaritra antsika. Afaka manefy antsika izy ireny.

(Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8–9)

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia tsara kokoa raha valian’ireo mpianatra tsirairay ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Manao ahoana ny fomba fijerinao ny fahadisoanao sy ny tsy fahatanterahanao raha ampitahaina amin’ny zavatra nofaritan’ny Loholona Uchtdorf?

Ampio fanehoana ny fomba nanampian’i Jesoa Kristy antsika handresy ilay sakana ny sary ataonao.

  • Amin’ny fomba ahoana no manova ny fomba fahitantsika an’i Jesoa Kristy ny fahatakarana fa samy manota isika rehetra ka mila famonjena?

  • Inona no hevi-baovao, na fihetseham-po, na fahatsapana anananao noho ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahako mahatakatra bebe kokoa ny fanamarinana?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny dikan’ny hoe fanamarinana:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Noho “ilay toetra tsisy fiafarana ananan’ny Sorompanavotany lehibe,” dia afaka manatanteraka na “manefa ny fitakian’ny lalàna” ho antsika i Jesoa Kristy. Tonga amin’ny alalan’ny fahasoavan’ilay nanefa ny fitakian’ny lalàna tamin’ny alalan’ny fijalian’ny tenany ny famelan-keloka. … Nanaisotra ny fanamelohana antsika Izy kanefa tsy nanaisotra ny lalàna. Voavela heloka isika ary apetraka ao amin’ny toetry ny fahamarinana miaraka Aminy. Lasa toa Azy isika, tsy manam-pahotana. Tohanan’ny lalàna sy ny fahamarinana isika ary arovany. Raha lazaina amin’ny teny iray dia nohamarinina isika.

Toy izany ny olona izay azontsika lazaina fa nohamarinina satria navela heloka, tsy manam-pahotana na tsisy tsiny.

(D. Todd Christofferson, “Justification and Sanctification,” Ensign, Jona 2001, 20)

Nahoana no mila an’i Jesoa Kristy izao tontolo izao?

Jereo ny horonantsary “Why We Need a Savior (Nahoana isika no mila Mpamonjy)” (2:15), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:15

Why We Need a Savior

What would life be like without a Savior? There would be no joy, no forgiveness, no hope for the future. This Christmas, learn more about the hope, peace and happiness our Savior Jesus Christ can bring into our lives at christmas.mormon.org.

Nanelingelina ny drafitry ny Ray any An-danitra ve ny fahotana?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra hoe:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Efa fantatry ny Raintsika any An-danitra mialoha ny nahatongavantsika teto amin’ity fiainana an-tany ity fa hisy hery ratsy haka fanahy antsika hiala amin’ny lalantsika, “fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” [ Romana 3:23 ]. Izany no antony nanomanany fomba hanaovantsika fanitsiana. Amin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana marina izay feno famindrampo sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia azo avela ny fahotantsika ary “tsy ho very … fa hanana fiainana mandrakizay” [ Jaona 3:16 ].

(Dieter F. Uchtdorf, “A Matter of a Few Degrees,” Ensign na Liahona, mey 2008, 60)

Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa “ireo Jentilisa … dia manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony”? (Romana 2:14)

“Fantatr’i Paoly fa nanana fiainana madio ara-pitondrantena ny Jentilisa sasany. … Nanaraka ny Fahazavan’i Kristy ireo Jentilisa ireo, izay -voataona ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra (Jaona 1:9; F&F 84:46–47)- [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fahazavana, Fahazavan’i Kristy ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org]. Na dia tsy nanana ny lalàn’i Mosesy aza izy ireo, dia nilaza i Paoly fa maneho -ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony- izy ireo (Romana 2:15)” (“Romana 1–3,” ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny mpianatra, Testamenta Vaovao [2018], 337).

Sahanasa fianarana fanampiny

Mankatò amin’ny fo

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Romana 2:28–29, ka hanolo ny teny hoe Jiosy amin’ny hoe Olomasin’ny Andro Farany sy ny teny hoe famorana amin’ny hoe ny fanekempihavanana. Inona no zavatra fanampiny entin’io fanovana io eo amin’ny fahatakarantsika ny fampianaran’i Paoly? Manomeza ohatra amin’ireo zavatra izay ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, izay manan-danja sy mahery vaika kokoa rehefa natao “tamin’ny fo sy tamin’ny fanahy”? (Romana 2:29). (Nalaina avy tamin’ny “7–13 aogositra. Romana 1–6: -Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023.)

Ny fotopampianaran’ny fanamarinana ao amin’ny soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Ny fotopampianaran’ny fanamarinana dia ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ihany koa. Afaka miasa tsiroaroa ny mpianatra ary mamaky ny 2 Nefia 2:5–8 na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–31 mba hahitana hevi-baovao momba ny fanamarinana.

Ny finoan’ny Olomasina Jiosy ny lalàn’i Mosesy

Ity rafi-tantara manaraka ity dia mety maneho ny finoan’ny sasany amin’ireo Olomasina Romana izay nanoratan’i Paoly. Ampiasao izany mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo hevitra diso noresahin’i Paoly.

Avy amin’ny fianakaviana Jiosy nahatoky izay nipetraka tany Roma nandritra ny taranaka roa i Asher. Rehefa lehibe izy dia nampianarina hiaina amim-pahavitrihana ny lalàn’i Mosesy. Nino hatrany ny fianakaviany fa hovonjena izy ireo rehefa miaina araka ny fombafomba sy ny fanao hita taratra ety ivelany ary ny ôrdônansin’ny lalàn’i Mosesy. Rehefa nahafantatra momba an’i Jesoa Kristy ny fianakavian’i Asher dia nino izy ireo fa Izy no ilay Mesia nandrasan’izy ireo. Natao batisa izy ireo saingy nanohy niaina ny lalàn’i Mosesy, ary nihevitra fa hitondra famonjena ho azy ireo ny fankatoavana amin’ny fomba hentitra.

  • Inona ireo fahamarinana mbola mila ianaran’ i Asher sy ny fianakaviany?