Seminera
Romana 6


Romana 6

“Mandeha amin’ny fiainam-baovao”

Sary
A young man being baptized in a baptismal font in a church building in Madagascar.

Tsy mora ny manolotra ny tenantsika ho an’ Andriamanitra. Saingy mampanantena i Jesoa Kristy fa rehefa mahafoy ny nofontsika mpanota taloha isika, dia hanome antsika fiainam-baovao Izy, hanova ny toetrantsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Nampianatra i Paoly fa amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa no ahafahantsika mandray ny hery manova an’ny Mpamonjy mba hanampy antsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” ( Romana 6:4). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hikatsaka fiovana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy hamantatra tsara kokoa ny fotoana hitrangan’ireo fiovana ireo.

Mahatakatra ireo teny sy andian-teny sarotra. Rehefa mandalina ny soratra masina ireo mpianatra, dia mety ho tojo teny na andian-teny tsy mahazatra loatra na sarotra takarina izy ireo. Ampahafantaro ny mpianatra fa matetika no afaka manampy azy ireo hahatakatra ireo teny sarotra sy ny votoatin-kevitry ny soratra masina ny rakibolana, ny boky torolalana ho an’ny mpianatra, ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ary ireo fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy ny antsipiriany momba ny batisany ary hitondra sary raha manana izany izy ireo. Ny mpianatra sasany na ny ray aman-dreniny dia mety nanoratra zavatra tao anaty diary tamin’ny fotoana nanaovana batisa ny mpianatra. Mety hahaliana ny mpianatra ny mamaky io firaketana anaty diary io na miresaka amin’ny ray aman-dreniny ny antsipiriany tamin’ny batisany, anisan’izany ireo izay mety hadinon’ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Zarao ny antsipiriany sy ny sary tamin’ny batisanao, ary asao mba hizara izany koa ireo mpianatra.

  • Inona no tsaroanao mikasika ny batisanao?

  • Ahoana no niovanao ara-panahy hatramin’ny nanaovana batisa anao?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny fivoaranao ara-panahy. Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao toy ny hoe “Mihatsara ve ny finoako sy ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” na hoe “Ahoana no fiantraikan’ny zavatra nianarako momba ny Mpamonjy amin’ny fihetsiko sy ny zavatra ataoko?” Eo am-pandalinanao ny Romana 6 , dia saintsaino raha toa ka lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa ianao sy ny fomba hanampiany anao hitombo hatrany sy ho tonga tahaka Azy kokoa.

Maneho ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny batisa

Fahaiza-manao sarobidy ny fianarana ny fomba hamantarana sy hahatakarana ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Nampiasa ny tandindon’ny batisa asitrika i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina tany Roma hahatakatra fa tsy maintsy mahafoy ny fiainantsika feno fahotana taloha isika mba hahafahan’i Jesoa Kristy manova antsika sy manome antsika fiainam-baovao amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Vakio ny Romana 6:3–8 , ka tadiavo ireo tandindona izay afaka mampianatra anao bebe kokoa momba ny Mpamonjy. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 7 dia mivaky toy izao: “Fa izay efa maty ny amin’ny ota dia afaka amin’ny ota.”

  • Araka ny voalazan’ny Romana 6:3–8 , dia maneho inona amintsika ny hoe midina, sy asitrika ary mivoaka avy ao anaty rano amin’ny batisa?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ireo ôrdônansy fototra ao amin’ny filazantsara dia tandindon’ny Sorompanavotana. Ny batisa dia tandidon’ny fahafatesana, sy ny fandevenana, ary ny Fitsanganan’ny Mpanavotra tamin’ny maty.

(Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, nôv. 1996, 35)

  • Ahoana no hamintinanao ny Romana 6:4 ho fanambarana fahamarinana?

Ity manaraka ity dia fomba iray hamintinana ny Romana 6:4 : Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika miova sy “mandeha amin’ny fiainam-baovao.”

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fiainam-baovao”? ( Romana 6:4).

  • Oviana ianao no nahatsapana fa tamin’ny alalan’ny Mpamonjy no nahafahanao nandeha tamin’ny fiainam-baovao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy handeha amin’ny fiainam-baovao isika?

Azonao atao ny mizara zavatra niainana manokana amin’ny mpianatra. Mety hanampy ihany koa ny mampahatsiahy ny mpianatra mba tsy hizara ny fahotana taloha.

Araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 5–6 , nampianatra i Paoly fa amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny batisa, dia “niaraka nohomboana tamin’i [Jesoa Kristy]” sy “nolevonina” ny “toetsika taloha” na “ny tenan’ny ota” mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.”

Jereo ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ity lesona ity mba hahitana fampianarana mikasika ny fandraisana ny hery avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana. Eritrereto raha mety hahasoa ny manao izany miaraka amin’ny mpianatra.

Makà fotoana kely hisaintsainana ny fahotana na ny fahalemena manahirana anao ka tianao hoesorina amin’ny fiainanao. Hiverenanao ireo eritreritra ireo rehefa ao aoriana ao ato amin’ity lesona ity.

Inona no fiovana azoko atao?

  • Karazana fiovana inona no heverinao fa mora atao? Inona avy no sarotra?

Nampiasa ohatra mampiseho ny Mpamonjy mandresy ny fahafatesana sy ny ota i Paoly mba hampianarana fa afaka mandresy ny fahotantsika amin’ny alalany koa isika.Vakio ny Romana 6:9–14 , ka tadiavo ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ny fomba ahafahantsika mandresy ny fahotana.

Mety ho sarotra takarina ny asa soratr’i Paoly, indrindra rehefa mamaky andinin-teny maromaro misesy tsy an-kiato mba hamakafaka ny hafany. Raha toa ka ampy ny mpianatra dia omeo ho vakian’ny mpianatra roa na telo ny andininy tsirairay ary hifanakalozan’izy ireo hevitra sy hofintininy amin’ny teniny manokana. Amporisiho izy ireo hampiasa ny fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina na hitady ny famaritana ireo teny na andian-teny sarotra rehetra. Avy eo dia asaivo mampianatra ny andininy nomena azy ireo amin’ny iray kilasy ireo vondrona. Mety hanampy amin’ny andininy sasany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tahaka an’ i Jesoa Kristy izay “maty tamin’ny ota indray mandeha” ( andininy 10), no anaovana batisa antsika indray mandeha ho famelana ny fahotantsika. Na izany aza, afaka manavao ny fanoloran-tenantsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” isan-kerinandro isika ( andininy 4) amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanampian’ity ôrdônansy isan-kerinandro ity anao haneho ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe: “ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy”? ( andininy 11).

  • Nahoana ny zatovo iray no mety hisafidy ny hanaraka ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny andininy 12 ? Inona no fitahiana azo avy amin’ny fiainana toy izany?

  • Ny teny hoe tenanareo ao amin’ny andininy 13 dia ilazana ny faritra amin’ny vatantsika. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tananao, ny tongotrao, ny lohanao ary ny fonao “ho fiadian’ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra”? ( andininy 13).

  • Ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ny ampahany voalohany amin’ny andininy 14 dia mivaky hoe: “Fa raha manao izany ianareo dia tsy hanan-kery aminareo ny ota.” Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mahazo ny fampanantenana nomena ao amin’ny andininy 14 rehefa manaraka ny fampianarana voarakitra ao amin’ny andininy 11–13 ?

Omeo fotoana kely ny mpianatra hisaintsainana amim-pahanginana ny fahotana izay tiany hialana. Noho ity fisaintsainana ity izay tena mahakasika ny tena manokana dia tsy tokony hasaina hifanakalo hevitra momba ny eritreriny amin’ny iray kilasy ireo mpianatra.

Azo afahana amin’ny fahotana ianao

Vakio ny Romana 6:16–18, 22–23 , ka tadiavo ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana amin’ny fiainam-baovao.

  • Ahoana no namaritan’i Paoly ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana amin’ny fiainam-baovao?

  • Rehefa manohy miezaka ny handresy ny fahotana amin’ny alalan’i Kristy ianao, dia ho toy ny ahoana hoy ianao ny fahitanao sy fahatsapanao ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao mba handehanana amin’ny fiainam-baovao manomboka anio?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny heriny hanova ny fontsika rehefa miezaka ny handeha amin’ny fiainam-baovao isika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona avy ireo fomba sasany azoko ovaina?

Ny Rahavavy Becky Craven, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Sister Rebecca L. Craven, second counselor, Young Women general presidency. Official Portrait as of October 2018.

Ho valin’ny fanefany ilay sarany tsy hay sandaina ho antsika tsirairay avy, dia mangataka antsika hiova fo ny Tompo. Tsy ho tombontsoa ho Azy ilay fiovana angatahiny fa ho antsika. …

Rehefa avy nandre ny teny nolazain’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany dia nihiaka ary nanambara fa niova ny fon’izy ireo ka nilaza hoe: “Noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, … tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” [Môzià 5:2]. Tsy milaza ny soratra masina hoe avy hatrany dia lasa tonga lafatra izy ireo, ny fanirian’izy ireo hiova no nanosika azy hanao asa. Ny fiovam-pon’izy ireo dia nidika ho fialana tamin’ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo sy fihainoana ny Fanahy teo am-piezahan’izy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

(Becky Craven, “Tazony ny fiovana,” Liahona, nôv. 2020, 58)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba fijerin’ny mpikambana vao vita batisa

Raha toa ka misy mpikambana vaovao ao amin’ny kilasinao, na ny paroasy na sampana misy anao, dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny fiovam-pony sy ny eritreriny momba ny batisany. Ataovy izay hahazoana lalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana na ny tale na mpandrindra ao amin’ny vondromparira na faritra alohan’ny hanolorana ilay fanasana.

Afaka manota ve aho izao, fa mikasa ny hibebaka any aoriana?

Nampianatra i Paoly hoe “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” ( Romana 3:23). Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia tamin’ny “nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” ( Romana 5:20). Nanontany tena izy avy eo hoe: “Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?” ( Romana 6:1). Namaly ny fanontaniany manokana araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 6:2 i Paoly.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra ao anatin’ny vondrona kely mikasika ny olana amin’ny fanohizana ny fahotana sady mikasa ny hibebaka any aoriana. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia afaka hamaly ny sasany na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

  • Inona no fiantraikan’ny fanohizana ny fahotana amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo fomba sasany mety hiezahan’ny tanora iray hanamarinana ny fahotana ankehitriny rehefa mikasa ny hibebaka any aoriana?

  • Inona ireo loza ateraky ny manota izao sady mahafantatra fa mikasa ny hibebaka ianao any aoriana?

  • Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika handresy ny fakam-panahy hanota an-tsitrapo izao ka hibebaka any aoriana ny fahatakarana marina ny drafitry ny famonjena na ny fiizintsika araka an’ Andriamanitra sy ny tanjontsika?

Amin’ny fomba ahoana no manampy ahy hahazo “fiainam-baovao” ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

Ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra ireo fomba ahafahantsika mahafantatra ny “fiainam-baovao” izay nampianarin’i Paoly ao amin’ny Romana 6:4 . Rehefa avy nampianatra ny vahoakany momba ny fanavotana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny Mpanjaka Benjamina dia nanontany izy raha nino ny teniny izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaky ny Môzià 5:2, 5–8 , ka hitady ny valintenin’ny vahoaka sy ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina azy ireo momba ireo fitahiana azontsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanantsika.

  • Inona no fiantraikan’ny finoan’ny vahoaka ny sorompanavotan’i Kristy teo amin’izy ireo?

  • Inona no nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina mikasika ny fomba hanampian’ny fanekempihavanana antsika hahazo “fiainam-baovao”? ( Romana 6:4).

Afaka manome antsika fiainam-baovao sy manafaka antsika amin’ny fahotana i Jesoa Kristy

Asehoy ny horonantsary “Daily Bread: Change (Mofo Isan’ Andro: Fiovana)” (3:00), izay ahitana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo miresaka momba ny fibebahana sy ny fiovana. Asao ny mpianatra hitady ny fomba ahafahana manova antsika sy manafaka antsika amin’ny fahotana. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Amin’ny fomba ahoana araka ny nambaran’ny Loholona Christofferson no hahatongavan’ny ankamaroan’ny fiovana amin’ny “fandeha[nana] amin’ny fiainam-baovao” ( Romana 6:4)? (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 1:26 ka hatramin’ny 1:58).

Hamoaka printy