Seminera
Romana 1–6


Romana 1–6

Topimaso ankapobeny

Raha niresaka tamin’ireo Olomasina nipetraka tany Roma i Paoly dia nanambara fa “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy” izy (Romana 1:16). Samy nila fanampiana tamin’ny fahatakarana ny fiankinany amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba hanekena ireo fitahian’ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo avokoa ny Jiosy sy ny Jentilisa izay niova fo. Nikatsaka ny hanampy ireo Olomasina Romana i Paoly mba hahatakatra ny fahasoavan’i Kristy tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo mikasika ny fifandraisan’izany amin’ny finoana sy ny asa. Nampianatra Izy fa mahazo ny herin’ny Mpamonjy isika rehefa manao sy mitandrina ny fanekempihavanana Aminy, “[mandeha] amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4).

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manome torohevitra an’ireo mpampianatra ny amin’ireo hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Romana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra tsy ho menatra amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hiresaka momba ny antony mety hisalasalan’ny olona ny ho antsoina hoe mpianatr’i Kristy na hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny mpianatra ireo andiam-panontaniana ary avelao izy ireo hanasongadina ny valinteny izay heveriny fa marina na hanoratra ny valinteny izay nosafidiny ao amin’ny fitaovam-pifaneraserana chat. Avy eo dia azo resahana tsirairay ny valiny rehefa voavaly ireo andiam-panontaniana na rehefa nivoaka avokoa ireo lohahevitra avy ao amin’ny lesona.

Romana 2–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny filantsika rehetra ny famelana ny fahotantsika sy ny fanamarinana antsika rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny famaritana izay hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana avy ao amin’ny lesona momba ny Romana 1–6 sy hiomana mba hizara ny famaritany manokana ny teny toy ny fanamarinana, finoana, ary fahasoavana.

  • Votoatin-kevitra tokony haseho: Ny famaritana ny fanamarinana, finoana, ny lalàna, ary ny fahasoavana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Manasà mpianatra iray hampiasa ny solaitra fotsy ary hanao ny sary izay naroso ho an’ny iray kilasy.

Romana 4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy ny fankasitrahany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny fizarana “Fahasoavana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina , ary hitady ny fomba nahafahan’izy ireo nandray ny fahasoavan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany avy eo.

  • Votoatin-kevitra haseho: Ny kisary momba ny sarin’ny tapa-kazo any an’efitra sy ny lahatsoratra miaraka aminy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azo zaraina ho zana-bondrona ireo mpianatra mba hiresaka momba ilay kisary. Ataovy azo antoka ny hanome torolalana mazava mba hahafantaran’ireo mpianatra ny zavatra izay kasainy hotanterahina. Mety hanampy ny fampisehoana ireo fanontaniana telo izay ifanakalozan-kevitra mba hodinihan’ireo mpianatra ao amin’ny zana-bondrona.

Romana 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hikatsaka fiovana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy hamantatra tsara kokoa ny fotoana izay hitrangan’ireo fiovana ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitadidy ny antsipiriany momba ny batisany ary hitondra sary raha manana izany izy ireo. Ny mpianatra sasany na ny ray aman-dreniny dia mety nanoratra zavatra tao anaty diary tamin’ny fotoana nanaovana batisa ny mpianatra. Mety hahaliana ny mpianatra ny mamaky io firaketana anaty diary io na miresaka amin’ny ray aman-dreniny ny antsipiriany tamin’ny batisany, anisan’izany ireo izay mety hadinon’ny mpianatra.

  • Votoatin-kevitra haseho: Sary tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa zana-bondrona enina ho an’ny sosokevitra ho an’ny mpampianatra izay miaraka amin’ny Romana 6:9–14 . Zarao ho vondrona maromaro ny mpianatra ary omeo andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny avy ao amin’ny Romana 6:9–14 ny vondrona tsirairay, aorian’izay dia hizara ny zavatra izay nianarany amin’ny iray kilasy izy ireo. Makà fotoana fohy hitsidihana ny vondrona tsirairay mba hanomezana fanampiana manokana sy hamaliana ireo fanontaniana raha ilaina. Ataovy azo antoka fa vonona ny hizara amin’ny mpiara-mianatra aminy ireo mpianatra mialoha ny hamaranana ny fivorian’ny zana-bondrona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra mba hampitombo ny fahatakarany sy hanazava ireo fahamarinana mikasika ny iray na maromaro amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hijery tsara ireo andinin-tsoratra masina, andian-teny, na teny izay mampisafotofoto ny sain’izy ireo mandritra ny fandalinany soratra masina manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ka ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara izany.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa zana-bondrona mba hiresahan’ireo mpianatra ny fomba izay nampiasan’izy ireo ireo karazana fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina mba hampitomboana ny fahatakarany ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo.

Hamoaka printy