Seminera
Romana 1


Romana 1

“Tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho”

Sary
Young man wearing eyeglasses, sitting outside reading scriptures. (horiz)

Na ho ela na ho haingana, dia mila mijoro amin’ny zavatra inoantsika isika. Raha niresaka tamin’ireo Olomasina nipetraka tany Roma i Paoly dia nanambara fa “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy” izy ( Romana 1:16). Porofon’izany ny fahavononany hizara ny hafatry ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy anao tsy ho menatra ny ho fantatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao.

Mizara tantara marina sy fitantarana. Mba hanairana ny fahalianan’ny mpianatra amin’ny lesona iray dia zarao ireo tantara manokana tena nisy avy amin’ny fiainan’ireo mpaminany, na ny tantaran’ny Fiangonana, na ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, na ireo gazetibokin’ny Fiangonana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hiresaka momba ny antony mety mampisalasala ny olona amin’ny fahafantarana azy ireo hoe mpianatr’i Kristy na amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity andiam-panontaniana manaraka ity dia azo ampiasaina hampianarana momba ireo Epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ireto ny valiny (1) d; (2) b; (3) d; (4) a.

Ny fampahalalana misimisy kokoa momba ireo epistily ireo dia hita ao amin’ny “ Epistilin’i Paoly ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) na ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Inona no zavatra efa fantatrao?

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namanao iray izay avy amin’ny finoana Kristiana hafa momba ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao any amin’ny seminera ianao. Milaza aminao izy fa tiany ny Testamenta Vaovao saingy sahirana izy manakatra ireo Epistily indraindray. Manontany anao izay fantatrao momba izany izy. Valio ity andiam-panontaniana manaraka ity mba hijerena hoe hatraiza ny fahafahanao mamaly azy.

  1. Inona no atao hoe Epistily?

    1. Filazana ofisialin’ny Fiangonana ataon’ny mpaminany

    2. Lahateny ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nangonina nandritra ny taona maro

    3. Taratasy isan-karazany nosoratan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho an’ny Olomasina

  2. Iza no nomem-boninahitra tamin’ny fanoratana ny 14 amin’ireo epistily 21 tafiditra ao amin’ny Testamenta Vaovao?

    1. Petera

    2. Paoly

    3. Lioka

  3. Ahoana no nandaminana ny Epistily 13 voalohany?

    1. Milahatra araka ny vanim-potoana (tamin’ny fotoana nanoratana azy ireo)

    2. Araka ny maha-zava-dehibe

    3. Araka ny halavany

  4. Iza avy ireo mpanoratra hafa an’ireo Epistily?

    1. Jakoba, Petera, Jaona, ary Joda

    2. Jakoba, Petera, Jaona, ary Stefana

    3. Jakoba, Petera, Jaona, ary Timoty

Ny Epistily ho an’ny Romana

Ny bokin’ny Romana dia epistily, na taratasy, izay nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ireo Olomasina tany Roma taloha kelin’ny fiafaran’ny dia fitoriana nataony. Roma—renivohitry ny Fanjakana Romana—dia feno haifotokevitra araka izao tontolo izao ary toerana sarotra hitoriana sy hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina Romana izany mba hanamafisan’izy ireo orina ny finoany, hanomanana azy ireo amin’ny fahatongavany, hanazavany sy hiarovany ny fampianarany, ary hamporisihany ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy sy Jentilisa mba hiray hina.

Rehefa mandalina ny Romana 1 , ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mankahery anao rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy ianao.

Tsy menatra aho

Jereo ny “Preparation of Joseph F. Smith: True Blue, Through and Through (Fiomanan’i Joseph F. Smith: Mahatoky tanteraka)” (1:31) hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ity tantara ity dia hita koa ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 104.

Vakio ny Romana 1:15–17 , ka tadiavo ny zavatra mampitovy ny Filoha Joseph F. Smith sy i Paoly. Asio marika ireo teny na andian-teny hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo.

Mety hanisy marika ireo teny hoe “Tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho” ao amin’ny Romana 1:16 ianao.

  • Avy amin’izay nianaranao momba an’i Paoly tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ahoana no nanehoany fa tsy menatra ny ho fantatra ho Kristianina izy?

  • Inona avy ireo toe-javatra mety atrehan’ny tanora ankehitriny ka ilaina azy ireo hijoro sy tsy ho menatra ny filazantsaran’i Kristy?

Fantatr’i Paoly fa toerana sarotra hiainana sy hitoriana ny filazantsara ao Roma. Niatrika fanoheran’ireo tsy nahatakatra na nandà ny fampianarany koa izy. Na dia izany aza, dia nazoto nankany Roma i Paoly ary nitory tany mba hitondrana ny hafa ho ao amin’i Kristy (jereo ny Romana 1:15).

Eritrereto ireo zavatra niainanao izay nahafahanao nijoro na nizara ny finoanao an’i Jesoa Kristy tahaka an’i Paoly. Manaova lisitra fohy ao amin’ny diarinao. Ampidiro ao anatin’izany ny eritreritrao sy ny fahatsapanao mikasika ny halehiben’ny fanirianao hizara ny finoanao amin’ireo toe-javatra ireo.

Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra fa misy fomba kely sy tsotra maro izay ahafahan’izy ireo maneho fa tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy izay mazoto hizara ny ohatr’izy ireo manokana. Afaka mizara ny fiomanany tamin’ity lesona ity ihany koa ny mpianatra amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny antony mety hisalasalan’ny olona hizara ny filazantsara.

  • Nahoana no mety ho menatra amin’ny fahafantarana azy ho Kristianina ny tanora iray? Inona no azon’izy ireo atao raha manana izany eritreritra na fahatsapana izany izy ireo?

Ohatra ao amin’ny soratra masina sy ohatra maoderina

Avereno jerena ny roa amin’ireto ohatra manaraka momba ny olona izay tsy menatra nampahafantatra ny finoany ny Tompo ireto. Eritrereto ny toe-javatra nisy azy ireo, ary tadiavo ny fitoviana misy eo amin’ny fiainany sy ny fiainanao.

Jereo ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ahitana ohatra fanampiny sy hevitra iray momba ny fomba fampiasana ny teknôlôjia ho an’ity sahanasa ity.

  • Rehefa mizara ny filazantsara ianao: Teren Bingham sy Brandon McEuen (“Same Jersey” [Mitovy fitafy] [5:01], ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no zavatra manaitra anao avy amin’ireo ohatra ireo?

  • Ahoana no fomba nanehoan’ireo olona ireo fa tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy izy ireo?

  • Iza no ohatra teo amin’ny fiainanao nampiseho fa tsy menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy? Ahoana no nanehoan’izy ireo ny finoany?

Milaza amintsika ny Romana 1:15–17 fa ny fientanentanan’i Paoly tamin’ny filazantsaran’i Kristy dia anisan’ny tonga tamin’ny alalan’ny fahatakarany fa “[ny filazantsara] no herin’ Andriamanitra ho famonjena” ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia naniry hizara izany amin’ny olona rehetra i Paoly satria fantany fa tsy misy olona ho voavonjy raha tsy misy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mety tsy mitovy ny valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa an’ny tena manokana ny fampiharana io fitsipika io ary tsy tokony hitsara ny hafa araka ny fomba hanehoany ny finoany izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no manampy anao tsy ho menatra Azy sy ny filazantsarany ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Na dia mety hisy aza ny fotoana iantsoana antsika hiaro ny finoantsika amin’ny fomba lehibe na mahatalanjona, ny ankamaroan’ny fotoana dia amin’ny fomba bitika sy tsotra no anehoana tsara indrindra ny finoantsika (jereo ny Almà 37:6–7). Mety ho toy ny ahoana ny endrika, na ny fandrenesana na ny fahatsapana ny hoe “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy” eo amin’ny fiainanao andavanandro?

  • Fenoy ity fehezan-teny manaraka ity: Tsy menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho satria

Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny fahasambarana sy ny fiadanana izay azo avy amin’ny fahatokisanao ny zavatra inoanao sy ireo fanekempihavananao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahako mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny fomba mahazatra sy voajanahary?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Fantatro fa mahay mifandray kokoa amin’olona noho ny hafa ny sasany amintsika. Tsy maninona izany. Ny Tompo dia manao izay ahafahantsika tsirairay, araka ny fombantsika manokana, manasa ny hafa hanatona ary hahita sy hanatona ary hanampy. Amin’izay Andriamanitra dia hanao ny asam-pamonjeny, ary hanatona sy hitoetra izy ireo.

Mamelà ahy hanolotra zavatra dimy azon’ny olon-drehetra atao mba handraisana anjara amin’ilay iraka lehibe nomen’ny Mpamonjy fanangonana an’i Isiraely.

1. Manakaikeza an’ Andriamanitra.

2. Fenoy fitiavana ho an’ny hafa ny fonao.

3. Miezaha mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra.

4. Zarao ny zavatra inoana sy tsapanao.

5. Matokia ny Tompo fa hanao fahagagana Izy.

(Dieter F. Uchtdorf, “Sharing the Gospel in Normal and Natural Ways,” ChurchofJesusChrist.org)

Raha te hianatra bebe kokoa momba ireo sosokevitra ireo dia vakio ny lahatsoratra fohy nosoratan’ny Loholona Uchtdorf “Sharing the Gospel in Normal and Natural Ways” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fianarana fanampiny

Mampiasa ny teknôlôjia hidirana amin’ny lahatsoratra sy horonan-tsary

Mety hanampy ny mamorona kaody QR na URLs nohafohezina ho an’ny lahatsoratra sy horonan-tsary izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ireo kaody na URLs ireo dia azo apetraka manodidina ny efitrano mba ahafahan’ny mpianatra miditra amin’ireo loharano amin’ny fitaovan’izy ireo tsirairay.

Ohatra hafa momba ny finoana

Ireo ohatra momba ny olona izay tsy menatra nampahafantatra ny finoany ny Tompo dia azo ampiasaina ao amin’ny fizarana “Ohatra ao amin’ny ny soratra masina sy ohatra maoderina” ao amin’ny lesona.

  • Ny mpanjakavavy Estera: Estera 3:8–13 ; 4:13–16 ; 7:1–6 (ho an’ny fitantarana tsotsotra kokoa nefa feno dia vakio ny lahatenin’ny Filoha Thomas S. Monson hoe “May You Have Courage (Aoka hanana herim-po ianareo)” [Ensign na Liahona, mey 2009, 127])

  • Ricky McWhorter: “I Am Not Ashamed of the Gospel of Christ,” New Era, June 1988, 34–35

  • Naman’ny Loholona Joni L. Koch ao amin’ny Fitopololahy: “Fa tsy menatra ny filazantsara[n’i Kristy] aho,” Liahona, jan. 2019, pejy ho an’ny faritra Afrika Atsimo Atsinanana, ChurchofJesusChrist.org

  • Ny Loholona Larry Echo Hawk ao amin’ny Fitopololahy: “Tongava Aty Amiko Ianareo Ry Taranak’Isiraely,” Liahona, nôv. 2012, 32

Faharatsiana sy fahotana nanjaka tamin’ny andron’i Paoly sy amin’ny androntsika

Ao amin’ny Romana 1:18–32 i Paoly dia nitanisa ireo fahotana maro izay nanjaka tamin’ny androny sy ankehitriny. Na dia mety hanaiky ireo fihetsika ireo aza ny olona maro, dia resaho ny antony mahatonga ireo zavatra ireo tsy hahazoantsika ilay fahasambarana avy amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Mariho fa avy ao amin’ny Romana 1:18–32 isika dia mianatra fa ny mpaminany sy ny apôstôly dia mampianatra antsika mikasika ny fitondrantena sy ny fihetsika izay manafintohina an’ Andriamanitra.

Mety ho sarotra ho an’ny mpianatra ny mahatakatra ny fiteny ampiasaina hamaritana ireo fihetsika ireo. Hazavao fa ny andininy 23 dia milaza momba ny fanompoan-tsampy, na ny fivavahana amin’ny sary ataon’ny olona fa tsy ny fivavahana amin’ Andriamanitra kosa. Ny andininy 28 ka hatramin’ny 32 dia milaza fahotana maro hafa manimba ny fifandraisantsika samy isika sy amin’ Andriamanitra, toy ny fialonana, herisetra, tsy fahamarinan-toetra ary avonavona.

Mety manana fanontaniana mikasika ny filazana momba ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy ao amin’ny andininy 26 sy 27 ny mpianatra. Raha mila fanazavana fanampiny na entina manampy ireo mpianatra hahatakatra ny hevitry ny Fiangonana momba ny fitondrantena maneho ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy dia jereo ny 38.6.15 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (ChurchofJesusChrist.org).

Hamoaka printy