Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 8


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 8

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
A Bolivian boy reading scriptures.

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fahamarinana izay nampianarina tao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Mandritra ny taona, dia ho amporisihina ianao mba hiezaka ny hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitondra gazetibokin’ny Fiangonana efa tonta izay azon’izy ireo hetezana mba hatao fitaovana hojeren’ny maso hitadidiana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra fotoana ampianarana ny seminera.

Ho an’ny sahanasa izay atao amin’ity lesona ity, dia ento ao an-dakilasy ireto zavatra manaraka ireto: gazetibokin’ny Fiangonana efa tranainy maromaro, hety vitsivitsy, lakaoly, taratasy miloko, marikera, ary pensily miloko. Afaka mampiasa ny fitaovana elektrônika izay ananany ihany koa ny mpianatra mba hanaovana fikarohana sary ao amin’ny bibliothèque de l’évangile an’ny Fiangonana.

Fampiasana fitaovana hojeren’ny maso mba hanampiana amin’ny fitadidiana

Hevero ny hampiasa lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana mba hanampiana amin’ny fanehoana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso hanampiana amin’ny fitadidiana.

Fomba iray ahafahana manao izany ny fitantarana rafi-tantara iray na ny fitanisana andian-javatra anankiray ary avy eo dia mangataka ireo mpianatra hamerina izany indray amin’ny antsipiriany. Avy eo dia mampiasà fitaovana jeren’ny maso, toy ny sary nalaina na sary natao tanana, mba hitantarana rafi-tantara hafa na hitanisana andian-javatra hafa, ary angataho ireo mpianatra mba hamerina izany indray amin’ny antsipiriany rehefa avy eo. Anontanio an’ny mpianatra hoe iza tamin’ireo fomba roa ireo no nahatonga ireo antsipirian-javatra ho mora notadidiana kokoa.

Ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy anao hahatadidy ny tenin’ny Mpamonjy sy hahatadidy azy ireny amin’ny fotoana izay ilana azy. Misy paikady maro samihafa azonao ampiasaina mba hanampiana anao hitadidy ny soratra masina. Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fampiasana ireo fitaovana jeren’ny maso mba hanampiana anao hanamafy ny fitadidiana ireo andian-teny manan-danja sasany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ity manaraka ity dia lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja raha toa ka mbola tsy nanao izany ianao.

Asehoy ity taratasy zaraina manaraka ity mba hahafahan’ireo mpianatra mijery izany mandra-pahavitan’izy ireo ny fitaovana jeren’ny maso izay hasehony mandritra ny sahanasa manaraka.

Sary
Doctrinal Master - Matthew - John

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy hoe raiso ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana Ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Famoronana fitaovana jeren’ny maso

Miankina amin’ny hamaroan’ny mpianatra, ity sahanasa manaraka ity dia azon’ny tsirairay atao, na ataon-olon-droa, na ataona vondrona kely maromaro. Raha azo atao, dia mitondrà gazetibokin’ny Fiangonana efa tranainy ao an-dakilasy mba hampiasain’ireo mpianatra. Raha toa ka tsy misy sary vita printy azo ampiasaina dia asaivo manao ny sariny manokana amin’ny taratasy ireo mpianatra. Eritrereto ny hamorona fitaovana jeren’ny maso miaraka amin’ny mpianatra. Asao ny mpianatra mba hizara ny fitaovana jeren’ny maso izay noforonin’izy ireo rehefa mifarana ity sahanasa ity.

Mitadiava na manaova sary izay mety hanampy anao hitadidy ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja avy amin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mety ho tafiditra ao amin’ny zavatra noforoninao ny sary iray na roa izay afaka manampy anao hitadidy andian-teny manan-danja iray manontolo, na koa mety hahitana sary samihafa ho an’ny teny tsirairay ao amin’ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Eo am-pandrafetanao ny zavatra foroninao dia eritrereto ny zavatra ifandraisan’ilay andinin-tsoratra masina izay ifantohanao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Rehefa vitan’ireo mpianatra izany, dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra izay noforoniny amin’ny hafa ao am-pianarana.

Raha toa ka misy fotoana, dia afaka manomana lesona fohy momba ilay andinin-tsoratra masina nosafidiny koa ny mpianatra izay azo ampiasaina amin’ny takarivan’ny mpianakavy na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Asao ireo mpianatra mba hitady fomba iray ahafahany mampiasa ilay fitaovana jeren’ny maso izay noforonin’izy ireo mba ho ampidirina amin’ny lesony. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka mitarika ireo mpianatra rehefa manomana ny lesony:

  • Manampy antsika hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ity andinin-tsoratra masina ity?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo fahamarinana avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity eo amin’ny fiainanao?

  • Inona ny zavatra efa niainanao izay mifandray amin’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity?

Amporisiho ireo mpianatra mba hanao fanazaran-tena irery hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Mety hieritreritra ny hisafidy hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina iray manontolo mihitsy aza izy ireo.

Hamoaka printy