Seminera
Matio 19:16–30; Marka 10:17–31


Matio 19:16–30; Marka 10:17–31

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20)

Sary
Lawyer asks Jesus what he should do to inherit eternal life. Outtakes include the desert landscape, Jesus with the two men/lawyers with his disciples and followers in the background, and some of the images from “Christ and the Rich Young Ruler.”

Nisy zatovolahy mpanankarena anankiray nanontany an’i Jesoa hoe inona no takina aminy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nanasa tamim-pitiavana ilay zatovolahy i Jesoa mba hivarotra ny fananany sy hanaraka Azy. Ity lesona ity dia hamporisika anao hianatra avy amin’ny Mpamonjy ny zavatra tiany hataonao rehefa mikatsaka ny hanatsara ny fomba hanarahanao Azy amin’ny fomba tsaratsara kokoa ianao.

Mampifanaraka ny votoatin’ny lesona amin’ny zavatra izay ilaina. Ny hevitra enti-mampianatra hita ato amin’ity boky torolalana ity dia tokony amboarina mba hifanaraka araka izay tsara indrindra azo atao amin’izay zavatra ilain’ny mpianatra. Araka izay itaoman’ny Fanahy Masina, dia mampiasà zavatra niainanao sy hevitrao manokana ary aoka ianao hahay handanjalanja tsara rehefa mampifanaraka ny votoatin’ny lesona araka izay ilaina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy fotoana iray izay nanehoan’izy ireo fankasitrahana satria nisy olona nanitsy azy. Nahoana no mety ho mariky ny fitiavana ny fanampiana antsika hahatakatra ny zavatra tokony hatsaraintsika?

Sahanasa fianarana azo atao

Torohevitra mikasika ny fomba hivoarana

Hevero ny handrafitra ity sahanasa manaraka ity amin’ny alalan’ny fizarana ohatra an’ny tena manokana amin’ny fampiasana ireto fanontaniana manaraka ireto. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao toy izany koa miaraka amin’ny namana mpiara-mianatra iray.

Misafidiana zavatra tianao hatao sy hainao atao tsara (ohatra, fanatanjahan-tena, zavamaneno, fialamboly, taranja iray any am-pianarana, na asa). Avy eo dia tombano amin-kitsim-po ao amin’io sahanasa io ny hakinganao sy ny fanirianao hivoatra amin’ny alalan’ny famaliana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo tanjakao? Inona avy ireo fahalemenao?

  • Raha afaka misafidy olona handinika anao ianao ary hanome anao torohevitra manokana mikasika ny fomba hivoaranao, dia ho iza ilay olona? Nahoana?

Asao ny mpianatra hanaraka amim-pahanginana ilay torolalana manaraka noho ilay izy mahakasika ny tena manokana.

Apetraho amin’ny tenanao indray io fanontaniana io, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia ny fivoaranao ara-panahy no ataovy an-tsaina (ohatra, azonao atao ny mifantoka amin’ny fahalalana anananao momba ny filazantsara, ny fahamendrehanao, ny fanirianao hivoatra, na ny toetra tahaka ny an’i Kristy izay anananao).

Mba hamporisihana sy hankaherezana ny mpianatra dia omeo roa na telo minitra ny mpianatra hanazavany ireo tanjaka ara-panahy na ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitany tamin’ny mpianatra hafa. Ampifantohy indrindra indrindra amin’ireo izay mety mihevi-tena ho tsy misy dikany ny fanomezan-kaja (fandokafana) izay ilaina atao.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mianatra momba ny zatovolahy iray izay nanapa-kevitra ny hitady torohevitra avy amin’ny Mpamonjy isika. Vakio ny Matio 19:16–19 mba hahafantarana ny fanontanian’ity zatovolahy ity sy ny fomba namalian’ny Mpamonjy azy tamin’ny voalohany.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no iharan’ny valin-teny nomen’ny Mpamonjy an’io zatovolahy io amin’ny fiainantsika ihany koa?

  • Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny valin-teniny?

Vakio ary asio marika ilay fanontaniana napetrak’ilay zatovolahy izay voarakitra ao amin’ny Matio 19:20 . Avereno soratana ao amin’ny soratra masinao amin’ny fampiasana ny teninao manokana ny fanontaniany.

Ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia nampianatra hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of LDS Church President Harold B. Lee.

Raha toa ka te hahatratra ny fahatanterahana isika tsirairay avy dia tsy maintsy [hisy] fotoana hametrahantsika amin’ny tenantsika ity fanontaniana ity: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

(Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 197)

  • Ahoana no ahafahan’ny fametrahana io fanontaniana io manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba tsara kokoa?

  • Raha tsy mametraka io fanontaniana io isika dia inona no mety ho fiantraikan’izany amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy?

  • Nahoana no ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no afaka manampy anao indrindra hianatra ny zavatra tokony hovainao?

Ny Filazantsaran’i Marka dia manampy antsipirian-javatra manan-danja vitsivitsy momba an’i Jesoa Kristy ao amin’io tantara io. Vakio ny Marka 10:21 , dia tadiavo ny porofon’ity fahamarinana manaraka ity: Satria tia antsika i Jesoa Kristy dia hanampy antsika Izy hahafantatra ny zavatra tsy ampy amintsika amin’ny ezaka ataontsika hanaraka Azy.

Jereo fa ny Marka 10:21 dia tsy milaza fa nilaza am-bava ny fitiavany ny Mpamonjy. Nanoratra anefa i Marka hoe “i Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy.” Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fahitan’i Jesoa Kristy anao sy ny fitiavana tsapany ho anao.

Asehoy ny voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana izany alohan’ny hamaliana.

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarana fa tia ireo izay manatona Azy mba hahazo fananarana i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mariky ny fitiavan’ny Mpamonjy ny fanasany anao hivoatra?

  • Inona no ampianarin’ny Etera 12:27 mikasika ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao?

Vakio ny Marka 10:22 mba hahitana ny zavatra nosafidin’ilay zatovolahy hatao.

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitr’ilay tovolahy.

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Anjarantsika ny misaintsaina ny fifandraisana akaiky mety ho nisy teo amin’[ilay zatovolahy mpanankarena] sy ny Zanak’ Andriamanitra, ny finamanana mety ho niainany niaraka tamin’ireo Apôstôly, ireo fanambarana sy fahitana mety ho noraisiny, raha toa izy ka afaka niaina ny lalàn’ny fanjakana selestialy. Ny zava-misy araka izay dia mijanona ho tsy fantatra anarana izy; kanefa mety ho notsaroana tamim-boninahitra teo anivon’ny olomasina mandrakizay ny anarany raha ny tokony ho izy.

(Bruce R. McConkie, “Obedience, Consecration, and Sacrifice,” Ensign, May 1975, 51)

Mitadiava fomba hamelana ny mpianatra rehetra hamaly ity fanontaniana manaraka ity. Afaka mamaly amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra na ny fanoratana ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hanazava ny antony tokony hanarahantsika ny Mpamonjy dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny maha-mpianatry ny Tompo azy ireo.

  • Raha toa ianao ka afaka miverina amin’izany fotoana izany ary miresaka amin’io zatovolahy io alohan’ny hanapahany handà ny fanasan’ny Mpamonjy, dia inona no holazainao aminy?

Vonona ny hanontany izay tokony hataonao sy hankatò ve ianao?

Akimpio ny masonao ary ezaho alaina sary an-tsaina ny Mpamonjy mijery anao amin’ilay fitiavana tsapany ho an’ilay zatovolahy ao amin’ity tantara ity.

Ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nanolotra ity fanasana sy fampanantenana manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Larry R. Lawrence. Photographed March 2017.

Te hanoro hevitra ny mba handraisan’ny tsirairay avy aminareo anjara hanao fampiharana ara-panahy aho ato ho ato, angamba anio alina rehefa mivavaka ianareo. Apetraho amim-panetrentena amin’ny Tompo izao fanontaniana manaraka izao: “Inona no manakana ahy tsy handroso?” Amin’ny teny hafa dia hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Dia miandrasa valinteny iray amim-pahanginana. Raha toa ka mahitsy ny fonareo dia hanjary ho mazava tsy ho ela ilay valinteny. Ho fanambarana natao ho anareo manokana izany.

(Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?Liahona, nôv. 2015, 35)

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fanekena ny sosokevitry ny Loholona Lawrence eo amin’ny fiainanao? Inona no mety ho fiantraikan’ny tsy fanekenao izany?

  • Inona no fiantraikan’ny fahalalanao ny fitiavan’i Kristy anao eo amin’ny fahavononanao hametraka io fanontaniana io?

Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny famitana ireto manaraka ireto ao anaty diary fandalinany ny mpianatra.

Makà fotoana kely izao anontaniana an’ Andriamanitra hoe inona no tiany hovainao eo amin’ny fiainanao. Mety ho zavatra tsy tokony hataonao intsony izany, na tokony hatombokao, na hataonao amin’ny fomba hafa. Eritrereto avy eo ny fiainanao dia soraty ny eritreritra sy ny fahatsapana tonga ao aminao. (Raha toa ka tsy tonga ao an-tsainao avy hatrany ny valin-teninao dia tohizo hatrany ny manontany mikasika ny zavatra tokony hovainao eo amin’ny fiainana miaraka amin’ny fahavononana hankatò ny valiny rehefa mahazo izany ianao. Hamaly izany amin’ny fotoana mety sy amin’ny fomba tsara indrindra ho anao Andriamanitra.)

Mizarà zavatra niainana manokana, na asao ny mpianatra mba hizara ny fotoana iray izay nanehoany fankasitrahana noho ny fanitsiana tamim-pitiavana nomena azy teo amin’ny fiainany. Hevero ny hanazava ireo fomba hahatongavan’ny fanitsiana avy amin’ Andriamanitra (amin’ny alalan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, amin’ny alalan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina, amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina, sy ny sisa).

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no mariky ny fitiavan’ny Mpamonjy ireo fanasany anao hibebaka?

Ny Loholona S. Mark Palmer ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder S. Mark Palmer. Photographed in March 2017.

Raha manetry tena isika, dia horaisintsika ny fanasan’ny Tompo antsika mba hibebaka sy hahafoy tena ary hanompo ho porofon’ny fitiavany tanteraka antsika. Rehefa dinihina, ny fanasana mba hibebaka dia fanasana ihany koa handray ny famelan-keloka sy fiadanana izay fanomezana mahagaga.

(S. Mark Palmer, “Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy,” Liahona, mey 2017, 116)

Tsara ve ny mieritrertra foana momba ny tsy fahalavorariantsika?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of Elder S. Mark Palmer. Photographed in March 2017.

Ampy ve ny zavatra ataoko? Inona koa no tokony hataoko? Ivon’ny fahasambarantsika eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay ny asa ataontsika ho setrin’ireo fanontaniana ireo. …

Fa amin’izany fotoana izany koa, ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy maniry ny tsy hahafahantsika mihetsika noho ny fisalasalana mandavan-taona mandritra ny diantsika eto an-tany, manontany tena raha toa ka nanao ny ampy isika mba ho voavonjy sy hasandratra.

(Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena,” Liahona, nôv. 2020, 111)

Marka 10:25 . Inona no dikan’ny hoe “hidiran’ny rameva [amin’ny] vodi-fanjaitra”?

Nisy olona sasany izay nilaza fa ny vodi-fanjaitra dia varavarana kely tao amin’ny rindrin’ny tanànan’i Jerosalema izay nitaky ny hanalana ny entana nentin’ny rameva mba hahafahan’izany miditra. Tsy misy porofo manamarina fa nisy izany varavarana izany. Ny sasany kosa dia naneho sosokevitra fa ny fanovana ny teny iray ao amin’ireo lahatsoratra amin’ny teny Grika dia hanova ny soratra masina hifono hevitra hoe tsy rameva fa tady no lazaina fa ampidirina amin’ny vodi-fanjaitra eto. Kanefa rehefa niresaka mikasika ny fidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra i Jesoa Kristy, dia azo lazaina izany fa ohatra nentina nanehoana zavatra iray mihoatra lavitra noho ny tokony ho izy, niniana nitarina lavitra mba hampianarana “fa tena sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra” ( Matio 19:23).

(Testamenta Vaovao - Boky torolalana ho an’ny mpianatra [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 63)

Marka 10:23–27 . Moa ve sarotra na tsy azo heverina mihitsy aza ny hidiran’ny mpanankarena any an-danitra?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Marka 10:27 dia mivaky hoe: “ Raha amin’ny olona izay mametraka ny fitokiany amin’ny harena dia tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ireo olona izay matoky an’ Andriamanitra sy mandao ny zavatra rehetra noho ny Amiko, satria ho an’ny toy izany dia ho tanteraka ireny zavatra rehetra ireny” (Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 10:26).

Sahanasa fianarana fanampiny

Torohevitra avy amin’ Andriamanitra izay namboarina araka ny filàna manokana

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa notakin’ny Mpamonjy tamin’ilay zatovolahy mpanankarena ny fepetra “mifanaraka amin’ny filany manokana sy ny toe-javatra iainany” (“Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 30).

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy koa dia afaka manome antsika tsirairay avy torohevitra namboarina manokana mba hifanaraka amin’izay ilaintsika. Mba hanehoana ohatra ana torohevitra namboarina manokana izay azon’ny tsirairay avy amin’ Andriamanitra dia zarao amin’ny mpianatra ny lahatenin’ny Loholona Larry R. Lawrence tao amin’ny Fitopololahy hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” manomboka eo amin’ny minitra faha-2:41 ka hatramin’ny 7:20. Ity horonan-tsary ity dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

//media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/october-2015-general-conference/2015-10-1050-elder-larry-r-lawrence-eng.vtt

Ny mpamory hetra sy ny Fariseo

Asao ny mpianatra mba hampitaha ny fihetsik’ ireo lehilahy roa rehefa nivavaka, araka ny aseho ao amin’ny Lioka 18:9–14 ary hifanakalo hevitra mikasika ny fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fihetsikitsika amin’ny faniriantsika hikatsaka torohevitra sy fanitsiana?

  • Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fahavononantsika hanaiky sy hanao zavatra araka ny torohevitra azontsika avy amin’ny Tompo, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany, ireo ray aman-drenintsika ary ireo hafa?

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy vonona isika ny hamoy na inona na inona takin’ny Tompo amintsika

Ampitahao amin’ny an’ireo olona hafa nasaina nanao fahafoizan-tena mitovy amin’izany ny fihetsik’ilay zatovolahy ao amin’ny Marka 10:21–22 . Isan’ireo ohatra sasantsasany amin’izany i Lehia (jereo ny 1 Nefia 2:2–4); Petera, Jakoba, Jaona, ary Andrea (jereo ny Matio 4:18–22); Matio, izay nantsoina ihany koa hoe Levy (jereo ny Lioka 5:27–29); Mosesy (jereo ny Hebreo 11:24–27); sy olona mahatoky amin’izao androntsika izao.

Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’ny Mpamonjy ny fampanantenana nataony araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 19:29 amin’ireo izay vonona ny hanao fahafoizan-tena amin’ izay rehetra takiny amin’izy ireo?

Hamoaka printy