Seminera
Matio 20:1–16


Matio 20:1–16

Ilay fanoharana momba ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

Sary
Men and women working in a vineyard picking grapes. Outtakes include the Lord of the vineyard, hiring workers to work in the vineyard, people picking grapes, being paid for their labors and also some pictures of the surrounding countryside/landscape and people working on the film

Nanontany i Petera hoe: “Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?” (Matio 19:27). Namaly izany ny Mpamonjy tamin’ny fanomezana ilay fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka. Ity fanoharana ity dia mampianatra fa ireo rehetra izay misafidy ny hanokana ny fiainany ho Azy dia hahazo ilay valisoa nampanantenaina, na oviana na oviana izy ireo no nanomboka nandeha teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fanantenana fa handray ireo fitahiana atolotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ianao.

Maka sary an-tsary ireo andinin-tsoratra masina sarotra. Mety ho afaka ny hahatakatra bebe kokoa ireo andinin-tsoratra masina sarotra sasantsasany ny mpianatra raha toa ka afaka milalao izany an-tsehatra izy ireo na maka sary an-tsaina izany amin’ny fomba hafa. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo zava-nitranga sy ireo olona ary ireo antsipirian-javatra ao amin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamorona ny lisitr’ireo fitahiana azony avy amin’ny Tompo noho izy ireo nampianarina ny filazantsara fony izy ireo mbola kely. Raha tsy izany dia azon’izy ireo atao ny manao ny lisitr’ireo lalana tokony hisokatra ho an’ny olona kanefa mety ho votsotra raha toa ka tara kokoa noho izany ny hampianarana azy ireo ny Filazantsara eo amin’ny fiainany. Angataho ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azony ianarana avy amin’ilay lisitra nataony.

Sahanasa fianarana azo atao

Ampiasao ho solon’ ilay rafi-tantara etsy ambany ity sahanasa ity, ka ampifanaraho amin’ny filan’ny kilasy tsirairay sy ny habetsahan’ny mpianatra izany:

Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona hijoro sy hihazona ny soratra masiny na boky hafa amin’ny tanana roa ary haninjitra ny tanany mahitsy aty anoloana mandritra ny 2 minitra. Ampanantenao valisoa (toy ny vatomamy kely) izy ireo raha afaka mitazona ny tanany hihinjitra toy izany mandritra ilay fotoana manontolo. Isaky ny 30 segondra dia asao ny mpianatra hafa haninjitra ny tanany mahitsy, kanefa aza mampanantena valisoa manokana ho azy ireo. Rehefa 30 segondra sisa no tavela amin’ny 2 minitra tany am-boalohany dia asao ny mpianatra sisa rehetra hijoro haninjitra ny tanany mahitsy. Rehefa tapitra ilay 2 minitra dia teneno ny mpianatra rehetra hampidina ny tanany. Omeo ireo izay rehetra nandray anjara, manomboka amin’ireo izay nanatevin-daharana farany, ilay valisoa feno nampanantenaina an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voalohany.

Anontanio an’ny mpianatra ny zavatra tsapany mikasika ilay sahanasa. Raha mitaraina ireo mpianatra voalohany fa tsy ara-drariny ny natao azy ireo dia anontanio izy ireo hoe nahoana izy ireo no mahatsapa izany.

Alaivo sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

Vao haingana i Marisol no lasa mpikamban’ny Fiangonana niaraka tamin’ny reniny sy ny ray aman-drenibeny. Tsy ela taorian’izay dia nodimandry ny raibeny. Manontany tena i Marisol raha toa ka hahazo fitahiana mitovy amin’izay ho azony ny raibeny, na dia efa tatỳ aoriana aza izy vao nanaiky ny filazantsara.

  • Inona no holazainao amin’i Marisol?

Nampianatra ny Apôstôliny fanoharana iray ny Mpamonjy izay mampiseho ny fiahiany ireo rehetra izay misafidy ny hanaraka Azy. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity rehefa mitady ireo fahamarinana izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra irin’ny Mpamonjy ho antsika ianao.

Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

Hevero ny hamorona tabilao iray eny amin’ny solaitrabe izay ahitana faritra malalaka asiana ireto fampahalalana manaraka mikasika ny andiana mpiasa tsirairay avy ireto: ora fanombohana, karama nampanantenaina, ora niasana, ary vola nomena. Asao ny mpianatra hameno ilay tabilao.

Rehefa mandalina ity fanoharana ity ianao dia manampy ny fahafantarana fa ny andro fiasana mahazatra tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia teo ho eo amin’ny adiny 12 teo, manomboka vao maraina ary mifarana amin’ny hariva. Ny teny hoe denaria ao amin’ireo andininy ireo entina ilazana ilay vola madinika romana izay mazàna nampiasaina handoavana ny karaman’ny mpiasa iray tamin’ny asa iray andro tontolo nataony.

Vakio ny Matio 20:1–7 , dia tadiavo ny fomba nanakaraman’ny tompon’ny tanimboaloboka ireo mpiasa.Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-1:33, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tamin’ ny fotoanandron’ ny Mpamonjy, ny lehilahy iray nanana fari-piainana antonony sy ny fianakaviany tamin’ ny ankapobeny dia tsy afaka nanao inona firy afa-tsy ny miaina amin’ izay azony iny andro iny. Raha toa ianao ka tsy miasa na miompy na manjono na mivarotra dia tena tsy hihinana ianao.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 31)

Ampio ny mpianatra hamakafaka ilay fanoharana avy amin’ny fomba fijery samy hafa nananan’ireo andiana mpiasa tsirairay.

  • Araka ny hevitrao dia maneho an’iza avy ny tompon’ny tanimboaloboka sy ny mpiasa?

  • Toy ny ahoana araka ny eritreritrao izany hoe raha isan’ireo mpiasa nokaramaina voalohany hiasa mandritra ny tontolo andro izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra neritreretin’ireo mpiasa sy ny zavatra tsapany teo am-piandrasana ny hokaramaina rehefa nandroso ny fotoana?

Vakio ny Matio 20:8–16 , dia tadiavo ny fomba nifaranan’ilay andro ho an’ireo mpiasa rehetra.Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” manomboka eo amin’ny minitra faha-1:34 ka hatramin’ny faha-3:00, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe nokaramain’ny tompon’ny tanimboaloboka ao amin’ity fanoharana ity dia afaka maneho ny fidirana ao amin’ny fanekempihavanana miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny karama dia afaka maneho ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Apetraho ny vitsivitsy amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra (na fanontaniana hafa) mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo toetra masina nasehon’ny tompon’ny tanimboaloboka.

  • Inona no ho tsapanao mikasika ny tompon’ny tanimboaloboka raha toa ianao ka isan’ireo nokaramaina voalohany? Isan’ireo nokaramaina farany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny tompon’ny tanimboaloboka fitiavana sy fiahiana ny mpiasa rehetra?

  • Rehefa takatrao fa afaka maneho ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy ny tompon’ny tanimboaloboka, dia inona ireo toetran’ Andriamanitra hitanao ao aminy?

  • Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io?

Ny famindrampon’ny Tompo

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara fahamarinana manan-danja azontsika ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io fanoharana io. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ ny tanimboaloboka,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny minitra faha-10:02 ka hatramin’ny faha-11:42 na vakio ity lahatsoratra manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ity fanoharana ity—tahaka ny fanoharana rehetra—dia tsy tena mikasika ny mpiasa na ny karama loatra toy ireo fanoharana hafa izay tsy tena mikasika ny ondry sy osy. Tantara mikasika ny hatsaran’ Andriamanitra izy ity, ny faharetany sy ny famelany heloka ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo. Tantara mikasika ny fahalalahan-tanana sy ny fangorahana. Tantara momba ny fahasoavana. Mampiseho ilay eritreritra henoko taona maro lasa izy ity fa ny zavatra tena tian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra Azy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindrampo Izy, indrindra amin’ireo izay tsy manantena an’izany ary matetika mahatsapa ho tsy mendrika izany.

Tsy mahafantatra aho hoe iza ao anatin’ity mpanatrika marobe androany ity no mila maheno ny hafatry ny famelankeloka izay hita taratra ao amin’ny fanoharana, koa na hatraiza na hatraiza no fieritreretanao ny fahataranao, na firy na firy ny fahafahana izay tsy noraisinao, na firy na firy ny fahadisoana tsapanao fa nataonao na koa hoe talenta izay heverinao fa tsy hanananao, na hatraiza ny halavirana misy anao miala ny tokantrano sy ny fianakaviana ary Andriamanitra, dia hijoroako ho vavolombelona fa tsy nandeha lavitra mihoatra izay takatry ny fitiavana masina ianao. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’ i Kristy.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 32–33)

  • Eritrereto ny zavatra nampianarin’ny Loholona Holland izay efa fantatrao fa marina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ahoana no nahafantaranao fa marina izany?

  • Inona no eritreritra na fahatsapana fanampiny anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny zavatra nianaranao androany?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra nianaranao eo amin’ny fiainanao andavanandro?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny famindram-pon’i Jesoa Kristy sy ny faniriany hitahy izay rehetra manatona Azy. Hevero ny hizara zavatra niainana manokana na hangataka ny mpianatra mba hizara zavatra mifanaraka tsara amin’izay ilaina mikasika ny fomba nahatsapany ny famindram-pony sy ny fahasoavany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no tanjon’ny fiasana ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny valisoa homen’ny Mpampianatra mandritra ny Fitsarana Farany dia tsy hiankina amin’ny faharetan’ny fotoana efa niasantsika tao amin’ny tanimboaloboka. Tsy ny firaketana ny fotoana efa niasantsika no hahazoantsika ny valisoantsika avy any an-danitra. Ny tena manan-danja dia ny hoe ny niasantsika tao amin’ny toeram-piasan’ny Tompo dia nahatonga antsika ho lasa manana ny maha-izy azy. Ho an’ny sasantsasany amintsika dia mitaky fotoana lavalava kokoa noho ny an’ny hafa izany. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe lasa toy ny ahoana isika noho ny asantsika.

(Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 34)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Mijoro ho vavolombelona aho mikasika ny herin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay manavao sy ny fahagagana avy amin’ ny fahasoavany. Izay finoana ho azonareo amin’ ny farany no zava-dehibe Aminy, fa tsy izay ora hahazoanareo izany.

Noho izany raha efa nanao fanekempihavanana ianareo dia tandremo izany. Raha mbola tsy nanao izany ianao dia mandehana manao izany. Raha efa nanao izany ianao ary nandika azy ireo dia mibebaha ary amboary izy ireny. Tsy hisy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny Tompon’ ny tanimboaloboka hoe misy ny fotoana. … Aza ahemotra izany. Efa hariva ny andro.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny lahateny nataon’ny Loholona Holland: “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka”

Miankina amin’ny filan’ny mpianatra, ny lahateny nataon’ny Loholona Holland hoe “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” (Liahona, mey 2012, 31–33) dia azo ampiasaina hampianarana ireto manaraka ireto:

  • mandresy ny fitsiriritana sy ny fialonana (jereo ny andiam-pehezan-teny faha-2–8 amin’ny lahateniny na eo amin’ny minitra faha-0:23–7:08 amin’ilay horonan-tsary)

  • manadino ny fahadisoam-panantenana teo aloha ary mandroso amim-pinoana (jereo ny andiam-pehezan-teny faha-9–11 na eo amin’ny minitra hafa-7:08–9:57)

Lioka 18:1–8, 35–43 . Ny fanoharana momba ilay mpitsara tsy marina sy ny fanasitranana ilay mpangataka jamba

Ireo tantara roa ireo dia azo ampianarina miaraka na misaraka. Izy roa ireo dia samy maneho ilay fitsipika hoe raha toa ka mahitsy fo sy maharitra isika amin’ny vavaka ataontsika amin’ny Ray any An-danitra isan’andro sy rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny famindram-pon’Izy Ireo.

Ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpitsara tsy marina (jereo ny Lioka 18:1–8), dia nanapa-kevitra ny hanampy ny mpitondratena iray ilay mpitsara izay tsy niraika taminy satria nandreraka azy ny fitalahoany. Nampianatra ity fanoharana ity ny Mpamonjy mba hanamafisana fa hihaino sy hamaly tokoa “ny olom-boafidiny …, izay mitaraina aminy andro aman-alina” Andriamanitra ( Lioka 18:7).

Ahoana no nanehoana io fahamarinana io teo amin’ny fiainan’ny mpangataka jamba iray izay nitalaho ny fanampian’ny Tompo? (jereo ny Lioka 18:35–43).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiainana io fitsipika io manampy anao eo amin’ny fiainanao andavanandro?

  • Ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra ny fahamehany hamaly anao, na dia tsy tonga amin’ny fotoana na amin’ny fomba anantenantsika izany aza ireo valiny ireo?

Hamoaka printy