Seminera
Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18


Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

Topimaso

Namaly fanontaniana sy nampianatra fahamarinana mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana i Jesoa Kristy. Nanasa tamim-pitiavana ilay lehilahy iray mpanan-karena Izy mba hivarotra ny hareny sy hanaraka Azy. Nizara ny fanoharana momba ilay mpiasa teo an-tanimboaloboka ihany koa Izy, izay mampiseho ny fitiavana sy famindram-po izay ananany sy ny Ray any An-danitra ho antsika rehetra.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 19:1–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba izay nanomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fomba ahafahan’izy ireo manana tokantrano sambatra sy fanambadiana mandrakizay amin’ny ho avin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azony atao ankehitriny hiomanana amin’ny fanambadiana sambatra. Amporisiho izy ireo hikatsaka torohevitra avy amin’ny olona fantany izay miaina fanambadiana sambatra sy marina.

  • Fitaovana: Kodiarana bisikileta na kodiarana hafa misy ivo anankiray

  • Mpandahateny nasaina: Hevero ny hanasa mpivady avy amin’ny paroasy, sampana, tsatòka, na distrika iray eny an-toerana mba hanatrika ny fotoam-pianarana sy hanazava ny fahasambarana izay entin’ny fanambadiana ho azy ireo sy ny fomba izay nanampian’ny Mpamonjy azy ireo tamin’ny fanambadiany. Ataovy izay hahazoana fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eny an-toerana sy ny mpandrindra ny S&I mialoha ny hanasana azy ireo.

  • Horonan-tsary:Les bénédictions éternelles du marriage” (15:02; jereo manomboka avy amin’ny minitra faha 6:23 ka hatramin’ny minitra faha 8:40)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa fitaovana fanadihadiana an-jotra ho an’ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo maneho ireo fahatsapany, tsy anki-tonona anarana, momba ny fanambadiana eo am-panombohana ny lesona.

Matio 19:16–30; Marka 10:17–31

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hamporisika ireo mpianatra hianatra avy amin’ny Mpamonjy ny zavatra tiany hataon’izy ireo eo am-pikatsahan’izy ireo ny hanaraka Azy amin’ny fomba tsara kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy ny fotoana izay naha-feno fankasitrahana azy ireo tamin’ny fanitsin’ny olona iray azy. Nahoana no hoe mariky ny fitiavana antsika ny fanampiana antsika hahita ny zavatra tokony hatsaraintsika?

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa hevitra avy ao amin’ny fizarana ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ao anatin’ny torolalana ho an’ny mpampianatra izay mitondra ny lohateny hoe “Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy mivonona hahafoy ny zavatra rehetra izay takin’ny Tompo amintsika isika.” Tafiditra ao anatin’izany ny ohatra nasehon’ ireo izay nanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiova eny fa na dia mitaky fahafoizan-tena lehibe aza izany.

Matio 20:1–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hanana fanantenana amin’ny fandraisana ireo fitahiana izay omen’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao lisitra ireo fitahiana izay efa noraisin’izy ireo avy tamin’ny Tompo noho ny fampianarana azy ireo ny filazantsara fony fahakelin’izy ireo. Raha tsy izany dia afaka manamboatra lisitra iray misy ireo tombontsoa izay mety tsy voarain’ny olona izy ireo raha toa ka tara ny fampianarana ny filazantsara eo amin’ny fiainany. Angataho ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azony ianarana avy amin’ilay lisitra nataony.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho solon’ny fanasana ny mpianatra hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland dia hevero ny hizara ny horonan-tsary momba “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka”, izay misy ilay fanambarana.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao.Fanamarihana: Mety ho ilaina ny mampianatra lesona mombana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ho solon’ity lesona famerenana ity. Jereo ny fandaharam-potoana momba ny hafainganam-pandeha amin’ny fianarana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina mandritra ny fotoana ampianarana ny seminera avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitondra tahadikana boky tranainy an’ny Fiangonana izay azon’izy ireo hanatezana zavatra hanamboarana fitaovana hojeren’ny maso enti-mitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Taratasy zaraina: Lisitra misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifanaraka amin’izany

  • Fitaovana ilaina: Fitaovana fanoratana , taratasy, sy, raha azo atao, hety, lakaoly ary gazetibokin’ny Fiangonana tranainy na boky torolalana misy sary

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence:Afaka manamboatra tamba-tsary nomerika ireo mpianatra. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia azon’izy ireo atao ny mizara ny efijeriny mba hahafahany maneho amin’ny iray kilasy ilay sary natambany.

Tombano ny fianaranao 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrany sy ny fianarany ary ny fivoaran’ny tena manokana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianaran’izy ireo ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fitomboana ara-panahy izay niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao. Manampy azy ireo hahafantatra, sy hitia, sy hanompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve ny fandalinan’izy ireo ny Testamenta Vaovao? Inona avy ireo zavatra manan-danja niainan’izy ireo?

  • Hira: Hira mahazatra iray izay halefa moramora amin’ny fitaovam-pihainoana apetraka amin’ny sofina na fanamafisam-peo hafa

  • Sary: Sari-na mofo sy ondry

  • Fitaovana fanaovan-javatra kanto : Taratasy sy pensily miloko, marikera, na pensily miloko vita amin’ny savoka

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra hampiseho eo amin’ny caméra ilay taratasy fisaorana izay nosoratan’izy ireo na sary nalefa tamin’ny tambazotra ifaneraserana.

Hamoaka printy