Seminera
Hebreo 1–10


Hebreo 1–10

“Anarana tsara kokoa”

Sary
Frontal head portrait of Jesus Christ

Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy rehetra dia handalo fitsapana ny finoany avokoa. Izany no nitranga tamin’ireo Kristianina jiosy maro. Teo ambanin’ny tsindry sy fanenjehana samihafa, dia maro ireo izay niala tamin’ny Fiangonana ka niverina tamin’ny filaminan’ny fanompoam-pivavahana jiosy tao amin’ny synagoga. Te hampiseho tamin’ireo Kristianina jiosy i Paoly fa lehibe noho i Mosesy i Jesoa ary ny fanompoany dia nitondra fanekempivavahana vaovao ambony kokoa noho ny fanekempivavahana fahiny izay teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoanao ny Mpamonjy rehefa mianatra momba ny heriny amin’ny zava-drehetra ianao amin’ny alalan’ny famantarana sy fandalinana ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana Azy sy ny anjara asany.

Mifantoka amin’i Jesoa Kristy. “Rehefa mifantoka amin’ireo fiantsoana Azy sy ny anjara toerana sahaniny ary ireo toetrany isika dia hijoro ho vavolombelona momba Azy ny Fanahy ka hitondra fahatakarana sy fitiavana lehibe kokoa ny amin’ny tena maha-Izy Azy marina sy faniriana lehibe kokoa ny ho tonga tahaka Azy.” (Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy, sy mifaly ao amin’i Kristy isika” [lahateny natao tamin’ny fampitana fanofanana fanao isan-taona tao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, ny 12 Jona 2018], ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina ary ho tonga hivonona hizara ireo anarana izay hitany ao an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity anaty taratasy iray. Avy eo dia angony ireo taratasy ka vakio ireo valiny, ary asao ny mpianatra haminavina hoe iza no mpianatra nanoratra ny famaritana tsirairay.

Makà iray minitra ary tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao izay teny na andian-teny rehetra azonao eritreretina ka afaka mamaritra anao.

  • Nahoana ianao no nampiasa ireo teny sy andian-teny ireo?

Tahaka ny fanananao ireo teny na andian-teny izay afaka mamaritra anao ireo, dia manana anarana fiantsoana na anaram-boninahitra maro izay mamaritra Azy ihany koa i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra kokoa momba ireo anarana fiantsoana Azy ireo isika, dia lasa mahatakatra tsaratsara kokoa hoe iza Izy ary hatraiza ny fitiavany antsika.

Mety nitahiry ny lisitra misy ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy sy anjara asany tao anatin’ny diary fandalinany ny mpianatra sasany. Raha tsy nisy nitahiry, dia azo asaina izy ireo hanao izany.

Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy sasantsasany izay efa fantatrao.

  • Inona ny fiantraikan’ny fahafantarana sy fahatakarana ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ireo amin’ny fomba fijerinao Azy?

Hevero ny hanao lisitra ahitana ny valintenin’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy, dia mametraha fanontaniana tahaka ity manaraka ity “Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny zatovo ny mahafantatra momba ny Mpamonjy?” na “Inona no ampianarin’io anaram-boninahitra io antsika momba ny toetrany sy ny maha-Izy Azy?”

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fomba izay ahafahantsika mahazo fitahiana rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy isika:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Arakaraka ny ianaranao momba ny Mpamonjy no mahamora ny fitokisanao amin’ny famindram-pony, sy ny fitiavany tsy manam-petra, ary ny heriny mampatanjaka, sy manasitrana ary manavotra.

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103)

  • Amin’ny fomba ahoana no ilanao ny fanampian’ny Mpamonjy araka izay nosoritan’ny Filoha Nelson?

Hevero ny hampiseho na hamintinana fohifohy ity fitaovana manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ao amin’ny Hebreo.

Tahaka antsika izay mila ny Mpamonjy, dia toy izany ihany koa ireo Kristianina jiosy izay tsy nanatrika ny fivorian’ny Fiangonana noho ny fanenjehana sy ny tsindry maro samihafa. Niverina tamin’ny fomba fivavahana Jiosy nentim-paharazana izay nahazatra azy sy tsy nisy mpanenjika izy ireo, izay tsy nahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 10:25, 38–39). Afaka mianatra bebe kokoa momba ity epistily ity ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny “ Hebreo, Epistily ho an’ny ” izay hitao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Tadiavo ireo anaram-boninahitra fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Nizara anaram-boninahitra fiantsoana maro sy anjara asan’ny Mpamonjy i Paoly izay mety nanampy ireo Olomasina namantatra ny filan’izy ireo Azy. Ohatra, ny Hebreo 1:2 dia manantitrantitra ny anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy hoe “Zanaka,” izay mifandray amin’ny maha “mpandova ny zava-drehetra” Azy.” Ny Hebreo 1:2, 10 dia manazava ny anjara asan’i Jesoa amin’ny maha Mpahary ny lanitra sy ny tany Izy.

Azo omena andinin-tsoratra masina vitsivitsy hovakiana tsiroaroa na anaty vondrona kely ireo mpianatra. Rehefa avy namaky izy ireo, dia hevero ny hanao lisitr’ireo anaram-boninahitra fiantsoana izay hitan’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Ankehitriny rehefa avy nahita ohatra sasantsasany amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy ianao, dia vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo anaram-boninahitra fanampiny sy anjara asan’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanisy marika izay hitanao.

Hebreo 1:1–3, 10

Hebreo 2:9–10, 17

Hebreo 3:1

Hebreo 5:8–10

Hebreo 9:11–16

  • Inona ny fahamarinana izay hitanao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny iray na maromaro amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy ireo sy ny anjara asany?

Afaka mahita fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra, tahaka ny hoe: Nahary ny lanitra sy ny tany i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:2, 10) na koa hoe I Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra ary mitovy endrika amin’ny Rainy Izy (jereo ny Hebreo 1:2–3).

Misafidiana anaram-boninahitra fiantsoana na anjara asan’i Jesoa Kristy iray izay ilainao ataony eo amin’ny fiainanao, ary soraty eo afovoan’ny taratasy iray izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina, application Médiathèque de l’Evangile, na ny ChurchofJesusChrist.org, dia mitadiava hevi-baovao maromaro momba ilay anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay nosafidinao. Fomba iray ahafahanao manomboka ny fandalinana ny fitadiavana ny teny iditra hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Afaka mitady soratra masina isan-karazany izay nifantoka tamin’ny Mpamonjy ianao rehefa avy eo.

Soraty manodidina ilay anaram-boninahitra fiantsoana izay eritreritrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony maha zava-dehibe izany anarana izany eo aminao. Ireo eritreritra ireo dia mety hahitana

  • andian-teny avy amin’ny andinin-tsoratra masina na teny nindramina izay novakianao,

  • hevitra momba ny fomba izay hanampian’ny Mpamonjy anao amin’ny fanatanterahana io anjara asany io eo amin’ny fiainanao,

  • hevi-baovao izay anananao momba ny fomba ahafahan’ny fahatakarana io anaram-boninahitra fiantsoana io manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy, ary

  • ireo fanontaniana rehetra izay manitikitika anao momba io anaram-boninahitra io.

Raha azo atao dia omeo fahafahana ireo mpianatra mba hamantatra ny valin’ireo fanontaniany ireo. Azo asaina ihany koa ireo mpianatra mba hizara ny hevi-baovaon’izy ireo amin’ny iray kilasy, na anaty vondrona kely, na mandeha tsiroaroa. Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony maha zava-dehibe ny fianarana bebe kokoa momba Azy.

Rehefa avy nanao fanazaran-tena amin’ny famantarana ireo anarana sy anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ianao, dia makà fotoana fohy hisaintsainana ny fomba izay hampiasanao io fahaizana io amin’ny fandalinana soratra masina izay ataonao.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fitadiavanao ireo anaram-boninahitra fiantsona an’i Jesoa Kristy anao hahafantatra Azy bebe kokoa?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiditra ny fandalinana ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny fandalinanao tsy tapaka ny soratra masina?

Mitadiava anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fandalinanao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao rehefa manohy mandalina ny Testamenta Vaovao sy ny soratra masina hafa ianao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana aho no tokony hianatra momba an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Raha mizotra mianatra ny zavatra rehetra azonareo ianarana momba an’i Jesoa Kristy ianareo dia mampanantena anareo aho fa ny fitiavanareo Azy, ary ny fitiavanareo ny lalàn’ Andriamanitra dia hitombo hihoatra lavitra noho izay azonareo eritreretina ankehitriny. Mampanantena anareo aho fa hitombo ny fahaizanareo hiala amin’ny fahotana. Ny fanirianareo hitandrina ireo didiny dia hitombo izaitsisy. Dia hahita ny tenanareo ho afaka hiala kokoa amin’ny rendrarendra sy ny fandrik’ireo izay manarabiraby ny mpanaradian’i Jesoa Kristy ianareo. …

Halalino ny zava-drehetra momba ny hoe iza i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana amim-bavaka sy amim-pahazotoana ny hahatakatra ny dikan’ireo fiantso Azy sy anarany tsirairay avy ho anao manokana.

(Russell M. Nelson, “Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ireo zatovo, Janoary. 8, 2017], ChurchofJesusChrist.org; nampiana fanamafisana)

Hebreo 1:2, 10. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny anjara asan’i Jesoa amin’ny maha Mpahary Azy?

Chad H Webb, mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia nanazava fa:

Sary
Portrait of Chad Webb

Mety tadidinao fa ny Filoha Boyd K. Packer dia mpanao asa tanana tena mahay izay nankafy ny fanaovana sary sokitra voronkely vita avy tamin’ny hazo. Indray andro dia nandeha tao amin’ny fiara izay nentin’ny Loholona A. Theodore Tuttle izy, ary ny iray tamin’ireo sary sokitra izay nataony dia nipetraka teo ambonin’ny seza ao afaran’ilay fiara. Teo amin’ny fihaonan-dalana iray, ny Loholona Tuttle dia nampijanona tampoka ny fiara ary nipitika nivadibadika nitontona tamin’ny tany ka vaky ilay sary sokitra. Ketraka ny Loholona Tuttle, saingy tsy niontsona akory ny Filoha Packer. Hoy fotsiny izy hoe, “Avelao iny any. Izaho no nanao an’izy io. Azoko amboarina izy io.” Dia nataony tokoa izany. Nataony mafy kokoa noho ny teo aloha ilay izy ary nohatsarainy kokoa mihitsy aza. Nanazava ny Filoha Packer hoe, “Iza no namorona anao? Iza no Mpahary anao? Tsy misy zavatra eo amin’ny fiainanao nioritra na vaky ka tsy ho hainy amboarina, ary hanamboatra izany Izy.”

(Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika,” Fampitana ny fivoriam-piofanana izay fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, ny 12 Jona 2018, ChurchofJesusChrist.org)

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy ho mitondra fananantenana ho ahy?

Ity traikefa manaraka izay nozarain’ny Loholona Ronald A. Rasband ity dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fahalalana ireo anaram-boninahitra fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy manome fanantenana.

Hebreo 2:10. Amin’ny fomba ahoana no maha “Tompon’ny famonjena [antsika] an’i Jesoa Kristy”?

Ity fizarana podcast manaraka ity dia mizara hevi-baovao momba ny fomba maha tompon’ny famonjena antsika an’ i Jesoa Kristy:

Sahanasa fianarana fanampiny

Mitadiava anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Fomba iray hafa ahafahana manampy ireo mpianatra hahita ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Kristy ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity.

Anontanio ny mpianatra hoe, “Inona no lohateny manontolon’ny Bokin’i Môrmôna?”

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba handresena lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hankafy ny tanjona voalohany tamin’ny nanoratana ny Bokin’i Môrmôna, dia mangataha mpianatra iray hamaky mafy ity teny izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity (1899–1994):

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

Ireo izay tena mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy raha toa izy ka misaintsaina amim-bavaka ireo teny azo avy tamin’ny fanentanan’ny Fanahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mihoatra ny antsasak’ireo andinin-tsoratra masina rehetra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no miresaka mikasika ny Tompontsika. Voatonona matetika kokoa isaky ny andininy ireo anarana hafa hiantsoana an’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna raha mitaha amin’ny ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mihoatra ny zato ireo anarana isan-karazany fiantsoana Azy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo anarana ireo dia manana ny heviny manokana amin’ny famaritana ny maha Andriamanitra Azy avokoa.

(Ezra Taft Benson, “Come unto Christ,” Ensign, nôv. 1987, 83)

Asao ireo mpianatra hijery ny toko rehetra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hijery ihany koa raha toa ka afaka mahita anarana na anaram-boninahitra fiantsoana milaza an’i Jesoa Kristy izy ireo. Entano ireo mpianatra hilaza ny anarana na anaram-boninahitra fiantsoana izay hitan’izy ireo ary hanazava ny zavatra izay azon’izany ampianarina antsika momba an’i Jesoa Kristy.

Anaram-boninahitra fanampiny fiantsoana an’i Jesoa Kristy

Rehefa avy nitanisa ireo anaram-boninahitra fiantsoana izay efa fantany ireo mpianatra, dia asao izy ireo hijery ity pejy web manaraka ity mba hitadiavana ireo anaram-boninahitra fanampiny fiantsoana ny Mpamonjy izay tsy mbola fantatra: ChurchofJesusChrist.org/comeuntochrist/believe/jesus/50-names-for-jesus

Izany dia hanome anaram-boninahitra fiantsoana fanampiny azon’ireo mpianatra isafidinana rehefa misafidy sy mandalina anaram-boninahitra fiantsoana anakiray izay manan-danja indrindra eo amin’izy ireo izy ireo.

Hamoaka printy