Seminera
Hebreo 2–4


Hebreo 2–4

Afaka manampy antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana ny Mpamonjy

Sary

Efa mba nanontany tena ve ianao raha misy olona tena mahatakatra ny zavatra mahazo anao eo amin’ny fiainana? Ny bokin’ny Hebreo dia mampianatra fa nidina avy teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra i Jesoa Kristy mba hiaina toy ny olombelona mety maty teto an-tany sy hanatanteraka ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho antsika. Noho izany dia mahafantatra tanteraka antsika Izy ary mahafantatra tanteraka ny fomba hanampiana antsika. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatokianao fa afaka manampy anao amin’ny fotoan-tsarotra i Jesoa Kristy.

Mampiasa hira hanasana ny Fanahy. Afaka mitana anjara toerana manan-danja amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandritra ny fotoam-pandalinany ny filazantsara ny hira, indrindra fa ireo fihiran’ny Fiangonana. Ny fihirana andininy iray na maro amin’ny hira iray ao amin’ny fihirana iray izay mifandray mivantana amin’ny lesona dia afaka manampy ny mpianatra hiomana handalina ny fitsipiky ny filazantsara na hamerina hijery ireo fitsipika efa nianarany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 7:11–13 ary ho tonga ao an-dakilasy hivonona hizara ny antony ahatsapan’izy ireo fa io no andinin-tsoratra masina manan-danja tokony hotakarina.

Sahanasa fianarana azo atao

Mahatakatra ny Mpamonjy

Hanombohana ny fotoam-pianarana, hevero ny hihirana hira iray izay miresaka momba ny fahafahan’ny Mpamonjy manome fampiononana sy fiadanana ho antsika. Azo angatahina ny mpianatra mba hihaino hevi-baovao momba an’i Jesoa Kristy rehefa miara-mihira izy ireo.

Vakio, hirao, na henoy ilay hira hoe “Òu pourrais-jechercher?” (Cantiques, no. 68).

.

  • Ahoana no hanazavanao ny hafatra ao amin’ity fihirana ity amin’ny teninao manokana?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tena ilanao fanampiana eo amin’ny fiainanao.

Tao amin’ny epistiliny ho an’ny Hebreo dia nampianatra ny Olomasina momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahany manome hery azy ireo ao anatin’ny toe-javatra iainany i Paoly (jereo ny Hebreo 4:16). Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao.

Hevero ny hamorona tsanganana eny amin’ny solaitrabe araka ny aroso etsy ambany. Rehefa mikaroka valiny ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ny zavatra hitany ao amin’ireo tsanganana mifanaraka amin’izany.

Mamoròna tabilao toy ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao:

Fa nahoana i Jesoa Kristy no afaka mahatakatra ny momba ahy?

Inona avy ireo fitahiana azon’i Jesoa Kristy omena ahy noho Izy mahatakatra ny momba ahy?

Vakio ny Hebreo 2:9–10, 13–18 , ary 4:12–16 , ka tadiavo ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny tabilao. Soraty eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ireo valiny. Mariho fa ny Hebreo 2:9 ary 16 dia miresaka an’i Jesoa Kristy nandao ny seza fiandrianany tany an-danitra mba hiaina amin’ny maha-olombelona mety maty ety an-tany.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay tsapanao fa afaka manampy anao na ny hafa?

Henoy sy diniho tsara rehefa mizara amin’ny iray kilasy ny mpianatra. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamantarana izay ilain’ny mpianatra. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto na fanontaniana hafa, raha ilaina, mba hiresahana amin’ny antsipiriany kokoa momba ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina.

  • Nahoana no mety mampahery ny fahalalana fa i Jesoa Kristy dia afaka mamantatra “ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo”? ( Hebreo 4:12).

  • Inona no takatrao avy amin’ilay andian-teny hoe “mamonjy izay alaim-panahy Izy”? ( Hebreo 2:18). Mariho fa ny teny nadika hoe “alaim-panahy” dia azo adika ihany koa hoe “tsapaina” na “iharan’ny fitsapana.” Ny teny hoe mamonjy dia midika hoe mihazakazaka hanampy olona.

Ny fahamarinana iray izay mety ho hitanao dia ny hoe satria nijaly sy nalaina fanahy tamin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy dia afaka mahatakatra tsara antsika Izy ary afaka manampy antsika amin’ny fotoana maha-sahirana antsika. Nampianatra io fahamarinana io koa ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Diniho ny fomba ampifandraisana ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Almà 7:11–13 amin’ny Hebreo 2:18 .

Asao ny mpianatra hizara ireo hevi-baovaony avy amin’ny fiomanan’ny mpianatra.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba hahatakarana kokoa ny fahafahan’ny Mpamonjy mahatakatra sy manampy anao. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Mitondra mora foana ny enta-mavesany” (16:23), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 12:15 hatramin’ny 13:21 na mamaky ity teny manaraka ity.

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Tsy misy fanaintainana ara-nofo, tsy misy ratra ara-panahy, tsy misy fangirifirian’ny fanahy na aretim-po, tsy misy kilema na fahalemena izay mety hatrehako sy hatrehanao ety an-tany ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.” Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampahatanjaka antsika mba hahatonga antsika ho lehibe kokoa noho izay azontsika ahatongavana ary hanampy antsika hanao izay tsy ho vitantsika mihitsy raha ny herintsika manokana no ianteherantsika.

(David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” na Liahona, mey 2014, 90)

  • Ahoana no hanampian’ny Almà 7:11–13 na ny teny nataon’ny Loholona Bednar anao hahatakatra kokoa ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy anao?

Mieritrereta ohatra iray—amin’ny fiainanao, na ny fiainan’ny hafa, na ny soratra masina—izay maneho ny fahatakarana lavorary ananan’ny Mpamonjy momba ny zavatra iainantsika sy ny zavatra ilaintsika. Raha mila fanampiana ianao amin’ny fieritreretana ohatra dia hevero ny handalina ny Jaona 11:21–27, 32–36 ; Môzià 24:11–15 ; na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–9 .

  • Ahoana no ahafahan’ity ohatra ity manampy anao hiantehitra amin’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hizara ireo ohatra nofantarin’izy ireo. Raha misalasala mizara ny mpianatra dia mizarà traikefa manokana na mifanakaloza hevitra momba ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina naroso.

Manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana

Vakio ny Hebreo 4:16 , ka tadiavo ny zavatra nasain’i Paoly hataontsika mba hahazoana ny fanampiana ilaintsika. Hevero ny hanisy marika izay hitanao.

.

  • Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe “manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana”?

Mety hanampy ny manamarika fa rehefa manatona an’ Andriamanitra isika dia tokony hatao amin’ny fanehoam-pajana feno fanetren-tena, amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana sy fitalahoana fibebahana. Afaka manana fahatokiana isika fa tsy noho ny hatsaram-pontsika na ny fahaizantsika fa noho ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy no mahatonga antsika ho afaka hanatona an’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 2:8).

  • Inona no mampatoky tena antsika rehefa manatona an’ Andriamanitra isika?

  • Mety ho toy ny ahoana sy tahaka ny ahoana ny hoe “manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana”?

Mizarà fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Asao ny mpianatra hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana mba hahitany hery sy fanampiana amin’ny fotoana ilany izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no atao hoe fiambanian’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanetrentena sy ny fahafoizantena ho an’ny zanakolombelona rehetra no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara. Ny Mpamonjy, na dia mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra aza, dia vonona ny ho ety an-tany toy ny zaza tsotra ary nanomboka niaina fiainana izay nahitana fampianarana sy fanasitranana ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifarana tamin’ny fiaretana fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. Io fanehoam-pitiavana sy fanetrentena avy amin’i Kristy io no antsoina hoe ny fiambaniany. Nataony izany ho an‘ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra.

(Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay,” na Liahona, nôv. 2017, 52)

Hebreo 4:15. Tena “nalaim-panahy tahaka antsika” tokoa ve i Jesoa?

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Howard W. Hunter

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa i Jesoa dia afaka nanao fahotana, sy afaka nilefitra tamin’ny fahotana, ary nety ho rava ilay drafitry ny fiainana sy ny famonjena, kanefa dia nijanona ho mahatoky izy. Raha tsy nomena fahafahana izy iharan’ny fitaoman’i Satana, dia tsy ho nisy tena fitsapana marina, tsy ho nisy fandresena tena izy teo amin’ny vokatra azo. Raha nesorina tamin’ny fahefan’ny ota izy, dia ho nesorina Taminy ny fahafahany misafidy. Tonga Izy mba hiaro sy hiantoka ny fahafahan’ny olona hisafidy. Tsy maintsy nitàna ny fahafahana sy ny fahaizana manota Izy araka izay tiany. Araka ny nosoratan’i Paoly hoe: “dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza” ( Hebreo 5:8); ary “Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” ( Hebreo 4:15). Tanteraka sy tsy nanam-pahotana Izy, tsy hoe satria tsy maintsy ho toy izany Izy, fa satria tena vonona ny ho tonga tahaka izany Izy.

(Howard W. Hunter, “The Temptations of Christ,” Ensign, Nôv. 1976, 19)

Hebreo 4:16. Inona no dikan’ny hoe “seza fiandrianan’ny fahasoavana”?

“Tamin’ny kolontsaina fahiny maro, dia manao vivery ny ainy izay manatona ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tsy nasaina, fa raha manasa kosa ny mpanjaka, dia afaka manatona sy miresaka amim-pahatokiana ny olona. Ny hoe manatona an’ Andriamanitra -amin’ny fahasahiana- dia midika hoe manana fahatokiana fa tian’ Andriamanitra hanatona ny seza fiandrianany isika ary handray ny fanampiany” (Bokin’ny Mpianatra Testamenta Vaovao [2018], 477).

Raha niresaka momba ny famindram-po atolotr’ Andriamanitra antsika, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ny zavatra tena tian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra Azy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindram-po Izy, indrindra amin’ireo izay tsy manantena an’izany ary matetika mahatsapa ho tsy mendrika izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33)

Sahanasa fianarana fanampiny

Manampy ahy hahatakatra sy hanampy ny hafa ny fisedrana nolalovako

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny fahafahan’ny Mpamonjy mahatakatra ny momba antsika isika, dia zarao ity teny manaraka nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Last official portrait of Elder Joseph B. Wirthlin of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Died December 1, 2008.

Satria nijaly izaitsizy i Jesoa Kristy dia mahatakatra ny fijaliantsika Izy. Mahatakatra ny alahelontsika Izy. Misedra zava-tsarotra isika mba hahafahantsika manana fangorahana sy fahatakarana bebe kokoa ho an’ny hafa.

(Joseph B. Wirthlin, “Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,” Liahona, nôv. 2008, 27)

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ity teny ity dia mametraha fanontaniana toy ny hoe “Oviana ianao no nampaherezin’olona izay niaina zavatra mitovitovy tamin’ny ilay anao?” “Ahoana no nahazoanao fahatakarana tsara kokoa momba ny hafa noho ireo fitsapana niainanao?”

“Mahatakatra ny momba ahy ny Mpamonjy”

Hamoaka printy