Seminera
Hebreo 3–4


Hebreo 3–4

Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo

Sary
Jesus Christ portrayed seated near a river. Christ is holding a shepherd’s staff in His hand. There are trees growing along the banks of the river.

Maniry ny hitahy antsika amin’ireo fitahiana tsara indrindra avy amin’Izy Ireo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny tsy finoana sy ny hamafisan’ny fo no misakana ny maro tsy hahazo ireo fitahiana ireo. Nikatsaka ny hanampy ny Olomasina hiverina amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo i Paoly tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo hiala amin’ny toe-tsaina tsy mino. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handresy ny tsy finoana mba hahazoanao ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy.

Mihaino ny mpianatra mba hamantarana kokoa ny zavatra ilainy. Rehefa mamaly fanontaniana na mizara traikefa ao an-dakilasy ny mpianatra dia henoy tsara izay lazainy. Rehefa mihaino azy ireo sy mihaino tsara ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina ianao dia ho afaka hamantatra izay ilain’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony inoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hitahiana azy ireo noho ny finoana Azy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra olana iray atrehan’izao tontolo izao ankehitriny:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao izay nanambarana ny anarany nandritra ny taonjato maro dia mihena ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ireo Olomasina be herim-po tao Eorôpa dia nahita ny fihenan’ny finoana tao amin’ny firenena misy azy ireo nandritra ny taona maro. Mampalahelo fa eto Etazonia dia mihena ihany koa ny finoana. Nisy fandalinana vao tsy ela nanambara fa tao anatin’ny 10 taona lasa dia 30 tapitrisa ny olona eto Etazonia no niala tamin’ny finoana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Raha manerana an’izao tontolo izao no jerena dia nisy fikarohana iray hafa naminavina fa ao anatin’ny am-polo taonany maro ho avy dia ho mihoatra ny avo roa heny ny isan’ny olona hiala amin’ny Kristianisma ireo izay hanaiky izany.

(Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88)

  • Inona avy ireo voka-dratsy mety hitranga, ankehitriny sy amin’ny hoavy, amin’ny olona tsy mino an’i Jesoa Kristy?

Fotoana tsara hampahatsiahivana ireo mpianatra amin’ny fiomanany ho amin’ny fampianarana izany.

Eritrereto ny finoanao manokana an’i Jesoa Kristy.

  • Hatraiza no fahatsapanao ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  • Mitahy ny fiainanao amin’ny fomba ahoana nyfisafidianana ny hino Azy?

Ny fampianaran’i Paoly momba ny zanak’i Isiraely

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo dia niaiky i Paoly fa nisy olona niova fo sasany nieritreritra ny hiala amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy noho ny fanenjehana azy ireo.

Vakio ny Hebreo 3:7–19 , ka tadiavo ny tantara izay nolazain’i Paoly mba hanampiana ny Hebreo hahatakatra ny loza ateraky ny tsy finoana.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Raha azo atao dia ataovy fintinin’ny mpianatra iray ny tantaran’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely noresahin’i Paoly. Ampiasao ny fanazavana ato amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha ilaina.

Ny “fahasosorana … tany an-efitra” ( Hebreo 3:8) dia entina ilazana ny fotoana izay, rehefa avy nafahana tao Egypta, nampahatezitra an’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita ary tsy nomena fitahiana izay niriny homena azy ireo izy ireo (jereo ny Nomery 14 ; Jakôba 1:7–8 ; Almà 12:33–37).

  • Inona no fitahiana tsy azon’ny zanak’i Isiraely? Nahoana?

Ny fitsaharan’ny Tompo

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika hiaina ny fitsaharan’Izy Ireo. Halalino ity andinin-tsoratra masina sy teny faminaniana manaraka ity mba hianarana ny atao hoe fitsaharan’ny Tompo. Mety hanampy ny mijery ny teny hoe “ fitsaharana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, raha misy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24 mba hianarana bebe kokoa momba ny fitsaharan’ny Tompo (jereo koa ny Almà 13:6, 12–13, 28–29).

Ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nampianatra ny fomba ahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo eto amin’ny fiainana an-tany:

Sary
Portrait of Joseph F. Smith

Ireo mpaminany fahiny dia niresaka mikasika ny “fidirana ao amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra” [jereo ny Almà 12:34 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23–24 ]; inona no dikan’izany? Ny dikan’izany raha ny eritreritro dia hoe miditra ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavan’ Andriamanitra, manana finoana ny tanjony sy ny drafiny, ka dia lasa mahafantatra isika fa marina sy tsy mikatsaka zavatra hafa intsony ary tsy voahelingelin’ny rivotry ny fotopampianarana samihafa, na koa ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka. … Ny lehilahy izay mahatratra izany haavom-pinoana an’ Andriamanitra izany, ka niala taminy avokoa ny fisalasalana sy ny tahotra rehetra dia niditra ao amin’ny “fitsaharan’ Andriamanitra.”

(Enseignement des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 56)

  • Ahoana no mety hamaritanao ny atao hoe fitsaharan’ny Tompo?

I Almà dia nizara hafatra mitovy tamin’ny an’i Paoly tamin’ny olona tamin’ny androny, izay sahirana koa ny sasany tamin’izy ireo ny hino. Vakio ny Almà 12:34–37 , hitadiavana hevi-baovao fanampiny.

Fitsipika iray mety efa nianaranao ny hoe raha mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy isika ary tsy manamafy ny fontsika dia hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

  • Araka ny hevitrao, manakana antsika tsy hahazo ny fitahian’ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny hamafisam-po sy ny tsy finoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fitahiana mendrika hokatsahina ny fitsaharan’ny Tompo?

Misafidy ny hino

Asehoy ireto andininy manaraka ireto. Hevero ny hizara tsiroaroa ny mpianatra sy hanasa ny mpianatra tsirairay hamaky ireo andininy ao amin’ny toko iray. Avy eo izy ireo dia afaka mitatitra amin’ny namany ny zavatra nianarany.

Vakio ny Hebreo 3:7–8, 12–15 ; 4:2–3, 6–7, 11. Rehefa mamaky ianao dia tadiavo ny zavatra azontsika atao mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. Afaka mamaky ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Hebreo 4:3 (ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana ) ihany koa ianao.

Mety ho fotoana ahafahan’ny mpianatra mamaky andinin-tsoratra masina fanampiny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany araka ny soso-kevitra ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Inona no hitanao fa misongadina amin’ireo andininy ireo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mandresy ny tsy finoana:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy. Raha manana fisalasalana momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany ianao, na ny maha-azo antoka ny Famerenana amin’ny laoniny na ny fahamarinan’ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny fiantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany, dia safidio ny hino ary mitoera ho mahatoky. Ento any amin’ny Tompo sy ireo loharano azo antoka ireo fanontanianao. Manaova fandalinana omban’ny faniriana ny hino toy izay amin’ny fanantenana mba hahazoanao mahita tsy fahalavorariana eo amin’ny ambaindain’ny fiainan’ny mpaminany na ireo boky mirakitra soratra masina. Atsaharo ny fampitomboana ireo fisalasalanao amin’ny alalan’ny firesahanao izany amin’ireo mpisalasala hafa. Avelao ny Tompo hitarika anao eo amin’ny dianao mankamin’ny fahatakarana ara-panahy.

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103)

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao iray sahirana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Manorata hafatra feno hatsaram-panahy hampahery azy ireo. Ataovy azo antoka ny mampiditra andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny hohalalinin’izy ireo. Raha ilaina dia ampidiro ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny fandinihana ny tenin’ny Filoha Nelson sy ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao rehefa manoratra ilay hafatra ianao.

  • Inona no mety ho tsapany raha misafidy ny hino ny Mpamonjy izy ireo?

  • Inona no mety hahafatiantoka azy ireo raha misafidy ny tsy hino izy ireo?

  • Inona no asainao ataon’izy ireo mba hamporisihana azy ireo hino an’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mikatsaka ny hanaraka ny Mpamonjy ny mpianatra sy miezaka miala amin’ny tsy finoana eo amin’ny fiainany dia hiaina ny fitsaharany izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahako manana fo mino kokoa?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nilaza hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy azo avy amin’ny fomba mahagaga ny finoana. Fa ny faniriana mba hino no dingana takiana voalohany! Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Izy no Raintsika. Te hiresaka aminao Izy. Mitaky ny tenanao mba hanomboka ho liana amin’ny fikarohana anefa izany—izay mitaky fanandramana ny tenin’ Andriamanitra—sy ny fampiharana “sombiny amin’ny finoana” [ Almà 32:27]. Mitaky anao mba hanomboka hanetry tena ihany koa izany. Ary mitaky fo manoa sy saina mivelatra izany. Mitaky fikatsahana, araka ny hevitr’io teny io rehetra izany. Ary ny sarotra indrindra angamba dia ny hoe mitaky faharetana sy fatokiana ny Tompo izany.

Raha tsy manao ezaka ny mba hino isika dia mitovy amin’ny olona iray izay tsy manao izay tokony hatao mba hampirehitra ny jiro iray nefa manome tsiny io jiro io avy eo noho ny tsy fanomezany fahazavana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany,” Liahona, nôv. 2015, 78)

Iza no afaka manampy antsika hahita ny fitsaharan’ny Mpamonjy?

Ny Loholona W. Craig Zwick ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of Elder W. Craig Zwick. Photographed March 2017.

Ny Ray any An-danitra dia tia ny zanany tsirairay ary tiany isika rehetra hiverina Aminy. Nomeny ny fahefan’ny fisoronana marina ireo mpaminany sy mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanampy antsika hijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery. Manana ny fitarihan’ireo mpitarika ireo àry isika mba hanampy antsika hiditra amin’ny fitsaharany.

(W. Craig Zwick, “Enter into the Rest of the Lord [Midira ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo],” Ensign, Feb. 2012, 24)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fitsaharan’ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Mpaminany maro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no nampianatra momba ny fidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. Mety hahazo tombony ny mpianatra amin’ny famakiana ny sasany na ny rehetra amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy ny mampifandray azy ireo amin’ny Hebreo 4:3. Almà 13:12, 16Almà 16:16–17Almà 60:13Môrônia 7:3

Hamoaka printy