Seminera
Hebreo 7–10


Hebreo 7–10

“Nahazo fanavotana mandrakizay [ho antsika]”

Sary
Composite of an image of an Old Testament priest offering a sacrifice, and Jesus Christ on the cross.

Efa nisy fotoana ve nilanao nahazo antoka ny amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy? Oviana no nahatsapanao fa nila fanampiana fanampiny mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Ireo Olomasina Hebreo dia nikatsaka fanomezan-toky momba ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra. Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba hanome izany fanomezan-toky izany. Nampahatsiahiviny azy ireo fa ny lalàn’i Mosesy mihitsy no nanondro an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ho ny tena loharanon’ny famonjena. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao mba hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra anao amin’ny alalan’ny fanampiana anao hahatakatra ireo tandindona fahiny ao amin’ny lalàn’i Mosesy.

Fampidirana ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra. Ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny dingan’ny fianarana dia manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra fotopampianarana sy fitsipika avy ao amin’ny soratra masina. Tsy mahasolo tanteraka ny zavatra ilain’ny mpampianatra anefa izany amin’ny fanomezana fampahalalana araka ny tokony ho izy rehefa mihaino ny mpianatra. Indraindray ny mpampianatra dia mila manazava sy maneho an-tsary ireo hevitra mba hahafahan’ireo mpianatra mahatakatra mazava kokoa izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitondra zavatra iray ao am-pianarana ary hanazava ny fomba ijoroan’izany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy na hampahatsiahivan’izany azy ireo an’i Jesoa Kristy. Ohatra, afaka mitondra gaoma ny mpianatra ary manazava fa mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy izany satria afaka mamafa na mamela ny fahotantsika Izy.

Sahanasa fianarana azo atao

“Ny zavatra rehetra […] dia natao mba ho vavolombelona manambara [an’i Jesoa Kristy]” ( Mosesy 6:63)

Raha azo atao dia hevero ny hanoritsoritra ny tabernakely (jereo ny kisary any aoriana ato amin’ity lesona ity) eny amin’ny gorodona alohan’ny fotoam-pianarana, amin’ny alalan’ny fampiasana scotch na tady. Na ataovy sary amin’ny toerana talaky ny mason’ny mpianatra izany. Raha tsy izany dia asehoy ny sasany na ny sary rehetra ato amin’ity lesona ity mba ho hitan’ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana.

Mitadiava zavatra manodidina eo izay mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy na azo ampiasaina hijoroana ho vavolombelona momba Azy. Eritrereto hoe inona momba ilay zavatra no mampahatsiahy anao (na maneho) an’i Jesoa Kristy.

Fenoy amin’ny alalan’ny fampiasana io zavatra io ity fehezan-teny manaraka ity:

Asehoy ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity ary asao ny mpianatra hameno izany amin’ny alalan’ny fampiasana ilay zavatra nosafidiany tamin’ny fiomanany hianatra. Afaka manao izany tsiroaroa izy ireo na indray miaraka.

“__________________ dia mampahatsiahy ahy an’i Jesoa Kristy satria ________________________.”

  • Ahoana no ahafahan’ny tandindona sy ny fampitahana tahaka izao manampy anao hampitombo ny fahatakaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho anao?

Ny soratra masina dia mirakitra fa ny zavatra rehetra nomen’ Andriamanitra dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (ohatra, jereo ny 2 Nefia 11:4 ; Mosesy 6:63).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana izany manampy anao?

Ireo fombafomba fanao sy ny ôrdônansy ao amin’ny lalàn’i Mosesy dia natao mba hiasa ho toy ny “fambara” na “tandindona” izay nampitodihana ireo Isiraelita any amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony (jereo ny 2 Nefia 11:4 ; Jakôba 4:4–5 ; Môzià 3:15). Tao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo i Paoly dia niresaka momba ny tandindon’ny lalàn’i Mosesy sy ny tabernakely fahiny mba hampahatsiahivana ny Olomasina fa ilain’izy ireo i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Te hanampy ireo Olomasina Jiosy izy mba hitoetra ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy toy izay hiverina hanaraka ny lalàn’i Mosesy indray—ary afaka manampy antsika koa ny fampianarany rehefa miezaka ny hitoetra ho mahatoky amin’ny Mpamonjy isika ankehitriny. Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hahatakatra kokoa ny fomba hampitodian’ny tandindona ao amin’ny soratra masina antsika any amin’i Jesoa Kristy sy hijoroan’izany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Arakaraky ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny fotoam-pianarana, dia fantaro raha tokony hifantoka amin’ny fizarana “Mpisorona araka ny lamin’i Melkizedeka,” na ny fizarana “Tandindon’ny tabernakely fahiny,” na izy roa.

Mpisorona araka ny lamin’i Melkizedeka

Ao amin’ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Hebreo, ny mpisoronabe sy ny mpisorona hafa tamin’ny Isiraelita fahiny dia tandindon’i Jesoa Kristy.

Sary
A man dressed in the costume of a High Priest at the model of the Jewish Tabernacle.

Ny anjara asan’ny mpisorona dia mpanelanelana, izany hoe toy ny mijoro eo anelanelan’ny vahoaka sy Andriamanitra. Nanatontosa izany andraikitra izany izy ireo tamin’ny fanaovana sorona biby isan’andro ho an’ny fahotana sy ny fandikan-dalàn’ny Isiraelita (jereo ny Levitikosy 1 ; Hebreo 10:11). Tao amin’ny tabernakely no nanaovana izany.

Vakio ny Hebreo 7:22–28 , ary mariho ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Hebreo 7:25–26 (hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana). Tadiavo ny fomba hanampian’ny asan’ireo mpisoronabe ireo antsika hahatakatra fa i Jesoa Kristy dia nanolotra ny ainy ho sorona noho ny fahotantsika. Saintsaino ireto famaritana manaraka ireto eo am-pandalinanao:

Asehoy ireto famaritana manaraka ireto mba ho hitan’ny mpianatra rehefa mamaky izy ireo:

Ny “Mpiantoka” ao amin’ny Hebreo 7:22 dia entina ilazana ny olona iray miantoka ny trosan’ny olona iray.

Ny “fanekena tsara lavitra” dia ilazana ny fanekempihavanan’ny filazantsara ambony naorin’i Kristy.

Ilay hoe “Izy” ao amin’ny Hebreo 7:24 dia ilazana an’i Jesoa Kristy.

Ny hoe “tokoa” ao amin’ny Hebreo 7:25 dia midika hoe “tanteraka” sy “mandrakizay.”

Manasà mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe:

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no tena nanan-danja taminao? Nahoana?

  • Inona ao amin’ireo andininy ireo no mampianatra fa i Jesoa Kristy dia nanolotra ny ainy ho sorona noho ny fahotantsika?

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy na inona no zavatra niainanao niaraka Taminy ka manome anao fahatokiana fa afaka mamonjy anao Izy?

Tandindon’ny tabernakely fahiny

Sary
A depiction of the Israelite tabernacle in the wilderness. The tabernacle is viewed from above. The interior and exterior of the tabernacle are depicted.

Hevero ny hanondro ireo faritra samihafa ao amin’ny tabernakely eo am-panazavana ny Andro Fanavotana.

Sary
Floor plan of Moses’ Tabernacle.

Indray mandeha isan-taona mandritra ny Andro Fanavotana (jereo ny Levitikosy 16), dia nanao sorona biby miavaka ny mpisoronabe alohan’ny hidirana amin’ny toerana ao amin’ny tabernakely fantatra amin’ny hoe ilay fitoerana masina indrindra (na ny Masina ambonin’ny Masina). Io toerana ao amin’ny tabernakely io dia tandindon’ny fanjakana selestialy, na ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ireo sorona sy asan’ny mpisoronabe ireo dia natao ho tandindon’ny fomba hanaovan’i Jesoa, ilay Mpisoronabe, sorona hanomanana lalana ho an’ny olona mba hidirana eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Hebreo 9:1–15).

Hevero ny hizara ho roa ny iray kilasy ho an’ny atrikasa manaraka ka asao ny antsasany hamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Hebreo 9 ary ny iray hafa hamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Hebreo 10. Mety hanampy ny mampiseho ireo fanontaniana mba hojeren’ny mpianatra rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina izy ireo. Mandehandehana manodidina ny efitrano fianarana ary ampio araka izay ilaina ny mpianatra tsirairay.

Sary
Composite of an image of an Old Testament priest offering a sacrifice, and Jesus Christ on the cross.

Tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mamaky ny Hebreo 9:11–15, 24, 28 na ny Hebreo 10:4, 10–17 ianao.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

  • Raha miainga avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia inona no fitahiana mety ho tonga amintsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Ampio ireo mpianatra hamantatra ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo. Fahamarinana iray mety ho hitan’izy ireo ny hoe afaka ny ho voadio amin’ny fahotana sy hahazo ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy .

  • Mampianatra anao inona momba ny zavatra irian’ny Mpamonjy ho anao ireo fitahiana nampanantenainy?

  • Ahoana no ahafahanao maneho fankasitrahana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho anao?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hisaintsainana ireto torolalana manaraka ireto sy hanoratana ao amin’ny diariny. Amporisiho izy ireo hanaraka ireo fitaomam-panahy voarainy. Mizarà fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy.

Saintsaino ny fomba nanampian’ny fandalinana ny fampitahana sy ny tandindona tato amin’ity lesona ity anao hahatakatra bebe kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Inona avy ireo tandindona sasantsasany amin’izao androntsika izao izay mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy?

Diniho hoe amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy ny fitadiavana tandindona momba Azy matetika kokoa. Mitadiava fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba ahafahanao manao izany matetika kokoa mandritra ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Mandraisa andraikitra amin’izay fitaomam-panahy voarainao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona ilay Andro Fanavotana?

Indray mandeha isan-taona mandritra ny andro masin’ny Jiosy iray antsoina hoe Andro Fanavotana (antsoina ihany koa hoe Yom Kippur), dia mahazo lalana ny mpisorona avo hiditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra (antsoina ihany koa hoe ny Masina ambonin’ny Masina) ao amin’ny tabernakely na ny tempolin’i Jerosalema, taty aoriana. Teo amin’ny alitara fanaovana sorona, teo ivelan’ny fitoerana masina, no nanaovan’ny mpisoronabe sorona vantotr’ombilahy sy osilahy. Afafiny eny amin’ny toerana voatondro ao amin’ny fitoerana masina indrindra ny ran’ireo biby ho tandindon’ny Sorompanavotan’i Kristy noho ny otan’ilay mpisorona sy ny otan’ny vahoaka. Avy eo ilay mpisorona avo dia mamindra an-tsariohatra ny otan’ny vahoaka any amin’ilay osilahy (antsoina hoe osy fanatitra noho ny ota), izay roahina ho any an-tany foana avy eo, izay midika hoe fanalana ny otan’ny vahoaka. Manao sorona ondrilahy roa ihany koa izy avy eo ho toy ny fanatitra dorana ho an’ny tenany sy ny vahoaka. (Jereo ny Bible Dictionary, “ Fasts ”; jereo koa ny Levitikosy 16:22 .)

; .

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny Fisoronan’ny Melkizedeka

Raha toa mahasoa an’ny mpianatra ny fifantohana amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia ampiasao ny fizarana “Mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ny Fisoronana Melkizedeka” ao amin’ny rindran-damin’ny Avia, hanaraka Ahy “6–12 Nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy,-” (Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023). Asao ireo mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka manampy azy ireo hanakaiky sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Ôrdônansy fahiny sy ankehitriny

Raha toa mahasoa an’ny mpianatra ny fifantohana amin’ny fomba hanondroan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana an’i Jesoa Kristy, dia ampiasao ny fizarana “Manondro an’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy fahiny sy ankehitriny” ao amin’ny rindran-damin’ny Avia, hanaraka Ahy “6–12 Nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy,-” (Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023). Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hijoroan’ireo ôrdônansy samihafa vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, afaka mifanakalo hevitra izy ireo mikasika ny fomba hanehoan’ny batisa ny fahafatesana sy ny fandevenana ary ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty (jereo ny Romana 6:1–6).

Hamoaka printy