Fanampiana amin’ny fandalinana
17. Tendrombohitra Gerizima sy Tendrombohitra Ebala


17. Tendrombohitra Gerizima sy Tendrombohitra Ebala

Mijery miankandrefana. Eo ankavia ny Tendrombohitra Gerizima, ary eo ankavanana ny Tendrombohitra Ebala. Aseho an-tsary eto i Nabolo ankehitriny. Ny tanànan’ i Sekema dia niorina teo anelanelan’ ireo tendrombohitra roa ireo, teo amin’ ny lohasaha eo ambany (eo an-kavanana amin’ ny sary).

Ny zava-dehibe nitranga: Nanorin-day tao Sekema i Abrahama (Gen. 12:6–7). Nanorin-day tao i Jakôba ary nividy ampahan-tany (Gen. 33:18–20). Ny Tendrombohitra Gerizima dia tendrombohitry ny fitahiana, ny Tendrombohitra Ebala kosa tendrombohitry ny ozona (Deot. 27–28). Teo amin’ ny Tendrombohitra Ebala no nanaovan’ i Josoa tsangambato mitondra ny lalàn’ i Mosesy ary namakiany ny lalàna tamin’ ny Isiraelita rehefa izany (Jos. 8:30–35). Milevina ao Sekema ny taolambalon’ i Josefa (Jos. 24:32).

sary 17

17. Tendrombohitra Gerizima sy Tendrombohitra Ebala Mandondona ny tanànan’ i Sekema fahizay, izay nandevenana ny taolambalon’ i Josefa, ireo tendrombohitra roa ireo (jereo Jos. 24:32).