Toko 30
I Kôrihôra ilay antikristy dia namingavinga an’i Kristy, ny Sorompanavotana, ary ny fanahin’ny faminaniana—Nampianariny fa tsy misy Andriamanitra, tsy misy ny fahalavoan’ny olona, tsy misy ny famaizana noho ny ota, ary tsy misy i Kristy—Nambaran’i Almà fa ho avy i Kristy, ary ny zavatra rehetra dia maneho fa misy Andriamanitra—Nangataka famantarana i Kôrihôra, ary nozoin’ny hamoanana izy—Efa niseho tamin’i Kôrihôra toy ny anjely ny devoly sy nampianatra azy izay holazainy—Voahosihosy i Kôrihôra ary maty. Tokony ho 76–74 taona talohan’i Kristy.
1 Indro, ankehitriny, ny zava-nitranga taorian’ny nampiorenana ny vahoakan’i Amôna teo amin’ny tanin’i Jersôna, eny, ary koa taorian’ny nanosehana ny Lamanita hiala ny tany sy ny nandevenan’ny mponin’ny tanàna ny maty taminy—
2 Ankehitriny ny maty taminy dia tsy nisaina noho ny halehiben’ny isany; tsy nisaina koa ny maty tamin’ny Nefita—fa ny zava-nitranga kosa taorian’ny efa nandevenana ny maty taminy, ary koa taorian’ny andro fifadian-kanina sy fitomaniana ary fivavahana (ary izany dia tamin’ny taona fahenina ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia), dia nanomboka nisy fandriampahalemana lalandava eran’ny tany manontolo.
3 Eny, ary noezahan’ny vahoaka ny hitandrina ny didin’ny Tompo; ary nahasarotiny azy ny fanarahana ny ôrdônansin’ Andriamanitra, araka ny lalàn’i Mosesy; satria nampianarina azy ny hitandrina ny lalàn’i Mosesy mandra-pahatanterak’izany.
4 Ary dia toy izany no tsy nisian’ny fanelingelenana ny vahoaka tamin’ny taona fahenina ambin’ny folo manontolo nitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.
5 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny fiandohan’ny taona fahafito ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara dia nisy fandriampahalemana tsy tapaka.
6 Saingy ny zava-nitranga tamin’ny faramparan’ny taona fahafito ambin’ny folo, dia nisy olona iray tonga teo amin’ny tanin’i Zarahemlà, ary izy dia Antikristy fa nanomboka nitory tamin’ny vahoaka izy, nanohitra ny faminaniana izay efa nolazain’ny mpaminany momba ny fiavian’i Kristy.
7 Ankehitriny dia tsy nisy lalàna nanohitra ny finoan’ny olona iray; satria mifanohitra indrindra amin’ny didin’ Andriamanitra ny hisian’ny lalàna izay hametraka ny olona amin’ny toerana tsy mitovy.
8 Fa izao no lazain’ny soratra masina: Fidionareo anio izay hotompoinareo.
9 Ankehitriny raha naniry ny hanompo an’ Andriamanitra ny olona iray, dia zony izany; na ny marimarina kokoa, raha nino an’ Andriamanitra izy dia zony ny hanompo Azy; fa raha tsy nino Azy izy dia tsy nisy lalàna mba hanafay azy.
10 Fa raha namono olona izy dia nofaizina ho faty; ary raha nandroba izy, dia nofaizina ihany koa; ary raha nangalatra izy, dia nofaizina ihany koa; ary raha nahavita fijangajangana izy, dia nofaizina ihany koa; eny, ny amin’ireo faharatsiana rehetra ireo, dia nofaizina izy.
11 Satria nisy ny lalàna izay tokony hitsarana ny olona araka ny helony. Kanefa dia tsy nisy lalàna nanohitra ny finoan’ny olona iray; noho izany, ny olona iray dia nofaizina noho ny heloka izay efa vitany ihany; noho izany ny olona rehetra dia nitovy zo.
12 Ary ity Antikristy ity, izay i Kôrihôra no anarany, (ary ny lalàna dia tsy nety nanankery taminy), dia rafitra nitory tamin’ny vahoaka fa tsy tokony hisy i Kristy. Ary toy izao no fomba nitoriany, nanao hoe:
13 He, ianareo izay voafatotry ny fanantenana adaladala sy poak’aty, nahoana ianareo no manazioga ny tenanareo amin’ny zavatra adaladala toy izany? Nahoana ianareo no miandrandra an’i Kristy? Fa tsy misy olona mety hahalala ny amin’ny zavatra izay ho avy.
14 Indro, ireo zavatra izay antsoinareo hoe faminaniana izay lazainareo fa natolotry ny mpaminany masina, indro ireo dia fomba adaladalan’ny razanareo.
15 Ahoana no ahafantaranareo ny maha-azo antoka azy ireny? Indro, tsy azonareo fantarina ny amin’ny zavatra izay tsy hitanareo; noho izany dia tsy azonareo fantarina fa hisy i Kristy.
16 Banjininareo ny ho avy sy lazainareo fa hitanareo ny fanesorana ny fahotanareo. Nefa indro izany dia vokatry ny saina mirediredy; ary izany fahavoazan’ny sainareo izany dia avy amin’ny fomban’ny razanareo, izay mitarika anareo hankamin’ny finoana ny zavatra izay tsy izy.
17 Ary zavatra maro toy izany no nolazainy azy, nitenenany taminy fa tsy mety hisy ny sorompanavotana natao ho an’ny fahotan’ny olona, fa ny olona tsirairay kosa dia nandia izao fiainana izao arakaraka ny nitondrany ny tenany; noho izany ny olona tsirairay dia niroborobo araka ny halalinan-tsainy, ary ny olona tsirairay dia nandresy araka ny heriny; ary na inona na inona nataon’ny olona iray dia tsy heloka.
18 Ary dia toy izany no notoriany taminy, nampaniasia ny fon’ny maro, nanao izay hanatrakany ny lohany tao amin’ny faharatsiany, eny, nitarika vehivavy maro ary koa lehilahy hanao fijangajangana—nitenenany taminy fa rehefa maty ny olona iray, dia izay no vita ny aminy.
19 Ankehitriny izany lehilahy izany dia nandeha nankany an-tanin’i Jersôna koa mba hitory ireo zavatra ireo amin’ny vahoakan’i Amôna, izay vahoaka Lamanita fahiny.
20 Nefa indro, hendry kokoa izy noho ny maro tamin’ny Nefita; fa nalainy izy ary nafatony sy nentiny teo anoloan’i Amôna izay mpisorona avo teo amin’ity vahoaka ity.
21 Ary ny zava-nitranga dia nataony izay hitondrana azy hivoaka ny tany. Ary nandeha nankany an-tanin’i Gideôna izy ary rafitra nitory taminy koa; ary tao dia tsy nahazo fahombiazana firy izy, satria nalaina izy ary nafatotra sy nentina teo anatrehan’ny mpisorona avo ary koa ny lohan’ny mpitsara teo amin’ny tany.
22 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny mpisorona avo taminy: Nahoana ianao no mandeha mamilivily ny lalan’ny Tompo? Nahoana ianao no mampianatra ity vahoaka ity fa tsy hisy i Kristy mba hampitsahatra ny firavoravoany? Nahoana ianao no miteny manohitra ny faminaniana rehetra an’ny mpaminany masina?
23 Ankehitriny ny anaran’ny mpisorona avo dia i Gidônà. Ary hoy i Kôrihôra taminy: Satria tsy ampianariko ny fomba adaladalan’ny razanareo, ary satria tsy ampianariko ity vahoaka ity ny hamatotra ny tenany amin’ny ôrdônansy sy fombafomba adaladala izay efa napetraky ny mpisorona fahiny mba hisandohana hery sy fahefana aminy, mba hihazona azy ao amin’ny tsy fahalalana ka tsy hahazoany manatraka ny lohany, fa mba hampietrena azy kosa araka ny teninao.
24 Lazainareo fa ity vahoaka ity dia vahoaka afaka. Indro, lazaiko fa ao amin’ny famatorana izy. Lazainareo fa marina ireo faminaniana fahiny ireo. Indro, lazaiko fa tsy fantatrareo fa marina ireo.
25 Lazainareo fa ity vahoaka ity dia vahoaka meloka sy lavo noho ny fandikan-dalàn’ny ray aman-dreny anankiray. Indro, lazaiko fa tsy meloka ny zaza iray noho ny ray aman-dreniny.
26 Ary lazainareo koa fa ho avy i Kristy. Nefa indro lazaiko fa tsy fantatrareo fa hisy i Kristy. Ary lazainareo koa fa hovonoina Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao—
27 Ary dia toy izany no hitarihanareo ity vahoaka ity hanaraka ny fomba adaladalan’ny razanareo sy araka ny fanirianareo ihany; ary hazoninareo izy hitotongana, toy ireny amin’ny famatorana ireny mba hahazoan’ny tenanareo mibosibosika ny asan’ny tanany, ka tsy hasahiany mitraka amim-pahasahiana sy tsy hasahiany mifaly amin’ny zony sy ny tombontsoany.
28 Eny, tsy sahiny ny mampiasa izay azy fandrao izy hanafintohina ny mpisorony izay manazioga azy araka ny faniriany ary efa nitarika azy hino tamin’ny alalan’ny fombany sy ny nofiny, ary ny haitraitrany sy ny fahitany ary izay ihamboany ho misteriny, fa raha tsy manao araka ny teniny izy, dia hanafintohina mananaina iray tsy fantatra, izay lazainy ho Andriamanitra—dia mananaina iray izay tsy mbola hita na fantatra na oviana na oviana, izay tsy nisy na oviana na oviana ary tsy hisy na oviana na oviana.
29 Ankehitriny, rehefa hitan’ny mpisorona avo sy ny lohan’ny mpitsara ny hamafin’ny fony, eny, rehefa hitany fa izy dia hanaratsy na dia an’ Andriamanitra aza, dia tsy novaliany ny teniny; fa nataony kosa izay hamatorana azy; dia natolony ho eo an-tanan’ny sakaizambohitra izy ary nalefany hankany an-tanin’i Zarahemlà, mba hahazoana mitondra azy eo anoloan’i Almà sy ny lohan’ny mpitsara izay governora nanerana ny tany manontolo.
30 Ary ny zava-nitranga rehefa nentina teo anoloan’i Almà sy ny lohan’ny mpitsara izy, dia notohizany ihany ny fombany, toy ny nataony tany an-tanin’i Gideôna; eny, notohizany ny fanevatevana.
31 Ary nanandra-peo teo anoloan’i Almà izy tamin’ny teny manodoka be ary nanaratsy ny mpisorona sy ny mpampianatra, niampanga azy ireo ho mitarika ny olona hanaraka ny fomba adaladalan’ireo razany, noho ny famosibosehana ny asan’ny vahoaka.
32 Ankehitriny dia hoy i Almà taminy: Fantatrao fa tsy mampibosibosika ny tenanay amin’ny asan’ity vahoaka ity izahay; satria indro efa nampiasa ny tanako aho na dia hatramin’ny fiandohan’ny fitondran’ny mpitsara aza ka mandraka androany mba hamelomako ny tenako, na dia teo aza ny diako maro nanerana ny tany mba hilaza ny tenin’ Andriamanitra amin’ny vahoakako.
33 Ary na dia teo aza ny asa maro izay efa notontosaiko tao amin’ny fiangonana, dia tsy nandray na oviana na oviana na dia ny senina iray aza aho tamin’ny asako; tsy misy koa na dia iray aza tamin’ny rahalahiko nanao izany, afa-tsy tao amin’ny toeram-pitsarana; ary tamin’izany izahay dia tsy nandray araka ny lalàna afa-tsy ny fotoanay.
34 Ary ankehitriny, raha tsy mandray na inona na inona izahay amin’ny asanay ao amin’ny fiangonana, inona no tombontsoanay miasa ao amin’ny fiangonana, raha tsy ny milaza ny marina mba hahazoanay manam-pifaliana ao amin’ny fifalian’ny rahalahinay?
35 Koa nahoana no lazainao fa izahay dia mitory amin’ity vahoaka ity mba hahazoana harena, raha ianao, ny tenanao ihany, dia mahafantatra fa tsy mandray harena izahay? Ary ankehitriny, mino va ianao fa mamitaka ity vahoaka ity izahay, ka mahatonga fifaliana ao am-pony izany?
36 Ary Kôrihôra namaly azy hoe, Eny.
37 Ary tamin’izay dia hoy i Almà taminy: Mino va ianao fa misy Andriamanitra?
38 Ary namaly izy hoe, Tsia.
39 Ankehitriny dia hoy i Almà taminy: Holavinao indray ve fa misy Andriamanitra, ary holavinao koa va i Kristy? Satria indro, lazaiko aminao, fantatro fa misy Andriamanitra ary ho avy koa i Kristy.
40 Ary ankehitriny, inona no porofo anananao fa tsy misy Andriamanitra na tsy ho avy i Kristy? Lazaiko aminao fa tsy manana na inona na inona ianao afa-tsy ny teninao ihany.
41 Nefa indro, izaho manana ny zava-drehetra ho toy ny fanambarana fa ireo zavatra ireo dia marina; ary manana ny zava-drehetra koa ianao ho toy ny fanambarana aminao fa marina ireo; ary holavinao ve ireo? Mino va ianao fa marina ireo zavatra ireo?
42 Indro, fantatro satria mino ianao, saingy efa azon’ny fanahy mandainga ianao, ary efa nandà ny fanahin’ Andriamanitra ianao mba tsy hahazoany manana toerana ao aminao; fa ny devoly kosa no manana fahefana aminao ary entiny hatraiza hatraiza ianao, hampiasa hafetsena mba hahazoany mandrava ny zanak’ Andriamanitra.
43 Ary ankehitriny dia hoy i Kôrihôra tamin’i Almà: Raha maneho famantarana iray amiko ianao mba hahatonga ahy ho resy lahatra fa misy Andriamanitra, eny, manehoa amiko fa manana fahefana Izy, amin’izay aho dia ho resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’ny teninao.
44 Nefa hoy i Almà taminy: Efa manana famantarana ampy ianao; moa haka fanahy an’ Andriamanitrao va ianao? Moa hilaza va ianao hoe, anehoy famantarana iray aho, kanefa anananao ny fanambaran’ireo rahalahinao rehetra ireo ary koa ny an’ny mpaminany masina rehetra? Apetraka eo anoloanao ny soratra masina, eny, ary ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny, na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra izay eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony.
45 Kanefa toa mandeha hatraiza hatraiza ianao, mampaniasia ny fon’ity vahoaka ity, manambara aminy fa tsy misy Andriamanitra? Kanefa handà va ianao sy hanohitra ireo vavolombelona rehetra ireo? Ary hoy izy: Eny, handà aho, raha tsy maneho famantarana iray amiko ianao.
46 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga, dia hoy i Almà taminy: Indro, malahelo aho noho ny hamafin’ny fonao, eny, ny mbola hanoheranao ny fanahin’ny fahamarinana, ka mety haharava ny fanahinao.
47 Nefa indro, tsara kokoa ny hahavery ny fanahinao toy izay ianao no hanjary fitaovana hitondra fanahy maro hankamin’ny faharavana, amin’ny fandainganao sy amin’ny teninao manasohaso; koa raha mbola mandà ianao, indro hamely anao Andriamanitra, ka hanjary moana ianao, ka tsy hosokafanao na oviana na oviana intsony ny vavanao mba tsy hamitahanao ity vahoaka ity intsony.
48 Ankehitriny dia hoy i Kôrihôra taminy: Izaho tsy mandà ny fisian’ Andriamanitra, saingy tsy mino aho fa misy Andriamanitra; ary lazaiko koa fa tsy fantatrao fa misy Andriamanitra; ary raha tsy maneho famantarana iray amiko ianao dia tsy hino aho.
49 Ankehitriny dia hoy i Almà taminy: Izao no homeko anao ho famantarana, fa hozoin’ny hamoanana ianao, araka ny teniko; ary lazaiko amin’ny anaran’ Andriamanitra, hozoin’ny hamoanana ianao, ka tsy afaka hiteny intsony.
50 Ankehitriny, rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Almà, dia nozoin’ny hamoanana i Kôrihôra, ka tsy afaka niteny izy, araka ny tenin’i Almà.
51 Ary ankehitriny, rehefa nahita izany ny lohan’ny mpitsara, dia narosony ny tanany ary nanoratra tamin’i Kôrihôra izy, nanao hoe: Moa resy lahatra va ianao ny amin’ny fahefan’ Andriamanitra? Tamin’iza no nanirianao fa tokony hanehoan’i Almà ny famantarany? Irianao va ny hampahoriany ny hafa, mba hanehoana famantarana iray aminao? Indro, efa nanehoany famantarana iray ianao; Ary ankehitriny hiady hevitra misimisy kokoa va ianao?
52 Ary nandroso ny tanany i Kôrihôra sy nanoratra, nanao hoe: Fantatro fa moana aho, satria tsy afaka miteny; ary fantatro fa tsy misy na inona na inona afaka mampitondra izao ahy afa-tsy ny fahefan’ Andriamanitra; eny, nahafantatra mandrakariva aho fa nisy Andriamanitra.
53 Nefa indro, efa namitaka ahy ny devoly; satria niseho tamiko tamin’ny endriky ny anjely iray izy, sy nanao tamiko hoe: Mandehana ary avereno ity vahoaka ity, fa efa nandeha naniasia nanaraka Andriamani-tsy fantatra izy rehetra. Ary hoy izy tamiko: Tsy misy Andriamanitra; eny, ary nampianariny ahy izay tokony holazaiko. Ary efa nampianariko ny teniny; ary nampianariko izany satria izany dia nahafinaritra ny sain’ny nofo; ary nampianariko izany mandra-pahazoako fahombiazana be, ka nino marina tokoa aho fa marina izany; ary noho izany antony izany dia notoheriko ny fahamarinana, mandra-pitondrako ity ozona lehibe ity amiko.
54 Ankehitriny, nony efa nilaza izany izy, dia niangaviany ny hivavahan’i Almà amin’ Andriamanitra mba hahazoana manaisotra ny ozona hiala aminy.
55 Nefa hoy i Almà taminy: Raha esorina hiala aminao ity ozona ity dia hitarika indray ny fon’ity vahoaka ity haniasia ianao; noho izany, dia aoka ho tanteraka aminao araka ny sitrapon’ny Tompo.
56 Ary ny zava-nitranga dia tsy nesorina hiala tamin’i Kôrihôra ny ozona; fa noroahina izy hiala, ary nandeha nitety trano izy nangataka ny haniny.
57 Ankehitriny ny fahalalana izay efa nanjo an’i Kôrihôra dia navoaka hiely eran’ny tany manontolo; eny, nalefan’ny lohan’ny mpitsara ny filazana nankany amin’ny vahoaka rehetra teo amin’ny tany, nilaza tamin’ireo izay efa nino ny tenin’i Kôrihôra fa tsy maintsy mibebaka faingana tokoa izy, fandrao ho tonga aminy ny famaliana toy izany.
58 Ary ny zava-nitranga dia resy lahatra ny amin’ny faharatsian’i Kôrihôra izy rehetra, noho izany dia niova fo ho an’ny Tompo indray izy rehetra; ary izany no nampisy farany ny heloka araka ny fomban’i Kôrihôra. Ary i Kôrihôra dia nandeha nitety trano, nangataka ny haniny hivelomany.
59 Ary ny zava-nitranga dia nandeha tany anivon’ny vahoaka izy, eny, tany anivon’ny vahoaka iray izay efa nampihataka ny tenany tamin’ny Nefita sy niantso ny tenany hoe Zôramita, rehefa notarihin’ny lehilahy iray izay i Zôrama no anarany—ary raha nandeha tany anivony izy, dia indro, voazera izy sy voahosihosy, ambara-pahafatiny mihitsy.
60 Ary dia toy izany no ahitantsika ny fiafaran’izay mamilivily ny lalan’ny Tompo; ary dia toy izany no ahitantsika fa tsy hanohana ny zanany ny devoly amin’ny andro farany, fa misarika azy faingana tokoa hidina any amin’ny helo.