Fizarana 15
Fanambarana nomena an’i John Whitmer, tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana jona 1829 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 14). Manaitra ny fiantefan’ilay hafatra manokana, satria ny Tompo dia nilaza izay tsy nisy nahalala afa-tsy i John Whitmer sy ny Tenany ihany. Nanjary anankiray tamin’ireo Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna i John Whitmer taty aoriana.
1–2, Manerana izao tontolo izao ny sandrin’ny Tompo; 3–6, Ny fitoriana ny filazantsara sy ny famonjena fanahy no zavatra manan-danja indrindra.
1 Mihainoa ry John mpanompoko, ary henoy ny tenin’i Jesoa Kristy Tomponao sy Mpanavotra anao.
2 Fa indro miteny aminao mivantana sy amin-kery Aho, fa manerana izao tontolo izao ny sandriko.
3 Ary holazaiko anao izay tsy misy olona mahalala afa-tsy Izaho sy ianao irery—
4 Efa imbetsaka ianao no naniry hahalala Tamiko ny zavatra izay ho manan-danja indrindra aminao.
5 Indro, sambatra ianao noho izany zavatra izany sy noho ny filazana ny teniko izay efa nomeko anao araka ny didiko.
6 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao fa ny zavatra izay ho manan-danja indrindra aminao dia ny fitoriana fibebahana amin’ity vahoaka ity, mba hahazoanao mitondra fanahy ho Ahy, mba hahazoanao miara-miala sasatra aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko. Amena.