Fampaherezam-panahy 2024
Teny fanolorana


Teny fanolorana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 Febroary 2024

Ry tanora avy eto amin’izao tontolo izao malalako isany, fitahiana lehibe sy voninahitra ho anay rehetra ny miaraka aminareo amin’ity fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora karakarain’ny DFF ity. Finaritra ihany koa isika manana an’i Rahalahy Chad Webb miaraka amintsika anio alina, miaraka amin’i Kristi vady malalany. Mpianatra mahatokin’i Kristy ny Rahalahy sy Ranabavy Webb ary ohatra mahavariana amin’ny fanoloran-tena sy fitiavana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’izy ireo.

Tena mampientanentana anay ny fanatrehanareo anio amin’ity fampaherezam-panahy ity. Ny fanatrehanareo dia ahitana taratra tokoa ny finoanareo an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirianareo hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo sy hanaraka Azy Ireo. Rehefa manapa-kevitra ny hanara-dia sy hitsaoka Azy Ireo ianareo dia afaka ny ho heniky ny tanjaka sy faharetana ara-panahy amin’ny fatrany misimisy kokoa izay tena ilaina tokoa amin’ny dianareo amin’ny maha mpianany anareo amin’izao vaninandrontsika izao. Tianay ianareo rehetra!

Mitondra aminareo rehetra ny fiarahabana feno fahavitrihana sy ny fitiavana feno hafanana avy amin’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, avy amin’ireo mpanolotsainy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manontolo ny tenako. Tena tia sy miahy anareo ary mivavaka ho an’izay hahasoa anareo lalandava izy ireo. Manantena aho fa hahatsapa ny fitiavan’izy ireo ary indrindra indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny an’i Kristy mandritra ny fampaherezam-panahintsika androany ianareo.

Tena nankafiziko ilay hira manentam-panahy natao minitra vitsy lasa teo. Ny tononkira nentanim-panahin’io hira io dia tena fampidirana tsara ho an’ny fampaherezam-panahintsika anio hariva ary manome ny valin’ny iray amin’ireo fitalahoan’ny fontsika lalina indrindra: “Où pourrais-je chercher? (Aiza re ny fiadanana?)”

“Aiza no hihazakazahako mba hahalalako?

“Aiza ilay tanana mampitony ny fangirifiriako?

“Iza no afaka hahatakatra izany?

“Izy irery ihany.”

“Tsy miova sy tsara Izy,

“Fitiavana tsy manam-petra.”

Ao amin’ny efitra fiandrasan’ny vahiny ao amin’ny tranobe misy ny Biraon’ny Fiangonana ao Salt Lake City dia misy sary hosodoko tena kanto maneho an’i Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny amin’ireo mpianany. Nandany ny androm-piainany tety an-tany ny Mpamonjy nanasa olona hanatona Azy, ary nanome toky azy ireo tamim-pangorahana Izy fa rehefa manatona izy ireo dia “hahita fitsaharana ho an’ny fanahin’[izy ireo].”

Mijoro eo amin’ny vavahady fidiran’ny fiainantsika andavanandro i Jesoa Kristy miaraka amin’ny sandriny vonona handray antsika, ary miantso antsika Izy milaza hoe: “Hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavako Aho.” Na dia rehefa mitady hianjera na mivembena aza isika dia afaka milatsaka ao amin’ny sandriny izay misokatra hatrany, mahatsapa ny fitiavany tonga lafatra, ary mahafantatra fa ny toerana ao an-tsandriny dia efa natokana tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana feno fitiavana nataony mba ho toerana ho antsika. Tena fomba mahagaga hahitana fiadanana tokoa izany eto amin’ity tontolo tena mampahory ity.

Ao anatin’ny fanahin’ny fahitana fiadanana amin’ny alalan’ny Mpamonjy, dia nanasa ireo mpianatra institiota manerana izao tontolo izao izahay mba hizara ireo ahiahin’izy ireo sy fanontanian’izy ireo manahirana indrindra aminay. Efa noraketin’izy ireo tanatina horonan-tsary fohy sy nalefan’izy ireo taminay ny fanontanian’izy ireo. Tena nahatalanjona sy nahakasika lalina anay tokoa ny fahatsarana tena misy ao aminareo izay naseho tamin’ny alalan’ireny fanontaniana ireny. Tena tsapanay lalina tokoa ny fanirianareo ho akaiky kokoa ny Mpamonjy sy ho tonga mpianany mahafatrampo.

Navondronay araka ny lohahevitra tahaka izao manaraka izao ireo horonan-tsary fohy ireo: (1) Mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, (2) maharitra ireo fitsapana, (3) manaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika, (4) miomana ny hiditra sy hitsaoka any amin’ny tempoly, ary (5) mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy.

Hampiseho horonan-tsary nofantenina misy ny fanontanianareo izahay mba hanomezana fanazavana sy ho fampidirana ny lohahevitra tsirairay avy ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ho ataontsika anio hariva. Hamonjy antsika eto Rahalahy sy Ranabavy Webb rehefa hiresaka momba ireo lohahevitra ireo isika, hizara ny fahendreny sy ny fijoroana ho vavolombelona tena misongadina ananan’izy ireo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Misaotra betsaka. Tena tianay avokoa ianareo rehetra, ary ny fanontaniana izay nalefanareo taminay dia tena maneho ny habetsaky ny fitiavanareo an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Hamoaka printy