Fampaherezam-panahy 2024
Fiaretana ireo fitsapana


Fiaretana ireo fitsapana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 febroary 2024

Loholona Ulisses Soares: Tena tsara. Misaotra. Ndeha hojerentsika izao ireo fanontaniana mahakasika ny “fiaretana ireo fitsapana.”

GHANA—FANONTANIANA FAHA 7

Ry Loholona Soares, tiako ho fantatra hoe nahoana kay no sarotra foana ny mampihatra finoana rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

CHILI CONCEPCIÓN—FANONTANIANA FAHA 8

Miarahaba anao Loholona Soares. Toy izao no fanontaniako: Ahoana no hanampianao olona iray izay nijaly loatra teo amin’ny fiainany hany ka toa ohatran’ny hoe tsy nandray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mihitsy izy?

BILBAO ESPAINA—FANONTANIANA FAHA 2

Ry Loholona Soares, ato amin’ny Fiangonana dia misy tanora mendrika izay afaka nanao asa fitoriana ary mitozo hatrany amin’ny fanompoana ato amin’ny Fiangonana sy eny amin’ny fiarahamonina. Kanefa na dia eo aza ny asa fanompoan’izy ireo dia tsy mba afaka miaina ireo fitahiana nampanantenaina izy ireo. Inona no holazainao an’ireo tanora izay toa tsy voatahy araka ny nampantenaina azy ireo ny diany ety an-tany?

Loholona Soares: Misaotra betsaka ny amin’ireo fanontaniana tena tsara ireo. Tena fahita eo anivon’ny maro amintsika ny fahadisoan-kevitra fa rehefa miezaka manaraka ny sitrapon’ny Tompo amin’ny herintsika manontolo isika, miaina amim-pahamarinana, dia tsy hisy zava-dratsy hanjo antsika. Fony isika nanaiky ny drafitry ny Ray any An-danitra talohan’ny fiainana an-tany dia fantatsika fa hiaina fifaliana sy fisedrana ary fitsapana isika mandritra ny famakivakiantsika ny fiainana ety an-tany. Tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fianarana lalovantsika mba hahafahantsika ho afaka ny hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra ny fandalovana ireny toe-javatra izay matetika no sarotra ireny. Noho izany ny fahamarinana dia ny hoe hiatrika fahoriana isika eo amin’ny fiainantsika na dia olo-marina tahaka ny inona aza isika. Etsy an-kilany anefa dia tsy maintsy ho tonga ny voka-tsoa entin’ireo asa tsara natao, saingy matetika izany no tsy eo no ho eo. Mety ho tonga amin’ny fotoana hafa amin’ny fandaharam-potoanantsika ireny fitahiana ireny ary araka ny sitrapon’ny Ray, ao amin’ny fahendreny sy ny fahalalany ny zava-drehetra, izay mahafantatra ny zavatra ilaintsika sy ny zavatra tsara indrindra ho antsika eto amin’ity fiainana ity.

Koa ny iray amin’ireo zavatra manan-danja azontsika atao rehefa miatrika fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany dia ny mampitodika ny fontsika sy ny tokintsika any amin’ny Mpamonjy. Rehefa manao izany isika dia tsy vitan’ny hoe hahita ilay fampiononana tadiavintsika fotsiny fa hahazo finoana miavosa sy fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ihany koa. Niaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany i Kristy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po sy hahafantatra ny fomba hanampiana antsika arakaraka ny rofintsika. Afaka manasitrana, tsara noho ny olon-kafa rehetra, ireo vokatr’ireo toe-java-tsarotra lalovana eto amin’ny fiainana an-tany ny Mpamonjy. Amin’ny fotoana sasany isika dia mety ho voasitrana ara-batana eo no ho eo amin’ireo fahoriantsika na ny tsy fahasalamantsika, kanefa afaka ny ho sitrana ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fanomezana antsika hery sy fahatakarana ary faharetana amin’ny fitondrana ireo enta-mavesatra apetraka eo amintsika. Noho izany, rehefa mampitodika ny fontsika amin’ny Mpamonjintsika isika dia hanao zava-mahatalanjona eo amin’ny fiainantsika Izy.

Teboka iray hafa mila saintsainintsika ny hoe afaka mandray ireo fitsapana sy fisedrana lalovantsika ho toy ny fahafahana mivoatra isika fa tsy mamela ny tenantsika hahatsapa ho tototr’izy ireny. Manome toky anareo aho ry namako fa ny fanaovana toy izany dia afaka manome antsika fahafahana ny hampiseho amin’ny Tompo sy amin’ny tenantsika fa afaka sy hanao ny zava-drehetra nandidian’ny Tompo antsika mba ho ataontsika isika, ary hanakaiky kokoa an’ireo zavatra manana lanja mandrakizay na inona na inona toe-javatra misy antsika. Fantany fa afaka mahavita zava-tsarotra isika! Omeny hery lehibe isika.

Araka ny nampianarin’ny Loholona Orson F. Whitney, iray tamin’ny ireo Apôstôlin’ny Famerenana amin’ny laoniny, hoe: “Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana mianjady amintsika ka hahavery maina antsika fotsiny. Mitondra fanabeazana ho antsika izany, ka mahatonga ny fiforonan’ny hatsarana toy ny faharetana, finoana sy tanjaka ary fanetrentena … [ary] rehefa atrehantsika amin’ny faharetana izany dia manorina ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika ary mahatonga antsika ho malefaka sy manana fiantrana kokoa, mendrika kokoa ny antsoina hoe zanak’ Andriamanitra. … Amin’ny alalan’ny fahoriana, ny fijaliana, sy ny ezaka mafy ary ny fitsapana no hahazoantsika ilay fampianarana, izay ny hahazo izany no antony nahatongavantsika eto.”

Ry namako, manampy antsika hijery ny fiainana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny fananana faharetana, ary lasa miteraka fiaintraikany manasitrana amin’ny fanahintsika izany. Rehefa mianatra amin’ny alalan’ny zavatra iainantsika manokana isika dia afaka mandray fahatakarana sy fangorahana ho an’ny hafa ary afaka ny hanampy amin’ny fampitrakana azy ireo mandritra ireo fotoan-tsarotra lalovan’izy ireo.

Ry malala, moa ve ianao manan-kambara momba io lohahevitra manan-danja io?

Rahavavy Rosana Soares: Eny ry malala. Misy olona dia hafa mihitsy ny fihetsiny manoloana olana na fahoriana tsy tapaka toy izany.

Mihevitra ny sasany amin’izy ireo fa diovin’ny tanan’ilay Mpahary Faratampony, izay Andriamanitsika, izy ireo. Ny hafa mihevitra fa adinon’ny Tompo ny momba azy ireo ary manontany foana hoe “Nahoana?” manoloana ireny toe-javatra ireny. Ny hafa maneho faharetana sy finoana an’i Jesoa Kristy ka afaka mahita sy manaiky ny sitrapon’ny Tompo ho azy ireo mba hanasitranana ara-panahy ny fanahin’izy ireo. Eto an-tany isika mba hianatra sy hivoatra. Ho hitantsika tsikelikely ny vokatr’ireo ezaka nataontsika; mila manohy mandroso sy manam-paharetana fotsiny isika. Tsy mora mihitsy izany hatrizay, ary izany no antony ananantsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Loholona Soares: Misaotra anao ry malala. Fanehoan-kevitra tena manampy tokoa izany.

Ny olantsika sasany dia vokatry ny toe-javatra iainana eto an-tany, ary tsy hitohy any amin’ny fiainan-koavy ireny. Mety tsy ho takatsika tsara ankehitriny ny antony rehetra ao ambadik’ireo fanamby atrehantsika na ireo fahafaha-mitombo omen’izy ireny antsika. Rehefa miaritra amim-paharetana sy amim-pahamarinana isika dia homen’ny Tompo fahatakarana lehibe kokoa momba ireo fitsapana sy ny tanjon’izy ireo eo amin’ny fiainantsika.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Almà 7:11–12.

  2. Araka ny notaterin’i Spencer W. Kimball ao amin’ny Faith Precedes the Miracle (1972), 98. Nampianatra ihany koa i Brigham Young fa: “Ilaina amin’ny famonjena anao ny fitsapana sy ny traikefa nolalovanao” (Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 262).

Hamoaka printy