Fampaherezam-panahy 2024
Miomana ny hiditra sy hitsaoka ao amin’ny tempoly


Miomana ny hiditra sy hitsaoka ao amin’ny tempoly

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 febroary 2024

Loholona Ulisses Soares: Naharay fanontaniana tsara maro izahay izay mifandray aminʼny anankiray aminʼireo lohahevitra ankafizinʼny Filoha Russell M. Nelson dia ny hoe: “fiomanana hiditra ny tempoly sy ny fitsaohana any aminʼny tempoly.”

Rahalahy sy Rahavavy Webb, azonareo zaraina ve ny hevitrareo momba io lohahevitra io koa rehefa avy mihaino ireo fanontaniana voarakitra ireo ianareo?

CANADA EDMONTON—FANONTANIANA 1

Ry Loholona Soares, ny fanontaniako dia hoe, Ahoana no ahafahako miomana ho any aminʼny tempoly vao voalohany sy mandray ireo fanafiana masina ho anʼny tenako?

CANADA EDMONTON—FANONTANIANA 2

Ry Loholona Soares, ahoana no ahafantarako hoe efa vonona handray ny fanafiana masina ho anʼny tenako aho?

CHILIE CONCEPCIÓN—FANONTANIANA 2

Miarahaba anao ry Loholona Soares. Manana fanontaniana iray aho. Ahoana no ataoko mba hanan-danja kokoa amiko sy ho ivonʼny fiainako kokoa ny fandehanana any aminʼny tempoly?

Rahalahy Chad H. Webb: Tena fanontaniana mahafinaritra sy manan-danja tokoa izany.

Ny hevitra voalohany arosoko dia ny fiomanana ara-panahy. Mianara mihaino ny feon’ny Tompo ary araho ireo fitaomana. Miezaha ho madio fitondran-tena ary ialao ireo zavatra izay hametra ny Fanahy eo aminʼny fiainanao. Raha toa ianao ka nanao fahadisoana dia mibebaha ary meteza ho mendrika ho ao an-tranonʼny Tompo. Na taiza na taiza no nisy anao teo aminʼny fiainanao, dia mihatra aminao ny Sorompanavotanʼi Jesoa Kristy. Noho Izy dia afaka ny ho mendrika ianao. Hanampy anao Izy.

Rahavavy Kristi Webb: Ny sosokevitra iray hafa dia ny firesahana momba ny tempoly aminʼny olona ao aminʼny fianakaviana, na aminʼny mpitarika, na aminʼny namana azo itokisana. Masina ny tempoly, saingy tsy tsiambaratolo daholo akory ny zavatra rehetra momba izany, ary afaka miresaka zavatra bebe kokoa momba ny tempoly mihoatra ny zavatra resahintsika indraindray momba izany isika. Ary heveriko fa hanampy izany mialoha sy aorianʼny fandehananao vao voalohany any. Tena tsara ny fananana fanontaniana. Izany no fomba ianarantsika zavatra. Noho izany dia apetraho aminʼolona azonao itokisana sy tia ny tempoly ary mihazona izany ho masina ny fanontanianao. Apetraho aminʼny Tompo aminʼny ankamaroanʼny fotoana ny fanontanianao. Fomba iray tsara indrindra ampianaranʼny Tompo antsika aminʼny alalanʼny fanambarana ny fananana fanontaniana. Ary arakaraka ny fandehananao matetika any aminʼny tempoly no hampianarany zavatra bebe kokoa anao.

Rahalahy Webb: Ny sosokevitra farany dia ny mandalina. Ianaro izay rehetra azonao ianarana momba ny tempoly. Ny ChurchofJesusChrist.org/temples no anisanʼny toerana tsara anaovanao izany, toerana ahafahanao mianatra kokoa mikasika ny fanafiana masina, ny garmentanʼny tempoly, ary indrindra ianarana momba ireo fanekempihavanana tsirairay izay hataonao any aminʼny tempoly. Tena manampy tokoa io tranonkala io.

Rehefa mianatra ianao dia ianaro izay rehetra azonao ianarana momba ny tandindonʼny tempoly. Ho ahy dia anisan’ireo fomba tsara indrindra hiomanana amin’ny fahatakarana ny momba ny tempoly ny fianarana mikasika ny tabernakely fahiny izay voalaza ao aminʼny Testamenta Taloha. Tsy mitovy taminʼny anʼireo andro fahiny ireo tandindonʼny tempoly maoderina, saingy ireo fitsipika sy tanjona dia tena mitovy ary afaka manampy antsika hiomana aminʼilay fotoana hiainantsika manokana ny fandehanana any aminʼny tempoly.

Nanatona ny alitara iray aloha ireo izay niditra tao aminʼny tabernakely fahiny, toerana izay nanoloranʼizy ireo sorona ho tandindonʼny sorona fanavotanʼny Mpamonjy. Nosasana teo aminʼny dobo iray izy ireo sy nohosorana menaka, ary nomena akanjo masina. Nisy ihany koa tao aminʼny tabernakely, efitra lamba antsoina hoe Toerana Masina izay nasianʼizy ireo ny fitoeran-jiro, izay tandindonʼny fiainana miaraka aminʼny Fanahy na ny fahazavanʼ Andriamanitra. Tandindona mitovy aminʼny fanasanʼny Tompo ny latabatra misy ny mofo aseho sy ny divay. Tao koa dia nisy alitara fandoroana ditin-kazo manitra izay maneho ny vavaka. Ny ampahany farany tao aminʼny tabernakely dia ny Fitoerana Masina Indrindra izay nasiana ny Fiaranʼny Fanekena sy ny Rakotra fanaovam-panavotana. Ny mpisorona avo ihany no hany afaka mamakivaky ny voaly miditra mankao ao aminʼny fitoerana Masina Indrindra, ary indray andro ao anatinʼny taona ihany izany dia aminʼny andronʼny Fanavotana. Maneho ny fanjakana telestialy ny kianja ivelany, ny Toerana masina dia maneho ny fanjakana terestrialy ary ilay Fitoerana Masina Indrindra no fanjakana selestialy. Nampianatra anʼi Isiraely fahiny mikasika ny dianʼizy ireo namakivaky ny fiainana an-tany io fandrosoana mamakivaky ny tabernakely io miaraka aminʼilay tanjona faratampony dia ny fidirana eo anatrehanʼ Andriamanitra.

Ao aminʼilay inoako ho anisanʼny tandindona lehibe indrindra teo aminʼny tantaranʼizao tontolo izao, taminʼi Jesoa nohomboana, dia nisy horohoron-tany ary triatra nizara roa ny voaly tao aminʼny tempolinʼi Heroda, izay maneho fa tanteraka taminʼio ny Sorompanavotana, ka samy manana fahafahana daholo ny rehetra hiditra ao aminʼny fanjakana selestialy, na eo anatrehanʼ Andriamanitra.

Na ireo loko tao aminʼny tabernakely aza—ny manga, ny volomparasy, ny mena, ary ny fotsy—dia manana hevitra mifono tandindona. Ny manga matetika dia heverina ho maneho ny lanitra, ny volomparasy dia tandindonʼny fiandrianana fahiny, ny mena dia mampahatsiahy antsika ny ranʼi Jesoa Kristy, ary ny fotsy mazàna dia nampiasaina ho tandindonʼny fahadiovana. Rehefa atambatra eo aminʼireo fefy lambanʼny tabernakely sy ireo salotry ny mpisorona izany dia afaka mampitodika ny saintsika aminʼilay hevitra hoe, aminʼny alalanʼny ranʼny mpanjakanʼny lanitra no hanadiovana antsika.

Izany no antony handehanantsika any aminʼny tempoly—mba hianatra ny fomba hahazoana ny hery fenonʼny sorona fanavotanʼi Jesoa Kristy eo aminʼny fiainantsika. Mianatra isika fa aminʼny alalanʼireo fanekempihavana sy ireo ôrdônansinʼny tempoly, ary aminʼny alalanʼny Mpamonjy no ahafahantsika miomana hiverina eo anatrehanʼ Andriamanitra, madio sy tsy misy tsiny. Mianatra momba anʼi Adama sy i Eva isika any aminʼny tempoly sy ny fomba nandroahana azy ireo niala teo anatrehanʼ Andriamanitra, ary ny fomba niomananʼizy ireo hiverina eo Aminy. Aminʼny alalanʼny tantaranʼizy ireo no ianarantsika ny fomba ahafahantsika miomana aminʼizany andro mahafinaritra izany. Niteny ny Filoha David O. McKay fa ny tempoly “no fiakarana misy ambaratongany mankany aminʼny Fanatrehana mandrakizay. Raha mba afaka manopy maso kely any amin’izany ny tanorantsika, dia izany no ho antony manosika ara-panahy izay mahery vaika indrindra eo aminʼny fiainanʼizy ireo.”

Ka noho izany, rehefa mandeha any aminʼny tempoly ianao dia tadiavo i Jesoa Kristy ary tadiavo ireo zavatra ianaranao mikasika ny fiomanana ho eo anatrehanʼny Ray any An-danitra, dia hiaina zavatra mahafinaritra ianao.

Rahavavy Webb: Azoko valina ve ilay fanontaniana hoe “Ahoana no ahafantarako hoe efa vonona handray ny fanafiana masina ho anʼny tenako aho?”

Ohatra ny mahatonga ahy hieritreritra anʼi Abrahama mpaminany io fanontaniana io. Nisy fotoana teo aminʼny fiainanʼi Abrahama nahatsapany faniriana avy aminʼny fitaomam-panahy hahazo fahazavana sy fahalalana ara-panahy bebe kokoa. Naniry hanana fifandraisana akaiky taminʼ Andriamanitra izy sy fahaiza-manao lehibe kokoa mba hanompoana Azy. Hoy izy ao aminʼny Abraham 1:2: “Ary noho ny fahitana fa nisy fahasambarana sy fiadanana ary fitsaharana bebe kokoa ho ahy taminʼizany, dia nokatsahiko ny fitahianʼireo ray.” Teto Abrahama dia nanoritsoritra ny tenany ho “mpandala ny fahamarinana sady naniry koa ny ho isan’izay nanam-pahalalana be sy ny ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana sy ny hanam-pahalalana bebe kokoa hatrany, sady naniry ny handray toromarika sy ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra.”

Izany no tsapako rehefa nanomboka nieritreritra ny ho any aminʼny tempoly handray ny fanafiana masina ho anʼny tenako aho. Efa nirotsaka tanteraka taminʼny fiainana ny filazantsara aho. Nianatra betsaka avy taminʼny fandalinako soratra masina aho; ary nivoatra sy nanompo tamim-pifaliana tao aminʼny paroasiko. Saingy nahatsapa faniriana lalina aho ny hianatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho ahy. Nihoatra lavitra noho ny fahalianana izany, nahatsapa faniriana mafy aho hianatra ny fomba hanatonana bebe kokoa anʼ Andriamanitra sy ho tonga mpianatrʼi Jesoa Kristy mafy orina kokoa. Tena naniry ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako aho. Nahatsapa ireo namako akaiky sy ny evekako fa efa vonona ny hanao ireo fanekempihavananʼny tempoly aho, ary nanampy ahy izy ireo hiomana handray ny fanafiana masina ho anʼny tenako.

Loholona Soares: Tsara be! Misaotra betsaka noho ireo fanamarihana mahafinaritra nozarainareo ry Rahalahy sy Rahavavy Webb. Ry namako malala, nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fahamendrehan’ny tena manokana mba hiditra ny tranon’ny Tompo dia mitaky fiomanan’ny tena manokana ara-panahy be dia be. … Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia mitaky fiovana tanteraka ao an-tsaina sy ao am-po mba hitovy kokoa amin’ny Tompo, … mba ho ohatra tsara kokoa, ary ho olona masina kokoa.” Noho izany, raha mifantoka amim-pahamarinana aminʼny fiomanantsika hiditra any aminʼny tempoly isika dia hanova ny zavatra iainantsika ao anatinʼny tempoly isika, ary izany dia hanova ny fiainantsika any ivelanʼny tempoly.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Eksodosy 29:4–9.

  2. Truman G. Madsen, “House of Glory” (Brigham Young University ten-stake fireside address, March 5, 1972), 7.

  3. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Ensign na Liahona, nôv. 2019, 121–22.

Hamoaka printy