Fampaherezam-panahy 2024
Fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika


Fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 febroary 2024

Loholona Ulisses Soares: ‘Ndeha ary atombotsika amin’ny lohahevitra voalohany, “fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.”

PEROU HUANCAYO—FANONTANIANA 2

Ry Loholona Soares, ny fanontaniako dia hoe: Ahoana no hamantarantsika hoe lasa matory ara-panahy isika, ary ahoana no ahafahantsika miala amin’izany?

BOLIVIA LA PAZ—FANONTANIANA FAHA 6

Ry Loholona Soares, inona no torohevitra homenao ny tanora izay miaina ny filazantsara, sy mahafantatra ny fahamarinan’izany ao an-tsainy saingy tsy mahatsapa izany ao am-pony?

CHILI CONCEPCIÓN—FANONTANIANA 11

Miarahaba, Loholona Soares. Inona kay no fomba tsara indrindra hanampiana ireo olona akaikin’ny fon’ny tena hiverina eo amin’ny lalan’ny filazantsara rehefa avy nalaindaina an-taonany maro?

Loholona Soares: Ry namako malala isany, ny tena fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara dia fijoroana ho vavolombelona manokana teraka ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay milaza fa marina ireo zava-misy izay manana dikany mandrakizay. Izany tenivavolombelona an’ny tena manokana izany dia mahatonga ny fitsirian’ny faniriana ao anatintsika mba hamerina ny fontsika amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny finoana, fibebahana, fiovam-po, sy fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary fanaovana fanekempihavanana fa hitozo hanaraka Azy mandritry ny diantsika ety an-tany. Mitondra ny fahazavan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny eo amin’ny fiainantsika sy mampifantoka antsika rehetra any amin’ny tanjona iray, dia ny fiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra izany. Ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina no lasa hery manosika antsika hihatsara kokoa eto amin’ity fiainana ity ary zary manda miaro antsika amin’ny fanafihana tsy an-kijanona ataon’i Satana.

Ny Mpamonjy dia nanao fomba ahafahantsika mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy tsy harofy ara-panahy ary tsy hahatonga antsika tsy hiraharaha tsy nahy ny fitaoman’ny Fanahy. Hoy Izy: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.” Ny Tompo Izy Tenany mihitsy no nampanantena fa hitarika antsika amin’izay alehantsika raha manaiky io fanasana io isika.

Taona vitsy lasa izay ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika, no nampianatra ny amin’ny ilantsika mandrehitra ny fahavitrihantsika ara-panahy. Hoy izy: “Tsy mbola nila ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao isika, hanoherana ny hafainganan’ny fitombon’ny ratsy ary ireo famantarana andro maloka.” Nanolotra zavatra dimy voafaritra izy momba ny zavatra azontsika atao izay hanampy antsika hanana fahavitrihana ara-panahy tsara izay afaka ny hiantraika amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireto avy izany: (1) Mandehana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mijanòna eo, (2) Iaino ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro, (3) mianara momba an’ Andriamanitra sy ny fomba fiasany, (4) mikatsaha ary manantenà fahagagana, ary (5) atsaharo ny fifandirana eo amin’ny fiainanao manokana. Ry namako malala isany, araka ny fanaon’ireo mpaminany dia arahina fampanantenana ny fampianaran’izy ireo: “Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo tanjona ireo ianareo dia mampanantena anareo aho fa ho afaka mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianareo miaraka amin’ny fahavitrihana tsy mitsaha-mitombo, na inona na inona sakana atrehanareo. Ary mampanantena aho fa ianareo dia hahazo hery bebe kokoa hanoherana ny fakam-panahy, fiadanan-tsaina bebe kokoa sy fahafahana amin’ny tahotra, ary firaisan-kina bebe kokoa ao amin’ny fianakavianareo.” Izany no nolazain’ny mpaminany.

Ry namako, aseho amin’ny alalan’ny asa ny finoana ary manorina sy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ny asa. Rehefa manao asa am-pinoana isika amin’ireo zavatra izay nampianarin’ny mpaminany malalantsika dia hihamatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ka hohazonintsika ho velona ao anatintsika i Kristy, ary isika dia handeha “ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, … ka mazoto amin’ny fisaorana.” Ankoatra izany, ianareo dia havitrika kokoa amin’ny fiainana ny filazantsara, hahatsapa ny fitarian’ny Fanahy Masina matetika kokoa eo amin’ny fiainanareo, ary ho lasa mahay miarina ara-panahy kokoa sy ho voarao amin’ny tsy firaharahiana ny zava-panahy sy ny fihenan’ny fijoroana ho vavolombelona.

Ry malala, manana teny hanampiana ireo hafa izay namery ny fijoroana ho vavolombelona nananany mba hiverina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ve ianao?

Rahavavy Rosana Soares: Eny. Inoako ary ninoako hatrizay fa ny fomba tsara indrindra hanampiana ny olon-tiana hiverina eo amin’ny lalan’ny filazantsara dia ny mitia tokoa an’ Andriamanitra sy ilay olona ary manao ohatra tsara indrindra araka izay vitanao. Afaka mamporisika azy ireo hanatona an’ Andriamanitra ianao ary mianoka amin’ny fitiavana tonga lafatry ny Mpamonjy kanefa tsy manao fitsarana tsy marina na manambany azy ireo. Arakaraky ny itiavantsika an’ Andriamanitra sy ankatoavantsika ireo didiny no ahatsapantsika fitiavana bebe kokoa an’ilay olona sy aniriantsika azy hianoka amin’ireo fitahian’ny filazantsara na aiza na aiza no ahitany ny tenany eo amin’ny lalan’ny maha mpianatra. Amiko dia mila mahatsapa ho tiana tokoa ny olona na dia manala azy ireo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aza ny fanapahankevitr’izy ireo.

Hamoaka printy