Fampaherezam-panahy 2024
Mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy


Mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 febroary 2024

Loholona Ulisses Soares: Ireo fanontaniana mahafinaritra rehetra nifanakalozantsika hevitra taminʼity hariva ity dia hitondra any amin’ilay lohahevitra tena manan-danja izay narosonareo taminay ho an’ity fampaherezam-panahintsika ity, dia ny hoe: “mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy.”

Alefaso azafady ilay horonan-tsary.

BOLIVIA LA PAZ—FANONTANIANA FAHA-3

Ry Loholona Soares, manana fanontaniana anankiray aho. Ahoana no ahafahantsika, ao anatin’izao tontolo mikorontandrontana izao, manana fahatokiana lehibe kokoa ny Mpamonjy sy mampiely tsara kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy eto amin’ity izao tontolo izao ity?

MEXICO #1—FANONTANIANA FAHA-4

Ry Loholona Soares, ahoana no ahafahako manakaiky ny herin’ Andriamanitra, ka ho afaka ny hanatsara ny fiainako sy hanampy ny hafa aho amin’ny alalan’ny fanaovana izany?

PHILIPPINES CÉBOU—FANONTANIANA FAHA-9

Ry Loholona Soares, te hanontany aho hoe ahoana no fomba hanavahana ilay fikatsahana ny lavorary amin’ilay fanasan’i Kristy mba ho lavorary tahaka Azy?

Loholona Soares: Misaotra betsaka anareo noho ny faniriana tsara anananareo hanaraka ny Mpamonjy izay hita amin’ny alalan’ireo fanontaniana ireo. Mila mahafantatra ianareo fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia mijoro eo am-piandohan’ireo androntsika miaraka amin’ny sandriny feno famindrampo sy mitsotra, vonona sy afaka mandrakotra antsika amin’ny fitiavany. Ny faniriany dia ny mba hahatongavantsika tahaka Azy sy mba hananantsika eritreritra sy hanaovantsika asa mitovy amin’ny Azy satria fantany fa izany no fomba ahazoana fiadanana sy fifaliana maharitra. Noho izany dia manasa antsika foana ny Mpamonjy mba hanakaiky Azy sy hanaraka Azy amin’ny fo manontolo. Diniho ity fanasana natolony izay voarakitra ao amin’ny soratra masina ity:

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.” Rehefa manaiky ireo fanasana ireo isika dia tanterahin’ny Mpamonjy ireo fampanantenany miavaka, ka tafiditra ao anatin’izany ny fandehanana ao amin’ny fahazavany sy ny fahazoana fitarihana manokana eo amin’ny fiainantsika.

Ny fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy dia mitaky antsika mba hampifanaraka ny saintsika sy ny faniriantsika amin’ny Azy. Mba hanatanterahana izany ezaka atao izany dia mila mifofotra mianatra bebe kokoa momba Azy isika, sy mampifanaraka tsy tapaka ny fiainantsika amin’ny filazantsarany ary manao ezaka isan’andro sy amim-pahavitrihana mba hifantoka amin’ny zavatra rehetra izay tsara.

Eo anatrehan’ny ezaka ataontsika mba hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy, dia mety mikorontan-tsaina isika mikasika ny dikan’ny hoe lasa lavorary ao amin’i Kristy sy ny fikatsahana ny lavorary. Afaka mizara zavatra mikasika izany ve ianao ry malala?

Rahavavy Rosana Soares: Eny. Te hamerina ny zavatra nampianarin’ny Loholona Vern Stanfill avy ao amin’ny Fitopololahy mikasika io zavatra io aho. Nilaza izy fa tokony hotsaroantsika fa ny fikatsahana ho tonga lafatra dia tsy mitovy amin’ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy. Ny fikatsahana ny lavorary dia mitaky fenitra tsy azo takarina sy napetraky ny tena manokana izay mampitaha antsika amin’ny hafa. Miteraka fahatsapana ho meloka, sy fiasan-tsaina, ary mety hitarika antsika hisitaka sy hitoka-monina izany.

Ny hoe lasa lavorary ao amin’i Kristy dia zavatra iray hafa. Izy io dia dingana, arahin’ny fitarihana feno fitiavan’ny Fanahy Masina, mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Ireo fenitra dia apetraky ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy feno fahalalana ary voafaritra mazava tsara ao amin’ireo fanekempihavanana izay hanasana antsika mba hataontsika. Rehefa manaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy mba hanatona Azy isika dia hahita vetivety ihany fa izay tsara indrindra avy amintsika dia ampy, fa ny fahasoavan’ilay Mpamonjy be fitiavana dia hitondra fanovana amin’ny fomba tsy haintsika takarina.

Loholona Soares: Ry namako, ny firotsahana hanaraka io lamina io, dia tsy isalasalana, fa fanaovana dingana miandalana mandritra ny androm-piainana ary mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fananana finoana tsotra fotsiny. Saingy rehefa manao izany isika dia hiaina fifaliana, fiadanana, fivoarana ara-panahy, ary ireo toetran’ny Mpamonjy dia afaka ny ho lasa toetrantsika, ary ny endriny dia ho voasokitra eo amin’ny tarehintsika.

Ny fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy dia efa hitako mivantana fa mitondra hery handresena ireo zava-tsarotra, sy fahalemena, ary fahoriana eo amin’ny fiainana, izay faran’izay sarotra zakaina raha tsy misy ny fanampiany sy ny heriny manasitrana. Manana namana iray izay marary mafy aho amin’izao fotoana izao ary ratsiratsy ny valin’ny fitsirihana ilay aretina. Tsy mihotakotaka anefa io namana io eo anatrehan’izany fahatsinjon-javatra izany. Ny hany faniriany dia ny hahafantatra raha toa ka nahery fo tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izy teo amin’ny fiainany. Mazava ho azy amiko fa io namana io dia nampifantoka ny fiainany tamin’ny Mpamonjy ary nahatsapa ilay sandriny mitsotra mamihina azy, indrindra mandritra ny fotoan-tsarotra toy izao.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “[Mitaky] ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny tenin’[ny Mpamonjy], sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.” Tsy misy zavatra manasa ny Fanahy kokoa mihoatra noho ny fibanjinantsika an’i Jesoa Kristy.

Ry namana malalako, hifarana amin’izay raha ny fahalalako azy ilay fiarahantsika niaina zavatra mahafinaritra. Alohan’ny hizarako teny famaranana, dia te hanasa an-dRahalahy sy Rahavavy Webb malalantsika aho ary avy eo ny vady malalako mba hizara fijoroana vavolombelona fohy. Afaka manao izany ve ianareo? Misaotra.

Rahavavy Kristi Webb: Ry anadahy sy rahavavy, tiako i Jesoa Kristy Mpamonjintsika. Nanova ny fiainako ny fahatakarana ilay fitiavany tonga lafatra. Nanova ahy Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Fantatro fa tia antsika tsirairay Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa nanolotra ny ainy mba hanavotana antsika Izy. Manentana ny fanahiko isan’andro ny ohatra nasehony izay maneho fanetrentena, fankatoavana ary fitiavana. Mampianatra ahy ny fomba hatokisana ny Ray any An-danitra sy hanompoana Azy Izy. Izy no fahazavako sy heriko ary fanantenako. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Rahalahy Chad H Webb: Voninahitra ho ahy tokoa ny tafaraka aminareo sy ny Loholona sy ny Rahavavy Soares androany hariva. Tiako hamafisina amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny momba ny antson’ny Loholona Soares amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo azy. Fantatro koa fa ny Filoha Nelson dia mpaminanin’ny Tompo eto an-tany amin’izao fotoana izao. Hamafisiko amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako koa fa tia anareo ny Ray any An-danitra. Manana drafitry ny fahasambarana izay tonga lafatra Izy mba hamonjena sy hanandratana ny zanany. I Jesoa Kristy no ivon’izany drafitra tonga lafatra izany ary izy no Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao. Ohatra tonga lafatra ho antsika Izy. Izy no ilay Kristy velona. Andriamanitry ny fanafahana Izy. Afaka matoky Azy amin’ny fontsika iray manontolo isika. Feno fankasitrahana aho noho ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy sy noho ireo fitahiana rehetra izay azontsika amin’ny alalan’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Rahavavy Soares: Ry namana malalako, feno fankasitrahana an’ilay Andriamanitra izay mandray anjara ao anatin’ireo zavatra madinika eo amin’ny fiainantsika aho. Fantany izay ilaintsika ary ananany ny valin’ireo fanontaniantsika. Ny hany ilaintsika atao dia ny mangataka! Rehefa asehontsika Aminy amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo ny fananantsika faharetana sy ny fankasitrahantsika ary ny finoantsika, dia eo mandrakariva Izy, vonona ny hanampy antsika. Tsy handao antsika na oviana na oviana Izy. Na dia tsy tsapatsika hoe eo aza Izy, dia eo mandrakariva Izy.

Ary ny zavatra manome fanantenana lehibe ahy dia ny fahafantarana fa manana Mpamonjy isika izay mitarika ny Fiangonany ety an-tany amin’ny alalan’ny Filoha Nelson sy ireo mpaminaniny sy mpahita ary mpanambara. Amin’ny anaran’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy