Fampaherezam-panahy 2024
Fijoroana ho vavolombelona farany


Fijoroana ho vavolombelona farany

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 febroary 2024

Amena. Misaotra anao ry malala. Ry tanora namako malala manerana izao tontolo izao, te hijoro ho vavolombelona aminareo aho fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ihany no ahitana fiadanana eo amin’ity fiainana ity. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fatokisantsika Azy dia hampahery antsika hitozo handroso hatrany eo amin’ny fiainana, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra lalovantsika. Miangavy anareo aho hahatsiaro lalandava fa ny fanatonana Azy dia manome antony antsika hanana fanantenana mafy orina ary manome vatofantsika mafy ho an’ny fanahintsika, ka manome antsika fiadanana anaty maharitra sy fitoerana masina ao anatin’ny tontolo mikorontana sy miovaova lava.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mivelatra mitanatana ny sandriny ary vonona ny hamihina antsika amin’ny fitiavany, ary indrindra indrindra rehefa mahatsapa ho very na nohadinoina na navela irery isika. Omby tsara ny sandrin’ny Mpamonjy ny habe sy ny endriky ny fontsika torotoro, ny fiainantsika voadona, sy ny fanahintsika maratra, ary ny saintsika reraka; ny sandriny izay natao manokana sy manolotra izay zavatra ilaintsika tsirairay avy manokana. Velarin’ny Tompo hatrany ny sandriny mba handraisana antsika ao amin’ny sandrim-pitiavany izay maharitra mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa eo akaiky lalandava Izy, miandry antsika amim-paharetana, vonona mandrakariva ny hiaraka handeha amintsika, indrindra rehefa iny trotraka sy mikatsaka fanamaivanana amin’ny enta-mavesatsika iny isika. Manasa anareo aho mba hanatona amim-pahazotoana ny Mpamonjy antsika, sy hikatsaka Azy eo amin’ny fiainanareo, ary hahatsapa ny halalin’ny fitiavany anareo. Rehefa manao izany ianareo dia ho afaka hameno ny fiainanareo amin’ny hazavany ary hiaraka handeha Aminy ianareo.

Mampanantena anareo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika fa raha tsy manilika ilay sandriny mitolotra sy be fitiavana ianareo dia ho feno hipoka ny atifanahinareo manontolo. Mampanantena anareo aho fa rehefa mikatsaka mafy ny Mpamonjy ianareo dia ny heriny manasitrana no hameno ny fanahinareo amin’ny fiadanany, ny hazavany, ny fahatakarany, ny herim-pony, ny fifaliany, ary ny fitiavany.

Ambarako amin’ny fomba manetriketrika aminareo fa velona i Jesoa Kristy ary atolony ny rehetra izay manatona Azy ny fitiavany tonga lafatra. Ity no Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny eto an-tany amin’ity fotoampitantanana farany ity ho fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ambarako ihany koa fa velona Andriamanitra ary tia antsika Izy, nandefa ny Zanany tety amintsika Izy mba hanampy antsika hahita fanantenana sy fiadanana ary fifaliana maharitra. Mahatalanjona ahy ianareo. Manaja anareo izahay, ary tianay ianareo rehetra. Ary lazaiko izany rehetra izany amin’ny anarana masin’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy