Fampaherezam-panahy 2024
Fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika


Fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 18 Febroary 2024

Loholona Ulisses Soares: “Ny fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra ho ahy” no lohahevitsika manaraka.

Rehefa avy mihaino ny fanontanianareo dia te hanasa ny Rahalahy Webb aho mba hizara ny heviny momba io lohahevitra io. Tsy maninona ve izany?

CEBU PHILIPPINES—FANONTANIANA FAHA- 8

Ry Loholona Soares, te hametraka fanontaniana iray aho. Oviana no nahafantaranao manokana fa tena ao anatin’ny antsipirian’ny fiainanao Andriamanitra?

BREZILA—FANONTANIANA FAHA- 3

Ry Loholona Soares, ahoana no fomba ahafantarako fa miaina mifanaraka amin’ireo zavatra andrasan’ny Ray any An-danitra amiko aho ary ankasitrahany ireo safidy ataoko?

Rahalahy Chad H Webb: Ny fotoana voalohany tena nahatsapako izany dia tamin’ny fotoana nandraisako ny tsodranon’ny patriarika. Nanampy ahy ny Fanahy hahafantatra fa nahafantatra ahy ny Tompo ary te hanampy ahy teo amin’ny lafiny rehetra tao amin’ny fiainako Izy. Nanomboka teo ka hatramin’izao dia imbetsaka aho no nahita sy nahatsapa izany. Azo antoka fa fony aho misiônera dia nahita ny tanany teo amin’ny fiainako sy teo amin’ny fiainan’ny olona maro teto Mexique aho. Talohan’ny nanaovako asa fitoriana dia tena saro-kenatra sy natahotra ny hiresaka amin’olona aho. Nitahy ahy tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo nandritra ny asa fitoriana nataoko, ary tena nanova ny fiainako sisa izany.

Ny ohatra tiako indrindra anefa dia ny fomba nanampiany ahy hihaona tamin’i Kristi. Taloha kelin’ny nihaonanay dia nanao fangatahana asa iray tena tiako aho. Tena diso fanantenana aho rehefa tsy nahomby izany ary tsaroako fa nanao vavaka tena tsy nisy fankasitrahana aho, nilaza tamin’ny Tompo fa tsy rariny izany. Diso ny fieritreretako hoe, satria niezaka niaina ny filazantsara aho dia tokony hanome ahy ny zavatra izay tiako Izy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nisy fahagagana nitranga, ary afaka nahazo asa iray hafa aho. Izany asa izany no nitarika ahy hihaona tamin’i Kristi. Tantara lava ilay izy, fa ny zava-misy dia hoe, raha toa ka nizotra araka ny nieritreretako azy ny momba ilay asako voalohany, dia tsy ho tafahaona taminy velively aho. Azoko sary an-tsaina fotsiny izay mety ho noeritreretin’ny Ray any An-danitra nandritra ilay vavaka tsy nisy fankasitrahana nataoko. Mety ho toy izao manaraka izao izany: “Afaka mba manam-paharetana kely ve ianao? Manana drafitra aho. Manana zavatra tsara kokoa ho anao aho raha toa ka matoky ahy fotsiny ianao.” Tena faly aho fa Izy no nitantana ny fiainako fa tsy izaho. Nianatra aho fa mandray anjara ao amin’ny antsipirian’ny fiainantsika Izy, ary afaka manao zavatra betsaka kokoa eo amin’ny fiainantsika Izy mihoatra noho izay vitantsika raha tsy eo Izy. Tsy azoko sary an-tsaina ny fiainako tsy misy an’i Kristi. Tena faly aho fa fantany tsara kokoa noho ny fahafantarako azy ny zavatra izay tena nilaiko. Ny zavatra nianarako dia ny hoe, afaka matoky Azy amin’ny fontsika manontolo isika.

Loholona Soares: Misaotra anao noho ny fampianarana tsara izay nentinao ry Rahalahy Webb. Ry namako malala, tena manana drafitra ho antsika Andriamanitra. Ny fiainana mandrakizay no drafiny. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy sy mandray fanapahankevitra amim-pahamarinana isika, dia afaka mamantatra isika hoe, aiza ho aiza ny fanarahantsika ilay drafitr’ Andriamanitra ho antsika.

Hamoaka printy