2011
Fanoroam-pejin’ ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Nôvambra 2011


Fanoroam-pejin’ ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity dia ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ ireo lahateny tamin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana izay azo ampiasaina amin’ ny fandalinan’ ny tena manokana sy ny takarivan’ ny mpianakavy ary amin’ ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Loholona Richard G. Scott

Nanao firaketana ny Bokin’ i Môrmôna natao tao anaty horonam-peo ho an’ ny fianakaviany i Richard G. Scott.

Loholona José L. Alonso

(14) Nisy ray aman-dreny feno tebiteby izay tsy nahita an-janany lahy tany Mexico City izay toerana feno fiara sy olona mivezivezy.

Filoha Boyd K. Packer

(16) Nandray ny tsodranon’ ny patriarika i Boyd K. Packer.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

(19) Nanampy tamin’ ny fanorenana trano fiangonana iray i Dieter F. Uchtdorf raha tao anatin’ ny fanarahana fiofanana ho mpanamory fiaramanidina ao amin’ ny tafika an’habakabaka izy.

Nitondra hery fitarihana amin’ ny tsara ho an’ ireo manodidina azy ny mpivady mahatoky iray.

Loholona David A. Bednar

(24) Nisahana ny fampianarana ny tantaram-pianakaviana ny tanora ao amin’ ny Fisoronana Aharôna.

Loholona Neil L. Andersen

(28) Nanapa-kevitra ny tsy hampiandry ny fananan-janaka i James O. Mason sy ny vadiny.

Nanangan-jaza ry Scott sy Becky Dorius rehefa 25 taona nivadiana.

Loholona Carl B. Cook

(33) Namporisika an’ i Carl B. Cook i Thomas S. Monson mba hitraka.

Navotsotr’ ireo rahavavy teny amin’ ny lanitra “ireo enta-mavesatra” izay miendrika baolina nabontsina tamin’ ny gaza helium.

Loholona LeGrand R. Curtis Jr.

(35) Nahita fanavotana ireo mpikambana malaina rehefa nasaina mba hiverina any am-piangonana.

Loholona D. Todd Christofferson

(38) Tsaroan’ ilay tafavoaka velona tamin’ ireo vondron’ olona notarihan’ i Donner ilay maraina nahitany ny toeram-piompiana sy fambolen’ i Johnson.

Loholona W. Christopher Waddell

(50) Nifanena tamin’ ilay lehilahy izay nanao batisa ny rainy ilay Misiônera Javier Misiego.

Filoha Henry B. Eyring

(56) Namangy rahavavy iray tao amin’ ny paroasiny ilay zatovolahy Henry B. Eyring sy ny evekany.

Namerina namaky ny boky iray vao nosoratana i Gordon B. Hinckley sy Henry B. Eyring tamin’ ny efa alim-be.

Filoha Thomas S. Monson.

(60) Nihevitra i Thomas S. Monson fa izy no hany mba mpikamban’ ny Fiangonana tany amin’ ilay toeram-piofanana ho miaramila.

Niresaka tamin’ ny olona teny ambonin’ ny fiara fitateram-bahoaka momba ny Fiangonana i Thomas S. Monson.

Filoha Henry B. Eyring

(68) Nandray fitenenana tany amin’ ny oniversite iray i Henry B. Eyring ka nangatahana mba tsy hizara mikasika ny fijoroany ho vavolombelona momba an’ i Jesoa Kristy.

Nentin’ i Henry B. Eyring ireo zanany vavy mba hamangy namana iray efa eo am-bavahoanan’ ny fahafatesana noho ny homamiadana nahazo azy.

Nanao akanjo fitondra Alahady mba handraisana tsodranon’ ny fisoronana ny lehilahy iray eo am-bavahoanan’ny fahafatesana.

Taona maro taorian’ ny nialany tao an-trano dia namaky ny Bokin’ i Môrmôna ny lehilahy iray ary nahazo fijoroana ho vavolombelona.

Loholona Tad R. Callister

(74) Nijoro ho vavolombelona tamin’ ny namany anankiray momba ny fahamarinan’ ny Bokin’ i Môrmôna ny zatovovavy iray.

Filoha Thomas S. Monson.

(82) Nianatra momba ny herin’ ny vavaka i Thomas S. Monson taorian’ ny nahitany ilay vola dimy dôlara izay noheveriny ho very.

Nisy zavatra nanosika an’ i Thomas S. Monson mba hanambara ny fandraisan’ i Peter Mourik fitenenana nandritra ny fitokanana ny Tempolin’ i Frankfort Allemagne.

Loholona Russell M. Nelson

(86) Nanome lanja lehibe ny fanambadian’ izy ireo tany amin’ ny tempoly ny Rosiana roa niova fo.

Loholona Randall K. Bennett

(98) Tsy noraharahian’ i Randall K. Bennett ilay fampitandremana mikasika ilay koriandrano maherin’ ny ranomasimbe.

Loholona J. Devn Cornish

(101) Nahita 25 cents tamin’ ny fomba mahagaga i J. Devn Cornish ho valin’ ny vavaka nataony.

Loholona Quentin L. Cook

(104) Nofoanan’ i Alma Sonne ireo famandrihan-toerana handehanana amin’ ny Titanic.

Maty tao anatin’ ny Titanic i Irene Corbett.

Silvia H. Allred

(114) Nampaherezin’ ireo mpamangy isan-tokantrano ny rahavavy iray izay nianjadian’ ny aretina maro.

Niova fo ny lehilahy iray rehefa nanompo ny fianakaviany ireo mpamangy isan-tokantrano.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

(120) Lasa nangatsiaka ny vehivavy iray satria tsy nanambady sy tsy nanan-janaka izy.

Hamoaka printy