2011
Ho Avy ny Andro
Nôvambra 2011


Ho Avy ny Andro

Miara-talanjona aminareo aho mahita ity asa ity mandroso, amin’ny fomba mahagaga sy amin’ny fomba mahavariana ary amin’ny fomba tsy toha

Elder L. Whitney Clayton

Nanompo nandritra ny volana maromaro tany amin’ ireo faritra afovoan’ ny tanànan’ i Lima, Pérou aho fony aho nanao asa fitoriana. Noho izany dia imbetsaka aho no namakivaky ny kianja Plaza de Armas ao Lima. Ny Lapam-panjakana, izay fonenana ôfisialy sy birao hiasan’ ny filohan’ i Pérou, dia eo anoloan’ io kianja io. Izaho sy ireo namana mpiara-nitory tamiko dia nanasa olona teo amin’ io kianja io handre ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny. Natetika aho no nanontany tena tamin’ izany fotoana izany hoe manao ahoana re izany hoe miditra ny lapa izany, saingy ny eritreritra ny hanatanterahana izany indray andro any dia toa mbola lavitra ery.

Tamin’ ny taon-dasa izaho sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’ olona vitsivitsy hafa, dia nihaona tao amin’ ny Lapam-panjakana tamin’ i Alan García, izay Filohan’ i Pérou tamin’ izany fotoana izany. Naseho taminay ireo efitrano tsara tarehy ary noraisin’ ny Filoha García tamin’ ny fomba feno fanajana izahay. Ireo fanontaniana nanitikitika ny saiko mahakasika ilay lapa fony aho mpitory filazantsara mbola herotrerony dia voavaly tamin’ ny fomba iray izay tsy ho azoko nonofinofisina hoe ho azo tanterahana akory tamin’ ny 1970.

Efa niova ny tany Pérou hatramin’ ny fotoana naha-mpitory filazantsara ahy, indrindra indrindra teo amin’ ny Fiangonana. Tamin’ izany fotoana izany dia nisy mpikamban’ ny Fiangonana teo amin’ ny 11.000 teo tany ary Tsatòka iray monja. Ankehitriny dia misy mpikambana mihoatra ny 500.000 any, ary manakaiky ny 100 ny isan’ ireo tsatòka. Tany amin’ ireo tanàna fahiny izay tsy nisy afa-tsy vondrona mpikambana vitsy dia vitsy, ankehitriny dia tsatòka mavitrika maromaro no hita ary trano fiangonana manintona ny maso no mandravaka ny tanàna. Zavatra mitovy amin’ izany koa no nitranga tany amin’ ny firenena maro hafa manerana an’ izao tontolo izao.

Io fitomboan’ ny Fiangonana tena niavaka io dia mendrika ny asiam-panazavana. Ny hanombohantsika azy dia faminaniana iray ao amin’ ny Testamenta Taloha.

I Daniela dia Hebreo iray nandevozina tany Babylona. Nahazo fahafahana izy hanazava ny nofy izay nahazo an’ i Nebokadnezara Mpanjaka. Nangatahan’ i Daniela Andriamanitra mba hanambara aminy ilay nofy sy ny fanazavana azy, ary dia voavaly ny vavaka nataony. Hoy izy tamin’ i Nebokadnezara hoe: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. … Ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao.” Nambaran’ i Daniela fa ny mpanjaka dia nahita sary mampitahotra izay nanana loha, tratra, sandry, ranjo ary tongotra. Nisy vato voaendaka avy tamin’ ny tendrombohitra iray nefa tsy nendahan-tanana ary nikodia sady nihanitombo tsikelikely ny habeny. Ary namely ilay sary io vato io ary nahatorotoro azy, “ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.”

Nazavain’ i Daniela fa ilay sary dia tandindon’ ireo fitondrana ara-politika ho avy “ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka [ho avy] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay: … , fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, “fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”1

Izao isika dia hitodika amin’ ny soratra masina iray avy amin’ ny vanim-potoana akaiky kokoa. Ny anjely Môrônia dia niseho voalohany tamin’ i Joseph Smith tamin’ ny 1823 ary nilaza taminy fa “manana asa ampanaovina [azy] Andriamanitra, fa ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anara[ny].”2 Azo antoka fa tsy maintsy ho nanaitra an’ i Joseph, izay vao 17 taona monja ilay hafatr’ i Môrônia.

Tamin’ ny 1831, dia nolazain’ ny Tompo i Joseph fa ireo fanalahidin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia efa “nankinina amin’ ny olona eto an-tany.” Nilaza Izy hoe “hikodiadia hatrany am-paran’ ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana … ambara-pamenoany ny tany manontolo,”3 tsy misy hafa amin’ izay nolazain’ i Daniela tamin’ i Nebokadnezara.

Tamin’ ny 1898 dia notantarain’ ny Filoha Wilford Woodruff ny zavatra niainany fony izy mpikambana vaovao tamin’ ny taona 1834, nandritra ny fivoriana iray tao amin’ ny fisoronana tany Kirtland. Nitantara izy hoe: “Nanao antso avo tamin’ ny olona rehetra izay nihazona Fisoronana ny Mpaminany mba hivondrona tao anatin’ ilay trano fianarana vita tamin’ ny vatan-kazo izay nisy teo. Trano kely izy io, angamba teo amin’ ny 4.3 metatra mahery kely teo ny lafiny. … Rehefa tafangona izahay dia nanao antso avo tamin’ ireo Loholon’ i Isiraely ny Mpaminany … mba hijoro ho vavolombelona mikasika ity asa ity. … Rehefa nahavita izy ireo dia nilaza ny Mpaminany hoe ‘Ry Rahalahy, tena nanome hery ahy sy nianarako zavatra betsaka ny fijoroanareo ho vavolombelona teto androany hariva, fa tiako ny hilaza aminareo eo anatrehan’ ny Tompo fa tsy mahafantatra mihoatra noho ny tsy fahafantaran’ ny zazakely eo ampofoan-dreniny ny hoaviny ianareo raha ny mikasika ny hiafaran’ ity Fiangonana sy fanjakana ity. Tsy takatrareo izany. … Olona vitsy kely ao amin’ ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia hanenika ny Amerika Avaratra sy Atsimo—hameno an’ izao tontolo izao izy ity.’”4

Ireo faminaniana ireo izay milaza:

  • fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia hameno ny tany, toy ny vato nendahina avy tamin’ ny tendrombohitra;

  • fa ny anaran’ i Joseph Smith dia ho fantatra maneran-tany; ary

  • ny Fiangonana dia hameno an’ i Amerika sy hameno an’ izao tontolo izao

dia mety toa mampihomehy raha 170 taona tany aloha tany. Ilay vondrona mpino vitsivitsy, izay nitrongy vao homana tany amin’ ny sisintanin’ i Amerika ary nifindra monina handositra ny fanenjehana, dia tsy nanana ny endrik’ ilay fototry ny finoana iray izay hiampita sisintany iraisam-pirenena ary hiditra ao amin’ ny fon’ olona any amin’ ny toerana rehetra.

Kanefa dia izany tokoa no nitranga. Mamelà ahy ianareo hanome ohatra.

Tamin’ ny andro Krismasy tamin’ ny 1925, tany Buenos Aires, Argentine, dia notokanan’ ny Loholona Melvin J. Ballard ho an’ ny asa fitoriana filazantsara ny kaontinanta Amerika Atsimo manontolo. Tamin’ ny Aogositra 1926 dia olona niova fo vitsivitsy no natao batisa. Izy ireo no mpikambana voalohany tato amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany izay vita batisa tany Amerika Atsimo. 85 taona lasa no nitrangan’ izany, mitovitovy amin’ ny halavan’ ny andro iainan’ ny ankamaroan’ ireo izay mihaino ny fihaonambe ankehitriny.

Misy tsatòkan’ i Ziona 23 ao Buenos Aires ankehitriny, ary tsatòka am-polony sy mpikamban’ ny Fiangonana an’ alin-kisa any amin’ ireo tanàna rehetra manerana an’ i Argentine. Amin’ izao fotoana izao dia ahitana tsatòka mihoatra lavitra noho ny 600 isa ary mpikamban’ ny Fiangonana an-tapitrisa maromaro manerana an’ i Amerika Atsimo. Raha jerena dia manenika an’ io kaontinanta io tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny anaran’ i Joseph Smith dia miely, na amin’ ny alalantsika izany na amin’ ny alalan’ ireo mpitsikera azy, any amin’ ireo firenena izay mety tsy mbola henony akory ny fisiany nandritra ny androm-piainany manontolo.

Manakaiky ny 3.000 ny isan’ ireo tsatòkan’ ny Fiangonana maneran-tany ankehitriny, avy any Boston ka hatrany Bangkok, ary avy any Mexico ka hatrany Moscou. Manakaiky ny 29.000 ny isan’ ny paroasy sy sampana. Any amin’ ny firenena maro dia misy tsatòka maro efa matanjaka, ahitana mpikambana izay olona niova fo ny razambeny. Any amin’ ny firenena hafa indray dia vondrona mpikambana vaovao vitsy kely no mivory ao anaty trano hofaina, ka mandrafitra sampan’ ny Fiangonana kely dia kely. Isan-taona dia mihamiparitaka lavidavitra kokoa hatrany maneran-tany ny Fiangonana.

Ireo faminaniana ireo izay mikasika ny famenoana ny tany sy ny ho fantatra manerana an’ izao tontolo izao dia: Mahatsikaiky ve? Angamba. Toa tsy ho tanteraka ve? Ho tanteraka tsy amim-pisalasalana. Tsy mety ho tanteraka ve? Tena tsia avy hatrany. Eo an-dalam-pahatanterahana eo imasontsika izany.

Nanamarika ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Nolazaina indray mandeha fa tsy milentika mihitsy ny masoandro eo amin’ ny fanjakana anjakan’ ny Amperora Britanika. Ankehitriny dia efa lefy izany fanjakana izany. Fa marina kosa ny hoe tsy milentika mihitsy ny masoandro eo amin’ ity asan’ ny Tompo ity araka ny hidirany eo amin’ ny fiainan’ ny olona maneran-tany.

“Ary vao fiantombohany fotsiny izao. Mbola zara raha nanomboka nahavita ny asa rehetra izay ho tanterahantsika isika. … Tsy misy sisintany mametra ny fanaovana ity asa ity. … Ireny firenena izay mbola mikatona ho antsika ireny dia hisokatra indray andro any.”5

Ankehitriny dia hitantsika fa mihamanakaiky ny fahatanterahan’ ny faminaniana iray ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna:

“Ary … ny zavatra hitranga dia hanakombona ny vavany ireo mpanjaka; fa izay tsy nolazaina taminy no ho hitany; ary izay tsy reny no hosaintsaininy.

“Fa amin’ izany andro izany, noho ny Amiko dia hanao asa iray ny Ray, izay ho asa lehibe sy mahatalanjona eo anivony.”6

Ity asan’ ny Tompo ity dia tena lehibe sy mahatalanjona tokoa, saingy amin’ ny ankapobeny dia mandroso tsy tsikaritry ny ankamaroan’ ireo mpitondra pôlitika, sy ara-kolotsaina ary ara-pahalalana eto amin’ ny zanak’ olombelona. Mivoatra ao anatin’ny fo iray sy fianakaviana iray isaky ny mandeha izany, amim-pahanginana sy amim-pilaminana, ary ny hafatra masina entiny dia mitahy ny olona na aiza na aiza.

Andininy iray ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna no manome ny fanalahidy iray mahatonga izany fitomboana mahagaga misy eo amin’ ny Fiangonana izany. “Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ho avy ny fotoana, ka ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ ny firenena, ny foko sy samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.”7

Ny hafatra manan-danja indrindra entintsika, izay sady nampiandraiketin’ Andriamanitra no nandidiany antsika ny hitondra izany na aiza na aiza maneran-tany, dia ny hoe misy ny Mpamonjy. Niaina tamin’ ny mitataovovonan’ ny fotoana Izy. Nanonitra ny fahotantsika Izy, nohomboana, ary nitsangana tamin’ ny maty. Izany hafatra tsy manam-paharoa izany, izay toriantsika omban’ ny fahefan’ Andriamanitra, no tena antony mahatonga an’ ity Fiangonana ity hitombo tahaka izao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa niseho tamin’ i Joseph Smith Izy, niaraka tamin-dRainy. Teo ambany fitarihan’ ny Ray Izy no namerina indray ny Filazantsarany teto an-tany. Nandefa apôstôly sy mpaminany Izy, sy ny fanalahidin’ ny fisoronana ho eto an-tany indray. Mitarika ny Fiangonany Izy amin’ ny alalan’ ny mpaminany velona iray, dia ny Filoha Thomas S. Monson. Ny Fiangonany no ilay vato nendahina avy tamin’ ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana izay mikodiadia mandroso manerana an’ izao tontolo izao.

Velom-pankasitrahana isika noho i Joseph Smith, ary mandinika amim-pitalanjonana ny fanajana ny anarany sy, eny, ny fitenenan-dratsy bebe kokoa izany hatrany maneran-tany. Saingy miaiky isika fa ity asa lehibe amin’ ny andro farany ity dia tsy mikasika ny momba azy. Fa asan’ Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanany, ilay Andrian’ ny Fiadanana. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpamonjy ary miara-talanjona aminareo aho mahita ity asa ity mandroso amin’ny fomba mahagaga sy amin’ny fomba mahavariana ary amin’ny fomba tsy toha. Marina tokoa fa “[tonga] ny fotoana, ka ny fahalalana ny Mpamonjy … dia [m]iely patrana eran’ ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.” Mijoro ho vavolombelona aho momba Azy, ilay Mpamonjy ny zanak’ olombelona, sy momba ity asa ity, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.