2011
Aza Hadino Aho
Nôvambra 2011


Aza Hadino Aho

Ny vavaka sy ny tsodrano ataoko dia ny tsy hanadinoanareo na oviana na oviana fa tena zanakavavy sarobidy ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo.

President Dieter F. Uchtdorf

Ry anabaviko malala isany, tena mahafaly ny miaraka aminareo eto anio. Tsy andriko foana ny hanatrehana ity fivoriamben’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fanao isan-taona ity sy hihaino ireo hafatra tena tsara zaraina mandritra izany. Misaotra ranabavy isany! Voninahitra lehibe ho ahy ny fanendren’ ny Filoha Thomas S. Monson ahy mba handray fitenenana androany ary hitondra hevitra vitsivitsy ho an’ ireo rahavavy ato am-piangonana.

Fotoana elaela izay dia nandehandeha teny amin’ ny zaridaina mahafinaritra iray izahay mivady sy ny zanakay vavy. Talanjona aho tamin’ ny hakanto sy hatsaran’ ny fahariana nataon’ Andriamanitra. Tsikaritro teo anivon’ ireo zavamaniry tsara tarehy izay nandrobona ny voninkazo faran’ izay kely indrindra. Fantatro ny anaran’ ilay voninkazo satria mbola zaza aho dia efa nanana fifandraisana miavaka tamin’ izany. Antsoina hoe aza-hadino-aho, izany voninkazo izany.

Tsy fantatro loatra ny antony nitiavako ity voninkazo kely ity nandritra izay taona maro izay. Tsy tonga dia mahasarika ny maso izany ary mora tsy hita ao anatin’ ireo voninkazo lehibe kokoa sy milokoloko. Kanefa tena manana ny hatsarany izany, amin’ ilay lokony marevaka izay mitovy amin’ ny habakabaka manga indrindra—angamba antony iray hafa itiavako azy tokoa izany.

Ary mifono fitalahoana koa ny anarany. Misy angano Alemana iray izay milaza fa rehefa avy nanome anarana ireo zavamaniry rehetra Andriamanitra dia nisy iray hadino. Nisy feo kely niteny hoe: “Aza hadino aho ry Tompo ô!” Ary dia namaly Andriamanitra hoe izay no hatao anarany.

Anio hariva aho dia te-hampiasa izany voninkazo kely izany ho fanoharana. Ireo felana dimin’ ilay voninkazo kely aza-hadino-aho dia manosika ahy hilaza zavatra dimy izay tokony tsy ho hadinointsika velively.

Voalohany, aza hadino ny manana faharetana amin’ ny tenanao.

Te-hilaza zavatra aminareo aho izay antenaiko fa ho raisinareo amin’ ny lafiny tsara: Fantatr’ Andriamanitra tsara fa na izaho na ianareo dia tsy tonga lafatra.

Mamelà ahy koa hilaza hoe: Fantatr’ Andriamanitra tsara fa ireo olona izay heverinareo fa tonga lafatra dia tsy araka izany.

Kanefa isika dia mandany fotoana sy hery be dia be mampitaha ny tenantsika amin’ ny hafa—mazàna mampitaha ny fahalementsika amin’ ny tanjaka ananan’ izy ireo. Izany dia mahatonga antsika hanery ny tenantsika hahavita zavatra izay tsy ho azo tanterahina mihitsy. Vokatr’ izany dia tsy mba maneho fankasitrahana velively ireo ezaka tsara vitantsika isika, satria toa tsy manan-danja loatra izany raha oharina amin’ ny zava-bitan’ ny olona sasany.

Manana ny tanjany sy ny fahalemeny ny olona rehetra.

Mahafinaritra fa manana tanjaka ianareo.

Ary lafiny iray tafiditra ao anatin’ ny fiainanareo eto an-tany ny fanananareo fahalemena.

Andriamanitra dia te-hanampy antsika hanova ireo fahalementsika ho lasa tanjaka amin’ ny farany,1 kanefa fantany fa tanjona lavitr’ ezaka izany. Tiany ho lasa tonga lafatra isika,2 ary raha mijanona amin’ ilay lalan’ ny maha-mpianatra antsika isika dia ho tanteraka izany indray andro any. Tsy maninona akory raha mbola tsy tonga lafatra ianareo. Tohizo ny fiezahana ho tonga amin’ izany saingy atsaharo ny fanamelohana ny tenanareo.

Ry anabavy malala isany, maro aminareo no maneho fangorahana sy faharetana tsy misy fetra eo anatrehan’ ireo fahalemen’ ny hafa. Tsarovy koa fa tokony hanana fangorahana sy faharetana amin’ ny tenanareo ianareo.

Amin’ izao fotoana izao aloha dia aoka ianareo ho feno fankasitrahana noho ireo fahombiazana madinidinika rehetra ao an-tokantranonareo, noho ny fifandraisana misy eo amin’ ny fianakavianareo, ny fianarana vitanareo sy ny asa fivelomanareo, ary ny fandraisanareo anjara ato am-piangonana sy ny fivoaran’ ny tenanareo manokana. Toy ireo voninkazo aza-hadino-aho, dia mety ho bitika aminareo ireo fahombiazana ireo ary mety tsy ho tsikaritry ny hafa akory, kanefa hitan’ Andriamanitra izy ireo ary tsy bitika eo anatrehany. Raha toa ka eritreretinareo hoe ny raozy tonga lafatra indrindra sy ny orchidée tena tsara tarehy ihany no fahombiazana, dia mety tsy hiaina ny sasany amin’ ireo toe-javatra izay mamy indrindra eo amin’ ny fiainana ianareo.

Ohatra, ny mikiribiby mba hananana takarivan’ ny mpianakavy amin’ ny “endriny tonga lafatra” isan-kerinandro—na dia miteraka fahoriana ho anareo sy ireo olona manodidina anareo aza ny fanaovana izany—dia mety tsy ho ilay safidy tsara indrindra. Fa aleo manontany tena hoe: “Inona no zavatra azonay atao amin’ ny maha-fianakaviana izay mampifalifaly sy masina ary mampifanatona anay?” Ny takarivan’ ny mpianakavy toy izany—na dia mety ho tsotsotra aza ny halavany sy ny fomba fanatanterahana azy—dia mety hitondra vokatra tsara lavitra sy maharitra kokoa.

Lava ny diantsika mankany amin’ ny fahatanterahana kanefa afaka mahita zava-mahatalanjona sy fahafinaretana isika eo amin’ ireo dingana faran’ izay bitika ao anatin’ izany dia izany.

Faharoa, aza hadino ny maha-samihafa ny fahafoizan-tena tsara sy ny fahafoizan-tena miendrika hadalana.

Ny fahafoizan-tena azo ekena dia rehefa mahafoy zavatra tsara iray ho an’ ny zavatra iray manan-danja lavitra kokoa isika.

Fahafoizan-tena tsara ohatra ny fanapahana kely ny torimaso mba hanampiana ankizy iray izay nanofy ratsy. Haintsika rehetra izany. Ny fiaretan-tory mandritra ny alina, izay mampidi-doza ny fahasalamantsika, mba hanamboatra ravaka tsara tarehy ho an’ ny akanjo Alahadin’ ny zanatsika vavy iray dia mety tsy ho tena fahafoizan-tena tsara.

Ny fanokanana ny sasany amin’ ny fotoanantsika mba handalinana ny soratra masina na hiomanana amin’ ny fampianarana lesona iray dia fahafoizan-tena tsara. Mety tsy ho fahafoizan-tena tsara kosa ny fandaniana ora maro hanjairana ny lohatenin’ ny lesona eo amin’ ny fitoerana tavim-boninkazo vita tanana ho an’ ireo mpikambana tsirairay ao amin’ ny kilasinareo.

Samy hafa ny olona rehetra sy ny toe-javatra iainana rehetra, ary ny fahafoizan-tena tsara iray amin’ ny tranga iray dia mety ho hadalana amin’ ny tranga hafa.

Ahoana no ahafahantsika manambara ny fisian’ izany fahasamihafana izany eo amin’ ny toe-javatra iainantsika manokana? Afaka manontany tena isika hoe: “Moa ve manokana ny fotoanako sy ny heriko amin’ ireo zavatra izay manan-danja indrindra aho?” Betsaka tokoa ireo zavatra tsara azo atao, kanefa tsy afaka manao azy rehetra isika. Tena faly ny Raintsika any an-danitra rehefa mahafoy zavatra tsara ho an’ ny zavatra iray izay lehibe lavitra kokoa isika raha jerena amin’ ny fomba fijery mandrakizay. Indraindray izany dia mety hidika mihitsy aza hoe mikolokolo voninkazo aza-hadino-aho, izay kely nefa tsara tarehy, toy izay zaridaina lehibe ahitana voninkazo vahiny maro.

Fahatelo, aza hadino ny mifaly amin’ izao fotoana izao.

Ao amin’ ilay tantara be mpitia ho an’ ny ankizy mitondra ny lohateny hoe: Charlie and the Chocolate Factory [I Charlie sy ilay Orinasa mpamokatra Sôkôlà], dia nanafina taratasy mifono vintana tsara tao anatin’ ny vongan–tsôkôlà dimy i Willy Wonka ilay mpanao sôkôla manan-toetra miafina, ary nanambara fa ireo izay mahita iray amin’ ireo taratasy kely dia mahazo valisoa hitsidika ny orinasany ary hahazo sôkôlà foana mandritra ny androm-piainany.

Voasoratra teo amin’ ilay taratasy tsirairay mifono vintana tsara ity hafatra ity: “Miarahaba anao ry tsara vintana, izay nahita ity taratasy mifono vintana tsara … ity! Zavatra mahatalanjona maro no natokana ho anao! Maro ireo fanomezana tsy ampoizina izay tena tsara miandry anao! … Fanomezana tsy ampoizina mifono mistery sy mahagaga … izay hafaly.”3

Miezaka mikaroka mafy ilay taratasy mifono vintana tsara ireo olona rehetra manerana an’ izao tontolo izao ao anatin’ io tantara malaza ho an’ ny ankizy io. Ny sasany dia mahatsapa fa ny fahasambaran’ izy ireo iray manontolo amin’ ny ho avy dia miankina amin’ ny fahazoana eo an-tanany na tsia ilay taratasy mifono vintana tsara. Ao anatin’ izany tebitebin’ izy ireo izany dia manomboka adinon’ ireo olona ny fifaliana tsotra izay fahitany mahazatra ao anatin’ ny vongan-tsôkôlà iray. Lasa fahadisoam-panantenana tanteraka ilay vongan-tsôkôlà rehefa tsy ahitana ilay taratasy mifono vintana tsara.

Maro dia maro ny olona amin’ izao fotoana izao no miandry ilay taratasy mifono vintana tsara ho azy ireo—ilay taratasy izay inoan’ izy ireo fa fanalahidin’ ny fahasambarana izay efa nofinofisin’ izy ireo hatrizay. Ho an’ ny sasany, ilay taratasy mifono vintana tsara dia fanambadiana tonga lafatra; ho an’ ny hafa dia trano tsara tarehy izay mendrika ny ho atao eo amin’ ny fonon’ ny gazetiboky iray; na koa mety ho fahafahana amin’ ny adin-tsaina na ahiahy.

Tsy misy maha-ratsy ny faniriana zavatra tsara—manantena sy mikatsaka ireo zavatra izay “mendrika, maha-te-ho tia, tsara na mendri-piderana” isika.4 Tonga ny olana rehefa ahemotsika ny fahasambarana tokony ho azontsika noho ny fiandrasantsika ny hitrangan’ ny zavatra iray—ilay taratasy mifono vintana tsara ho antsika—amin’ ny ho avy.

Nisy vehivavy iray nanam-paniriana mafy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny hanambady lehilahy marina iray mpihazona ny fisoronana any amin’ ny tempoly sy ho lasa reny ary vady. Nanonofy an’ izany foana izy nandritra ny fiainany, ary oay! Tena ho reny sy vady be fitiavana tokoa izy. Ho heniky ny hatsaram-panahy mifono fitiavana ny tokantranony. Tsy hisy teny ratsy hivoaka na oviana na oviana ao. Tsy ho may mihitsy ny sakafo. Ary ireo zanany dia hisafidy ny hanokana ireo takarivany sy ny faran’ ny herinandrony hiaraka amin’ i Dada sy Neny toy izay handany andro hiaraka amin’ ireo namany.

Izany no ilay taratasy mifono vintana tsara ho azy. Izany no zavatra iray izay tsapany fa hiankinan’ ny fiainany iray manontolo. Izany no hany zavatra iray teto amin’ izao tontolo izao izay tena niriany mafy indrindra.

Kanefa tsy tanteraka mihitsy izany. Ary rehefa nandeha ny taona dia lasa nihanitokantokana sy nihakizitina ary nihatezi-dava mihitsy aza izy. Tsy azony an-tsaina mihitsy ny antony tsy nanatanterahan’ Andriamanitra ilay faniriany ara-drariny.

Mpampianatra tany amin’ ny sekoly ambaratonga fototra izy, ary ny fiarahany tamin’ ny ankizy nandritra ny tontolo andro dia nampahatsiahy azy tsotra fotsiny fa tsy niseho velively ilay taratasy mifono vintana tsara ho azy. Rehefa nandeha ny taona dia lasa diso fanantenana sy nitokantokana bebe kokoa izy. Tsy tian’ ny olona ny miaraka aminy ary nihataka taminy izy ireo raha mbola azon’ ireo natao. Navoakany teo amin’ ireo ankizy tany an-tsekoly mihitsy aza ny fahasorenany. Lasa tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony izy ary lasa niverimberenan’ ny fahatsapana hatezerana mahery vaika sy fanirery mafy.

Ny zavatra mampalahelo amin’ ity tantara ity dia ity vehivavy ity, tao anatin’ ny fahadisoam-panantenany tanteraka noho ny tsy fahazoana ilay taratasy mifono vintana tsara, dia tsy nahatsikaritra ireo fitahiana izay efanananany. Tsy nanan-janaka izy tany an-tranony, saingy voahodidin’ izy ireo izy tany an-dakilasy. Tsy nanana fianakaviana izy, kanefa nomen’ ny Tompo tombontsoa iray izay vitsy ihany no manana azy—dia ny fahafahana mitondra zavatra tsara eo amin’ ny fiainan’ ny ankizy sy fianakaviana an-jatony amin’ ny maha-mpampianatra azy.

Ny lesona eto dia ny hoe raha toa isika ka mandany ny fotoanantsika amin’ ny fiandrasana hahazo raozy mahagaga dia mety tsy hahita ny hatsarana sy ny hakanton’ ireo voninkazo aza-hadino-aho, izay feno manodidina antsika.

Tsy milaza akory izany fa tokony hanary fanantenana isika na hanamaivan-danja ny tanjontsika. Aza mitsahatra miezaka manao ny tsara indrindra ao anatinareo. Aza mitsahatra manantena ireo faniriana ara-drariny rehetra ao am-ponareo. Kanefa aza mandà ny hijery na hiaina ny hatsaran’ ireo zava-miseho mahazatra isan’ andro izay tsotra sy kanto, izay miteraka fananana fiainana feno sy mandeha araka ny tokony ho izy.

Ireo olona izay sambatra indrindra fantatro dia tsy ireo izay nahita taratasy mifono vintana tsara ho azy, fa ireo izay nahita sy nankafy, tao anatin’ ny fanatratrarana tanjona mendrika, ny hatsaran’ ny zava-miseho isan’ andro. Izy ireo no ireo izay niezaka tsikelikely nanao izay ananana fahatsapana fankasitrahana sy fahatalanjonana nandritra ny fiainan’ izy ireo. Ireo no olona tena faly tokoa.

Fahaefatra, aza hadino ilay hoe “nahoana” ao amin’ ny filazantsara.

Indraindray isika rehefa variana amin’ ny fahazarana fotsiny eo amin’ ny fiainana, dia lasa manadino tsy nahy ilay lafiny tena manan-danja ao amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, toy ireo olona izay mety tsy mahita ilay voninkazo aza-hadino-aho, izay tsara tarehy sy kanto. Ao anatin’ ireo ezaka mavitrika ataontsika mba hanatanteraka ireo adidy sy zavatra tsy maintsy atao rehetra takiana amintsika amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonana antsika, dia indraindray isika mandray ny filazantsara ho toy ny lisitra lavabe anankiray ahitana andraikitra izay mbola tsy maintsy ampidirintsika ihany koa ho fanampin’ ilay lisitry ny “zavatra atao” izay lava izay tsy izy tokoa, ary toy ny ampaham-potoana izay tsy maintsy ampidirina tsotra izao ao anatin’ ny fandaharam-potoanantsika izay efa tery. Isika dia mifantoka amin’ ny hoe inona no tian’ ny Tompo hataontsika ary ahoana no mety hanaovantsika izany, saingy indraindray dia adinontsika ny hoe nahoana no manao izany isika.

Ry anabaviko malala isany, ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia tsy hoe zavatra tsy maintsy atao. Izany dia lalana nosoritan’ ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, izay mitondra amin’ ny fahazoana fahasambarana sy fiadanana eto amin’ ity fiainana ity ary voninahitra sy fahatanterahana tsy hay lazaina any amin’ ny fiainana ho avy. Ny filazantsara dia fahazavana izay miditra eto amin’ ny fiainana an-tany ary manazava ny lalana eo anoloantsika.

Raha toa ka ilaina ny fahatakarana ny hoe “inona” sy ny hoe “ahoana” mikasika ny filazantsara, dia avy amin’ ny hoe “nahoana” kosa no ivoahan’ ny afo sy ny voninahitra mandrakizain’ ny filazantsara. Rehefa takatsika hoe nahoana ny Raintsika any an-danitra no nanome antsika ity drafi-piainana ity, rehefa tsaroantsika hoe nahoana isika no manolo-tena mba hanao izany ho toy ny ampahany amin’ ny fototry ny fiainantsika, dia hitsahatra tsy ho enta-mavesatra intsony ny filazantsara fa ho lasa fifaliana sy fahafinaretana kosa. Lasa sarobidy sy mamy izany.

Aoka isika tsy handeha eny amin’ ny lalan’ ny maha-mpianatra miaraka amin’ ny maso miondrika amin’ ny tany, ka mieritreritra fotsiny ireo andraikitra sy zavatra tsy maintsy atao eo anoloantsika. Aoka isika rehefa mandeha mba tsy hanadino ny hatsaran’ ny zavatra eto an-tany sy ny zavatra ara-panahy taza-maso izay manodidina antsika.

Ry anabaviko malala isany, katsaho ny fahamboniana sy ny hatsarana, ary ny fifaliana tsy omby tratra ao anatin’ ny hoe “nahoana” mikasika ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

Ny hoe “inona” sy ny hoe “ahoana” ao amin’ ny fankatoavana dia mamaritra ny lalana ary mitazona antsika mba hijanona eo amin’ ilay lalana marina. Ny hoe “nahoana” ao amin’ ny fankatoavana dia manamasina ny asa ataontsika, ary manova ireo zavatra tsotra ho lasa ambony. Manova ireo fihetsika kely maneho fankatoavana avy amintsika izany ho lasa fihetsika masin’ ny fanokanana.

Fahadimy, aza hadino fa tia anareo ny Tompo.

Fony aho ankizy, rehefa nijery ireo voninkazo aza-hadino-aho, dia indraindray nahatsapa ho bitika toy izany voninkazo izany—bitika sy tsy manana ny lanjany. Nanontany tena aho hoe sao dia mba ho hadinon’ ny fianakaviako na ny Raiko any an-danitra.

Taona maro aty aoriana dia afaka manao jery todika amim-pitiavana sy amim-pangorahana mikasika izany ankizilahy kely izany aho. Ary fantatro ankehitriny—fa tsy nohadinoina velively aho.

Ary mahafantatra zavatra hafa koa aho: amin’ ny maha-Apôstôlin’ i Jesoa Kristy Tompo ahy dia manambara amim-pahatokian-tena sy amim-paharesen-dahatra ato am-poko aho—fa tsy misy nohadinoina koa ianareo!

Tsy nohadinoana ianareo.

Ranabavy isany, na aiza na aiza misy anareo, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanareo dia tsy hadino ianareo. Na dia maizina toy ny inona aza ny andronareo, na dia mahatsapa ho toy ny tsy manana ny maha-izy azy aza ianareo ary na dia tsy manan-danja toy ny inona aza ny fieritreretanareo ny tenanareo, dia tsy hadinon’ ny Ray any an-danitra ianareo. Raha ny marina, dia tia anareo amin’ ny fitiavana tsy manam-petra Izy.

Eritrereto kely anie ity hoe: Mahafantatra sy mahatsiaro anareo ilay olona iray faran’ izay ambony indrindra sy mahefa ny zavatra rehetra ary Be voninahitra indrindra eto amin’ izao tontolo izao! Ianareo dia tian’ ny Mpanjakan’ ilay tontolo lehibe tsy manam-petra sy ilay fotoana tsy misy fiafarana!

Ilay nahary sy mahafantatra ireo kintana, dia mahafantatra anareo sy ny anaranareo—zanakavaviny ato amin’ ny Fanjakany ianareo. Nanoratra ny Mpanao Salamo hoe:

“Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao;

“Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? …

“Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.”5

Tia anao Andriamanitra satria Zanany ianao. Tia anao Izy na dia indraindray aza ianao mahatsapa ho irery na manao hadisoana.

Manavotra sy mamonjy ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny herin’ ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny. Raha mamela izany fitiavany masina izany hitoetra ao amin’ ny fiainanao fotsiny ianao, dia afaka manasitrana ny ratra rehetra izany, sy hanasitrana ny fanaintainana rehetra ary hanamaivana ny alahelo rehetra.

Ry anabavy malala ato amin’ ny Fikambanana Ifanampiana, akaiky kokoa ny lanitra mihoatra noho izay eritreretinareo ianareo. Nirahina hanao zavatra mihoatra lavitra noho izay azonareo eritreretina ianareo. Tohizo ny fampivoarana ny finoana sy ny fahamarinan’ ny tena manokana. Raiso ho toy ny fomba itondrana ny fiainana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy naverina tamin’ ny laoniny. Omeo lanjany ilay fahafahana ho mpandray anjara ato amin’ ity Fiangonana lehibe ity. Omeo lanjany ilay fahafahana manompo ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana izay fikambanana voatahy. Tohizo ny fanamafisana orina ny tokantrano sy ny fianakaviana. Tohizo ny fitadiavana sy ny fanampiana ny hafa izay mila anareo sy ny fanampian’ ny Tompo.

Ry anabavy isany, misy zavatra manentana fanahy sy tena tsara mikasika ilay voninkazo kely aza-hadino-aho. Manantena aho fa ho lasa tandindon’ ireo zavatra madinika izay mahatonga ny fiainanareo ho feno fifaliana sy ho mamy izany. Aza hadino fa tsy maintsy manana faharetana sy fangorahana amin’ ny tenanareo ianareo, ary misy fahafoizan-tena sasany izay tsara lavitra noho ireo hafa, ary tsy mila miandry taratasy mifono vintana tsara ianareo vao ho faly. Aoka ianareo mba tsy hanadino velively fa ny hoe “nahoana” ao amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia hanentana ny fanahinareo sy hanome hery anareo. Ary aza hadino velively fa ny Rainareo any an-danitra dia mahafantatra sy tia anareo ary sarobidy aminy ianareo.

Misaotra amin’ ny maha-anareo anareo. Misaotra noho ireo fanehoana fitiavana sy asa fanompoana tsy tambo isaina izay ataonareo ho an’ ny olona maro dia maro. Misaotra noho ireo zavatra izay mbola ho ataonareo mba hitondrana ny fifalian’ ny filazantsara ho an’ ny fianakaviana, ho an’ ny Fiangonana, sy ho an’ ny fiaraha-moninareo ary ho an’ ny firenena manerana an’ izao tontolo izao.

Tianay ianareo ry ranabavy isany. Ny vavaka sy ny tsodrano ataoko dia ny tsy hanadinoanareo na oviana na oviana fa tena zanakavavy sarobidy ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, amin’ ny anarana masin’ ny Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy, amena.