2011
Mitsangàna eo amin’ ny Toerana Masina
Nôvambra 2011


Mitsangàna eo amin’ ny Toerana Masina

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, ilaina ny fifandraisantsika amin’ ny Raintsika any an-danitra—izay ahitana ny vavaka ataontsika Aminy sy ny fitaomam-panahy omeny antsika—mba handresena ireo fahasahiranana sy fitsapana eo amin’ ny fiainana.

President Thomas S. Monson

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, nandre lahateny tena tsara tokoa isika tamin’ ity maraina ity, ary mankasitraka ireo rehetra izay nandray anjara aho. Faly manokana isika noho ny fiarahan’ ny Loholona Robert D. Hales amintsika indray ary hita fa mihasalama izy. Tianay ianao ry Bob!

Rehefa nisaintsaina ny zavatra tiako hambara aminareo anio maraina aho, dia nisy nanosika ahy hizara aminareo eritreritra sy fahatsapana vitsivitsy izay heveriko fa mety tsara sy mifanojo amin’ ny ilàna azy. Mivavaka aho mba hahazo fitarihana mandritra ny lahateniko.

Efa 84 taona izao no niainako teto an-tany. Mba hahafahanareo mahazo sary an-tsaina kely izany dia teraka tamin’ ilay taona nanidinan’ i Charles Lindbergh irery tsy an-kijanona niala avy tany New York nankany Paris tamin’ ny fiaramanidina ahitana maotera tokana sy elatra roa fotsiny aho. Maro ny zavatra niova nandritra izay 84 taona izay. Efa ela izay ny nandehanan’ ny olombelona teny amin’ ny volana ary niverenana avy tany. Raha ny marina dia lasa zava-marina miseho ankehitriny ireo tantara noforonin’ ny eritreritra tany aloha tany. Ary izany zava-misy izany, noho ireo teknôlôjia amin’ izao fotoana izao, dia miovaova faingana tokoa hany ka zara raha maharaka izany isika—raha haharaka izany aza. Ho antsika izay mahatsiaro ireo telefaonina mbola ahodina amin’ ny rantsantanana sy ireo milina fanoratana dia toa mahatalanjona tokoa ireo teknôlôjian’ izao andro izao.

Ny fitsipi-pitondrantenan’ny fiaraha-monina ihany koa dia miova haingana tsy misy ohatran’ izany. Ireo fitondrantena izay noheverina ho tsy mety sy ratsy fahiny dia tsy vitan’ ny hoe azo leferina fotsiny ankehitriny fa tena efa eken’ ny be sy maro mihitsy.

Vao tsy ela aho no namaky lahatsoratra iray tamin’ ny Wall Street Journal izay nataon’ i Jonathan Sacks, lehiben’ ny Rabbin tany Angletera. Misy zavatra toy izao nosoratany—ary ho vakiako izany: “Nisy fiovana tampoka teo amin’ ny fitondrantena saika teo anivon’ ny fiaraha-monina Tandrefana rehetra tany amin’ ny nanodidididina ny taona 1960, izay fialana tanteraka tamin’ ny fanarahana ireo fitsipi-pifehezan-tena mahazatra. Hoy ny hiran’ ny Beatles hoe: All you need is love izany hoe fitiavana ihany no ilaina dia ampy. Nafoy ireo fitsipi-pitondrantena nifehy ny Jodaisma sy Kristianisma. Nasolo izany [ny fomba fiteny] hoe: [Ataovy] izay metimety aminao. Ireo Didy Folo dia naverina nosoratana ho toy ny Torohevitra Folo Mifono Zava-mahaliana.”

Notohizan’ i Rabbin Sacks ny fitarainany nanao hoe:

“Haingana tahaka ny fomba nandanindaniantsika foana ny harentsika ihany no fomba nandaozana tsy am-piheverana ireo fitsipi-pitondrantenantsika. …

Maro ireo faritra eto amin’ [izao tontolo izao] no efa mandray ny fivavahana ho toy ny zavatra taloha ary tsy misy feo enti-manohitra ny fiparitahan’ ilay kolotsaina izay mamporisika ny olona hividy foana sy handanindany foana ary hanao akanjo manara-damaody sy hieboebo satria mendrika azy izany. Ny hafatra ampitaina dia hoe efa nilaozan’ ny toetr’ andro ny fahadiovam-pitondrantena, natao ho an’ ny olona malemy ny feon’ ny fieritreretana ary ny hany didy manan-danja indrindra dia ny hoe: ‘Tandremo fotsiny sao tratra.’”1

Ry rahalahy sy ranabavy,—indrisy—fa izany no mamaritra ny ankamaroan’ ny tontolo manodidina antsika. Moa ve isika miahiahy mafy ary manontany tena hoe ahoana no ahafahana miaina ao anatin’ ny tontolo toy izany? Tsia. Tena manana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy isika eo amin’ ny fiainantsika, ary fantatsika fa tsy lany andro ny fahadiovam-pitondrantena, ary eo ny feon’ ny fieritreretantsika mba hitarika antsika ary tompon’ andraikitra amin’ izay ataontsika isika.

Na dia niova aza izao tontolo izao dia nijanona tsy niova ny lalàn’ Andriamanitra. Tsy niova izy ireo ary tsy hiova mihitsy. Ny Didy Folo dia mijanona ho—didy. Tsy hoe torohevitra izy ireo. Izy ireo dia zary didy tena ilaina ankehitriny toy ny nilana azy tamin’ ny fotoana nanomezan’ Andriamanitra azy ireo an’ ny zanak’ Isiraely. Raha mihaino tsara isika dia haheno ny akon’ ny feon’ Andriamanitra, miteny mihitsy amintsika eto hoe:

“Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

“Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao. …

“Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao. …

“Mahatsiarova ny andro sabata hanamasinana azy. …

“Manajà ny rainao sy ny reninao. …

“Aza mamono olona.

“Aza mijangajanga.

“Aza mangalatra.

“Aza mety ho vavolombelona mandainga. …

“Aza mitsiriritra.”2

Ny fitsipi-pitondrantenantsika dia zavatra mipetraka tsy maintsy arahina ary tsy azo ifampiraharahana izany. Tsy ao amin’ ny Didy Folo ihany no ahitana izany fa ao amin’ ny Toriteny teo An-tendrombohitra koa, izay nomen’ ny Mpamonjy antsika fony Izy nandia ny tany. Hita amin’ ny fampianarany rehetra izany. Hita ao amin’ ireo tenin’ ny fanambarana maoderina izany.

Tsy miova omaly, ankehitriny ary mandrakizay ny Raintsika any an-danitra. Nilaza tamintsika i Môrmôna mpaminany fa Andriamanitra dia “tsy miovaova hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”3 Eto amin’ ity izao tontolo izao ity, izay toa miovaova avokoa ny zava-drehetra, dia azontsika hianteherana ny tsy fiovaovany, izay vatofantsika hamikirantsika mafy sy hahazoantsika fiarovana, mba tsy ho kaofin’ ny rano mampidi-doza.

Indraindray dia mety toa hitanao hoe mahazo fahafinaretana bebe kokoa noho ianao ireo izay ao amin’ izao tontolo izao. Mety mahatsapa ho voafehifehy amin’ ireo fitsipi-pitondrantena izay arahintsika ato amin’ ny Fiangonana ny sasantsasany aminareo. Ry rahalahy sy ranabavy, manambara aminareo aho, anefa, fa tsy misy zavatra izay afaka ny hitondra fifaliana bebe kokoa eo amin’ ny fiainantsika na fiadanana bebe kokoa eo amin’ ny fanahintsika noho ilay Fanahy izay afaka ny ho tonga ao amintsika rehefa manaraka ny Mpamonjy sy mitandrina ny didiny isika. Tsy afaka ny ho ao anatin’ ireo karazan-javatra tena fanaon’ ny ankamaroan’ ny ao amin’ izao tontolo izao izany Fanahy izany. Nanambara ny marina ny Apôstôly Paoly: “Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”4 Ilay andian-teny hoe olona izay araka ny nofo dia miantefa amintsika raha toa mamela ny tenantsika ho toy izany isika.

Mila mitandrina isika ao anatin’ ity izao tontolo izao ity izay efa nihataka lavitra ny zavatra ara-panahy. Zava-dehibe ny fandavana ireo zavatra izay tsy mifanaraka amin’ ny fitsipika arahintsika, sy ny fandavana ny fanaovana dingana handao ilay zavatra tena iriantsika: dia ny fiainana mandrakizay any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy hilaozan’ izay tsy ho tratran’ ny fahasahiranana isika satria izany dia ampahan-javatra tsy azo ihodivirana izay tafiditra ao anatin’ ny zavatra iainantsika eto an-tany. Isika anefa dia hanana fitaovana tsara kokoa hiatrehana izany, sy hianaran-javatra avy amin’ izany sy handresena izany raha toa ka manana ny filazantsara isika ho toy ny fototry ny fiainantsika ary manana ny fitiavan’ ny Mpamonjy ao am-potnsika. Nanambara ny mpaminany Isaia hoe: “Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay.”5

Tena ilaina ny fifandraisana amin’ ny Raintsika any an-danitra amin’ ny alalan’ ny vavaka mba ho fomba ahatanteraka ny hoe eto amin’ izao tontolo izao isika fa tsy naman’ izao tontolo izao. Tiany hanao izany isika. Hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Nampitandrina antsika ny Mpamonjy, araky ny voarakitra ao amin’ ny 3 Nefia 18, hoe “tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo fandrao miditra ao amin’ ny fakampanahy; fa maniry ny hahazo anareo i Satana. …

“Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ ny Ray amin’ ny anarako ianareo;

“Ary na inona na inona hangatahinareo ny Ray amin’ ny anarako, ka rariny, rehefa mino ianareo fa handray, dia indro homena anareo izany.”6

Nahazo ny fijoroako ho vavolombelona momba ny herin’ ny vavaka aho fony aho 12 taona. Niasa mafy aho mba hananako vola kely ary dia nahavita nanangona 5 dôlara aho. Nandritra ny fotoanan’ ny Olana Ara-toe-karena lehibe izany, izay mbola vola be tokoa ny 5 dôlara—indrindra ho an’ ny zazalahikely 12 taona. Nomeko ny raiko ireo vola madinika nananako rehetra, izay nanome dimy dôlara ny fitambarany, ary dia nomeny vola taratasy 5 dôlara aho avy eo. Fantatro fa nisy zavatra manokana niriako hovidiana tamin’ izany dimy dôlara izany, na dia tsy tsaroako intsony aza tao anatin’ izay taona maro izay hoe inona ilay izy. Tsaroako fotsiny fa nanan-danja lehibe tamiko izany vola izany.

Tamin’ izany fotoana izany dia mbola tsy nanana milina fanasana lamba izahay, ka dia nalefan’ ny reninay tany amin’ ny toerana fanasana lamba ny akanjonay isan-kerinandro mba hosasana. Roa andro aty aoriana, dia haverina aminay ireo antsoinay hoe “lamba lena” maro, ary dia hahanton’ ny reniko amin’ ny tady fanazana lamba ao ambadiky ny tranonay izany mba hohamainina.

Nataoko tao amin’ ny paosin’ ny patalohako jeans ilay dimy dôlarako. Ary araky ny efa mety noeritreretinareo dia nalefa tany amin’ ny toerana fanasan-damba izany patalohako izany niaraka tamin’ ilay vola izay tavela tao. Rehefa fantatro ny zava-nitranga dia matin’ ny fitaintainana aho. Fantatro fa savaina foana toy ny mahazatra ny paosy any amin’ ny toerana fanasan-damba alohan’ ny hanasana lamba. Raha toa ka tsy misy mahita ilay volako mandritra ny fanaovana izany, dia azoko antoka fa hilatsaka izany vola izany mandritra ny fanasana ary ho hitan’ ny mpiasa ao amin’ ny toerana fanasan-damba izay tsy hahafantatra hoe omena an’ iza izany vola izany, raha hanao izany koa ary izy. Kely tokoa ny fahafahana hahazo indray ilay dimy dôlarako—ary nohamafisin’ ny reniko tamiko izany rehefa nolazaiko azy fa tavela tao am-paosiko ny volako.

Naniry ny hahazo izany vola izany aho. Ilaiko izany vola izany. Niasa mafy aho mba hahazoana izany vola izany. Tsapako fa tsy misy afa-tsy zavatra iray no azoko atao. Tao anatin’ ny fahakiviana no nitodihako tany amin’ ny Raiko any an-danitra ary niangaviako Azy mba hiaro ilay volako ao am-paosiko mandra-piverenan’ ny lamba lenanay.

Roa andro lava dia lava taty aoriana, rehefa fantatro fa tonga ny fotoana hanateran’ ilay fiarabe ny lambanay nosasana dia nipetraka teo am-baravarankely aho, niandry. Rehefa niantsona teo amin’ ny sisin’ ny arabe ilay fiara dia nanomboka nidobodoboka ny foko. Raha vantany vao tonga tao an-trano ireo lamba lena dia nalaiko haingana ilay pataloha jeans ary nihazakazaka nankany amin’ ny efitranoko aho. Natsofoko tao amin’ ilay paosy tamim-pahangovitana ny tanako. Kanjo avy eo voakasik’ ireo rantsantanako ilay vola taratasy lena dimy dôlara. Rehefa navoakako avy tao amin’ ilay paosy izany dia maivana ny tenako iray manontolo. Nanao vavaka fankasitrahana avy amin’ ny fo ho an’ ny Raiko any an-danitra aho, satria fantatro fa namaly ny vavaka nataoko Izy.

Nanomboka tamin’ izay fotoana izay dia nahazo valim-bavaka tsy tambo isaina aho. Tsy nisy andro iray izay tsy nifandraisako tamin’ ny Raiko any an-danitra tamin’ ny alalan’ ny vavaka. Fifandraisana tena tandrovako tsara izany—satria ho very tokoa aho raha tsy misy izany. Raha tsy manana fifandraisana toy izany amin’ ny Rainao any an-danitra ianao izao dia mamporisika anao aho hanao izay hanatratrarana izany tanjona izany. Rehefa manao izany ianao dia hahazo ny fitaomam-panahiny sy ny fitarihany eo amin’ ny fiainanao—izay zavatra ilain’ ny tsirairay amintsika raha tiantsika tsy ho voatohintohina ny fiainam-panahintsika mandritra ny diantsika eto an-tany. Fanomezana maimaim-poana omeny antsika izany fitaomam-panahy sy fitarihana izany raha toa ka mikatsaka izany isika. Tena zava-tsarobidy tokoa izy ireo!

Feno fanetren-tena sy fankasitrahana foana aho rehefa mifandray amiko amin’ ny alalan’ ny fitaomam-panahiny ny Raiko any an-danitra. Nianatra nahafantatra, sy natoky ary nanaraka izany aho. Imbetsaka aho no nahazo izany fitaomam-panahy izany. Zavatra iray somary nampitaintaina no nitranga tamin’ ny Aogositra 1987 nandritra ny fanokanana ny Tempolin’ i Frankfort Alemana. Niaraka taminay ny Filoha Ezra Taft Benson ny andro voalohany na ny andro roa voalohan’ ny fanokanana kanefa tsy maintsy nody izy avy eo, ary dia izaho no nomena fahafahana hitarika ny fotoam-pivoriana ambiny tamin’ izay.

Ny Asabotsy dia nanao ny fivoriana niaraka tamin’ ireo mpikambana Hôlandey izahay, izay tao anatin’ ny distrikan’ ny Tempolin’ i Frankfort. Fantatro tsara ny iray tamin’ ireo mpitarika matanjaka avy any Hollande dia ny Rahalahy Peter Mourik. Taloha kelin’izany fivoriana izany aho dia nahazo fahatsapana mazava tsara fa tokony hangatahana mba hiteny ho an’ ireo mpikambana Hôlandey namany ny Rahalahy Mourik mandritra izany fivoriana izany, ary raha ny marina dia tokony ho izy no mpandaha-teny voalohany. Rehefa tsy nahita azy tao amin’ ny tempoly aho ny marainan’ io dia nampitampita taratasy kely aho ho any amin’ ny Loholona Carlos E. Asay, izay Filohan’ ny Vondrom-paritra, nanontany hoe manatrika izao fivoriana izao ve i Peter Mourik. Taloha kelin’ ny hitsanganako hanomboka ny fivoriana dia nandray taratasy kely avy tamin’ ny Loholona Asay aho izay nampahafantatra ahy fa tsy manatrika ao ny Rahalahy Mourik, fa misy raharaha mihazona azy any amin’ ny toeran-kafa, ary mihevitra ny hanatrika ny fivoriana fanokanana ao amin’ ny tempoly izy ny andro manaraka hiaraka amin’ ireo tsatòka ahitana miaramila mpikambana manao fanompoana.

Rehefa nijoro teo amin’ ny polipitra hiarahaba ny olona sy hilazalaza ny fandaharam-potoana aho dia nahazo fitaomam-panahy mazava fa tokony hilaza aho hoe i Peter Mourik no mpandahateny voalohany. Nifanohitra tamin’ ny eritreritro rehetra izany satria vao avy naheno avy tamin’ ny Loholona Asay aho fa tena tsy manatrika ao amin’ ny tempoly ny Rahalahy Mourik. Rehefa niantehitra tamin’ izany fitaomam-panahy izany anefa aho dia nolazaiko ny hira ataon’ ny amboaram-peo, ny vavaka ary avy eo nilaza aho fa ny Rahalahy Peter Mourik no ho mpandaha-teny voalohany.

Rehefa niverina nipetraka aho dia nanopy maso kely tany amin’ ny Loholona Asay ary hitako teo amin’ ny endriny fa sahiran-tsaina be izy. Nilaza tamiko izy taty aoriana fa rehefa nanambara aho fa Rahalahy Mourik no ho mpandaha-teny voalohany, dia tsy nino ny zavatra reny izy. Nilaza izy hoe fantany tsara fa voaraiko ilay teny nosoratany tamin’ ny taratasy kely ary novakiako tokoa izany, ka dia tsy takany mihitsy ny antony mbola nilazako fa ho mpandaha-teny Rahalahy Mourik, nefa efa nahafantatra aho fa tsy ao amin’ ny tempoly izy.

Nandritra ny fotoana nisehoan’ izany zavatra rehera izany dia mbola tany anatin’ ny fivoriana tany amin’ ny biraon’ ny vondrom-paritra tany Porthstrasse i Peter Mourik. Rehefa nandeha ny fivoriany dia nitodika tampoka tany amin’ ny Loholona Hawkes izy, izay Solontenan’ ny Faritra ary nanontany hoe: “Eo amin’ ny adiny firy eo no hitondranao ahy faran’ izay haingana any amin’ ny tempoly?”

Namaly ny Loholona Hawkes, izay fantatra fa mpamily haingam-pandeha ihany rehefa mamily ireo fiara keliny fanaovana fifaninana: “Eo amin’ ny 10 minitra eo! Fa maninona ianao no mila mandeha any amin’ ny tempoly?”

Niaiky ny Rahalahy Mourik fa tsy fantany ny antony tokony handehanany any amin’ ny tempoly saingy fantany fotsiny fa mila mankany izy. Tonga dia niainga nankany amin’ ny tempoly izy roa ireo.

Nandritra ilay hira mahafinaritra nataon’ ny amboaram-peo, dia nitoditodika aho, nieritreritra fa hahita an’ i Peter Mourik. Tsy nahita azy aho. Na dia izany aza dia tsy taitra ihany aho aloha. Nanana fahatsapana tsara sy fahatokiana tsy azo nolavina aho fa hilamina ny zava-drehetra.

Niditra ny varavaran’ ny tempoly Rahalahy Mourik tamin’ ny fotoana nifaranan’ ny vavaka fanombohana, ary mbola tsy nahafantatra ny antony nahatongavany teo izy. Rehefa nidina haingana ny lalantsara izy, dia nahita ny endriko teo amin’ ny efijery ary naheno ahy nilaza hoe: “Izao isika dia hihaino an-drahalahy Peter Mourik.”

Talanjona ny Loholona Asay raha nahita an’ i Peter Mourik tonga dia niditra ny efitrano ary naka ny toerany teny amin’ ny polipitra.

Taorian’ izany fivoriana izany dia niresaka ny zava-nitranga talohan’ ny nanaovany izany lahateny izany izaho sy Rahalahy Mourik. Nisaintsaina ilay fitaomam-panahy izay tonga tamin’ izany andro izany aho, tsy ilay tonga tamiko fotsiny ihany fa ilay azon-drahalahy Peter Mourik koa. Izany zava-nitranga mahatalanjona izany dia nijoro ho vavolombelona izay tsy azo lavina tamiko momba ny maha-zava-dehibe ny fahamendrehana mba handraisana fitaomam-panahy toy izany sy hatoky izany—ary hanaraka izany—rehefa tonga izany. Fantatro tsy tamim-pisalasalana fa ireo izay nanatrika izany fotoam-panokanana ny Tempolin’ i Frankfort izany dia tian’ ny Tompo handre ny fijoroana ho vavolombelon’ ilay mpanompony dia ny Rahalahy Peter Mourik, izay fijoroana ho vavolombelona mahery vaika sy manohina ny fo.

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, ilaina ny fifandraisantsika amin’ ny Raintsika any an-danitra—izay ahitana ny vavaka ataontsika Aminy sy ny fitaomam-panahy omeny antsika—mba handresena ireo fahasahiranana sy fitsapana eo amin’ ny fiainana. Manasa antsika ny Tompo hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo.”7 Rehefa manao izany isika dia hahatsapa ny Fanahiny eo amin’ ny fiainantsika, izay hanome antsika ny faniriana sy herimpo mba hijoro amin-kery sy mafy orina tsara ao anatin’ ny fahamarinana—ka “hitsangana … eo amin’ ny toerana masina [isika] ary … tsy hoesorina.”8

Raha toa ka tsy miovaovao ny tontolo manodidina antsika ary miharatsy eo ambany masontsika hatrany ny -pitondrantenan’ny fiaraha-monina, dia tsarovy ny fampanantenana sarobidin’ ny Tompo ho an’ ireo izay mahatoky Azy: “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.”9

Fampanantenana be tokoa izany! Enga anie ho tanteraka amintsika ireo fitahiana ireo, izany no vavaka ataoko amin’ ny anarana masin’ ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.