Miandry an’ i Jehovah: Aoka ny Sitraponao no Hatao
Ny tanjon’ ny fiainantsika dia ny hivoatra sy hivelatra ary hahazo hery amin’ ny alalan’ ireo zavatra iainantsika manokana.
Amin’ izao Sabata maraina izao, isika dia maneho fisaorana sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ ny fahamarinan’ ny fahaveloman’ ny Mpamonjy. Naverina tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsarany. Marina ny Bokin’ i Môrmôna. Tarihin’ ny mpaminany velona iray isika dia ny Filoha Thomas S. Monson. Fa ny zava-dehibe indrindra dia mijoro ho vavolombelona lehibe momba ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana mandrakizay izay mikoriana avy amin’ izany isika.
Nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay dia nanana fahafahana nandalina sy nianatra bebe kokoa momba ny sorompanavotana nataon’ ny Mpamonjy aho ary ny fomba nanomanany ny tenany mba hanolorana ilay fanatitra mandrakizay ho antsika tsirairay avy.
Nanomboka tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana ny fiomanany rehefa niandry ny Rainy Izy ary nilaza hoe: “Hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”1 Nanomboka tamin’ izay fotoana izay ka hatramin’ izao dia nampiasa ny fahafahany misafidy Izy mba hanatanterahana ny drafitry ny Raintsika any an-danitra. Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa fony Izy tao anatin’ ny fahatanorany dia nanao ny “raharahan-dRai[ny] izy”2 ary “niandry tamin’ ny Tompo ny amin’ ny fotoana hiavian’ ny asa fanompoany.”3 Tamin’ Izy feno 30 taona dia nianjadian’ ny fakam-panahy mafy, saingy nisafidy ny hanohitra izany Izy ka nilaza hoe: “Mialà eo imasoko ianao ry Satana.”4 Natoky ny Rainy Izy tao Getsemane ka nilaza hoe: “Raiko ô, raha sitrakao dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao,”5 ary dia nisafidy ny hijaly noho ny fahotantsika Izy. Tao anatin’ ny fanalam-baraka teo anatrehan’ ny fitsaram-bahoaka sy ny fijalijaliana tamin’ ny fanomboana dia niandry ny Rainy Izy ary vonona ny “[ho] ratraina noho ny fandikantsika lalàna … [ary ho] torotoroina noho ny helotsika.”6 Na tamin’ Izy nihiaka hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?” aza,7 dia niandry ny Rainy Izy—ka nisafidy ny hamela ny heloky ny fahavalony,8 hijery raha misy miahy tsara ny reniny,9 ary haharitra hatramin’ ny farany mandrapahatapitry ny ainy sy ny asa nanirahana azy teto an-tany.10
Matetika aho no nisaintsaina hoe: Nahoana no tratran’ ny fitsapana sy fahoriana ny Zanakalahin’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny masina ary ireo Olomasina mahatoky na dia miezaka manao ny sitrapon’ ny Ray any an-danitra aza izy ireo? Nahoana no tena sarotra izany indrindra ho azy ireo?
Mieritreritra an’ i Joseph Smith aho izay tratran’ ny aretina fony izy ankizilahy kely ary niharan’ ny fanenjehana nandritra ny fiainany iray manontolo. Izy koa dia nihiaka toa ny Mpamonjy nanao hoe, “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”11 Kanefa na tamin’ ny fotoana toa tena naha irery Azy aza dia nisafidy ny hiandry ny Tompo Izy ary hanatanteraka ny sitrapon’ ny Rainy any an-danitra.
Mieritreritra an’ ireo mpisava lalana razambentsika aho izay noroahina hiala tao Nauvoo ary namakivaky ireo tany lemaka, ary nisafidy ny hanaraka ilay mpaminany iray na dia nianjadian’ ny aretina sy ny fihafiana ary fahafatesana mihitsy aza ho an’ ny sasany. Nahoana no niaina izany fijaliana lehibe izany izy ireo? Inona no hiafaran’ zany? Inona no tanjon’ izany?
Rehefa mametraka ireo fanontaniana ireo isika dia mahatsapa fa ny tanjon’ ny fiainantsika eto an-tany dia ny hivoatra sy hivelatra ary hahazo hery amin’ ny alalan’ ireo zavatra iainantsika manokana. Ahoana no fomba hanaovantsika izany? Ny soratra masina dia manome valiny iray ho antsika izay ao anatin’ ny fehezanteny tsotra iray: “miandry an’ i Jehovah” isika.12 Omena antsika rehetra ny fisedrana sy ny fitsapana. Ireo olana eto an-tany ireo dia manome fahafahana antsika sy ny Raintsika any an-danitra mba hahita raha toa isika ka hanao safidy ny hanaraka Ilay Zanakalahiny. Efa fantany ary manana fahafahana hianatra isika fa na sarotra manao ahoana aza ny toe-javatra iainantsika, “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome [antsika] traikefa, ary … ho soa ho [antsika].”13
Midika ve izany fa isika dia hahatakatra foana ireo fitsapana miseho eo amintsika? Moa ve isika rehetra indraindray tsy mba manana antony hametrahana ilay fanontaniana hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”14 Eny. Rehefa maty ny vady dia hametraka izany fanontaniana izany ilay olona niara-dia taminy. Rehefa tratran’ ny olana ara-bola ny fianakaviana iray dia hametraka izany fanontaniana izany ilay raim-pianakaviana. Rehefa mivily lalana ny zanaka dia hikiaka mafy an’ izany amin’ alahelo ny ray sy ny reny. Eny, “Amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”15 Ary any am-piandohan’ ilay finoantsika sy fahatakarantsika izay nitombo dia mitsangana isika ary misafidy ny hiandry ny Tompo ka miteny hoe “Aoka ny sitraponao no hatao.”16
Inona izany no dikan’ ny hoe miandry ny Tompo? Ao amin’ ny soratra masina ny teny hoe miandry dia midika hoe manantena, manao zavatra mialoha, ary matoky. Ny hoe manantena sy matoky ao amin’ ny Tompo dia mitaky finoana, faharetana, fanetren-tena, fahamoram-panahy, fahari-po sy fitandremana ny didy ary faharetana hatramin’ ny farany.
Ny hoe miandry ny Tompo dia midika hoe mamboly masombolin’ ny finoana ary mikolokolo izany “amin’ ny fahazotoana be, sy … faharetana.”17
Izany dia midika hoe mivavaka toy ny nataon’ ny Mpamonjy—tamin’ Andriamanitra Raintsika any an-danitra—ka miteny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao.”18 Vavaka atolotsika amin’ ny fanahintsika manontolo izany amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Ny hoe miandry ny Tompo dia midika hoe misaintsaina ao am-pontsika ary “mandray ny Fanahy Masina” mba hahafahantsika mahafantatra “ny zavatra rehetra izay tokony hataon[tsika].”19
Rehefa manaraka ny bitsiky ny Fanahy isika dia mahita fa ny “fahoriana dia mahatonga faharetana”20 ary mianatra ny “mitozo ao amin’ ny faharetana [isika] mandrapahatonga [antsika] ho tanteraka.”21
Ny hoe miandry ny Tompo dia midika hoe “miorina mafy”22 sy “mibosesika handroso” ao amin’ ny finoana, ary “[manana] fanantenana mamirapiratra.”23
Izany dia midika hoe “[m]iantehitra amin’ ny amin’ ny fahamendrehan’ i Kristy”24 ary milaza “miaraka amin’ ny fanohanan’ ny fahasoava[ny antsika] hoe: Hatao anie ny sitraponao, Tompo ô, fa tsy ny anay.”25
Rehefa miandry ny Tompo isika dia “tsy [m]iova amin’ ny [f]itandremana ny didin’ Andriamanitra,”26 ary mahafantatra fa isika dia “hiala sasatra amin’ ny fahorian[tsika] indray andro any.”27
Ary “tsy manary ny … fahasahian[tsika isika]”28 fa “ny zava-drehetra izay efa nampahoriana [antsika] dia hiara-hiasa hahasoa [antsika].”29
Ho tonga amin’ ny endriny sy halehibeny samihafa ireo fitsapana ireo. Ny zavatra niainan’ i Joba dia mampahatsiahy antsika izay zavatra mety takiana mba hiaretantsika. I Joba dia namoy ny fananany rehetra ka tao anatin’ izany ny taniny, ny tranony, ny bibiny, ireo olona tao amin’ ny fianakaviany, ny lazany, sy ny fahasalamany ary na izay mahasoa azy ara-tsaina aza. Kanefa niandry ny Tompo izy ary nijoro ho vavolombelona manokana izay mahery vaika. Hoy izy hoe:
“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy:
“Ary rehefa … afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra.”30
“Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho.”31
Na dia eo aza ireo ohatra tonga lafatra nasehon’ i Joba sy ireo mpaminany ary ny Mpamonjy dia mbola ho hitantsika fa sarotra foana ny miandry ny Tompo, indrindra rehefa tsy afaka mahatakatra tanteraka ilay drafiny sy ny tanjony ho antsika isika. Izany fahatakarana izany matetika dia omena “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [ary] fitsipika anampy fitsipika.”32
Izaho teo amin’ ny fiainako dia nianatra fa indraindray dia tsy mahazo ny valin’ ny vavaka iray aho satria fantatry ny Tompo fa mbola tsy vonona. Rehefa mamaly anefa Izy dia matetika mamaly “etsy kely ary eroa kely”33 satria izay ihany aloha no zakako na izay ihany aloha no nivononako mba hatao.
Matetika mihitsy isika no mivavaka mba hanana faharetana nefa tiantsika ho azo izao dia izao izany! Fony mbola zatovolahy ny Filoha David O. McKay dia nivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ ny filazantsara. Taona maro taty aoriana, rehefa nanao asa fitoriana tany Ecosse izy dia tonga ihany izany fijoroana ho vavolombelona izany. Taty aoriana dia nanoratra izy hoe: “Izany dia fanomezan-toky ho ahy fa ny vavaka natao tamim-pahitsim-po dia voavaly ‘ amin’ ny fotoana tsy ampoizina ary any amin’ ny toerana iray.’”34
Mety tsy fantatsika hoe rahoviana na ahoana no hahatongavan’ ny valintenin’ ny Tompo, saingy mijoro ho vavolombelona aho fa ho tonga amin’ ny fotoanany sy ny fombany izany. Mety mila miandry hatrany amin’ ny fiainana ho avy isika ho an’ ny valinteny sasany. Mety ho marina izany ho an’ ireo fampanantenana sasany ao amin’ ny tsodranon’ ny patriarika azontsika ary ho an’ ireo tsodrano sasany nomena ireo olona ao amin’ ny fianakaviantsika. Aoka isika mba tsy hiala amin’ ny Tompo. Ny fitahiany dia mandrakizay fa tsy mandalo fotsiny ihany.
Ny fiandrasana ny Tompo dia manome antsika tombontsoa sarobidy mba hahita fa maro ireo olona izay miandry antsika. Ny zanatsika dia miandry antsika mba hampiseho faharetana, fitiavana ary halemem-panahy amin’ izy ireo. Ny ray aman-drenintsika dia miandry antsika mba hampiseho fankasitrahana sy fangorahana. Ireo iray tampo amintsika dia miandry antsika mba handefitra, haneho famindram-po sy hamela heloka. Miandry antsika ny vadintsika mba hitiavantsika azy ireo toy ny nitiavan’ ny Mpamonjy antsika tsirairay avy.
Rehefa ianjadian’ ny fijaliana ara-batana isika, dia miha mahafantatra hoe firy ny isan’ ireo olona izay miandry antsika tsirairay. Izaho dia mahatsapa ny fankasitrahan’ ny Ray any an-danitra be fitiavana sy ny Zanany malalany an’ ireo Maria sy Marta rehetra sy ireo Samaritana tsara fanahy rehetra izay mikarakara ny marary sy mamonjy ny osa, ary ireo izay mikarakara ireo sembana ara-tsaina sy ara-batana. Ianareo dia miandry ny Tompo sy manao ny sitrapon’ ny Ray any an-danitra ao anatin’ ny asa fanompoana tahaka ny nataon’ i Kristy izay ataonareo isan’ andro. Mazava ny toky nomeny anareo: “Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”35 Fantany ny fahafoizan-tenanareo sy ny fahorianareo. Maheno ny vavaka ataonareo Izy. Ny fiadanany sy ny fitsaharany dia ho anareo raha manohy miandry Azy ao anatin’ ny finoana ianareo.
Isika tsirairay ireo dia tena tian’ ny Tompo bebe kokoa mihoatra noho izay takatsika na azontsika an-tsaina. Noho izany dia aoka isika hifaneho hatsaram-panahy ary ho tsara fanahy amin’ ny tenantsika. Aoka isika hahatsiaro fa rehefa miandry ny Tompo isika dia lasa “olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavota[ny], … mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”36
Fankatoavana toy izany no nasehon’ ny Mpamonjy antsika tamin-dRainy tao amin’ ny sahan’ i Getsemane. Nitalaho tamin’ ny mpianany Izy hoe: “Miaraha miari-tory amiko,” kanefa in-telo Izy no niverina teo amin’ izy ireo saingy renoky ny torimaso izy ireo.37 Tao anatin’ ny tsy fiarahan’ ireo mpianatra ireo taminy sy indrindra tao anatin’ ny tsy fanatrehan’ ny Rainy Azy no nisafidianan’ ny Mpamonjy hizaka ny “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”38 Niaraka tamin’ ny fampaherezan’ ilay anjely Azy,39 dia “nisotro tamin’ ilay kapoaka mangidy Izy.”40 Niandry ny Rainy Izy ka nilaza hoe: “Aoka ny sitraponao no hatao,”41 ary dia nanosihosy irery tamim-panetren-tena ny famiazam-boaloboka Izy.42 Ankehitriny amin’ ny maha iray amin’ ireo Apôstôly Roambinifolony ahy amin’ izao andro farany izao dia mivavaka aho mba hahazo hery hiarahana miari-tory Aminy sy hiandrasana Azy mandritra ny androntsika.
Amin’ izao Sabata maraina izao, dia maneho ny fankasitrahako aho fa “ao anatin’ ny Getsemaneko”43 sy ny anareo dia tsy irery isika. Miambina antsika Izy, “tsy matory na rendremana.”44 Ireo anjeliny ety ary any ankoatry ny voaly dia “hanodidina [antsika], mba hanohana [antsika].”45 Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa marina ny fampanantenany; satria milaza Izy hoe : “Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery. Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra. Handeha izy nefa tsy ho reraka.”46 Enga anie isika ka hiandry Azy amin’ ny alalan’ ny fibosesehantsika mankany amin’ ny finoana mba hahafahantsika milaza ao anatin’ ny vavaka ataontsika hoe: “Aoka ny sitraponao no hatao,”47 ary miverina any Aminy amim-boninahitra. Amin’ ny anarana masin’ ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.