2011
Fanavotana
Nôvambra 2011


Fanavotana

Ny olona dia afaka manova ary tena manova ny fiainany ary mahazo fanavotana amin’ ny alalan’ i Kristy.

Elder LeGrand R. Curtis Jr.

Maro ireo anarana izay entina ilazana an’ i Jesoa Kristy Tompo. Ireo anarana ireo dia manome fampahalalana ho antsika mikasika ireo lafiny samihafa amin’ ilay asa nanirahana ny Tompo mba hanatanteraka ny sorompanavotana. Raiso, ohatra, ilay anarana hoe “Mpamonjy.” Samy mahazo an-tsaina ny dikan’ izany hoe voavonjy izany isika, satria efa nisy fotoana namonjena antsika tsirairay tamin’ ny zavatra iray. Fony mbola ankizy izaho sy ny anabaviko dia nilalao teny amin’ ny renirano iray tao anatin’ ny lakana kely iray. Kanjo tsy malina izahay ka nanalavitra ilay faritra azo antoka filalaovana ary natosiky ny koriandrano nidina nankany amin’ ny loza tsy fantatra. Vokatry ny hiakiakanay dia nihazakazaka nanavotra anay ny rainay ary namonjy anay tamin’ ny zavatra mampidi-doza teo amin’ ilay renirano. Rehefa mieritreritra momba ny famonjena aho dia mieritreritra an’ io zavatra niainako io.

Ilay anarana hoe “Mpanavotra” dia mifono fampahalalana mitovitovy amin’ izany. Ny hoe “manavotra” dia mividy na manonitra ny vidiny. Raha araka ny lalàna dia avotra ny fananana iray rehefa voaloa daholo ny vola nindramina rehetra sy izay vola nanaovana antoka ny fananana. Tamin’ ny vanim-potoanan’ ny Testamenta Taloha, ny lalàn’ i Mosesy dia nanome fomba samihafa mba hahafahana manafaka na manavotra ireo mpanompo sy ny fananana amin’ ny alalan’ ny fandoavana vola (jereo ny Levitikosy 25:29–32, 48–55).

Ny fampiasana tena miavaka ny teny hoe manavotra ao amin’ ny soratra masina dia hita ao amin’ ny fanavotana ny zanak’ i Isiraely tamin’ ny fanandevozana azy ireo tany Egypta. Taorian’ izany fanavotana izany dia nilaza tamin’ izy ireo i Mosesy hoe: “Fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo, … no nitondra[ny] anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nanandevozana, dia tamin’ ny tanan’ i farao mpanjakan’ i Egypta” (Deoteronomia 7:8).

Miverina imbetsaka ao amin’ ny soratra masina ny lohahevitra mikasika ny fanavotan’ i Jehovah ny vahoakan’ i Isiraely tamin’ ny fanandevozana. Ampiasaina izany matetika mba hampahatsiahivana ny olona ilay hatsaran-toetran’ ny Tompo noho ny fanafahany ny zanak’ i Isiraely tamin’ ny Egyptiana. Saingy natao koa izany mba hampianarana azy ireo fa hisy fanavotana iray hafa izay manan-danja lehibe kokoa ho an’ i Isiraely. I Lehia dia nampianatra hoe: “Ary avy ny Mesia amin’ ny fahafenoan’ ny fotoana mba hahazoany manavotra ny zanak’ olombelona amin’ ny fahalavoana.” (2 Nefia 2:26).

Ny mpanao salamo dia nanoratra hoe: “Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita” (Salamo 49:15).

Ny Tompo dia nanambara tamin’ ny alalan’ i Isaia hoe: “Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona. Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.” (Isaia 44:22).

Ilay fanavotana resahana ao amin’ ireo soratra masina ireo dia ilay Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy mazava ho azy. Izany ilay “fanavotana be” izay nomen’ ilay Andriamanitsika be fitiavana (Salamo 130:7). Izany fanavotana izany dia tsy tonga amin’ ny alalan’ ny “zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena” (1 Petera 1:18), toa an’ ireo fanavotana teo ambanin’ ny lalàn’ i Mosesy na eo ambanin’ ny fampiasana ny lalàn’ ny tany amin’ izao fotoana izao. “Ao amin’ i [Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany” (Efesiana 1:7). Nampianatra ny Filoha John Taylor fa noho ny sorona nataon’ ilay Mpanavotra dia “voaloa ny trosa, vita ny fanavotana, tontosa ny fanekempihavanana, tanteraka ny fahamarinana, tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, ary ny hery rehetra dia … natolotra ho eo an-tanan’ ny Zanak’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: John Taylor [2001], 44).

Ny vokatr’ izany fanavotana izany dia ahitana ny fandresena ny fahafatesan’ ny vatana ho an’ ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Izany hoe resy ny fahafatesan’ ny vatana ary hitsangana amin’ ny maty isika rehetra. Ny lafiny iray hafa ao amin’ ity fanavotana nataon’ i Kristy ity dia ny fandresena ny fahafatesana ara-panahy. Tamin’ ny alalan’ ny fijaliany sy ny fahafatesany, dia noneran’ i Kristy ny fahotan’ ny olombelona rehetra, saingy misy fepetra takiana, dia ny fibebahan’ ny olona tsirairay izany.

Noho izany, raha mibebaka isika dia ho voavela ny fahotantsika ary ny saran’ izany dia efa naloan’ ilay Mpanavotra antsika. Vaovao mahafaly ho antsika rehetra izany: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Ireo izay tena nanalavitra izany lalan’ ny fahamarinana izany dia mila mafy izany fanavotana izany, ary raha mibebaka tanteraka izy ireo dia zon’ izy ireo ny mitaky izany. Kanefa ireo izay niasa mafy mba hananana fiainana tsara dia mila mafy izany fanavotana izany koa, satria tsy misy na iza na iza afaka ny ho tonga eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy amin’ ny alalan’ ny fanampian’ i Kristy. Noho izany, io fanavotana io dia manome fahafahana mba hampiharana ny lalàn’ ny fahamarinana sy ny famindram-po eo amin’ ny fiainan’ ireo rehetra izay mibebaka sy manaraka an’ i Kristy.

Endrey voninahitra be,

Fanavotana re.

Fitiavana, famindram-po,

no tafaraka soa!

(“Endrey fahendrena, fitia” Fihirana sy Hiran’ ny ankizy, p. 37.

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Misy Mpanavotra sy Mpanelanelana iray izay mijoro ho vonona sy manana fahafahana ny handamina ny fitakian’ ny fahamarinana sy hanome famindram-po an’ ireo izay mibebaka” (“The Mediator,” Ensign, Mey 1977, 56).

Ny soratra masina sy ny haisoratra ary ireo zavatra diavina eo amin’ ny fiainana dia feno tantara mikasika ny fanavotana. Ny olona dia afaka manova ary tena manova ny fiainany ary mahazo fanavotana amin’ ny alalan’ i Kristy. Tiako ireo tantara mikasika ny fanavotana ireo.

Manana namana iray aho izay tsy nanaraka ny fampianaran’ ny Fiangonana fony izy mbola zatovo. Rehefa lasa olon-dehibe vao herotrerony izy dia tsapany ny zavatra tsy mba nananany noho ny tsy fiainana ny filazantsara. Nibebaka izy sy nanova ny fiainany ary nanolo-tena ny hanana fiainana marina. Indray andro taona maro taorian’ ny nifankahalalanay fony mbola zatovo dia nifanena taminy tany amin’ ny tempoly aho. Namirapiratra teny amin’ ny masony ny hazavan’ ny filazantsara ary tsapako fa lasa mpikamban’ ny Fiangonana mazoto izy izay miezaka ny hiaina feno ny filazantsara. Tantara iray momba ny fanavotana ny tantarany.

Indray mandeha aho dia nanao tafa sy dinika mikasika ny batisa tamin’ ny vehivavy iray izay efa nahavita heloka be vava iray. Nandritra ilay tafa sy dinika dia nanontany azy aho raha toa ka takany tsara fa tsy afaka mamerina velively izany fahotana izany intsony izy. Tao anatin’ ny fihetseham-po lalina hita teny amin’ ny masony sy tao amin’ ny feony no nilazany hoe: “Filoha a! Tsy afaka ny hamerina hanao izany fahotana izany velively aho. Izany no antony haniriako hatao batisa—mba ho voadio amin’ ny vokatr’ ilay fahotana mamohehatra.” Ny azy koa dia tantara iray momba ny fanavotana.

Rehefa nanatrika fihaonamben’ ny tsatòka maro sy fivoriana hafa aho tao anatin’ izay taona vitsivitsy lasa izay dia nampitaiko ilay antso avo nataon’ ny Filoha Thomas S. Monson mba hamonjena ireo mpikamban’ ny Fiangonana malaina. Nandritra ny fihaonamben’ ny tsatòka anankiray dia notantaraiko ny tantaran’ ny mpikambana iray izay nalaina ary niverina nazoto indray taorian’ ny famangian’ ny eveka sy ireo mpitarika hafa azy tany an-tranony ary nilazan’ izy ireo taminy fa ilaina izy ary nantsoin’ izy ireo mba hanompo ao amin’ ny paroasy. Ilay lehilahy ao anatin’ io tantara io dia tsy hoe nanaiky ilay antso fotsiny fa nanova koa ny fiainany sy ny fahazarany ary lasa nazoto tanteraka tao amin’ ny Fiangonana.

Nisy namako iray teo anivon’ ireo mpiangona izay nitantarako izany tantara izany. Tonga dia hita fa niova ny endriny rehefa notantaraina ilay tantara. Nandefasany e-mail aho ny ampitson’ izany izay nilazany fa nihetsi-po izy vokatr’ ilay tantara satria ny tantara mikasika ny fiverenan’ ny rafozandahiny ho lasa nazoto indray tao amin’ ny Fiangonana dia tena nitovy tamin’ ity iray izay notantaraiko ity. Nilaza izy fa vokatry ny famangian’ ny eveka nitovy tamin’ izany koa sy ny fanasana mba hanompo ao amin’ ny Fiangonana, dia nanombantombana ny fiainany sy ny fijoroany ho vavolombelona ny rafozandahiny ary nanova zavatra lehibe teo amin’ ny fiainany sy nanaiky handray antso. Izany lehilahy nampiana mba hiverina hazoto indray izany dia manana taranaka 88 amin’ izao fotoana izao izay mpikambana mazoto ao amin’ ny Fiangonana daholo.

Tao anatin’ ny fivoriana iray andro vitsy taty aoriana dia notantaraiko ireo tantara roa ireo. Ny ampitson’ izany dia nahazo e-mail iray hafa indray aho izay nanomboka tamin’ ny hoe: “Izany koa no tantaran’ ny raiko.” Izany e-mail avy tany amin’ ny filohan’ ny tsatòka iray izany dia nilaza ny fomba nanasana ny rainy mba hanompo ao amin’ ny Fiangonana, na dia tsy mpikambana nazoto aza izy ary nanana fahazarana izay nila novaina. Nanaiky ilay fanasana izy ary tao anatin’ izany dia nibebaka sy lasa filohan’ ny tsatòka tamin’ ny farany, dia avy eo filohan’ ny misiona ary nametraka ny fototra ho an’ ny taranany mba ho lasa mpikambana mahatoky ao amin’ ny Fiangonana. Nanaiky ilay fanasana izy ary tao anatin’ izany dia nibebaka sy lasa filohan’ ny tsatòka tamin’ ny farany, dia avy eo filohan’ ny misiona ary nametraka ny fototra ho an’ ny taranany mba ho lasa mpikambana mahatoky ao amin’ ny Fiangonana.

Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia notantaraiko daholo tany amin’ ny fihaonamben’ ny tsatòka iray hafa ireo tantara telo ireo. Taorian’ ilay fivoriana dia nisy lehilahy iray nanatona ahy ary nilaza tamiko fa tsy tantaran’ ny rainy izany, fa tantara ny. Notantarainy tamiko ireo zava-niseho rehetra izay nitondra azy tany amin’ ny fibebahana ary nampiverina azy ho mpikambana mavitrika tanteraka tao amin’ ny Fiangonana. Ary dia toy izany ny fandehany. Rehefa nanao ilay antso mba hamonjy ireo mpikambana malaina aho dia naheno tantara maro momba ireo olona izay namaly ny fanasana hiverina sy hanova ny fiainany. Naheno tantara maro mikasika ny fanavotana aho.

Na dia tsy afaka na oviana na oviana hamerina izay vola naloan’ ilay Mpanavotra ho antsika aza isika, dia mangataka antsika hanao ny ezaka tsara indrindra vitantsika ny drafitry ny fanavotana mba hibebaka tanteraka sy hanao ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ry Mpamonjy sy Mpanavotra ny fanahiko,

Ny tananao mahery no nahasitrana ahy,

Ny herinao mahagaga no nampitsangana ahy,

Ka nameno hamamiana ny kapoaka mangidiko!

Iza no afaka hilaza ny fankasitrahako,

Ry Andriamanitr’ i Isiraely mendri-kaja?

Tsy afaka ny hamerina velively izay nefainao aho ry Tompo,

saingy afaka kosa mitia anao. Moa va tsy ny teninao madio

no lasa hany fifaliako,

Iravoako ny atoandro, nofisiko ny alina?

Dia avelao ny vavako mbola hitory ny teninao,

Ka ny fiainako manontolo haneho ny sitraponao.

(“Savior, Redeemer of My Soul,” Hymns, no. 112)

Mijoro ho vavolombelona momba ny herin’ ny Sorompanavotan’ i Kristy aho. Rehefa mibebaka isika sy manatona Azy dia afaka mahazo ireo fitahiana rehetran’ ny fiainana mandrakizay. Ny vavaka ataoko dia ny mba hanaovantsika izany sy hahazoantsika ny tantarantsika manokana momba ny fanavotana, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy amena.