2011
Ny Fiantrana tsy ho Levona Mandrakizay
Nôvambra 2011


Ny Fiantrana tsy ho Levona Mandrakizay

Mitalahoa mba ho feno an’ ilay fanomezam-pahasoavan’ ny fiantrana, ilay fitiavana madion’ i Kristy.

Silvia H. Allred

Vao tsy ela akory izay dia nitsidika ny tanànan’ i Nauvoo, Illinois, izahay mivady. Rehefa tany izahay dia nipetraka tao amin’ ilay efitrano tany amin’ ny rihana ambonin’ ilay Trano Biriky Mena Fivarotana, izay nataon’ ny Filoha Joseph Smith birao sy toeram-pandraharahana. Nihaino tsara ilay mpitarika mpizaha tany izahay, izay nanazava ny tranga ara-tantara momba ny Famerenana amin’ ny laoniny izay niseho teo.

Nieritreritra momba ny fanorenana ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo fampianarana sasany azon’ ireo rahavavy avy tany amin’ ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ izany efitrano izany aho. Ireo fampianarana ireo no lasa fitsipika fototra niorenan’ ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo tanjona hoe fampitomboana ny finoana, sy fanamafisana orina ny tokantranon’ i Ziona, ary fitadiavana sy fanampiana ireo sahirana dia efa hatrany am-piandohana no napetraka. Nifanaraka foana tamin’ ireo fampianaran’ ny mpaminany izany.

Nandritra ny iray tamin’ ireo fivoriana tany am-piandohana ireo, dia naka soratra masina avy ao amin’ ny taratasin’ i Paoly ho an’ ny Korintiana ny Mpaminany Joseph Smith. Tao anatin’ ilay toriteniny mahery vaika momba ny fiantrana, dia niresaka momba ny finoana sy ny fanantenana ary fitiavana i Paoly, ary nofaranany tamin’ ny hoe “Fa ny lehibe indrindra amin’ izy ireo dia ny fitiavana.”1

Novoaboasany ireo zavatra tsara fonosin’ ny fiantrana. Hoy izy:

“Ny fitiavana [na fiantrana] mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,

“… ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,

“Tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa;

“Mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

“Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”2

Raha niresaka tamin’ ireo rahavavy ny Mpaminany Joseph dia nilaza hoe: “Aza ferana ny fomba fijerinareo mikasika ny toetra tsara ananan’ ny namanareo. … Tsy maintsy mampivelatra ny fanahinareo amin’ ny hafa ianareo raha [te] hanao izay nataon’ i Jesoa. … Rehefa mitombo ny tsy fanananareo tsiny sy ny fahamarinan-toetranareo, ary rehefa mitombo ao amin’ ny hatsaran-toetra ianareo, dia avelao hivelatra ny fonareo—Avelao hivelatra ho any amin’ ny hafa izany—tsy maintsy mahari-po ianareo ary tsy maintsy mahazaka ny hadisoana sy ny tsy mety ataon’ ny olombelona. Tena sarobidy tokoa ny fanahin’ ny olona!”3

Ilay fanambarana ao amin’ ny soratra masina hoe “Ny [fiantrana] tsy ho levona mandrakizay” dia lasa tarigetran’ ny Fikambanana Ifanampiana satria mifanaraka amin’ ireo fampianarana ireo izany ary mifanaraka amin’ ilay andraikitra izay nomen’ ny Mpaminany Joseph Smith ny Fikambanana Ifanampiana hoe “hanamaivamaivana ny mahantra” sy “hamonjena fanahy.”4

Ireo fitsipika fototra ireo dia neken’ ireo rahavavy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana manerana izao tontolo izao tanteraka, satria izany no votoatin’ ny asan’ ny Fikambanana Ifanampiana.

Inona no atao hoe fiantrana? Ahoana no fomba ananantsika fiantrana?

I Môrmôna mpaminany dia namaritra ny hoe fiantrana ho toy “ny fitiavana madion’ i Kristy,”5ary i Paoly dia nampianatra fa “ny fiantrana … dia fehin’ ny fahatanterahana,”6 ary i Nefia dia nampahatsiahy antsika hoe “efa nanome didy ny Tompo Andriamanitra fa ny olon-drehetra dia tokony hanana fiantrana, dia fiantrana izay fitiavana.”7

Raha averina jerena ny famaritan’ i Paoly momba ny fiantrana, dia mianatra isika fa ny fiantrana dia tsy fihetsika atao indray mandeha fotsiny na zavatra omentsika, fa toetran’ olona iray, toetran’ ny fo, fahatsapan-javatra tsara izay miteraka fihetsika feno fitiavana.

I Môrmôna koa dia mampianatra antsika fa ny fiantrana dia nomena ireo tena mpanara-dia marin’ i Kristy ary ny fiantrana dia manadio ireo izay manana izany.8 Ankoatr’ izany, dia mianatra isika fa ny fiantrana dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay tsy maintsy katsahintsika sy angatahintsika ombam-bavaka. Mila manana fiantrana isika ao am-pontsika mba hahafahantsika mandova ny fanjakana selestialy.9

Noho ny fahatakarantsika fa ny Tompo dia nangataka “ny hitafia[ntsika] ny fatoran’ ny fiantrana,”10 dia tsy maintsy mangataka ireo toetra tsara izay hanampy antsika hampiroborobo ny fiantrana isika.

Voalohany indrindra, tsy maintsy manana faniriana hampitombo ny fanehoana fiantrana sy hitovy bebe kokoa amin’ i Kristy aloha isika.

Ny dingana manaraka dia ny mivavaka. Namporisika antsika i Môrmôna mba “[Hivavaka] amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno [antsika] amin’ izany fitiavana izany.” Izany fitiavana avy amin’ Andriamanitra izany dia ny fiantrana, ary rehefa feno an’ izany fitiavana izany isika dia “ho lasa tahaka Azy.”11

Ny famakiana soratra masina isan’ andro dia afaka mampitodika ny saintsika mankany amin’ ny Mpamonjy sy any amin’ ny faniriana ny ho tonga tahaka Azy.

Izaho dia nisafidy ny hanantona ao amin’ ny biraoko ny sary hosodoko nataon’ i Minerva Teichert mitondra ny lohateny hoe Famonjena ilay Zanak’ ondry Very. Mampiseho ny sarin’ ny Mpamonjy mitsangana eo anivon’ ny ondriny izany, sy mitazona amim-pitiavana zanak’ ondry kely iray eny an-tsandriny. Manampy ahy izany hieritreritra ilay fitalahoany hoe: “Fahano ny ondriko,”12 izay amiko dia midika hoe: manompoa an’ ireo rehetra manodidina anao ary jereo manokana ireo izay mila fanampiana.

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra mikasika ny fanehoana fiantrana. Nandritra ny fanompoany tety an-tany dia naneho fangorahana an’ ireo noana, ireo mpanota sy ireo mijaly ary ireo marary Izy. Nanompo teo anivon’ ny mahantra sy ny mpanankarena Izy; ny vehivavy, ny ankizy, ary ny lehilahy; ny fianakaviana, ny namana, ary ny vahiny. Namela ny helok’ ireo nanameloka Azy Izy, ary nijaly sy maty ho an’ ny olona rehetra.

Nandritra ny fiainany iray manontolo, ny Mpaminany Joseph Smith dia naneho fiantrana tamin’ ny alalan’ ny fanehoany fitiavana avy amin’ ny rahalahy sy ny fanajany ny hafa. Nalaza tamin’ ny hatsaram-panahiny, ny fitiavany sy ny fangorahany ary ny fiahiany ireo izay manodidina azy izy.

Ankehitriny isika, dia sambatra manana mpaminany izay ohatra iray amin’ ny fanehoana fiantrana. Ny Filoha Thomas S. Monson dia ohatra ho antsika sy ho an’ izao tontolo izao. Mitafy ny kapaotin’ ny fiantrana izy. Tsara fanahy izy, be fangorahana, malala-tanana; tena mpanompo marin’ i Jesoa Kristy Tompo.

Nampianatra ny Filoha Monson hoe: “Ny fiantrana dia ny fananana faharetana amin’ ny olona iray izay nandiso fanantenana antsika. Famehezana ny tena mba tsy ho lasa mora tafintohina. Fanekena ireo fahalemena sy ny tsy fahalavorariana. Fanekena ny olona amin’ ny maha-tena izy azy. Fijerena, mihoatra ny endrika ivelany, ireo toetra izay tsy ho lefy rehefa mandeha ny fotoana. Famehezana ny tena mba tsy ho voasarika hitsara ny hafa.”13

Rehefa manana fiantrana isika, dia vonona ny hanompo sy hanampy ny hafa na dia amin’ ny fotoana tsy mety amintsika aza ary tsy manana eritreritra hahazo sitraka na tambiny. Tsy miandry angatahina isika vao hanampy satria lasa toetra raikitra ao anantintsika izany. Rehefa misafidy ny ho tsara fanahy, ho tia mikarakara, ho malala-tanana, hanana faharetana, hahay handray olona, hamela heloka sy tsy hanavakavaka ary tsy ho tia tena isika, dia ho hitantsika fa feno fiantrana isika.

Ny fikambanana Ifanampiana dia manome fomba maro tsy voatanisa mba hanompoana ny hafa. Ny iray amin’ ireo fomba tena manan-danja hanehoana ny fiantrana dia amin’ ny alalan’ ny famangiana isan-tokantrano. Amin’ ny alalan’ ny famangiana isan-tokatrano mahomby, dia manana fahafahana maro isika hanehoana fitiavana sy hanampiana ary hanampoana ny hafa. Ny fanehoana fiantrana na fitiavana, dia manadio sy manamasina ny fanahintsika, ary manampy antsika hitovy bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy.

Talanjona aho rehefa mahita ireo asa fiantrana tsy tambo isaina ataon’ ireo mpamangy isan-tokantrano isan’ andro manerana an’ izao tontolo izao izay manompo amim-pitiavana mba hanome izay ilain’ ireo rahavavy tsirairay sy ny fianakavian’ izy ireo. Milaza aminareo mpamangy isan-tokantrano mahatoky ireo aho fa “Amin’ ny alalan’ ireo asa fiantrana madinika ataonareo ireo, dia manaraka ny Mpamonjy ianareo, ary miasa toy ny fitaovana eo am-pelatanany rehefa manampy, mikarakara, manome hery, mankahery, mihaino, mamporisika, mamahana, mampianatra, ary manamafy orina ireo rahavavy izay karakarainareo.” Mamelà ahy ianareo hizara ohatra vitsivitsy mikasika izany fanompoana izany.

I Rosa dia voan’ ny diabeta izay nahahosa azy tokoa ary tratran’ ny aretina hafa koa. Taona vitsivitsy izay no naha-mpikamban’ ny Fiangonana azy. Reny tokan-tena izy ary manan-janaka lahy efa zatovo. Matetika izy no tsy maintsy miditra hôpitaly mandritra ny andro vitsivitsy. Ireo mpamangy isan-tokatranony tsara fanahy dia tsy mitondra azy any amin’ ny hôpitaly fotsiny, fa mitsidika sy mankahery azy any amin’ ny hôpitaly koa ary mikarakara ilay zanany lahy any an-trano sy any an-tsekoly. Ireo mpamangy isan-tokatranony no toy ny namany sy fianakaviany.

Taorian’ ny fitsidihana vitsivitsy natao tamin’ ny rahavavy iray, dia hitan’ i Kathy fa ity rahavavy iray ity dia tsy nahay namaky teny kanefa naniry ny hianatra. Nirotsaka hanampy azy i Kathy na dia fantany aza fa handany fotoana izany ary hitaky faharetana sy fahatokiana.

I Emily dia renim-pianakaviana vao herotretrony izay nikaroka ny fahamarinana. I Michael vadiny dia tsy dia liana loatra tamin’ ny resaka finoana. Rehefa narary i Emily ary nijanona naharitra kely tany amin’ ny hôpitaly, dia i Cali izay rahavavy iray avy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana ary mpifanolobodirindrina aminy no nikarakara ny sakafon’ ny fianakaviana, nitaiza ny zanany, nanadio ny tranony, ary nanao izay nahazoan’ i Emily tsodranon’ ny fisoronana. Ireo asa fanehoana fiantrana ireo dia nanalefaka ny fon’ i Michael. Nanapa-kevitra ny handeha hanatrika fivoriam-piangonana izy ary hihaona amin’ ny misiônera. Natao batisa vao tsy ela akory izay i Emily sy Michael.

Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. … Ny fiantrana … dia mora fanahy, … tsy mirehareha, … mandefitra ny zavatra rehetra ary maharitra ny zavatra rehetra.”14

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

“Ny tantaran’ ny Fikambanana Ifanampiana dia feno tatitra mikasika izany fanompoana feno fitiavana izany. …

“Ity fikambanana ity dia ahitana vehivavy, izay ny fahatsapany haneho fiantrana dia avy amin’ ilay fo izay niova noho ny fiezahana ho mendrika hanao fanekempihavanana sy ny fitandremanana izany, fanekempihavanana izay tsy omena raha tsy ao amin’ ny Fiangonana marin’ ny Tompo irery ihany. Ny fahatsapan’ izy ireo haneho fiantrana dia avy Aminy tamin’ ny alalan’ ny Sorompanavotany. Ireo asa fanehoana fiantrana ataon’ izy ireo dia tarihin’ ny ohatra nasehony—sy ny Fanahy Masina izay nalefany hiaraka amin’ ny mpanompony ao anatin’ ilay asa fanehoana famindrampo nanirahana azy ireo. Noho izany dia nahatanteraka sy afaka nanao zavatra mahatalanjona ho an’ ny hafa izy ireo ary afaka mahita fifaliana na dia goavana aza ny zavatra ilain’ izy ireo manokana izay tsy azony.”15

Ny fanompoana sy fanehoana fiantrana ny hafa dia manampy antsika handresy ireo olantsika manokana ary mahatonga azy ireny ho tsy tena manahirana loatra.

Ankehitriny aho dia hiverina amin’ ny fampianarana nozarain’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ ireo rahavavy tany am-piandohan’ ny Famerenana tamin’ ny Laoniny. Rehefa namporisika ny fampiharana ny fiantrana sy ny filatsahana an-tsitrapo izy dia nilaza hoe: “Raha manatanteraka ireo fitsipika ireo ianareo, dia tena ho lehibe sy tena tsara ny valisoanareo any amin’ ny fanjakana selestialy! Raha toa ka miaina araka ny tokony ho izy ireo tombontsoa nomena anareo ianareo dia tsy hisy hanakana ny anjely mihitsy tsy hiara-dalana aminareo.”16

Raha nandeha nitady sy nanampy ireo sahirana ireo rahavavy tany am-piandohana tany Nauvoo, dia mitovy amin’ izany ihany ny ankehitriny. Ireo rahavavy ao amin’ ny fanjakana dia andry lehiben’ ny tanjaka ara-panahy sy ny asa fanompoana feno fitiavana ary ny fanoloran-tena. Ny mpamangy isan-tokatrano feno fanoloran-tena dia mifampitsidika sy mifampikarakara. Manaraka ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy izy ireo ary manao izay nataony.

Ny vehivavy rehetra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka ny ho feno fitiavana noho ny fahafantarana fa ireo asa madinidinika fanehoana fiantrana ataon’ izy ireo dia mitondra hery manasitrana ho an’ ny hafa sy ho an’ izy ireo. Ho fantatr’ izy ireo tsara fa ny fiantrana dia fitiavana madion’ i Kristy ary tsy ho levona mandrakizay.

Rehefa mamaky ny tantaran’ ny Fikambanana Ifanampiana ianareo, dia hanentana ny fanahinareo izany mba hahita fa izany fitsipiky ny filazantsara manan-danja izany dia lohahevitra efa mahazatra ao anatin’ ilay boky iray manontolo.

Faranako izany amin’ ny fanasana ny vehivavy rehetra ato amin’ ny Fiangonana hitalaho mba ho feno an’ ilay fanomezam-pahasoavan’ ny fiantrana, ilay fitiavana madion’ i Kristy. Ampiasao daholo ireo loharano anananareo rehetra mba hanaovana ny tsara sy hitondrana fanampiana sy famonjena an’ ireo manodidina anareo, ka anisan’ izany ny fianakavianareo. Hovalian’ ny Tompo fahombiazana ny ezaka nataonareo.

Enga anie ny fahalalantsika ilay fitiavana lehiben’ ny Ray sy ny Zanaka antsika, ary ny finoantsika sy ny fankasitrahantsika ny Sorompanavotana, hanosika antsika hanana sy haneho fiantrana amin’ ireo olona manodidina antsika. Izany no vavaka ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.