Manampy ny Zatovo Hiaina Zavatra Ara-panahy
Tsy misy na iza na iza afaka manery ny zatovo hiaina zavatra ara-panahy, saingy nahita ireto ray aman-dreny sy mpitarika ireto fa maro be ireo fomba ahafahana miaina zavatra izay mitondra any amin’ ny fiovam-po.
Rehefa nanomboka nianatra momba ny Fiangonana i Vyacheslav sy Zoya Gulko avy any Ukraine dia tsy dia faly loatra momba izany ny zanak’ izy ireo vavimatoa izay 13 taona. Nanda tsy handray anjara amin’ ireo lesona ampianarin’ ny misiônera izy ary rehefa fantany fa ho avy ao an-trano ireo elders dia tsaroan’ ny reniny izy “nampiseho ny tao am-pony tamin’ ny alalan’ ny fanakatonana ny varavaran’ ny efitranony.”
Nanana eritreritra Rahalahy sy Rahavavy Gulko, izay nanapa-kevitra ny ho lasa mpikamban’ ny Fiangonana, fa raha toa izy ireo ka afaka manome fahafahana an’ i Kira mba hahatsapa ny Fanahy, dia mety ho voakasika ny fony. Satria ny fijoroana ho vavolombelon-drahavavy Gulko manokana dia nanomboka tamin’ ny fotoana iray nanatrehany ny batisan’ olona iray hafa dia nangataka an’ i Kira izy mba hanatrika ny batisa ny—mba hanampy azy fotsiny hisolo akanjo maina aorian’ izany. Taitra Rahavavy Gulko fa nanaiky i Kira.
“Nitranga ilay izy!” Hoy Rahavavy Gulko nahatsiaro izany. “Niasa tamin’ ny fomba tena mahagaga ny Ray any an-danitra.” Tena nahatsapa ny Fanahy i Kira ary herinandro taorian’ ny nanaovana batisa ny ray aman-dreniny dia nanaiky ny hihaona amin’ ny misiônera izy. Nanomboka namaky ny Bokin’ i Môrmôna izy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nahatsikaritra taratasy nihantona teo amin’ ny latabatr’ i Kira Rahavavy Gulko. Nisoratra teo amin’ izany ireo teny hita ao amin’ ny 2 Nefia 2:25. Roa volana sy tapany taorian’ ny batisany dia nanatrika ny batisan’ ny zanany vavy ry Gulko mivady. Ankehitriny, 20 taona aty aoriana dia manambady i Kira. Nofehezina tany amin’ ny tempoly izy sy ny i Dave vadiny ary mitaiza ny zanany roa lahy ao anatin’ ny filazantsara izy ireo. Nanompo tamim-pahatokiana tao anatin’ ireo antso maro izy ary nitoetra ho mazoto tao amin’ ny Fiangonana.
Tamin’ ny alalan’ izany zavatra niainana izany dia nilaza i Zoya fa nianatra lesona lehibe izy izay azon’ ny ray aman-dreny mpikamban’ ny Fiangonana nandritra ny fiainany ampiharina toy ny niseho taminy sy ny vadiny fony izy ireo mpikambana vaovao: Tsy afaka manery ny zanany hanaraka ny filazantsara ny ray aman-dreny sy ny mpitarika, saingy afaka manasa azy ireo kosa ho any amin’ ny toerana izay ahafahan’ ny zatovo miaina zavatra ara-panahy manokana na afaka mamorona toe-javatra ahafahan’ izy ireo miaina izany manokana koa. Ireo zavatra niainana ireo avy eo dia afaka mitondra any amin’ ny fiovam-po.
Saingy inona fotsiny no fomba tena tsara indrindra entina hamoronana ireo karazan-javatra iainana ireo? Mizara ny zavatra nandaitra taminy ireo ray aman-dreny sy mpitarika maneran-tany.
Omeo Fahafahana Hanompo ny Zatovo
Ambony ny taham-pahavitrihan’ ireo zatovolahy ao amin’ ny Paroasin’ i Granja Viana ao amin’ ny Tsatòkan’ i Cotia São Paulo Brésil. Saingy nahatsikaritra ny mpitarika azy ireo fa ny sasany amin’ izy ireo dia miatrika olana manokana ary manana olana eo amin’ ny fanatanterahany ireo andraikiny ao amin’ ny fisoronana.
Rehefa niara-nifampidinika ny episkôpà sy ireo mpitarika ao amin’ ny Zatovolahy dia nanapa-kevitra fa hampifantoka bebe kokoa ny fiaraha-mientan’ izy ireo amin’ ny asa fanompoana ary hatao vitsy ny fialamboly. Izany dia nahitana ny famangiana ireo mpikambana malaina tao amin’ ny kôlejy, ny fandraisana anjara tamin’ ny fitoriana ny filazantsara niaraka tamin’ ireo misiônera manompo amin’ ny fotoana maharitra ary fikarakarana ny fanasan’ ny Tompo ho an’ ireo mpikambana izay tsy afa-miala ao an-trano. Ireo fiaraha-mientana ireo dia nanome fahafahana ny zatovolahy mba hanao zavatra araka ireo fitsipika izay ianarany ao amin’ ny seminera sy isan’ Alahady (jereo ny 2 Nefia 2:26).
Rehefa nandeha ny fotoana dia “nisy fiantraikany tsara tokoa ireo fiaraha-mientana ara-panahy ireo,” hoy ny tatitry ny mpitarika ao amin’ ny fisoronana iray.
“Variana izahay nandritra ny Alahady iray fifadian-kanina fa nijoro ho vavolombelona daholo ny zatovolahinay,” hoy izy. “Rehefa nanao izany izy ireo dia maro tamin’ izy ireo no nitantara tao anatin’ ny ranomaso ilay fanahy tsara izay tsapan’ izy ireo tao anatin’ ireo fotoana ireo. Ny zatovolahy iray dia nizara ny zavatra niainany rehefa nizara ny fanasan’ ny Tompo ho an’ ny mpikambana iray efa zokinjokiny tao amin’ ny paroasinay izy izay narary tsy afa-niala teo am-pandriana nandritra ny telo taona. Nandray tamim-pifaliana sy tao anatin’ ny fanantenana an’ ireo zatovolahinay ny vadiny izay rahavavy mahatoky iray. Taorian’ ilay ôrdônansy dia nozarainy tamin’ izy ireo ny hafaliana tsapany teo amin’ ny fiainany noho ny filazantsara na dia teo aza ireo olana sy fanamby lehibe izay natrehany. Nahatsapa ny Fanahy izy ireo ary nahita ny fiantraikan’ ny filazantsara eo amin’ ny fiainan’ ny olona. Tena nahery vaika izany zavatra niainana izany ka dia hotsaroan’ izy ireo foana izany mandritra ireo taona maro ho avy—ary angamba mandritra ny fiainany iray manontolo.”
Nahatsikaritra izy fa tsy mbola nahita velively karazam-baliny toy izany avy amin’ ny fanaovana “lalao baolina kitra na fiaraha-mientana ifampizarana izay mampifalifaly.” Nilaza kosa izy fa izany zavatra niainana izany dia nampianatra azy ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-toerana ny karazan-javatra iainana toy izany izay ahafahan’ ny zatovo mahatsapa ny Fanahy.
“Manan-danja ireo fiaraha-mientana ara-piaraha-monina,” hoy izy nanohy. “Saingy ny zavatra iainana ara-panahy dia tena zava-dehibe eo amin’ ny fanampiana ny zatovo hanorina ny fijoroany ho vavolombelona manokana.”
Isaky ny Alahady ao amin’ ny Paroasin’ i Rennes ao amin’ ny Tsatòkan’ i Angers France, dia mizara karatra kely ho an’ ny zatovovavy tsirairay izay miangona Rahavavy Delphine Letort, izay filohan’ ny Zatovovavy ary mangataka azy tsirairay mba hifidy zatovovavy iray izay tsy niangona ary manoratra any aminy. Nanoratra mikasika ny lesona tamin’ izay herinandro izay ireo zatovovavy—ny zavatra nianarany na ny zavatra nanentana ny fanahiny—ary nanoratra koa teny manokana maneho fitiava-namana. Dia alefan-drahavavy Letort na ny iray amin’ ireo mpanolotsainy any amin’ ny paositra ireo karatra ireo ho an’ ireo izay tsy niangona.
Tsotra ilay fiaraha-mientana nefa nahomby hoy izy. Tsy hoe fomba iray fotsiny izany ho an’ ireo izay tsy niangona mba hahafantarany fa misy mahatsiaro izy fa koa fomba iray ho an’ ireo izay nanoratra ilay teny fohy mba hifampiahy.
“Amin’ ny alalan’ ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe,” hoy izy (jereo ny Almà 37:6). Hitanay ny fisehoan’ izany. Namporisihana ny zatovovavy ary izany zavatra niainana izany dia lasa nampitombo ny fijoroany ho vavolombelona.”
Ampifandraiso amin’ ny Tenin’ Andriamanitra ny Zatovo
Nampianatra i Almà fa ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra dia misy fiantraikany mahery vaika (jereo ny Almà 31:5). I David Elmer, mpitarika ny Zatovolahy any Texas, Etazonia, dia nahafantatra izany ary naniry ny hampiaina zavatra manan-danja ho an’ ireo zatovolahy izay notarihiny tao anatin’ ny dia nataon’ ny Skoto izay mifono kisendrasendra maro, ka hanomana azy ireo amin’ ny hoavy izany.
Nieritreritra ombam-bavaka ny zavatra azony zaraina Rahalahy Elmer ary nahatsapa ho voatarika tany amin’ ilay lahateny nataon’ ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo. Nampianatra avy tamin’ izany hafatra izany Rahalahy Elmer nandritra ilay dia, ka tafiditra tao anatin’ izany ilay tantara nozarain’ ny Loholona Andersen mikasika an’ i Sidney Going, mpilalao rugby malaza tany Nouvelle Zélande izay nampihantona ny fanaovany fanatanjahan-tena mba hanaovana asa fitoriana. “Ny asa fitorianao dia ho tombontsoa masina hitondrana ny hafa hanatona an’ i Kristy ary hiomanana amin’ ny Fiavian’ ny Mpamonjy Fanindroany,” hoy ny Loholona Andersen.1
Nahery vaika ny zavatra niseho hoy Rahalahy Elmer satria nampianatra avy amin’ ny tenin’ ny mpaminany iray izy. Tany amin’ ny faran’ ilay fotoam-pivavahana dia nanoratra ny anarany teo amin’ ny baolina fanaovana rugby daholo ny zatovolahy sy ireo mpitarika mba ho toy ny fampanantenana fa hanao asa fitoriana ary ho toy ny mpampahatsiahy azo tsapain-tanana mikasika izay zavatra nianaran’ izy ireo sy tsapan’ izy ireo. Tsy natory ny ankamaroan’ ireo ray sy mpitarika tamin’ izany alina izany fa niresaka tamin’ ireo zatovolahy mikasika ny fiantraikan’ ny asa fitoriana nataony teo amin’ ny fiainany.
“Andriamanitry ny tena manokana ny anay. Mahafantatra ny zatovony Izy,” hoy Rahalahy Elmer. “Fantany ny fiainan’ izy ireo sy ny olan’ izy ireo ary ny zavatra miseho eo amin’ ireo ankizy ireo. Tsy fantatrao velively ny fomba niasany teo amin’ ny fiainan’ izy ireo. Noho izany amin’ ny maha-mpitarika anay dia manomana sy manolotra tontolo hahatsapan’ izy ireo ny Fanahy izahay. Afaka manao izany amin’ ny alalan’ ny soratra masina ianao sy amin’ ny alalan’ ny tenin’ ireo mpaminany, saingy ny Tompo fa tsy isika no miasa ao am-pony.”
Aoka mba Hanao ilay Zavatra Tsy Tapaka
Nilaza Rahalahy Elmer fa tiany ireo zatovolahy mba hahatsiaro zavatra hafa mikasika ilay dia: Tsy tapaka mihitsy ny fandalinan’ izy ireo ny filazantsara.
“Nahatsapa aho fa tafiditra tao anatin’ ny andraikitro ny mampiaina azy ireo zavatra izay ahatsapan’ izy ireo ny Fanahy ary raha tiako hitranga izany dia tsy maintsy manao ny anjarako aho mba handrafetana izany,” hoy izy. “Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra mikasika ny famoronana lamina ara-panahy eo amin’ ny fiainantsika, lamina toy ny fandalinana ny soratra masina ny vavaka ary ny takarivan’ ny mpianakavy.2 Ary rehefa nandeha izahay tao anatin’ izany herinandro izany dia notazoninay ilay fanka-tahaka ara-panahy. Nanao vavaka tamin’ ny naha-vondrona anay izahay. Nanendry zatovolahy izahay mba hizara vatsim-panahy mandritra ny 10 minitra amin’ ny maraina ary nanomana vatsim-panahy ho an’ ny hariva kosa ny mpitarika azy ireo sy ny rain’ izy ireo.
“Ny tanjon’ izany dia na dia lavitry ny trano fonenanay aza izahay ary na dia samy hafa aza ny zavatra nataonay tany sy ny zavatra fanaonay mahazatra, dia tsy natsahatra ny fanarahanay ny laminay ara-panahy. Mety nahatsiaro na tsy nahatsiaro lesona manokana ny zatovolahy, saingy manantena aho fa hahatsiaro ilay lamin’ ny fanaovana vatsim-panahy sy vavaka ary fandalinana ny soratra masina izay notazoninay izy ireo.”
I Myra Bocobo Garcia avy any Philippines koa dia mahafantatra ny lanjan’ ny fanaovana zavatra tsy tapaka ary mahafantatra fa manomboka any an-trano ny fampianarana izany. Rahavavy Garcia sy i Edwin vadiny dia manan-janaka lahy telo ary zanaka vavy enina izay 8 taona ka hatramin’ ny 22 taona. Samy manana zavatra tsara atao samihafa izy tsirairay ireo. Na dia midika aza izany hoe olona maro no mandeha mankany amin’ ny toerana samihafa, dia miezaka mafy ny fianakaviana mba hanaovana izay hiarahana misakafo hariva.
“Ny fandrahoana sakafo sy ny fanomanana amim-pifaliana ny sakafo ary ny fiarahana misakafo dia iray amin’ ireo fomba tena tsara hanangonanay ny zanakay,” hoy Rahavavy Garcia. Nanamarika izy fa ny fotoam-pisakafoanana dia fotoana hamelombelomana ny aina sy hifandraisana ary hankasitrahana an’ ireo fitahian’ ny Tompo.
Ampiasao ireo Fahafahana Misy mba Hampianarana sy Hihainoana
I Jocelyn Fielden avy any Nova Scotia, Canada, dia milaza fa ny lesona faran’ izay lehibe nianarany avy amin’ ny fitaizana zanaka enina izay ankehitriny eo amin’ ny 20 taona ka hatramin’ ny 30 taona, dia tsy hoe avy amin’ ny fampianarana mivantana fotsiny fa koa tamin’ ny alalan’ ny “famoronana tontolo izay ahafahan’ ny ankizy mianatra ny fahamarinana ho an’ ny tenany manokana.”
“Aza maika loatra hanatanteraka ny fanapahan-kevitr’ izy ireo rehetra na hamaly ny fanontanian’ izy ireo,” hoy izy. Fa nanoro hevitra kosa izy ny mba hitarihana ny zanaka “any amin’ ny soratra masina na any amin’ ny torohevitra avy amin’ ny mpaminanintsika mba hahazoana fitarihana sy valiny.” Nanampy izy hoe: “Ary aoka ianao ho vonona ny ifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany.” Ankoatra izany, rehefa mahazo fanontaniana avy amin’ ny zanany izy dia matetika izy no mamaly izany amin’ ny alalan’ ny fametrahana fanontaniana avy aminy: “Inona no tokony hataonao araka ny eritreritrao?”
“Manàna fahatokiana fa hanao safidy tsara izy ireo,” hoy izy. “Rehefa manampy ny zanatsika hianatra hamantatra ny Fanahy eo amin’ ny fiainany isika mandritra ireo fotoana hampianarana iarahantsika amin’ izy ireo isan’ andro ary rehefa fantatr’ izy ireo hoe manao ahoana izany mahatsapa ny Fanahy izany, dia ho toy ny mpandrisikoto ho azy ireo izany mba hitady traikefa ara-panahy bebe kokoa, ary noho izany dia hatanjaka ny fijoroan’ izy ireo ho vavolombelona momba ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Hitohitohy ny fiantraikan’ izany: rehefa mahatsapa bebe kokoa ny hazavana sy ny fankaherezana entin’ ny Fanahy izy ireo dia haniry bebe kokoa ny hanana izany sy hiezaka ny hanao ireo zavatra izay hahatonga ny Fanahy hirotsaka bebe kokoa eo amin’ ny fiainany.”
Mailaka mihitsy izy nanamafy fa ireo fitsipika izay nahomby teo amin’ ny fiainan’ ny fianakaviany raha ho azy dia ireo izay naverimberin’ ny mpitarika ao amin’ ny Fiangonana ny fampianarana azy. Ohatra, nilaza izy fa raha toa ka miseho mandritra ny fotoana ifanakalozan-kevitra efa voaomana ny fampianarana sasany toy ny amin’ ny takarivan’ ny mpianakavy, sy ny fandalinan’ ny fianakaviana ny soratra masina, ary ny vavaky ny mpianakavy, dia afaka ny ho tarihin’ ny Fanahy kosa ireo ray aman-dreny ahita fotoana hafa hampianarana.3
“Mandeha an-tongotra, ao anaty fiara handeha hamonjy fiaraha-mientana, mampiditra baolina [milalao basketball], miaraka misakafo amin’ ny fotoam-pisakafoanan’ ny fianakaviana, miara-miasa, mihira ary manompo ny hafa dia vitsivitsy amin’ ireo zavatra atao izay nisehoan’ ny fampianarana ny filazantsara teo amin’ ny fianakavianay,” hoy izy. “Mandeha ho azy matetika ny firesahana momba ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara rehefa mirotsaka manao zavatra hafa isika.”
Miaraha Miasa Hanatratra Tanjona Iray
Fotoana fohy taorian’ ny nahazoany mari-pahaizana tao amin’ ny Oniversiten’ i Brigham Young–Hawai, dia niverina nody tany Hong Kong i KaYan Danise Mok ary nahazo antso mba ho filohan’ ny Zatovovavy. Rehefa niezaka nanazatra ny tenany tamin’ ny fiainana tany aminy indray izy sy nanomboka niasa ary nanohy fianarana ambony dia nivavaka mafy izy mba hahazo fanentanam-panahy entina hanampiana ny zatovovavy izay niandraiketany mba hanana fijoroana ho vavolombelona mba hanomanana azy amin’ ny hoavy.
Indray Alahady rehefa nampianatra momba ny fananana tanjona mandrakizay izy dia nahatsapa bitsika nanosika azy hiaraka hamaky ny Bokin’ i Môrmôna amin’ ny zatovovavy iray manokana Rahavavy Mok, ary io zatovovavy io irery ihany no tany am-piangonana tamin’ izay andro izay.
“Nandray andraikitra haingana izaho sy ilay mpanolotsaiko tamin’ ny alalan’ ny fametrahana tanjona ny hamita ny Bokin’ i Môrmôna izay iarahana amin’ ilay zatovovavy ka ho toy ny vondrona iray,” hoy Rahavavy Mok. “Nanaiky tsy tamim-pihambahambana ilay fanamby izy satria hiaraka hanatanteraka ilay tanjona izahay.”
Nanomboka tamin’ izay fotoana izay, dia nanorina “rafitry ny mpinamana” tao amin’ ny facebook izy ireo ary nifandefa hafatra entina hifampahatsiahivana mikasika ilay famakiana sy hifampizarana mikasika ny zavatra nianarany.
Nilaza Rahavavy Mok fa nahita porofon’ ny fiovana miavaka teo amin’ ny fiainan’ ilay zatovovavy izy vokatry ny fandalinana ny soratra masina. Ary rehefa namaky ny soratra masina nandritra ny fotoana nivezivezeny isan’ andro tao anaty fiaran-dalamby izy, dia nahazo fitahiana ho an’ ny tenany koa. “Izaho koa dia nahatsapa ny Fanahy ary nahazo ny valin’ ireo vavaka nataoko rehefa nanohy nandroso teo amin’ ny fiainana aho,” hoy izy.
“Raha araka ny zavatra niainako dia misy zatovo sasany izay miahiahy sy tsy matoky tena loatra hoe afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona sy afaka manana traikefa ara-panahy toy ny ananan’ ny hafa izy ireo,” hoy izy nanohy izany. “Amin’ ny alalan’ ny fiarahana miasa dia manome antoka azy ireo isika miaraka amin’ ny asa ataontsika fa mandaitra izany ary eo isika mba hanohana azy ireo amin’ ny dingana rehetra atao eny amin’ ilay lalana.”