2013
Fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany
Nôvambra 2013


Tsy Irery na Oviana na Oviana Isika

Indray andro any ianareo dia handinika ny fiainanareo ary hijery ireo fotoan-tsarotra nolalovanareo, dia ho fantatrareo fa teo anilanareo foana Izy.

Ry anabaviko malala, ny fihetseham-po tsapanay eto izao takariva izao dia porofon’ny herinareo, ny fahafoizan-tenanareo ary ny hatsaranareo. Hoy ny Mpampianatra: “Hianareo no fanasin’ny tany. … Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.”1

Rehefa nandinika ny fahafahako miresaka aminareo aho dia nitamberina tao an-tsaiko ny fitiavan’i Frances, vady malalako, ny Fikambanana Ifanampiana. Nanompo tamin’ny antso maro tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy nandritra ny androm-piainany. Nantsoina ho filohan’ny Misiona Kanadiana aho rehefa feno 31 taona izahay roa. Nandritra ireo telo taona nanaovanay izany asa izany dia i Frances no nitarika ny Fikambanana Ifanampiana rehetra tao anatin’izany faritra midadasika izany, izay nahitana ny faritanin’i Ontario sy Québec. Ny sasany tamin’ireo namany akaiky indrindra dia azony avy tamin’izany asa niandraiketany izany ary avy tamin’ireo antso marobe notanterahany taty aoriana tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasinay koa. Zanakavavy mahatokin’ny Ray any an-danitra izy, ilay vadiko tiako sady namana malalako indrindra. Tsy misy teny mahalaza ny alaheloko azy.

Tia ny Fikambanana Ifanampiana koa aho. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa natsangana araka ny fitaomam-panahy izany ary ampahany tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Tsy ho vita ny hanao kajikajy ny zavatra tsara rehetra avy amin’ity fikambanana ity sy ny fiainana voatahy noho ny fisian’izany.

Karazam-behivavy samihafa no mandrafitra ny Fikambanana Ifanampiana. Ao ireo izay tsy manambady—mety mianatra, mety miasa—kanefa manorina fiainana tsara sy mahafa-po. Ny sasany aminareo dia renim-pianakaviana sahirana amin’ny fanabeazan-janaka. Ary ny sasany aminareo dia namoy ny vadinareo noho ny fisaraham-panambadiana na ny fahafatesana ary miady mafy amin’ny fitaizana ny zanakareo tsy misy fanampiana avy amin’ny vady na raim-pianakaviana. Ny sasany aminareo dia efa nahalehibe zanaka, kanefa mahatsikaritra fa mbola mila ny fanampianareo izy ireo. Maro aminareo no manana ray aman-dreny efa nahazo taona izay mila ilay fikarakarana amim-pitiavana izay tsy misy afaka manome afa-tsy ianareo.

Na aiza na aiza no toerana misy antsika eo amin’ny fiainana dia misy ireo fotoana izay hiatrehantsika rehetra olana sy zava-manahirana. Na dia tsy mitovy aza izany ho an’ny tsirairay, dia samy manana izany avokoa isika rehetra.

Misy ny maro amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika satria miaina eto amin’ity fiainana an-tany ity isika, izay onenan’ny olona maro samihafa. Maro amintsika no mametra-panontaniana ao anatin’ny hakiviana hoe: “Ahoana moa no ahafahako mifantoka tsara any amin’ilay tontolo selestialy raha mbola miaina eto amin’ity tontolo telestialy ity aho?”

Hisy ny fotoana handehananao eo amin’ny lalana feno tsilo sy feno ady sarotra. Mety hisy ny fotoana izay hahatsapanao ho toy ny nandao—na nanalavitra mihitsy aza—an’ilay Mpanome ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra. Mitebiteby ianao fa hoe mandeha irery. Misolo toerana ny finoana ny tahotra.

Rehefa tafiditra ao anatin’ny toe-javatra tahaka izany ianao dia miangavy anao aho mba hahatsiaro hivavaka. Tiako ny tenin’ny Filoha Ezra Taft Benson mikasika ny vavaka. Hoy izy:

“Nandritra ny fiainako dia ny torohevitra mba hiantehitra amin’ny vavaka no sarobidy indrindra tamiko mihoatra noho ny torohevitra rehetra … voaraiko. Lasa ampahan-javatra manan-danja lehibe tao anatiko izany—vatofantsika, loharanon-kery tsy misy fiafarany ary fototry ny fahalalako ireo zava-masina. …

“… Na dia tonga aza ireo zavatra mampalahelo dia afaka mahazo toky indray amin’ny alalan’ny vavaka isika, satria hanambara fiadanana ho an’ny fanahy Andriamanitra. Izany fahatsapana fiadanana izany no fitahiana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana.”2

Nananatra ny Apôstôly Paoly hoe:

“[Ambarao] ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

“Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”3

Fampanantenana lehibe izany! Ny fiadanana no katsahintsika sy tena iriantsika indrindra.

Tsy natao ho ety an-tany mba ho irery isika. Misy loharanon-kery sy tanjaka ary fampiononana mahatalanjona natao ho antsika tsirairay avy. Ny Tompo izay mahafantatra antsika mihoatra noho izay ahafantarantsika ny tenantsika, Izy ilay manana fahatakarana lehibe kokoa, ary mahafantatra ny farany hatramin’ny voalohany dia nanome toky antsika fa ho eo akaikintsika hanome fanampiana raha toa isika ka mangataka izany. Manana ilay fampanantenana isika hoe: “Mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo.”4

Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra isika dia aoka tsy hanadino ny teny nampianarin’ny Mpamonjy antsika. Rehefa niatrika ilay fijaliana mahatsiravina tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana Izy dia nivavaka tamin’ny Ray hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”5 Na sarotra tahaka ny inona aza izany indraindray dia andraikitsika ihany koa ny matoky fa ny Ray any an-danitra dia mahafantatra tsara indrindra ny fomba sy ny fotoana hanomezana ny fanampiana tadiavintsika.

Tena tiako ny tenin’ny mpahaitononkalo iray hoe:

Tsy fantatro hoe amin’ny fomba mahalana toy ny ahoana

Fa ny fantatro dia mamaly vavaka Andriamanitra.

Fantatro fa nanome toky Izy

Izay milaza fa ny vavaka dia re foana

Ka na ho ela na ho haingana dia hivaly izany,

Ka dia mivavaka aho sady miandry am-pitoniana ihany.

Ireo fitahiana izay nokatsahiko

Tsy haiko raha ho tonga araka izay noheveriko,

Fa apetrako Aminy fotsiny ny vavako

Ny sitrapony dia tsara noho ny ahy

Mahatoky aho fa hamaly ny vavako Izy

Na handefa valiny misy fitahiana lehibe kokoa.6

Mazava ho azy fa tsy natao ho an’ny fotoan-tsarotra fotsiny ny vavaka. Mamerimberina milaza amintsika ny soratra masina mba “hivavaka mandrakariva”7 sy hivavaka mandrakariva ao am-pontsika.8 Ny tonon’ny hira iray tiako sady tsy zoviana amintsika dia mametra-panontaniana izay tokony tsara apetratsika amin’ny tenantsika isan’andro hoe: “Moa nivavaka?”9

Ankoatra ny vavaka dia zavatra iray manampy antsika haharitra ao anatin’ilay tontolontsika misy fahasarotana matetika ny fandalinana soratra masina. Ny tenin’ny fahamarinana sy ny fitaomam-panahy hita ao amin’ireo bokin-tsoratra masintsika miisa efatra dia fananana sarobidy ho ahy. Tsy mety reraka mihitsy aho amin’ny famakiana azy ireo. Mahazo hery ara-panahy aho isak’izay mandalina soratra masina. Manome fitarihana eo amin’ny fiainako ireo teny masin’ny fahamarinana ireo ary manoro ny lalana mankany amin’ny fahalavorariana mandrakizay.

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia hahazo ilay fitarihana tena tsara omen’ny Fanahy antsika. Afaka mahazo ny valin’ireo fanontaniantsika isika. Mahafantatra ireo fitahiana tonga amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra isika. Mahazo fijoroana ho vavolombelona azo antoka ny amin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ary ny fitiavan’Izy ireo antsika isika. Rehefa ampiarahantsika amin’ny vavaka ataontsika izany dia afaka mahafantatra marina tokoa isika fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Enga anie ka hitahy antsika tsirairay ny Tompo mba hivokisantsika amin’ny [teniny] masina sy hisintonantsika avy amin’[izy ireo] ilay hery, ilay fiadanana, ary ilay fahalalana ‘mihoatra noho ny fahalalana rehetra (Filip. 4:7).”10

Rehefa mahatsiaro ny vavaka isika ary maka fotoana hamakiana ny soratra masina dia hotahiana kokoa amin’ny fotoana tsy voafetra ny fiainantsika ary hohamaivanina kokoa ny enta-mavesatsika.

Tiako ny hizara aminareo ny tantara mikasika ny fomba namalian’ny Ray any an-danitra ny vavaka sy ny fitalahoan’ny vehivavy iray sy ny nanomezany azy ny fiadanana sy ny toky nokatsahiny fatratra.

Nanomboka tamin’ny herintaona lasa ny zava-tsarotra niainan’i Tiffany rehefa nanam-bahiny tao an-trano izy nandritra ny fotoam-pialantsasatra fankalazana ilay Fotoana Fisaorana an’Andriamanitra noho ireo fitahiana nomeny ary avy eo dia tamin’ny Krismasy indray. Nianatra ho mpitsabo ny vadiny ary tamin’izay izy dia tao anatin’ny taona faharoa nanarahany fiofanana ho mpitsabo tany amin’ny hopitaly. Noho izy tsy maintsy niasa nandritra ny ora maro dia tsy afaka nanampy betsaka loatra an-dramatoa vadiny araka izay tian’izy roa natao izy, ka noho izany dia lasa andraikitr’i Tiffany avokoa ny ankabeazan’ireo zavatra tokony notanterahana nandritra io fotoam-pialantsasatra io, ary ankoatra izay dia teo ihany koa ny fikarakarana ireo zanaka kelin’izy ireo miisa efatra. Nanomboka nahatsiaro ho tototry ny asa i Tiffany, ary taorian’izay koa dia nahafantatra izy fa voan’ny homamiadana ny olona iray izay tiany tokoa. Nanomboka nanavesatra azy ny fisavorovoroan-tsaina sy ny tebiteby ary nanjary nandalo fotoam-pahakiviana sy harerahan-tsaina izy. Nitady fanampiana teo amin’ny lafin’ny fitsaboana izy fa tsy nisy na inona na inona niova. Tsy nazoto homana intsony izy ary nanomboka nihena, ary tsy nahasalama ilay vatana keliny izany. Nitady fiadanana tamin’ny alalan’ny soratra masina izy ary nivavaka mba hohafahana tao anatin’ilay harerahan-tsaina izay nandrendrika azy. Rehefa toy ny tsy nisy fiadanana na fanampiana tonga dia nanomboka nahatsapa ho navelan’Andriamanitra ho irery izy. Nivavaka ho azy sy niezaka fatratra ny hanampy azy ny fianakaviany sy ny namany. Nanateran’izy ireo ny sakafo tiany indrindra izy mba hiezahana hihazonana azy ho salama ara-batana, saingy kely fotsiny no nohaniny ary tsy afaka nihinana izany hatramin’ny farany izy.

Tamin’ny andro iray izay tena mafy tokoa dia niezaka ny nisarika azy tamin’ireo sakafo tiany hatramin’izay ny namana iray, kanefa dia zava-poana izany. Rehefa tsy nisy nety izay natao dia hoy ilay namana hoe: “Tsy maintsy misy zavatra iray tianao hohanina izao.”

Nieritreritra vetivety i Tiffany dia hoy izy hoe: “Ny hany zavatra tonga ato an-tsaiko ary tiako hohanina izao dia mofo namboarina tao an-trano.”

Saingy tsy nisy izany teo am-pelatanana.

Ny tolakandro taorian’izany dia naneno ny lakolosy fanairana tao an-tranon’i Tiffany. Tao an-trano ny vadiny tamin’izay ka nandeha namoha ny varavarana. Rehefa avy niresaka tamin’ilay olona izy dia nitondra mofo iray namboarina tao an-trano. Gaga i Tiffany rehefa nolazain’ny vadiny taminy fa avy any amin’ny vehivavy iray antsoina hoe Sherrie, izay zara raha fantatr’izy ireo, ilay mofo. Naman’i Nicole rahavavin’ny Tiffany izy, izay nipetraka tany Denver, Colorado. Nampifankafantarina tamin’i Tiffany sy ny vadiny tao anatin’ny fotoana fohy volana maromaro talohan’izay i Sherrie rehefa nivahiny tao amin’i Tiffany nandritra ny fotoam-pialantsasatra fankalazana ilay Fotoana Fisaorana an’Andriamanitra noho ireo fitahiana nomeny i Nicole sy ny fianakaviany. I Sherrie, izay nipetraka tany Omaha dia tonga tany an-tranon’i Tiffany mba hamangy niaraka tamin’i Nicole.

Niantso an’i Nicole rahavaviny i Tiffany, niaraka tamin’ny mofo matsiro teny an-tanany, izay volana maromaro taty aorian’ny nifankafantaran’i Tiffany tamin’i Sherrie, mba hisaotra azy noho ny nanirahany an’i Sherrie hanao asa feno famindram-po toy izany. Fantatr’i Tiffany tamin’izay kosa anefa fa tsy namporisika an’i Sherrie hamangy azy i Nicole ary tsy nahafantatra izany.

Fantatr’i Tiffany ny tohin’ny tantara rehefa niresaka tamin’i Sherrie namany i Nicole mba hahafantarana izay namporisika an’i Sherrie hanatitra ilay mofo iray. Nampientana ny fanahiny sy ny an’i Tiffany ary ny an’i Sherrie ny zavatra henony—ary nampientana ny fanahiko koa izany.

Tamin’io marainan’ny andro nanaterana mofo io dia nentanim-panahy i Sherrie hanao mofo roa fa tsy ilay iray noeritreretiny hatao. Nilaza izy fa nahatsapa fitaomam-panahy hitondra ilay mofo faharoa miaraka aminy tao anatin’ny fiarany tamin’io andro io na dia tsy fantany aza ny antony. Rehefa avy nisakafo atoandro tany an-tranon’ny namana iray izy, dia nanomboka nitomany ilay zanany vavy herin-taona ary tokony nentina nody mba hatory. Nisalasala i Sherrie rehefa tonga taminy ilay fahatsapana marina fa tokony hanatitra ilay mofo iray hafa any amin’i Tiffany, rahavavin’i Nicole izy. I Tiffany dia nipetraka tany amin’ny faritra ilany irain’ny tanàna izay lalana 30 minitra ary zara raha fantany. Niezaka tsy niraharaha ilay bitsika izy satria te hanatitra ilay zanany vavy tena vizana tany an-trano sady nahatsapa ho menatra ihany hoe hanatitra mofo iray any amin’ny olona izay zara raha fantany. Kanefa nahery ilay fahatsapana fa tokony handeha ho any an-tranon’i Tiffany, ka dia nihaino ilay bitsika izy.

Rehefa tonga tany izy dia ny vadin’i Tiffany no namoha ny varavarana. Nampahatsiahivin’i Sherrie azy fa naman’i Nicole izy, izay nifankafantatra taminy vetivety fotsiny nandritra ny fotoam-pialantsasatra fankalazana ilay Fotoana Fisaorana an’Andriamanitra noho ireo Fitahiana Nomeny. Natolony an’ny vadin’i Tiffany ilay mofo dia lasa izy.

Dia toy izany no nanirahan’ny Tompo olona iray tsy fantatra firy akory avy any amin’ny tanàna iray hafa, tsy hoe hanatitra fotsiny ilay mofo namboarina tao an-trano izay tena notadiavina fa hitondra koa hafatra mazava fa tiana i Tiffany. Tsy misy fomba hafa hanazavana ny zavatra nitranga taminy. Nilainy maika dia maika ny nahatsapa fa tsy irery izy—fa Andriamanitra dia mahafantatra ny fisiany ary tsy namela azy ho irery. Izany mofo izany—ilay zavatra tena notadiaviny—dia naterina teo aminy tamin’ny alalan’ny olona zara raha fantany, olona tsy nahafantatra ny zavatra nilainy, kanefa nihaino ny bitsiky ny Fanahy ary nanaraka ilay bitsika. Nanjary marika mibaribary ho an’i Tiffany izany fa nahafantatra ny zavatra nilainy ny Rainy any an-danitra ary tena tia azy ka nandefa fanampiana. Namaly ny fitalahoany mba hahatsiaro ho maivamaivana Andriamanitra.

Ry anabaviko malala, tia anareo ny Rainareo any an-danitra—ianareo tsirairay avy. Tsy miova mihitsy izany fitiavana izany. Tsy misy fiantraikany amin’izany fitiavana izany ny endrikareo ivelany na ny fanananareo na ny habetsahan’ny vola napetrakareo any amin’ny banky. Tsy manova izany ny talentanareo sy ny fahaiza-manao anananareo. Eo fotsiny izany fitiavana izany. Eo izany ho anareo rehefa malahelo ianareo na faly, na kivy na feno fanantenana. Eo ny fitiavan’Andriamanitra anareo na mendrika ny homena fitiavana ianareo na tsia. Eo foana fotsiny izany.

Rehefa mikatsaka ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka amin-kafanam-po sy amin-kitsimpo isika, ary amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina amim-pahazotoana sy amim-panehoana fahafoizan-tena dia hatanjaka sy ho lalim-paka ny fijoroantsika ho vavolombelona. Hahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra antsika isika. Hahatakatra isika fa tsy ho irery na oviana na oviana. Mampanantena anareo aho fa indray andro any ianareo dia handinika ny fiainanareo ary hijery ireo fotoan-tsarotra nolalovanareo, dia ho fantatrareo fa teo anilanareo foana Izy.

Tiako ianareo. Mitsodrano anareo aho. Mankasitraka anareo aho noho ireo zavatra tsara rehetra ataonareo sy ny fiainana iainanareo. Mivavaka aho mba hahazo ireo fanomezam-pahasoavana tsara rehetra ianareo, amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.