2013
Ho an’ireo Zafikeliko
Nôvambra 2013


Ho an’ireo Zafikeliko

Misy didy iray misongadina izay hanampy antsika amin’ny fiatrehana ireo olana ary hanampy amin’ny fanorenana fianakaviana sambatra.

Ireo zafikelinay roa voalohany no hanambady amin’ity taona ity. Ao anatin’ny taona vitsivitsy dia 10 amin’ireo zanaky ny zanakay no mety hiroso ao anatin’ilay fotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo izay hanorenany koa ny tokantranony manokana, izay zavatra tena mahafinaritra.

Ny fananana izany tombontsoa tena mahafaly izany dia nahatonga ahy hieritreritra lalina rehefa nangataka torohevitra tamiko izy ireo. Ny tena fanontanian’izy ireo aloha dia hoe: “Inona avy ireo safidy azoko atao ka hitondra ahy any amin’ny fahasambarana?” Ary tetsy andanin’izay koa dia nisy hoe: “Inona avy ireo safidy izay mety hitondra fahoriana ho ahy?”

Nataon’ny Ray any an-danitra miavaka isika tsirairay. Tsy misy amintsika hoe olona roa ka mitovy tanteraka ny zavatra iainany. Tsy misy fianakaviana roa tena mitovy izany. Noho izany dia tsy mahagaga raha toa ka sarotra ny manome torohevitra mikasika ny fomba hanaovana safidy mitondra fahasambarana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Kanefa ilay Ray any an-danitra be fitiavana dia nanoritra lalana iray mitovy ho an’ny zanany rehetra izay hitondra any amin’ny fahasambarana. Na inona na inona toetrantsika manokana, na inona na inona zavatra iainantsika, dia tsy misy afa-tsy drafitry ny fahasambarana iray ihany. Izany drafitra izany dia ny manaraka ny didin’Andriamanitra rehetra.

Ho antsika rehetra, ary tafiditra ao anatin’izany ireo zafikeliko izay hikasa ny hanambady, dia misy didy iray misongadina izay hanampy antsika amin’ny fiatrehana ireo olana ary hanampy amin’ny fanorenana fianakaviana sambatra. Azo ampiharina amin’ireo fifandraisana rehetra izany na inona na inona toe-javatra misy. Miverimberina ao anatin’ny soratra masina izany ary ao anatin’ny fampianaran’ireo mpaminany amin’izao androntsika izao. Izao no teny voasoratra ao amin’ny Baiboly momba ilay torohevitra nomen’ny Tompo an’ireo rehetra izay te hiaraka hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana mamy:

“Ary ny anankiray tamin’ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

“Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?

“Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”1

Tsy sarotra, raha avy amin’io fanambarana tsotra io, ny mamintina ny zavatra rehetra nianarako momba ireo safidy izay mitondra fahasambarana ao amin’ny fianakaviana. Atomboko izany amin’ilay fanontaniana hoe: “Inona avy ireo safidy izay nitarika ahy mba hitia ny Tompo amin’ny foko sy fanahiko ary ny saiko manontolo?” Ho ahy, ny valiny dia ireo safidy izay nanome fahafahana ahy mba hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo.

Taona maro lasa izay dia nanao batisa tovolahy iray aho tany Albuquerque, Nouveau Mexique, izay nampianarinay sy ilay misiônera mpiara-mitory tamiko. Nasitriko tao anaty rano ilay tovolahy ary navoakako avy eo. Tsy maintsy ho nitovitovy halava tamiko izy satria niteny mivantana teo am-poto-tsofiko. Hoy izy, raha nikoriana teny amin’ny tarehiny ny rano avy ao amin’ny fanaovam-batisa sy ny ranomasony ary sady feno fifaliana tao anatin’ny feony nanao hoe: “Madio aho, madio aho!”

Efa hitako ireo ranomasom-pifaliana ireo teo amin’ny mason’ny olona iray izay namerina tamiko ny tenin’ny Apôstôlin’Andriamanitra iray. Hoy ilay Apôstôly tamin’ilay vehivavy taorian’ny dinidinika lalina natao tamin-katsaram-panahy hoe: “Mamela anao aho amin’ny anaran’ny Tompo. Hanome toky anao amin’ny famelan-kelony Izy amin’ny fotoany sy ny fombany manokana.” Ary dia namela tokoa Izy.

Efa hitako ny antony mahatonga ny Tompo afaka miteny fa rehefa voavela ny fahotana dia tsy mahatsiaro izany intsony Izy. Olona izay fantatro tsara sy tiako no lasa olom-baovao tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana ary voafafa ny vokatry ny fahotana. Feno fitiavana ny Mpamonjy sy ilay Ray be fitiavana izay naniraka Azy ny foko.

Izany fitahiana lehibe izany dia tonga tamin’ny alalan’ny famporisihana ireo olona tiako mba hanatona ny Mpamonjy, mba hihamaivana ny fijaliana, fanamaivanana izay Izy ihany no afaka manome azy. Izany no antony hamporisihako ireo izay tiako mba hanaiky sy hanandriana ny antso rehetra atolotra azy ireo ato amin’ny Fiangonana. Izany safidy izany dia iray amin’ireo fanalahidy lehibe hahazoana ny fahasambaran’ny fianakaviana.

Ireo zava-manery eo amin’ny vanim-potoana rehetra eo amin’ny fiainana dia mety haka fanahy antsika handa na tsy hiraharaha ireo antso mba hanompo ny Mpamonjy. Mety hampidi-doza ara-panahy izany ho an’ny tenantsika sy ny vadintsika ary ny fianakaviantsika. Mety ho toy ny tsy manan-danja ny sasany amin’ireo antso ireo saingy ny fiainako sy ny fianakaviako dia niova ho tsara kokoa noho ny fanekeko ny antso iray hoe hampianatra tao amin’ny kôlejin’ny diakona. Nahatsapa ny fitiavan’ireo diakona ireo ny Mpamonjy aho ary ny Fitiavany azy ireo koa.

Hitako ny nitrangan’izany tao anatin’ny fiainan’ny olona iray efa avy filohan’ny tsatòka sy filohan’ny misiona teo aloha raha niantso azy Izy mba ho mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra. Mahafantatra olona iray hafa aho izay efa avy eveka ary avy eo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, izay nampiasain’ny Tompo mba hanampy zatovolahy iray tao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra izay niharan-doza. Niantefa tany amin’ny fiainan’olona maro ireo fahagagana avy amin’izany asa fanompoana izany, anisan’izany ny ahy, ary nampitombo ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy.

Rehefa manompo ny hafa isika dia tena mila mitalaho ny mba hanana ny Fanahy Masina ho namana. Ny fahombiazana eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia miteraka fahagagana foana, izay mihoatra ny herintsika manokana. Ny ray aman-dreny manan-janaka iray tena mpikomy dia mahafantatra fa marina izany ary torak’izany koa ny mpamangy isan-tokantrano iray izay niresahan’ny vehivavy iray mitady fampiononana rehefa nolazain’ilay vadiny izy fa hisaraka izy ireo. Samy feno fankasitrahana ireo mpanompo roa ireo fa nivavaka tamin’ny Tompo izy ireo ny marainan’io mba handefa ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo.

Ny fananana ny Fanahy Masina ho namana ihany no ahafahantsika manantena ny ho mpiara-miasa mitovy lenta ao anatin’ny fanorenana fanambadiana tsy misy adiady. Efa hitako ny maha-tena zava-dehibe ny fananana izany ho namana mba hahazoana fifaliana ao anatin’ny fanambadiana. Ilay fahagagana hoe lasa iray tanteraka dia mitaky fanampiana avy amin’ny lanitra ary mitaky fotoana. Ny tanjontsika dia ny hiara-hiaina mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika.

Tsy nitovy mihitsy ny raiko sy ny reniko. Mpihira sy mpahaikanto ny reniko. Ny raiko kosa tia ny simia. Indray mandeha nandritra ny fampisehoana amboaram-peonkira iray dia gaga ny reniko raha nitsangana ny raiko handeha mialohan’ny fanombohan’ny fanaovana tehaka fankasitrahana farany. Nanontanian’ny reniko izy hoe handeha ho aiza. Tamin-kitsimpo no namaliany hoe: “Fa angaha moa tsy efa tapitra?” Ilay fitarihana malefaka avy amin’ny Fanahy Masina ihany no afaka nitaona azy hanatrika niaraka tamin’ny reniko tamin’ny voalohany, ary nitaona azy hiara-hanatrika ireo rindran-kira taminy imbetsaka taty aoriana.

Nipetraka tany New Jersey nandritra ny 16 taona ny reniko mba hahafahan’ny raiko mamelona ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanaovana fikarohana sy fampianarana momba ny simia. Ho an’ny reniko dia fahafoizan-tena izany hoe voatery nanalavitra ilay reniny mananotena sy ilay rahavaviny tsy manambady izany izy, rahavaviny izay nikarakara azy tao amin’ilay tranom-pianakaviany misy toeram-piompiana sy fambolena naorina efa ela. Tany New Jersey lavitra tany i Neny tamin’ny nahafatesan’izy roa ireo. Ireo no hany fotoana nahitako ny reniko nitomany hatramin’izay.

Taona maro taty aoriana dia nisy nanolotra asa ho an’ny raiko tany Utah. Nanontanian’ny raiko tamin-kitsimpo indray ny reniko hoe: “Inona no tokony hataoko ry Mildred, araka ny eritreritrao?”

Hoy izy hoe: “Ataovy izay eritreretinao fa tsara indrindra ry Henry!”

Nolaviny ilay tolotr’asa. Ny ampitson’iny dia nanoratra taratasy ho azy ny reniko, izay niriako hoe mbola mba hananako. Tadidiko fa nilaza taminy ny reniko hoe “Aza sokafana eto akaikiko ity. Mandehana any amin’ny birao dia any sokafana.” Nanomboka tamin’ny fanomezan-tsiny izany. Efa nampanantena azy ny raiko taona maro talohan’io fa raha vao azony atao dia hoentiny hanakaiky ny fianakaviany izy. Taitra tamin’izany fanehoany fahasorenana izany ny raiko. Tsy nahatadidy ilay fanirian’ny fony ny raiko. Tonga izy dia nandefa hafatra nilaza fa manaiky ilay tolotr’asa.

Hoy izy hoe: “Nahoana no tsy nolazainao tamiko izany ry Mildred?”

Hoy izy hoe: “Tokony hotsaroanao izany.”

Nolazainy foana fa izany safidy hifindra tany Utah izany dia safidy nataony manokana fa tsy fampandeferana velively teo amin’ny lafin’ny asany. Nahazo ilay fahagagana mba ho lasa iray tanteraka izy ireo. Tsara kokoa raha toa ka mba nampahatsiahivin’ny Fanahy Masina an’i Dada ilay fampanantenana nataony taona maro tany aloha tany. Saingy namela ny Fanahy Masina izy hanalefaka ny fony mba hitovy amin’ny an’i Neny ny safidy hataony.

Ny Ray any an-danitra dia mahay mitsinjo tanteraka ny hoavy sy mahafantatra antsika tsirairay ary mahafantatra ny hoavintsika. Fantany izay olana ho atrehantsika. Nandefa ny Zanany Lahy Izy hijaly mba hahafantarany ny fomba hanampiana antsika ao anatin’ireo fitsapana rehetra mahazo antsika.

Fantatsika fa ny Ray any an-danitra dia manana ireo fanahy izay zanany eto amin’ity izao tontolo izao ity ary indraindray izy ireo no mifidy ny fahotana sy ny fahoriana lehibe. Izany no antony nandefasany ilay Voalohan-terany ho Mpanavotra antsika, izay fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hita hatramin’izay. Izany no antony tsy maintsy hanampoizantsika ny filana ny fanampian’Andriamanitra sy fotoana mba hampivoarana antsika sy hanomanana antsika amin’ny fiainana mandrakizay ary mba hiarahana miaina amin’ny Raintsika.

Hisedra antsika ilay fiainana ao anatin’ny fianakaviana. Izany no iray amin’ireo tanjon’Andriamanitra nanomezana antsika ny fiainana eto an-tany—dia ny mampatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fisedrana. Ho marina mihitsy izany ao anatin’ny fiainam-pianakaviana izay hahitantsika fifaliana lehibe sy fahoriana ary olana lehibe izay indraindray toa lehibe mihoatra ilay herintsika ahafahana mizaka izany.

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha George Q. Cannon mikasika ny fomba nanomanan’Andriamanitra ahy sy anao ary ireo zanatsika hiatrika ireo fisedrana izay holalovantsika: “Tsy misy na dia iray amintsika aza ka hoe tsy nomena ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy na dia iray amintsika aza ka hoe tsy nokarakarainy sy nampiany tamim-pitiavana. Tsy misy na dia iray amintsika aza ka hoe tsy tiany hovonjena na hoe tsy nanamboarany fomba hahazoana mamonjy antsika. Tsy misy na dia iray amintsika aza ka hoe tsy nanomezany andraikitra an’ireo anjeliny raha ny mikasika antsika. Mety ho toy ny tsy manan-danja sy mendrika ny hankahalaina isika eo imasontsika sy eo imason’ny hafa, saingy mbola marina ilay hoe zanak’Andriamanitra isika ary tena nomeny tokoa an’ireo anjeliny—izay olona tsy hita maso manana hery sy tanjaka—ny hiandraikitra antsika, ary mikarakara sy miambina antsika izy ireo.”2

Marina ny zavatra nampianarin’ny Filoha Cannon. Ho ilainareo izany fanomezan-toky izany toy ny nilako izany sy nianteherako tamin’izany.

Nivavaka tamim-pinoana aho mba hikatsahan’ny olona tiako anankiray ny herin’ny Sorompanavotana sy hahatsapany izany. Nivavaka tamim-pinoana aho mba hisy olona manan-toetran’anjely hanampy azy ireo, ary dia tena tonga izy ireo.

Namolavola fomba Andriamanitra mba hamonjena ny zanany tsirairay. Ho an’ny olona maro izany dia tafiditra amin’izany ny hoe apetraka miaraka amin’ny rahalahy na anadahy na rahavavy na anabavy na raibe sy renibe izay tia azy, na inona na inona ataony.

Taona maro lasa izay dia nisy namako iray niresaka momba ny renibeny. Niaina tamim-pahamarinana izy ary nahatoky foana teo anatrehan’ny Tompo sy ny Fiangonany. Saingy nisafidy ny ho jiolahy ny iray tamin’ireo zafikeliny lahy. Naiditra am-ponja izy tamin’ny farany. Notantarain’ilay namako fa rehefa teny am-pamiliana fiara nanaraka ny lalambe ny renibeny mba hamangy ilay zafikeliny lahy tany am-ponja, dia nitomany izy sady nivavaka tamim-pitaintainana hoe, “Niezaka niaina araka ny tokony ho izy aho. Koa nahoana, nahoana aho no manana zafikely izay miaina loza toy izao ary toa namotika ny fiainany?”

Tonga tao an-tsainy araka izao teny izao ny valiny: “Nomeko anao izy satria fantatro fa afaka ny hitia azy sy ho tia azy tokoa ianao, na inona na inona nataony.”

Misy lesona tena tsara ho antsika rehetra izany. Tsy ho mora ny lalana hodiavin’ny ray aman-dreny sy ray aman-drenibe feno fitiavana ary ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra ao anatin’ity izao tontolo izao izay miharatsy ity. Tsy afaka manery ireo zanak’Andriamanitra isika hisafidy ny lalan’ny fahasambarana. Tsy afaka manao izany Andriamanitra noho ilay fahafahana misafidy nomeny antsika.

Tian’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Lahitokana ireo zanak’Andriamanitra rehetra na inona na inona safidiany hatao na tiany hahatongavana. Nanefa ny saran’ny fahotana rehetra ny Mpamonjy na mahatsiravina toy ny inona aza izany. Na dia tsy maintsy misy aza ny fahamarinana, dia atolotra ilay fahafahana mahazo famindram-po izay tsy handroba ny fahamarinana.

Nasehon’i Almà tamin’i Kôriantona zanany lahy izany fanantenana izany tao anatin’ireto teny ireto: “Noho izany araka ny fahamarinana, ny drafitry ny fanavotana dia tsy ho azo notanterahina, raha tsy noho ny fibebahan’ny olona ihany mandritra ity fotoana fizahan-toetra ity, eny, ity fotoana fiomanana ity; fa raha tsy teo ireo fepetra ireo, dia tsy ho nisy vokany ny famindram-po, afa-tsy ny fandravana ny asan’ny fahamarinana. Ankehitriny, ny asan’ny fahamarinana dia tsy ho azo noravana; fa raha tsy izany, Andriamanitra dia hitsahatra ho Andriamanitra.”3

Ny hafatro ho an’ny zafikeliko sy ho antsika rehetra izay miezaka ny hanorina fianakaviana mandrakizay izany dia hoe, misy fifaliana azo antoka ho an’ny mahatoky. Hatrany alohan’ny nahariana izao tontolo izao no nitiavan’ny Ray any an-danitra iray be fitiavana sy ny Zanany Lahitokana ary niasany niaraka tamin’ireo izay fantany fa hivily lalana. Hitia azy ireo mandrakizay Andriamanitra.

Manana tombony ianao mahafantatra fa nianatra ny drafitry ny famonjena izy ireo avy amin’ireo fampianarana izay noraisiny tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Ianao sy izy ireo dia manana fahatokiana ampy matoa nomena fahafahana ho tonga eto amin’izao tontolo izao raha toa ka ny maro hafa kosa no tsy mba nomena izany.

Ho tsaroantsika daholo ireo fahamarinana rehetra amin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Tsy afaka manery ny hafa isika handray ny fitarihany saingy afaka mamela azy ireo hahita izany eo amin’ny fiainantsika. Afaka misintona hery hatrany isika avy amin’ilay fahazoana antoka fa isika rehetra dia samy efa nahatsapa ilay fifaliana noho ny nahatafaray antsika rehetra amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ilay fianakaviana malalan’ny Raintsika any an-danitra. Afaka mahatsapa izany fanantenana sy fifaliana izany indray isika raha miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra. Mivavaka aho mba ho tanteraka amintsika rehetra izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 22:35–40.

  2. George Q. Cannon, “Our Pre-existence and Present Probation,” Contributor, Ôkt. 1890, 476.

  3. Almà 42:13.