2013
Te ho sitrana va ianao?
Nôvambra 2013


Te ho sitrana va hianao?

Rehefa mibebaka sy miova fo ho an’ny Tompo isika dia sitranina ary voafafa ny fahamelohantsika.

Nandritra ny fotoam-piravoravoana tao Jerosalema dia nisitaka tamin’ny valalabemandry ny Mpamonjy mba hitady ireo izay tena nila fanampiana be indrindra. Tao Betesda no nahitany azy ireo, ilay farihy misy fialofana dimy teo akaikin’ny fivarotana ondry izay nalaza fa manintona ireo ory.

Milaza amintsika ny Filazantsaran’i Jaona fa teo akaikin’ilay farihy no “nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila, miandry ny fihetsehan’ny rano.

“Fa nisy anjely nidina tany amin’ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano, koa izay iray niroboka mialoha, rehefa mihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona no aretina nanjo azy” (Jaona 5:3–4, jereo ny fanamarihana ery ambanin’ny pejy).

Io famangian’ny Tompo io dia naseho an-tsary teo amin’ny sary hosodoko mahafinaritra iray nataon’i Carl Bloch mitondra ny lohateny hoe: I Kristy Manasitrana ny Marary ao Betesda. Nataon’i Bloch sary i Jesoa nanainga moramora ny fialofana vonjy maika iray izay mampiseho “lehilahy marary” iray (Jaona 5:7) izay nandry teo akaikin’ilay farihy, niandry. Eto ny teny hoe marary dia milaza olona iray izay tsy manana hery ary manamafy ny famindram-po sy fahasoavan’ny Mpamonjy, izay tonga mangingina mba hanompo ireo izay tsy afaka nanampy ny tenan’izy ireo.

Eo amin’ilay sary hosodoko dia misy lehilahy iray mifanizina eo amin’ny tany anaty aloka, torovana sy rera-tsaina rehefa niaritra ny aretiny nandritra ny 38 taona.

Rehefa nampiakatra ny moron’ilay lamba tamin’ny tanana ilany ny Mpamonjy dia nanao fihetsika tamin’ilay tanana iray hafa nanasa ilay marary hanatona, ary nametraka fanontaniana iray milentika any anaty: “Te ho sitrana va hianao?”

Namaly ilay lehilahy hoe: “Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy: nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa miroso eo alohako” (Jaona 5:6–7).

Notoloran’i Jesoa valinteny lalina sy tsy nampoizina ny olan’ilay olona izay toa tsy nisy vahaolana:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana.

“Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha” (Jaona 5:8–9).

Tao anatin’ny ohatra fanehoam-pitiavana iray hafa dia milaza amintsika i Lioka fa rehefa nandalo nankany Jerosalema ny Mpamonjy dia nifanena tamin’ny boka 10. Noho ny aretin’izy ireo dia “nijanona teny lavitra eny” izy ireo (Lioka 17:12). Navahana izy ireo—naloto sy tsy nilaina.

“Ry Jesoa Tompo ô, mamindra fo aminay, “hoy izy ireo nitomany (Lioka 17:13)—raha amin’ny teny hafa dia miangavy hoe: “Tsy misy zavatra Azonao atao ho anay ve?”

Ilay Mpitsabo Lehibe, feno fangoraham-po, dia mbola nahafantatra fa tsy maintsy mialoha ny fahagagana ny finoana ka niteny tamin’izy ireo noho izany nanao hoe: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona” (Lioka 17:14).

Rehefa nandeha tamim-pinoana izy ireo dia nitranga ilay fahagagana. Azonareo alaina sary an-tsaina ve ilay fifaliana mihoa-pampana isaky ny dingana rehefa nanatri-maso mivantana ny nanadiovana sy nanasitranana ary namerenana ny vatan’izy ireo tamin’ny laoniny izy ireo?

“Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery,

“Sady niankohoka tamin’ny tongotry [ny Mpampianatra] ka nisaotra. …

“Ary hoy [Jesoa] taminy: mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao” (Lioka 17:15–16, 19).

Nandritra ny fotoana naha mpitsabo sy mpandidy ahy teo aloha dia nifantoka tamin’ny fitsaboana sy fanitsiana ny ara-batana aho. Manasitrana ny ara-batana, sy ny ara-tsaina ary ny ara-panahy i Jesoa Kristy, ary ny fanasitranany dia miantomboka amin’ny finoana.

Tadidinareo ve ny fotoana naha safononoka ny finoanareo sy ny fifalianareo? Tadidio ilay fotoana nahazoanareo fijoroana ho vavolombelona na rehefa namafisin’Andriamanitra taminareo fa zanany lahy sy zanany vavy ianareo ary tena tia anareo tokoa Izy ka nahatsiaro ho sitrana ianareo? Raha toa ka toa very izany fotoana izany dia afaka ho hita indray.

Manoro hevitra antsika ny Mpamonjy mikasika ny fomba hahasitrana antsika, hahatonga antsika ho salama, na ho sitrana:

“Mankanesa aty amiko, hianareo izay mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30).

Ny hoe “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22) dia manasa antsika hiala amin’ny fiainana taloha sy ireo faniriana araka izao tontolo izao ary aoka ho tonga olom-baovao ka ho azy dia “efa lasa ny zavatra taloha [ary] efa tonga vaovao ireny” (2 Korintiana 5:17) izany hoe miaraka amin’ny fo vaovao sy mahatoky. Ary dia ho sitrana indray isika.

“Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovonjena ianareo” (F&F 88:63).

Rehefa manakaiky Azy isika dia ho tonga saina fa natao ho sarotra ny fiainana an-tany ary tsy indro kely ao amin’ny drafitry ny famonjena ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11). Ny fifanoherana, raha ny marina, no ilay ampahany tena ilaina amin’ny fiainana an-tany ary mampatanjaka ny sitrapontsika sy manatsara ireo safidintsika. Manampy antsika hamorona fifandraisana mandrakizay amin’Andriamanitra ireo fiovana tsy ampoizina eo amin’ny fiainana ary manao sokitra ny endriny eo amin’ny tarehintsika rehefa manolotra ny fontsika Aminy isika (jereo ny Almà 5:19).

“Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” (Lioka 22:19), izany no nangatahin’ny Mpamonjy rehefa nanorina ny antsointsika hoe fanasan’ny Tompo Izy. Izany ôrdônansy miaraka amin’ny mofo sy ny rano izany dia manavao ny fanekempihavanana masina izay nataontsika tamin’Andriamanitra ary manasa ny herin’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika. Sitranina isika amin’ny alalan’ny fialana amin’ireo fahazarana sy fomba fiainana izay manamafy ny fo sy ny hatoka. Rehefa mametraka “ireo fiadian’ny fikomian[tsika]” (Almà 23:7) isika, mba ho tonga tena “[mpanao] safidy ho an’ny tenan[tsika]” (F&F 58:28), dia tsy ho jamban’ny fandaharan-kevitra mifono fitak’i Satana na ho donton’ny tabataba mahatsiravin’izao tontolo izao.

Rehefa mibebaka sy miova fo ho an’ny Tompo isika dia sitranina ary ho voafafa ny fahamelohantsika. Mety mbola hanontany tena tahaka an’i Enôsa isika hoe: “Ahoana no mahatò izany?” Ary mamaly ny Tompo hoe: “Noho ny finoanao an’i Kristy. … Koa mandehana, ny finoanao no efa namonjy anao” (Enôsa 1:7, 8).

Nahita izany fahasitranana izany i Corrie ten Boom, vehivavy Kristiana mahery fo iray avy any Pays-Bas, rehefa avy nigadra tao amin’ny toerana fampitobiana babo nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nijaly mafy izy, kanefa velona soa aman-tsara ihany, tsy tahaka an’i Betsie rahavaviny malala, izay maty tao anatin’ny iray tamin’ireo fonja ireo.

Taorian’ny ady dia niresaka matetika ampahibemaso izy ny amin’ireo zavatra niainany sy ny fanasitranana ary ny famelan-keloka. Indray mandeha nisy mpiambina Nazi iray izay anisan’ireo nahatonga ny fanagadrana an’i Corrie tao Ravensbrück, Alemana, nanatona azy, ary nifaly tamin’ny hafany momba ny famelan’i Kristy heloka sy ny fitiavany.

“‘Tena mankasitraka ny hafatrao aho ry Ramatoakely,’ hoy izy. ‘Ny mieritreritra, araka ny nambaranao, fa hoe nanaisotra ny fahotako Izy!’

“Narosony ny tanany mba handray ny tanako,” hoy i Corrie. “Ary Izaho, izay nitory matetika … ny filàna hamela heloka dia nihazona ny tanako teo akaikiko.

“Na dia nisamboaravoara tao anatiko aza ireo eritreritra tezitra sy te hamaly faty dia hitako ny maha fahotana azy ireny. … Ry Jesoa Tompo, hoy aho nivavaka, mamelà ahy, ary ampio aho hamela azy.

“Niezaka nitsiky aho, [ary] nitolona mba hanangana ny tanako. Tsy vitako izany. Tsy nahatsapa na inona na inona aho, na dia hafanana na fiantrana faran’izay bitika aza. Dia nanao vavaka mangina am-po indray aho. Jesoa ô, tsy mahavita mamela azy aho. Omeo ahy ny Famelan-keloka avy Aminao.

“Rehefa nandray ny tanany aho dia nitranga ny zavatra faran’izay tsy nampino indrindra. Toa nisy herinaratra nandalo avy tamin’ny soroko nidina ny sandriko sy niampita ny tanako avy taty amiko nankany aminy, raha toa ka nitsiry tao am-poko ny fitiavana ity olona tsy fantatra ity, ary saika nanenika ahy manontolo.

“Ary hitako ihany koa fa tsy miankina amin’ny famelantsika intsony na koa amin’ny fahatsarantsika, ny fanasitranana izao tontolo izao fa miankina amin’ny Azy. Rehefa miteny amintsika Izy mba hitia ny fahavalontsika, dia manome ilay fitiavana ihany koa miaraka amin’ilay didy.”1

Nositranina i Corrie ten Boom.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson, “Misy aina iray izay manohana ireo izay mikorontan-tsaina na vesaran’ny alahelo sy fahoriana—dia Jesoa Kristy Tompo.”2

Raha toa ianao ka mahatsapa ho maloto, tsy misy mpitia, tsy sambatra, tsy mendrika, na marary dia tadidio fa “ireo zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”3 Manàna finoana sy faharetana amin’ny fotoan’ny Mpamonjy sy ireo tanjony ho anao. “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36).

Matokia fa mbola mikatsaka ny hanasitrana ny fanahintsika sy ny fontsika ny Mpamonjy. Miandry eo am-baravarana Izy ary mandondòna. Ndeha isika hamaly Azy amin’ny fanombohana indray hivavaka sy hibebaka sy hamela heloka ary hanadino. ‘Ndeha isika hitia an’Andriamanitra sy hanompo ny mpifanolobodirindrina amintsika ary hijoro amin’ireo toerana masina miaraka amin’ny fiainana voadio. Ilay lehilahy malemy teo amin’ny rano fandroana teo Betesda, ireo boka teny amin’ny lalana nankany Jerosalema, ary i Corrie ten Boom dia nositranina. “Te ho sitrana va hianao?” Mitsangàna, ary mandehana. “Ampy ny fahasoavany” (2 Korintiana 12:9), ary tsy ho irery ianao.

Lasa fantatro fa velona Andriamanitra. Fantatro fa zanany avokoa isika rehetra ary tia antsika Izy amin’ny maha-isika antsika sy izay azontsika hahatongavana. Fantatro fa nandefa ny Zanany Lahy teto amin’izao tontolo izao Izy mba ho ilay sorona fanavotana ho an’ny olombelona rehetra ary fantatro fa ireo izay manam-piniavana hanaiky ny Filazantsarany sy hanaraka Azy dia hositranina sy hatao tanteraka—“amin’ ny fotoany sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony” (F&F 88:68), amin’ny alalan’ny halehiben’ny famindram-pony. Izany no fijoroako ho vavolombelona aminareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Corrie ten Boom, The Hiding Place (1971), 215.

  2. Thomas S. Monson, “Meeting Life’s Challenges,” Ensign, Nôv. 1993, 71.

  3. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 61.