Ny Fanalahidy ho an’ny Fiarovana Ara-panahy
Hanana fiadanana ao am-po ny tsirairay izay mitodika amin’ny soratra masina ary manokatra ireo fampanantenana fiarovana sy fanavotana.
Vao tsy ela izay aho no namehy ny fanambadian’ny mpivady vao herotrerony iray tao amin’ny tempoly. Nihazona ny tenany ho mendrika ireo mpivady ireo mba hahatongavany tamin’izany andro lehibe izany, izay handaozan’ny zanakalahy sy zanakavavy ny tokantrano nahalehibe azy ary hanambadiany. Nadio sy nangatsakatsaka izy ireo tamin’izany fotoana masina izany. Ho avy ny fotoana hanombohan’izy ireo hitaiza ny zanany, izay hifanaraka amin’ny drafitra napetraky ny Raintsika any an-danitra. Hiankina amin’ny fiainany ireo fitsipika arahina napetraky ny Mpamonjy sy voalaza ao amin’ny soratra masiny ny fahasambaran’izy ireo, ary ny fahasambaran’ny taranaka ho avy.
Manontany tena ireo ray aman-dreny amin’izao fotoana izao raha misy toerana azo antoka hitaizana ireo ankizy. Misy toerana iray azo antoka. Ao amin’ny tokantrano izay ampianarana ny filazantsara izany. Mifantoka amin’ny fianakaviana isika ato am-piangonana ary manoro hevitra ireo ray aman-dreny na aiza na aiza izahay mba hitaiza ireo zanany araka ny fahamarinana.
Naminany sy nampitandrina ny Apôstôly Paoly fa “any am-parany any dia hisy andro mahory.
“Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
“tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
“mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra;
“manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.”1
Naminany ihany koa i Paoly hoe: “Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.”2
Ampiasaina mba entina hampitandremana ireo andinin-tsoratra masina ireo, izay mampiseho ny zavatra tokony halavirina. Tsy maintsy miambina sy mitandrina hatrany isika. Afaka mamerina mijery ny tsirairay amin’ireo faminaniana ireo isika ary manisy marika eo akaikin’izy ireo fa ny tsirairay avy amin’izy ireo dia misy ary miteraka fanahiana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny:
Andro mahory—Mitranga izany amin’izao fotoana izao. Miaina ao anatin’ny fotoana feno loza isika.
Tia vola, mpandoka tena, mpiavonavona—Mitranga ireo rehetra ireo ary eo anivontsika.
Miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana—Mihanaka izany rehetra izany amin’izao.
Mpanontolo fo, mpanendrikendrika, sy ny sisa—Voamarina ireo rehetra ireo fa misy avy amin’ny zava-mitranga manodidina antsika.
Niresaka ny faharatsiana amin’izao androntsika izao koa i Môrônia rehefa nampitandrina izy hoe:
“Rehefa ho hitanareo ny hahatongavan’ ireny zavatra ireny eo anivonareo … ny hifohazanareo ho amin’ ny fieritreretana ny toe-javatra mahatsiravina misy anareo. …
“Koa, izaho Môrônia dia didina hanoratra ireny zavatra ireny mba hanafoanana ny ratsy sy mba hiavian’ ny fotoana izay tsy hahazoan’ i Satana hanam-pahefana amin’ ny fon’ ny zanak’ olombelona, fa hahazoana kosa mandresy lahatra azy ireo hanao ny tsara lalandava, ka hahazoany manatona ny loharanon’ ny fahamarinana rehetra ary ho voavonjy.”3
Ireo filazalazana nomen’i Paoly sy i Môrônia mikasika ny androntsika ireo dia mitombina tsara ka tsy azo tsinontsinoavina. Ho an’ny olona maro dia manelingelina izany, eny mahakivy mihitsy aza. Kanefa, rehefa maka sary an-tsaina ny hoavy aho dia heniky ny fahatsapana izay mitodika amin’ny tsara.
Ao amin’ny fanambarana noraisin’i Paoly, ho fanampin’ireo fanamby sy olana dia nilaza tamintsika ny zavatra azontsika hatao mba hiarovantsika ny tenantsika koa izy:
“Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
“fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.”4
Milaza amintsika ireo fomba hahazoana fiarovana ara-panahy ny soratra masina. Mitahiry ny fotopampianarana sy lalàna ary ôrdônansy izany, izay hanome ny zanak’Andriamanitra tsirairay fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy.
Nisy ezaka goavana natao, izay nomanina tao anatin’ny taona maro, ho famoahana soratra masina amin’ny fiteny maro miaraka amin’ny fanovozan-kevitra sy soratra masina mifandray. Maniry ny hamoaka azy ireny ho an’ireo maniry ny handalina izahay. Mampianatra antsika ny lalana haleha sy ny zavatra hatao izy ireny. Manome fanantenana sy fahalalana izy ireny.
Taona maro lasa izay dia nampianatra ahy lesona iray mikasika ny famakiana soratra masina ny Loholona S. Dilworth Young tao amin’ny Fitopololahy. Nisy tsy fifankahazoana sy zava-tsarotra nodiavin’ny samy mpikambana tao amin’ny tsatòka iray ka nilana fanomezana torolalana.
Nanontany ny Filoha Young aho hoe: “Inona no tokony holazaiko?”
Tsotra ny valinteniny hoe: “Teneno izy ireo mba hamaky soratra masina.”
Hoy aho hoe: “Inona amin’ireo soratra masina?”
Hoy izy hoe: “Tsy maninona izay vakiany. Lazao izy ireo hanokatra ny Bokin’i Môrmôna ohatra, ary hanomboka hamaky. Tsy ho ela dia ho tonga ny fahatsapana fiadanana sy fitaomam-panahy, ary hipoitra ho azy eo ny vahaolana.”
Ataovy ho fahazarana tsy tapaka ataonao ny famakiana soratra masina, dia ho tonga ireo fitahiana. Misy feon’ny fampitandremana ao amin’ny soratra masina, saingy misy koa famokisana lehibe.
Raha toa ka hafahafa aminao ny teny ampiasaina ao amin’ny soratra masina amin’ny voalohany, dia tohizo ihany ny famakiana. Hahatsapa tsy ho ela ny hatsarana sy ny hery hita ao amin’ireo pejy ireo ianao.
Hoy i Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.”5
Azonao andramana ho an’ny tenanao izany fampanantenana izany.
Miaina ao anatin’ny andro mahory isika. Na izany aza dia afaka mahazo fanantenana sy fiadanana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny fianakaviantsika isika. Ireo izay miaina ao anatin’ny alahelo, mahatsapa ho very fanantenana fa tsy ho avotra amin’ny zavatra mianjady aminy avy amin’izao tontolo izao ny zanany, dia tsy tokony hilavo lefona. “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”6 Mahery lavitra noho ny faharatsiana ny fahamarinana.
Ireo ankizy nampianarina hanana fahatakarana ny soratra masina tamin’ny fahazazany dia hahafantatra ny lalana izay tokony halehany ary azo antoka kokoa fa ho tafajanona amin’izany lalana izany. Ireo izay nivily dia hanana fahafahana hiverina indray ary, raha mahazo fanampiana, dia hahita ny lalana miverina.
Nisy fotoana nanoheran’ny zanakalahin’i Môsià ny Fiangonana, kanefa taty aoriana dia nibebaka izy ireo ary nandalo fiovam-po mahatalanjona. Toy izao no voalaza ao amin’ny Almà: “Ireo zanakalahin’ i Môsià … [izay] efa nihanahery tamin’ ny fahalalana ny marina […]; fa izy ireo dia olon’ ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra.”7
Dimy taona ny Filoha Joseph F. Smith fony novonoina tao amin’ny Fonjan’i Carthage ny rainy, Hyrum. Taty aoriana dia namakivaky ny lohasaha niaraka tamin’ny reniny mananotena i Joseph.
Teo amin’ny faha 15 taonany dia voantso hitory filazantsara tany Hawaii izy. Nahatsiaro ho very sy irery izy ka niteny hoe: “Nianjadian’ny fanahiana aho. … Nahatsapa ny tenako ho tena ambany aho noho ny fahantrako, ny tsy fahampian’ny fahaizako sy ny fahalalako, noho izaho tsinontsinona afa-tsy tovolahy kely fotsiny ihany, hany ka tsy sahiko akory ny nifanatri-tava tamin’ny [olona na iza na iza].”
Teo am-pisaintsainana izany toe-java-manahirana izany i Joseph indray alina, no nanonofy fa nanao dia iray, nandehanany haingana araka izay vitany. Nivatsy fonosan-javatra kely izy. Farany dia tonga nanoloana ny trano mahafinaritra iray izy, izay tanjon’ny diany. Rehefa nanatona izy dia nahita soratra manao hoe: “Mandroa.” Lasa haingana izy nandro. Nosokafany ilay fonosan-javatra kely ary nahita akanjo fotsy, madio tao izy, “zavatra,” hoy izy, “izay tsy mba hitako nandritra ny fotoana ela.” Nanaovany izany ary nihazakazaka nanatona ny varavaran’ilay trano izy.
“Nandondona aho,” hoy izy, “ary dia nivoha ilay varavarana, ary ilay lehilahy nijoro teo dia ny Mpaminany Joseph Smith. Nijery ahy tamin’ny fijery nisy fahatezerana kely izy, ary ny teny voalohany nolazainy, dia hoe: ‘Tara ianao ry Joseph.’ Kanefa niteny tamim-pahatokian-tena aho hoe:
“‘Marina izany, saingy madio aho—Madio!’”8
Ary ho toy izany koa izany ho antsika tsirairay avy.
Raha toa ka manomboka ny dian’ny finoana sy ny fahazotoana ato am-piangonana ianao dia mijanòna amin’izany ary tandrovy ny fanekempihavananao. Mandrosoa hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana izay hirotsahan’ireo fitahian’ny Tompo ho anao ary hisehoan’ny Fanahy Masina ho toy ny hery mampihetsika eo amin’ny fiainanao.
Raha toa ianao ka amin’ny lalana izay mifanohitra amin’izay voalaza ao amin’ny soratra masina ankehitriny dia manome toky anao aho fa misy ny lalana miverina.
Nanolotra fomba mazava tsara ho antsika i Jesoa Kristy mba hibebahana sy hahitana fahasitranana eo amin’ny fiainantsika. Afaka ho azo amin’ny alalan’ny fikatsahana famelan-keloka amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana ny fahasitranana amin’ny ankamaroan’ireo fahadisoantsika. Na izany aza anefa, misy ireo rofy ara-panahy, indrindra ireo izay mifandraika amin’ny fandikana ny lalàna ara-pitondrantena, izay mitaky tanteraka ny fanampiana sy fikarakaran’ny olona mpanasitrana ara-panahy voatendry.
Taona maro lasa izay dia nisy zatovovavy tonga tao amin’ny biraoko, niaraka tamin’ny rainy, efa nahazoazo taona. Nentin’ilay zanany vavy nanao dia kilaometatra an-jatony maro izy mba hikaroka fanasitranana amin’ny heloka izay manindry azy. Nanao fahadisoana goavana izy fony zatovolahy, ary tsy mitsahatra mitamberina ao an-tsainy izany amin’izao fahanterany izao. Tsy afaka ao aminy izany fahatsapana ho meloka izany. Tsy afaka niverina tany amin’ny lasa izy ary namaha irery ny olan’ny fahatanorany, kanefa afaka nanomboka teo amin’ny fotoana nisy azy izy, niaraka tamin’ny fanampiana, mba hamafa ny fahatsapana ho meloka izay nanaloka azy nandritra ireo taona rehetra ireo.
Feno fankasitrahana aho fa tamin’ny fampianarana azy an’ireo fitsipika tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tahaka ireny nisy vesatra goavana ireny nesorina teo an-tsorony. Rehefa nitodi-doha nody tao anatin’ireo kilaometatra maro izy sy ny zanany vavy dia niala tamin’ilay rangahy lehibe ireo fahatsapana ho meloka tamin’ny fandikan-dalàna nataony taloha.
Raha toa ka “[mifoha] ho amin’ ny fieritreretana ny toe-javatra mahatsiravina misy ana[o]”9 ianao ary maniry ny hiverina hanana tanjaka ara-panahy dia manatòna ny evekanao. Mihazona ireo fanalahidy izy ary afaka manampy anao amin’ny lalan’ny fibebahana.
An’ny tena manokana ny fibebahana, ary toy izany koa ny famelan-keloka. Ny hany takian’ny Tompo dia ny hialan’ny tsirairay amin’ny otany, ary “[Izy] ha[mela] ny helony, Ary tsy hotsarova[ny] intsony ny fahotany.”10
Rehefa tontosa hatramin’ny farany ny dingan’ny fibebahana dia ho takatrao ny tian’ny fampanantenan’i Isaia holazaina mikasika ny Sorompanavotana: “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.”11
Toy ny tsaoka azo fafana eo amin’ny solaitrabe, dia ho azo fafana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy koa ny vokatry ny fandikan-dalàntsika rehefa manao fibebahana amin-kitsimpo. Mihatra amin’ny toe-javatra rehetra izany fampanantenana izany.
Mampianatra antsika ho faly ny filazantsara, hanana finoana fa tsy hanana tahotra, hahita fanantenana sy handresy ny hakiviana ary hiala amin’ny haizina sy hiverina amin’ny fahazavan’ny filazantsara mandrakizay.
Nampitandrina mikasika ireo fitsapana amin’izao androntsika izao sy amin’ireo andro mbola ho avy i Paoly sy ireo hafa. Kanefa hanana fiadanana ao am-po ny tsirairay izay mitodika amin’ny soratra masina ary manokatra ireo fampanantenana fiarovana sy fanavotana izay ampianarina ao. Manasa ny rehetra izahay mba hiverina amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy, amin’ny fampianarany izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy.
Mijoro ho vavolombelona azo antoka aho fa ny soratra masina no fanalahidy ho an’ny fiarovana ara-panahintsika. Mijoro ho vavolombelona koa aho ny amin’ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, “[ka] ho amin’ ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra”.12 izay ho voavonjy. Naorina eto an-tany indray ny Fiangonan’ny Tompo. Ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara no ijoroako ho vavolombelona. Ny Aminy no ijoroako ho vavolombelona. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.