Fitomaniana: Mitandrema amin’ny Fanandevozana
Ny fanambintsika dia ny hiala amin’ny karazana fanandevozana rehetra, sy ny hanampy ny Tompo hanangona ireo nofinidiny, ary ny hahafoy ho an’ny taranaka vao misondrotra.
Tany am-piandohan’ny fanambadianay dia nanapa-kevitra izaho sy i Mary vadiko fa hisafidy ireo lanonana izay azonay hiarahana manatrika matetika araka izay tratra izahay. Nirianay ihany koa ny hanam-pahendrena eo amin’ny habetsaky ny vola holanianay amin’izany. Tia mozika i Mary ary tsy isalasalana fa sahiran-tsaina izy fandrao hanisy lanja loatra ireo hetsika ara-panatanjahan-tena aho, koa dia niady varotra izy ny mba hanatrehanay tantara an-kira na opéra na hetsika ara-kolontsaina roa isaky ny manatrika lanonana ara-panatanjahan-tena nandaniam-bola iray.
Tamin’ny voalohany dia tsy tiako ilay hoe mila manatrika opéra, saingy rehefa ela ny ela dia niova ny fijeriko. Lasa tena nankafy manokana ireo opéra an’i Guiseppe Verdi1 aho. Amin’ity herinandro ity no fahatsiarovana ny faha-200 taona nahaterahany.
Tamin’ny fahatanorany i Verdi dia liana tamin’i Jeremia mpaminany, ary tamin’ny 1842, fony izy 28 taona, dia lasa nalaza izy noho ilay opéra hoe Nabucco, izay fanafohezana amin’ny teny Italiana ilay anarana hoe Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Ahitana fitsipika nalaina avy tao amin’ireo bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana ary ny Salamo ao amin’ny Testamenta Taloha io opéra io. Ahitana ny nambaboana an’i Jerosalema io opéra io sy ny fahababoana ary ny fanandevozana ny Jiosy. Ny Salamo 137 no aingam-panahin’ilay “Chorus of the Hebrew Slaves” (Hiran’ireo Andevo Hebreo) an’i Verdi, izay mampihetsi-po sy manainga fanahy. Ny teny fiandohana ao amin’io Salamo io ao amin’ny soratra masintsika dia tena mampahory: “Raha tany amin’ny fahababoana ireo Jiosy dia nitomany tany amin’ireo reniranon’i Babylona—Noho ny fahoriana dia tsy zakan’izy ireo ny nihira ireo hiran’i Ziona.”
Ny tanjoko dia ny hamerina hijery ireo endrika maron’ny fanandevozana sy ny fahababoana. Hampitahaiko amin’ny andron’i Jeremia talohan’ny faharavan’i Jerosalema ireo toe-java-misy sasany amin’izao androntsika izao. Eo am-panolorana ity feo fampitandremana ity, dia feno fankasitrahana aho fa manalavitra amim-pahamarinana an’ireo fitondrantena izay manafintohina tokoa ny Tompo tamin’ny andron’i Jeremia ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.
Zava-dehibe ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo faminaniana sy fitoamanian’i Jeremia. I Jeremia sy ny zava-nisy tao Jerosalema tamin’ny androny no tontolo resahana ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. I Jeremia dia niaina tamin’ny andron’i Lehia.2 Nampahafantarin’ny Tompo an’i Jeremia tamin’ny fomba nahagaga ny nanendrena azy mialoha: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”3
Nanana antso hafa sy iraka ho tanterahana ary asa nanendrena azy avy tamin’ny Tompo i Lehia. Tsy voantso tao anatin’ny fahatanorany izy fa tao anatin’ny fahamatorana. Tany am-boalohany dia feo fampitandremana ny feony, saingy rehefa avy nanambara tamim-pahatokiana ny hafatra mitovy amin’ny an’i Jeremia i Lehia, dia nodidian’ny Tompo izy hitondra ny fianakaviany sy handeha ho any an-tany foana.4 Ny fanaovan’i Lehia izany dia tsy hoe nitahy ny fianakaviany fotsiny fa ny olon-drehetra ihany koa.
Tsy nisy fitsaharana ireo hafatra nomen’ny Tompo an’i Jeremia nandritra ireo taona mialohan’ny faharavan’i Jerosalema5:
“Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireny tsy mahasoa ireny. …
“… Efa nahafoy ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka … mitriatriatra tsy mahatan-drano.”6
Raha niresaka mikasika ireo loza izay ho avy amin’ireo mponin’i Jerosalema ny Tompo dia naneho ny fahoriany araka izao: “[Ny an’izy ireo dia] lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy [izy ireo].”7
Nokasain’Andriamanitra ny hahatonga ireo lehilahy sy vehivavy ho afaka hifidy amin’ny tsara sy ny ratsy. Rehefa ny safidy ratsy no lasa toetoetra manjaka eo amin’ny kolontsaina na ny firenena iray, dia misy vokany mavesatra izany na eo amin’ny fiainana an-tany na eo amin’ny fiainana ho avy. Ny olona dia afaka ny hianjadian’ny fanandevozana na mametraka ny tenany ao amin’ny fanandevozana tsy hoe amin’ny alalan’ny zavatra manimba sy mampiankin-doha ihany, fa amin’ny alalan’ny fomba fisainana manimba sy mampiankin-doha ihany koa izay misarika hiala amin’ny fiainana amim-pahamarinana.
Ny fialana amin’ny fitsaohana an’ilay Andriamanitra marina sy velona ary ny fanompoana andriamanitra tsy izy toy ny harena sy ny laza ary ny firotsahana amin’ny fitondrantena maloto sy tsy marina dia mitondra amin’ny fanandevozana amin’ny endriny ratsy rehetra. Tafiditra amin’izany ny fanandevozana ara-panahy sy ara-batana ary ara-tsaina, ary indraindray afaka mitondra any amin’ny faharavana. Nampianarin’i Jeremia sy i Lehia ihany koa fa ireo izay marina dia tsy maintsy manampy ny Tompo hanorina ny Fiangonany sy ny fanjakany ary manangona an’i Isiraely miely patrana.8
Naverimberina sy nohamafisina nandritra ny taonjato maro ireo hafatra ireo tamin’ny fotoampitantanana rehetra. Ireo no fototry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao fotoampitantanana farany izao.
Ny fahababoan’ireo Jiosy sy ny fanapariahana an’ireo fokon’ny Isiraely, tafiditra amin’izany ireo foko folo, dia fahamarinana manan-danja tokony ho dinihana mikasika ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Ireo foko folo very tamin’ny Isiraely no mandrafitra ny Fanjakana Avaratra amin’ny Isiraely ary nentina ho babo tany Asyria tamin’ny taona 721 talohan’i J.K. Lasa tany amin’ireo firenena tavaratra izy ireo.9 Ny fanekem-pinoana fahafolo dia milaza fa “Mino isika fa hangonina ara-bakiteny ny Isiraely ary hampodiana indray ny Foko Folo.”10 Mino koa isika fa ny tao amin’ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama dia tsy hoe ny taranak’i Abrahama ihany no hotahiana fa koa hoe ho voatahy avokoa ny olona rehetra eto an-tany. Araka ny voalazan’ny Loholona Russell M. Nelson, ny fanangonana “dia tsy resaka toerana; fa resaka fanolorantenan’ny isam-batan’olona. Azo ‘entina amin’ny fahalalana ny Tompo’ [3 Nefia 20:13] ny olona na dia tsy mandao ny firenena niaviany aza.”11
Mazava ny fotopampianarantsika: “Nampiely patrana sy nampahory ireo fokon’ny Isiraely roa ambin’ny folo ny Tompo noho ny tsy fahamarinan’izy ireo sy ny fikomiany. Na izany aza dia [nampiasain’ny] Tompo koa io fanapariahana ny vahoaka voafidiny io ho any amin’ireo firenena amin’izao tontolo izao mba hitahiana ny firenena rehetra.”12
Mianatra lesona sarobidy isika avy amin’io vanim-potoana mampalahelo io. Tokony hanao izay rehetra tratry ny herintsika isika hisorohana ny fahotana sy ny fikomiana izay mitondra amin’ny fahababoana.13 Miaiky koa isika fa ny fiainana amim-pahamarinana dia fepetra takiana mialohan’ny ahafahana manampy ny Tompo eo amin’ny fanangonana ireo olom-boafidiny sy ny fanangonana ara-bakiteny an’i Isiraely.
Ny fatorana, sy ny fahababoana, sy ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha ary ny fanandevozana dia hita amin’ny endrika maro. Mety ho fanandevozana ara-batana ara-bakiteny izany, fa mety koa ho fahaverezana na fahasimban’ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena izay afaka manembantsembana ny fivoarantsika. Mazava tsara ny voalazan’i Jeremia fa ny tsy fahamarinana sy ny fikomiana no antony fototra nahatonga ny faharavana an’i Jerosalema sy ny fahababoana tany Babylona.14
Ny karazana fanandevozana hafa dia mandrava ny fanahin’olombelona tahaka izany ihany koa. Azo ravaina amin’ny fomba maro ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena.15 Efatra amin’izany no ho resahako, izay tena mikiky manokana eo amin’ny kolontsaina ankehitriny.
Voalohany, ireo fahazaran-dratsy mampiankin-doha izay manimba ny fahafahana misafidy sy manohitra ny zavatra inoana ara-pitondrantena ary manimba ny fahasalamana dia miteraka fanandevozana. Ny fiantraikan’ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro mahamamo, ny fahalotoam-pitondrantena, ny pôrnôgrafia, ny filokana, ny fanandevozana ara-bola ary ny fahoriana hafa dia mampizaka enta-mavesatra goavana tokoa amin’ireo izay fatorany sy amin’ny fiaraha-monina ka zary tsy hay ho refesina.
Faharoa, ny zava-mampiankin-doha na fironana sasany, na dia tsy tena hoe ratsy aza, dia afaka mandany ampahany sarobidy amin’ny fotoantsika izay tokony ho azontsika ampiasaina hanatratrarana tanjona masina. Mety ho tafiditra amin’izany ny fampiasana tafahoatra ny seraseram-pifandraisana, ny jeux vidéos sy jeux électroniques, ny fanatanjahantena, ny fialamboly ary ny zavatra maro hafa.16
Ny fomba hanokanana fotoana ho an’ny fianakaviana no iray amin’ireo olana lehibe indrindra atrehana eo amin’ny ankamaroan’ny kolontsaina misy. Tamin’ny fotoana hoe izaho irery no hany mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny toeram-piasana teo amin’ny sehatry ny lalàna nisy ahy, dia nisy vehivavy mpisolovava iray izay nanazava tamiko ny fahatsapany ho toa ireny hoe mpanao tanisa ireny izy miezaka manipy baolina telo mba hiaraka samy hijanona eny ambony eny. Ny baolina iray dia ny asany eo amin’ny sehatry ny lalàna, ny iray dia ny fanambadiany, ary ny iray farany dia ireo zanany. Efa nionona izy fa tsy hahita fotoana mba ho an’ny tenany manokana. Sahiran-tsaina mafy izy fa tsy voakarakarany tsara foana ny iray amin’ireo telo ireo. Nandroso hevitra aho ny hivorianay maromaro miaraka ary hifanakalo hevitra mikasika izay laharam-pahamehana taminay. Voafaritray fa ny antony voalohany niasanay dia ny hanohana ny ankohonanay. Nanaiky izahay fa ny fahazoana fidiram-bola fanampiny dia tsy manan-danja lavitra raha oharina amin’ny fianakavianay, saingy tsapanay fa manan-danja fatratra ny fikarakarana tsara araka izay vitanay ireo olona mampiasa ny orinasa misy anay. Avy teo dia niova ny resaka, lasa nankany amin’ny zavatra ataonay tao am-piasana izay tsy tena ilaina ary tsy nifanaraka tamin’ny fanokanana fotoana hiarahana amin’ny fianakaviana. Moa ve nisy fanerena handany fotoana izay tsy tena nilaina tao am-piasana?17 Nanapa-kevitra izahay fa ny tarigetranay dia ny ho lasa tontolo mitsinjo ny fianakaviana na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Isika no tokony ho eo amin’ny lohalaharana amin’ny fitsinjovana fotoana ho an’ny fianakaviana.
Fahatelo, ny endrika fahababoana mahazatra indrindra amin’izao androntsika izao, tahaka ny efa nisy hatramin’izay, dia ny fotokevitra na finoana ara-pôlitika izay tsy mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa atakalo fotokevitr’olombelona ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia afaka mitarika antsika izany hivaona amin’ilay fahatsoran’ny hafatry ny Mpamonjy. Raha nitsidika an’i Atena i Paoly dia niezaka hampianatra ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apôstôly ireo ezaka nataony ireo, “Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.”18 Rehefa tonga saina ny vahoaka fa ara-pivavahana tsotra ny hafatr’i Paoly, izay tsy vaovao tamin’izy ireo, dia nolavin’izy ireo izany.
Mitovy amin’izao androntsika izao izany, izay ahitana fa matetika no lavina na ovaina ireo fahamarinan’ny filazantsara mba hahatonga azy ireo ho manaitra kokoa ny saina sy hifanaraka kokoa amin’ny fironana ara-kolontsaina sy ny foto-pisainana misy amin’izao fotoana izao. Raha tsy mitandrina isika dia mety ho voasarik’ireo fironana ireo ary hametraka ny tenantsika ho ao amin’ny fanandevozana ara-tsaina. Misy feo maro ankehitriny manoro ny vehivavy ny fomba tokony hiainana.19 Matetika izy ireo dia mifanipaka. Ny tokony hanahiran-tsaina antsika indrindra dia ireo foto-pisainana izay manakiana na mampihena ny hajan’ny vehivavy izay misafidy ny hanao ny fahafoizan-tena ilaina mba hahatongavana ho reny na ho mpampianatra na ho mpikarakara na ho naman’ireo zanaka.
Volana vitsivitsy lasa izay, dia samy namangy anay ireo zafikelinay vavy roa zandriny indrindra—iray isaky ny herinandro. Tao an-trano aho ary izaho no namoha ny varavarana. Tany amin’ny efitra hafa i Mary vadiko. Izy roa ireo, rehefa avy namihina, dia saika samy zavatra mitovy no nolazainy. Nijery manodidina izy ireo ary avy teo dia niteny hoe: “Tiako ny aty an-tranon’i Bebe. Aiza i Bebe?” Tsy nolazaiko azy ireo fa ny tao an-tsaiko dia hoe “Fa angaha tsy tranon’i Dadabe koa ity?” Saingy tonga saina aho fa fony aho zazalahy dia nandeha ho any an-tranon’i Bebe koa ny fianakavianay. Tonga ato an-tsaiko ny tonon’ny hira iray mahazatra hoe: “Miampita renirano sy mamakivaky ala ny lalanay mankany amin’ny tranon’i Bebe.”
Ankehitriny, aoka holazaiko mazava tsara fa mahasanganehana ahy ireo fahafahana mandranto fianarana sy manao zavatra hafa izay azon’ny vehivavy atao. Ankafiziko ilay hoe efa nihena any amin’ny ankamaroan’izao tontolo izao ireo asa mahafoladamosina sy ny asa fampiriman-trano izay takiana amin’ny vehivavy noho ireo zavatra maoderina mampiadana ary ny hoe mitondra anjara biriky mahatalanjona tokoa ireo vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa na ny fianarana. Saingy raha mamela ny kolontsaina isika hanena ny fifandraisana miavaka izay misy eo amin’ireo zanaka sy ny reny sy ny renibe ary ireo hafa izay mikarakara azy ireo, dia hanenenantsika izany any aoriana any.
Fahaefatra, ireo hery izay manitsakitsaka ireo fitsipika ara-pivavahana izay arahina amin-kitsimpo dia afaka mitondra any amin’ny fanandevozana. Ny iray amin’ireo endrika mahasorena indrindra dia rehefa misy olo-marina izay mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fitondrantenany eo anatrehan’Andriamanitra ka terena hanao zavatra izay mandika ny feon’ny fieritreretany—ohatra, ny mpiasan’ny fahasalamana izay terena hisafidy hoe na manampy amin’ny fanalàn-jaza izay mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany, na ho very asa.
Ny Fiangonana dia somary vitsy an’isa ihany na dia ampifanampiana amin’ireo olona izay mitovy fihetsika aminy aza. Ho sarotra ny hanova ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny, saingy tsy maintsy miezaka isika hanatsara ny kolontsaina ara-pitondrantena manodidina antsika. Ireo Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny firenen-drehetra dia tokony ho olom-pirenena vanona, sy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena, sy hianatra mikasika ny raharaham-pirenena ary hifidy.
Ny zavatra antitranterintsika voalohany, na dia eo aza izany, dia tokony ho ny hanao izay fahafoizana rehetra ilaina mba hiarovana ny fianakaviantsika manokana sy ny taranaka vao misondrotra.20 Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mbola tafiditra ao amin’ny fanandevozan’ny zava-mampiankin-doha lalina na ny fotokevitra diso. Tsy maintsy manampy azy ireo isika hiatrehany tontolo iray izay mitovy be amin’ilay Jerosalema izay niainan’i Lehia sy i Jeremia. Ankoatr’izany dia mila manomana azy ireo isika hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany, ary ho tonga ireo tena mpanompo izay hanampy ny Tompo mba hanorina ny Fiangonany sy hanangona an’i Isiraely miely patrana sy ireo nofinidin’ny Tompo na aiza na aiza.21 Araka izay voalaza amin’ny fomba tena kanto ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, hoe: “Ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra ary ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay.”22
Ny fanambintsika dia ny hiala amin’ny karazana fanandevozana rehetra, sy ny hanampy ny Tompo hanangona ireo nofinidiny, ary ny hahafoy ho an’ny taranaka vao misondrotra. Tsy maintsy tadidintsika hatrany fa tsy mahavita manavotra ny tenantsika isika. Ny fitiavana sy ny fahasoavana ary ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy no manafaka antsika. Rehefa nandositra ny fianakavian’i Lehia dia notarihan’ny fahazavan’ny Tompo. Raha miorina ao amin’ny Fahazavany isika, sy manaraka ny Didiny, ary miantehitra amin’ny fahamendrehany dia hisoroka ny fanandevozana ara-panahy sy ara-batana ary ara-tsaina, sy ny fitomaniana ateraky ny fivezivezena ao anatin’ny tany foanantsika manokana, satria mahery Izy ka mahavonjy.
Aoka isika hisoroka ny fahakiviana sy ny fahorian’ireo izay tafalatsaka ao amin’ny fahababoana ka tsy mahazaka intsony ny mihira ireo hiran’i Ziona. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.