Aoka ho Malemy Fanahy sy Mietry Am-po
Tsy midika ho fahalemena ny hoe malemy fanahy, fa midika kosa izany hoe manana fitondrantena feno hatsaram-panahy.
Nampianatra i Môrmôna fa ny olona iray dia “tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana … raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.”1 Dia nampiany hoe raha tsy manana ireo toetra ireo dia “foana ny finoany sy ny fanantenany, fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po.”2
Ny halemem-panahy dia toetran’ireo izay “matahotra an’Andriamanitra, marin-toetra, manetry tena, azo ampianarina ary manam-paharetana amin’ny fahoriana.”3 Ireo izay manana io toetra io dia vonona ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ary ny toetra voajanaharin’izy ireo dia tony sy mora manaiky, tia mandefitra ary mpanoa.
Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa ny halemem-panahy dia vokatry ny Fanahy.4 Noho izany dia ho mora ny hahazoana izany raha toa ka “velon’ny Fanahy” isika.5 Ary mba ho velon’ny Fanahy dia tokony haneho fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo ny fomba fiainantsika.
Rehefa mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika isika dia antenaina ny hiezahantsika haka tahaka ireo toetrany sy ny hanova ny toetrantsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa isan’andro. Rehefa nampitandrina ireo mpianany ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra.”6 Raha “manatona an’i Kristy, [isika] … ary [mandà] ny toetra rehetra tsy araka an’Andriamanitra … ary tia an’Andriamanitra” dia ho avy ny andro izay hahatonga antsika ho tanteraka ao amin’i Kristy noho ny fahasoavany.7
“Fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Azo[ntsika] [ireo toetra ireo] rehefa mampiasa am-pahamarinana ny fahafaha[ntsika] misafidy. Noho ny faniria[ntsika] hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia [tsy maintsy] miaiky ireo fahaleme[ntsika isika] ary vonona hivoatra an-tsitrapo sy am-pahazotoana.”8
Ny halemem-panahy dia ilaintsika mba hahatongavana bebe kokoa tahaka an’i Kristy. Tsy afaka mikolokolo hatsaran-toetra manan-danja hafa isika raha tsy manana an’izany. Tsy midika ho fahalemena ny hoe malemy fanahy, fa midika kosa izany hoe manana fitondrantena feno hatsaram-panahy, maneho tanjaka, sy fahatoniana, sy fananana lanjan’ny tena manokana ary fifehezan-tena.
Iray tamin’ireo toetra nananan’ny Mpamonjy betsaka indrindra teo amin’ny fiainany ny halemem-panahy. Izy mihitsy no nampianatra ny mpianany hoe: “Mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho.”9
Notahiana isika noho isika teraka niaraka tamin’ny voan’ny fahalemem-panahy ao am-pontsika. Mila mahatakatra isika fa tsy azo heverina ny hampaniry sy hampitombo io voa io ao anatin’ny indray mipi-maso, fa azo tsikelikely kosa izany rehefa mandeha ny fotoana. Nangataka antsika i Kristy mba “hitondra ny hazo fijalia[ntsika] isan’andro,”10 izay midika hoe tokony ho fifantohana sy faniriana tsy tapaka izany.
Ny Filoha Lorenzo Snow, izay mpaminany fahadimy amin’izao fotoampitantanantsika izao dia nampianatra hoe: “Adidintsika ny miezaka ny ho tanteraka, … ny hivoatra isan’andro, ary handinika ny zavatra nataontsika tamin’ny herinandro lasa ary hanao tsaratsara kokoa amin’ity herinandro ity; hanao tsara kokoa anio noho ny nanaovantsika izany omaly.”11 Noho izany, ny dingana voalohany amin’ny fahatongavana ho malemy fanahy dia ny mivoatra isan’andro. Mila miezaka ny ho tsara kokoa noho ny omaly isika isan’andro eo am-pirosoantsika eo amin’io dingana io.
Nampian’ny Filoha Snow hoe:
“Isika dia manana ireo hadalantsika madinika sy ireo fahalementsika; tokony hiezaka isika ny handresy azy ireny haingana araka izay tratra ary … tokony [hametraka] io fahatsapana io ao am-pon’ireo zanatsika … mba hahafahan’izy ireo mianatra [mitondra tena] araka ny tokony ho izy eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny toe-javatra iainana rehetra.
“Raha toa ny lehilahy iray ka mahavita miara-miaina amin’ny vadiny kanefa tsy miady ao anatin’ny iray andro, na tsy maneho haratsiam-panahy na amin’iza na amin’iza, na tsy manao izay hampalahelo ny Fanahin’Andriamanitra … ; dia efa tanteraka izy amin’io andro io. Dia aoka izy hiezaka ny ho toy izany koa ny ampitson’io. Kanefa raha andeha hatao hoe tsy mahavita izany izy ny ampitson’io dia tsy tokony ho antony hahatonga azy tsy hahomby amin’ny fiezahana ho tanteraka izany amin’ny andro fahatelo.”12
Rehefa mahita ny fahafoizan-tenantsika sy ny faharetantsika ny Tompo dia hanome antsika izay tsy azontsika tratrarina noho ny tsy fahatanterahantsika sy ny fahalementsika amin’ny maha-olombelona Izy.
Dingana hafa iray manan-danja amin’ny fahatongavana ho malemy fanahy ny fianarana mifehy ny toe-pihetseham-pontsika. Koa satria ny toetra araka ny nofo dia mitoetra ao anatintsika tsirairay avy, ary satria miaina ao anatin’ny tontolo feno fanerena isika, dia mety ho tonga iray amin’ireo fanamby eo amin’ny fiainantsika ny fifehezantsika ny toe-pihetseham-pontsika. Eritrereto ao anatin’ny segondra vitsy ny fomba fihetsikao rehefa tsy manao izay mifanaraka amin’ny fanirianao ny olona iray amin’ny fotoana tianao hanaovany izany. Ary mba manao ahoana rehefa tsy manaiky ny hevitrao ny olona na dia tena azonao antoka aza fa ireo hevitrao ireo no vahaolana sahaza ho an’ny olana iray? Inona no fihetsikao rehefa manafintohina anao na mitsikera ny ezaka vitanao, na ratsy fanahy tsotra izao ny olona iray satria misy zavatra tsy mahafaly azy any? Tsy maintsy mianatra mifehy ny toe-pihetseham-pontsika isika amin’ny fotoana tahaka an’ireo sy amin’ny toe-java-tsarotra hafa, ary maneho ny fihetseham-pontsika amim-paharetana sy amin’ny fandresen-dahatra feno halemem-panahy. Manan-danja indrindra izany ao anatin’ny tokantranontsika sy fifandraisantsika amin’ny mpiara-dia mandrakizay amintsika. Nandritra ireo 31 taona nanambadiako ny malalako dia natetika izy no nampahatsiahy ahy tamin’ny halemem-panahy ny mikasika izany rehefa niatrika ireo zava-tsarotra nahaketraka teo amin’ny fiainana izahay.
Hoy i Paoly tao amin’ireo fampianarany hita ao amin’ny Epistiliny faharoa ho an’ny Timoty:
“Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
“mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
“ka hody ny sainy.”13
Rehefa mifehy ny fihetsitsika isika, sy tony sy malefaka ary misoroka ny fifandirana dia hanomboka ho mendrika ny fanomezam-pahasoavan’ny halemem-panahy. Hoy ny Filoha Henry B. Eyring indray mandeha: “Rehefa fehezintsika amim-pinoana ny fontsika sy ny avonavontsika, dia haneho ny fanekeny ny Fanahy Masina, ary ho azo antoka ireo fampanantenana sy fanekempihavanana masina.”14
Dingana hafa iray hahazoana ny halemem-panahy ny fetezana ho tonga manetry tena. Nampianarin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith i Thomas B. Marsh nanao hoe: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ ny tanana sy hanome anao ny valin’ ny fivavakao.”15
Mino aho, ry rahalahy sy rahavavy isany, fa ireo izay manetry tena ihany no afaka mahafantatra sy mahatakatra ny valin’ny vavak’izy ireo avy amin’ny Tompo. Mora ampianarina ireo manetry tena, manaiky fa miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra ary maniry ny hanoa ny Sitrapony. Malemy fanahy ireo manetry tena ary manana fahaizana mitaona ny hafa mba ho tahaka izany koa. Ny fampanantenan’Andriamanitra amin’ireo manetry tena dia ny hoe hitarika azy ireo amin’ny tanany Izy. Mino marina tokoa aho fa ho afaka amin’ireo zavatra mampania sy ny alahelo eo amin’ny fiainantsika isika raha mbola mifampitantana amin’ny Tompo koa.
Iray amin’ireo ohatra tsara indrindra fantatro, izay maneho halemem-panahy amin’izao andro izao ny an-dRahalahy Moses Mahlangu. Nanomboka tamin’ny taona 1964 ny fiovam-pony rehefa naharay Bokin’i Môrmôna iray izy. Talanjona izy rehefa namaky ity boky ity, saingy tany amin’ny fiandohan’ny taona 70 izy vao nahita ny mari-pamantarana ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany teo amin’ny trano iray tao Johannesbourg Afrika Atsimo, raha izy nandeha teny an-dalana iny. Nanitikitika ny sain-dRahalahy Mahlangu izany ary niditra tao amin’ilay trano izy mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ny Fiangonana. Nolazaina taminy tamin-katsaram-panahy fa tsy afaka manatrika ireo fotoam-pivavahana izy na hatao batisa satria tsy namela ny hanaovana izany ny lalàn’ilay firenena tamin’izany fotoana izany.
Neken-dRahalahy Mahlangu tamin-kalemem-panahy sy fanetren-tena izany fanapahan-kevitra izany ary tsy nanana lolom-po izy, saingy mbola nanana faniriana mahery vaika ihany izy ny hahafantatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana. Nangataka tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana izy raha toa ka azon’izy ireo atao ny mamoha ny iray amin’ireo varavarankelin’ny trano fivavahana mandritra ireo fivoriana isaky ny Alahady mba hahafahany mipetraka eo ivelany ary mihaino ireo fotoam-pivavahana. Nandritra ny taona maro no nanatrehan’ny fianakavian-dRahalahy Mahlangu sy ireo namany tsy tapaka ny fivoriam-piangonana “avy eny ivelany akaikin’ny varavarankely.” Indray andro, tamin’ny taona 1980 dia nolazaina azy ireo fa afaka mankao am-piangonana izy ireo ary azo hatao batisa koa. Andro nanan-daza tokoa izany ho an-dRahalahy Mahlangu.
Taty aoriana dia nanorina sampana iray ny Fiangonana teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy tao Soweto. Tsy azo noheverina ny nahatanterahan’izany raha tsy noho ny finiavana sy ny herimpo ary ny fahatokian’ny olona tahaka ny Rahalahy Mahlangu izay nijanona ho mahatoky nandritra ny taona maro tokoa tao anatin’ny toe-java-tsarotra niainana.
Ny iray tamin’ireo naman-dRahalahy Mahlangu, izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany no nitantara tamiko ity tantara ity raha nitsidika ny tsatòkan’i Soweto aho. Rehefa nifarana ny resaka nifanaovanay dia namihina ahy izy. Tamin’izay fotoana izay, ry rahalahy sy rahavavy, dia tsapako ho toy ny hoe nohodidinin’ny sandrim-pitiavan’ny Mpamonjy aho. Hitako teo amin’ny mason’ity rahalahy mahafinaritra ity ny halemem-panahy. Nanontany ahy izy, tamin’ny fo feno hatsarana sy fankasitrahana lalina, raha toa aho ka afaka milaza tsotra amin’ny Filoha Thomas S. Monson fa mahatsapa ho feno fankasitrahana sy notahiana izy sy ireo maro hafa noho ny fananan’izy ireo ny filazantsara marina eo amin’ny fiainany. Tena nisy fiantraikany tsara tamin’ny fiainana maro—indrindra fa ny ahy—ny ohatry ny halemem-panahin-dRahalahy Mahlangu sy ilay namany.
Ry rahalahy sy rahavavy, mino aho fa ny Mpamonjy Jesoa Kristy no ohatra faratampony amin’ny halemem-panahy. Eny fa na dia nandritra ny fotoana farany teo amin’ny fiainany teto an-tany aza, izay niampangana sy nanamelohana Azy tamin’ny tsy rariny, ka nitondrany tao anatin’ny fanaintainana ny hazo fijaliany niakatra an’i Golgota, ka noesoina sy nozonin’ireo fahavalony, ary nilaozan’ireo olona maro izay nahalala Azy sy nahita ny fahagagana nataony, dia nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana Izy.
Na dia taorian’ny fijaliana mahery vaika indrindra ho an’ny vatana aza dia nitodika tany amin’ny Rainy ny Tompo ary niteny avy ao am-pony tamin’ny halemem-panahy sy fanetren-tena hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”16 Niatrika fijaliana ara-batana sy ara-panahy mafy dia mafy i Kristy mba hanomezana antsika fahafahana hanova ny toetrantsika ara-panahy ary ho tonga malemy fanahy tahaka Azy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa noho ny fitiavany dia azo atao ny miova. Azo atao ny miala amin’ny fahalementsika. Azo atao ny mandà ireo fitaoman’ny ratsy eo amin’ny fiainantsika, ny mifehy ny fahatezerantsika, ny ho tonga malemy fanahy ary ny mianatra ireo toetran’ny Mpamonjintsika. Nasehony antsika ny lalana. Nomeny antsika ny ohatra tonga lafatra ary nodidiany isika tsirairay ho lasa tahaka Azy. Ny fanasana omeny antsika dia ny hanaraka Azy, hanaraka ny ohatra nasehony ary ho tonga tahaka Azy. Ny amin’ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.